Ho an’ny tanora
Rehefa ao anatin’ny fisalasalana, dia sokafy ho an’ny finoanany varavarana
Na dia misy fotoana aza isika mety hisalasala ny amin’ny zavatra ara-panahy iainantsika, dia afaka ny hiverina hitosaka tampoka ny fatokian-tenantsika.
Na lehibe tato am-piangonana isika na niova fo taty aoriana tamin’ny fiainantsika, dia maro amintsika no mety efa niaina fotoana nisalasalana na nananana ahiahy. Mety efa niaina zavatra ara-panahy mahatalanjona isika saingy lasa manontany tena ankehitriny hoe: Tena marina ve ireny zavatra ara-panahy niainana ireny, sa ve hoe ny saiko fotsiny no mamorona hoe nahatsapa ny Fanahy aho? Ahoana raha tsy misy marina izany? Ary ahoana ny amin’ireo fanontaniako izay mbola tsy nahitako valiny? Ahona no hijanonako ao amin’ny Fiangonana raha toa ka tsy azoko antoka intsony ny fahamarinany?
Ho ahy dia nahagaga ahy hoe tonga ireo fanontaniana ireo taorian’ny nanaovako asa fitoriana! Efa nahafantatra ny fahamarinana tamin’ny faharesen-dahatra be aho ka naniry ny handeha hitory izany tamin’ny hafa nandritra ny herin-taona sy tapany, ary izao aho dia misalasala ny amin’ny zavatra rehetra efa fantatro sy nampianariko. Fandaniam-potoana fotsiny izany rehetra izany raha toa ka tsy misy marina izany. Koa moa ve marina ny zavatra rehetra izay nampianariko? Sa tiako ho marina fotsiny izany? Rehefa nahita ireo namana niala ny Fiangonana aho sy rehefa miatrika ny tolona ara-pinoako manokana, dia manontany tena raha toa ka namitaka ny tenako.
Nandritra io fotoana io dia tsy nitsahatra nankany am-piangonana aho na nankatò ireo didy satria nanana fanontaniana lehibe. Fa noho ny fananako fanontaniana kosa dia niezaka nanaraka ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson mba “hampitombo ny fahafaha[ko] ara-panahy mba handray fanambarana” aho.1
Fantatro fa “tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.”2 Tsapako fa zava-dehibe ny nijanona akaiky an’ Andriamanitra. Sady Izy irery raha teo no hany mba manana ny valin’ireo fanontaniako.
Tantaran’i Eunice
Indray andro raha namaky ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho dia tonga teo amin’ny tantara mahavariana iray momba ana vehivavy iray tany amin’ny fiandohan’ny famerenana amin’ny laoniny. Toa nanana ireo fanontaniana sy fanahiana nananako i Eunice Franklin.
I Eunice dia nataon’ny misiônera iray antsoina hoe Elijah Able batisa tao New York. Tena niova fo marina tao amin’ny filazantsara izy tamin’ny batisany. Saingy rehefa avy nandeha ho any Kanadà mba hitory i Elijah dia nanomboka nisalasala ny amin’ny filazantsara sy ny zavatra efa fantany taloha fa marina i Eunice. Nanomboka nanontany tena izy raha toa tena mpaminany marina i Joseph Smith ary raha toa ka tena soratra masina marina ny Bokin’i Môrmôna. Lasa tsy mahita tory izy amin’ny alina nieritreritra hoe mety ho vaofitaka izy.
Nasehon’ny Tompo an’i Elijah tao anatin’ny nofy ny zavatra nanahirana an’i Eunice, ary niverina avy hatrany tany New York izy. Rehefa nandondona teo amin’ny varavarany izy dia nivanaka i Eunice, efa nikasa ny hilaza taminy izy hoe tsy mino intsony rehefa mihaona aminy indray. Tsy izany anefa no nataony fa nampandrosoiny izy. Rehefa nanasa azy hihaino ny lahateniny i Elijah tamin’io hariva io dia nisalasala izy ary tsy te handeha. Nanaiky ihany anefa izy tamin’ny farany ary nandeha nihaino ny zavatra izay holazainy.
