2023
Manompo ombam-piantrana
Jolay 2023


“Manompo ombam-piantrana,” Liahona, jolay 2023.

Fitsipika momba ny fanompoana

Manompo ombam-piantrana

Afaka mitondra fiovana lehibe isika raha maneho fitiavana amin’ny fomba ara-boajanahary.

Sary
placeholder altText

How Dorcas Helped the Poor (ny fomba nanampian’i Dorkasy ny mahantra), Classic Bible Art Collection / nahazoana lalana avy amin’ny GoodSalt.com

Ohatra iray amin’ny fiantrana

I Tabita (fantatra koa amin’ny anarana hoe Dorkasy) dia mpianatr’i Jesoa Kristy nonina tany Jopa. Nalaza ho vehivavy mpanao “asa soa sy fiantrana [be]” izy (Asan’ny Apostoly 9:36). Tian’ny olona izy satria nanao zavatra maro mba hitiavana ny hafa. Tahaka ny Mpamonjy dia nandany ny fiainany tamin’ny fanompona izy. Nanana fahaiza-manao sy talenta izy izay nampiasainy mba hitondrana fiovana.

Ny fanjairana akanjo sy lamba no iray amin’ireo fahaiza-manao ireo, ary nomena ny mpitondratena sahirana ny sasany tamin’izany farafahakeliny. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra izy ho an’ireo izay nandray ny fanomezana avy taminy. Rehefa tonga nitsidika azy i Petera taorian’ny nahafatesany, “ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy ny lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony” (Asan’ny Apostoly 9:39). Tena tohina ny fony ka natsangany tamin’ny maty izy, izay nahatonga ny maro hino ny Mpamonjy (Asan’ny Apostoly 9:40–42).

Manompo ombam-piantrana

Ny fiantrana dia ilay fitiavan’i Jesoa antsika sy ilay fitiavana andrandrainy mba hifanehoantsika. Ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika izany (jereo ny Matio 22:37–39), mitondra azy ireo amin’ny fangorahana sy ny faharetana ary ny famindram-po izay iriantsika ho an’ny tenantsika (jereo ny Matio 7:12). Izany dia ny manompo azy ireo, toa an’i Tabita, amin’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nomena antsika.

Afaka mitondra fiovana lehibe isika amin’ny fanehoana ny fitiavantsika amin’ny fomba ara-boajanahary amintsika—na dia tsotra aza ny zavatra ataontsika. Raha manan-talenta amin’ny fanjairana ianao, dia azo atao ho fomba iray hanompoana izany, saingy mety ho havanana kokoa ianao amin’ny fampiasana milina fanapahana bozaka noho ny amin’ny milina fanjairana ianao anefa. Na angamba ny fanomezam-pahasoavana anananao dia ny fahaizana mihaino tsara sy azo ianteherana toy ny tena namana.

Miezaka ny hanana fiantrana

Ahoana no ahafahantsika manana ilay toetra tahaka ny an’i Kristy ho tia fiantrana?

  • Ny fiantrana dia fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ho an’ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany” (Môrônia 7:48).

  • Nampianatra ny atao hoe fiantrana i Môrmôna: “Ary ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra” (Môrônia 7:45). Ireo dia tsy fomba hilazana fotsiny hoe tahaka izany ianao rehefa feno fitiavana. Toetra mifandray ihany koa izy ireo izay hitondra anjara biriky amin’ny fitomboan’ny fahafahana mitia rehefa miezaka ny hanana azy ireo isika.

  • Ny fangorahana no vokatry ny fiombonam-po.1 Rehefa miezaka ny hahazo izay manjo ny hafa isika dia