Tao amin’ilay lahateniny i Elijah dia nanonona ny 1 Petera 4:12 izay milaza hoe “aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra.” Tsy afaka nandresy ilay fizahan-toetra mahamay izay nikatsaka ny handrava ny finoan’i Eunice. Rehefa nihaino an’i Elijah nitory teny i Eunice dia rava ny fisalasalany. Hoy ny Olomasina milaza izany: “Nirotsaka niverina llay fatokian-tena tsapany indray mandeha.”3
Miverina mitosaka indray ny fatokian-tena
Nanaitra ahy ny zavatra niainan’i Eunice ary nandinika izany ombieny ombieny aho. Tahaka an’i Eunice dia nianatra avy tamin’ireo teny tsotra sy mahery vaika nolazain’i Elijah aho. Tsy tokony ho gaga isika raha manana fanontaniana momba ny finoantsika. Tsy MANINONA mihitsy izany. Na dia efa nisy fotoana toy ireny nirotsaka avy tany an-danitra ireny aza ny fahamarinana, dia mety hisy fotoana any aoriana any hahatsapantsika hain-tany ara-panahy. Mety hanontany tena isika raha toa tena nahatsapa ny fisian’ny rotsak’oran’ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy. Raha tsy mbola misy valiny na fanamafisana nomena dia afaka manohy mivavaka isika hirotsahan’ny fanambarana. Afaka mikatsaka vavolombelona isika mba hahafantatra fa izay marina omaly dia mbola marina hatrany androany. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe: “Raha tsara izany tamin’ny fotoana nivavahanao mikasika izany ka natoky sy niaina ho an’izany ianao dia tsara izany amin’izao fotoana izao. … Atreho ireo antony hanananao fisalasalana. Fehezo ny tahotrao.”4
Tamin’ny alalan’ny fanokafana indray ny varavarana ho an’ilay misiônera namany, na dia nisalasala aza izy ny amin’ny antony tokony hanaovany izany, dia nosokafan’i Eunice indray ny varavaran’ny fony. Afaka nifanerasera tamin’i Eunice indray ny Tompo ary nanampy azy hahatsapa fanamafisana ny amin’ny zavatra rehetra izay fantany taloha. Torak’izay koa isika tsirairay dia afaka mamela ny varavarana mba hisokatra ho an’ny finoana na dia mitolona noho ny fisalasalana aza isika. Afaka manohy manao izay tsara sy mikatsaka fanambarana isika, na dia tsy azontsika antoka aza ny antony hanaovantsika izany.
Mihazona ny varavarana hisokatra isika amin’ny alalan’ny fanaovana hatrany ireo zavatra kely nolazain’ Andriamanitra fa tsara ho an’ny fanahintsika. Mihazona ny andro Sabata ho masina ary manatrika ireo fivoriantsika isika. Mamaky ny soratra masina isika na dia andininy iray isaky ny mandeha aza. Mihaino fihirana na lahateny tamin’ny fihaonambe isika. Miresaka amin’ny Ray any An-danitra momba ny olantsika sy ny fanantenantsika isika ary mangataka Azy mba hanampy antsika hahalala ny fahamarinana. Mitandrina ny didy isika, sy mibebaka ary mikatsaka ny fiarahan’ny Fanahy Masina amintsika.
Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza isika, dia mbola afaka manohy manao ireo zavatra kely sy mamela ilay faniriana hiasa ao anatintsika. Afaka mamela toerana ao am-pontsika isika mba hampitombo bebe kokoa ny finoana. (Jereo ny Almà 32:27.)
Ny zavatra fantatro
Na dia manontany tena sy verivery ary misalasala aza aho indraindray dia nianatra sy namerina nianatra ho an’ny tenako aho fa ity dia Fiangonan’i Kritsy. Na dia olona tsy tonga lafatra aza i Joseph Smith, dia fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra nanana fitaomam-panahy izy izay nahafoy ny zavatra rehetra sy nanao izay tsara indrindra vitany. Fantatro ihany koa fa ny Bokin’i Môrmôna dia tena rakitsoratra fahiny marina ary soratra masina notahirizina ho antsika amin’izao andro izao indrindra. Mbola manohy manamafy ireo fahamarinana ireo amiko ny Ray any An-danitra isan’andro. Ary faly aho fa nohamafisiny tamin’i Eunice Franklin ihany koa ireo fahamarinana ireo.
Fantatro fa raha hazonintsika hisokatra ho an’ny fahamarinana ny varavarantsika sy ny fontsika, dia hanampy antsika Andriamanitra mba hahatsapa izay marina sy izay tsy avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy ho azo hozongozonina ny traikefa ara-panahintsika amin’izany fotoana izany. Ary amin’ny fotoana aorian’izany, rehefa tsapantsika fa miverina indray ny fisalasalana, dia azontsika ampatsiahivina ny tenantsika ny zavatra tsapantsika. Tahaka ny tamin’i Eunice dia afaka hiverina hitosaka indray ny faharesen-dahatra antsika momba ireo fahamarinan’ny filazantsara.
Tsy voatery hiaina ela be ao anatin’ny hain-tanin’ny fisalasalana isika raha toa ka mifikitra amin’ireo zavatra ara-panahy niainantsika. Nilaza ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe “ankamamio ireo fahatsiarovana masinareo. … Matokia fa tonga tao aminareo avy tamin’ny Rainareo any An-danitra sy ny Zanaka Malalany izy ireny . Avelao izy ireny hitondra faharetana rehefa miahiahy ianareo ary fahatakarana mandritra ny fotoan-tsarotra. Mampanantena anareo aho fa rehefa manaiky an-tsitrapo sy mankamamy tsara ireo zava-nitranga ara-panahy nanamarika anareo teo amin’ny fiainanareo ianareo, dia mbola ho maro dia maro tokoa no ho azonareo.5
Fantatro fa ho an’ireo izay miezaka ny hanana traikefa vaovao ara-panahy sy mampihatra finoana an’i Kristy dia marina ity fampanantenana ity hoe: “Izay mino [an’i kristy] tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:35). Ho avy ny valin-teny ilaintsika. Afaka ny ho tafavoaka ao amin’ireo fizahan-toetra mahamay izay atsipin’i Satana eo amin’ny lalantsika isika. Ary afamijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitsika be fitiavana isika mandritra ny androntsika rehetra.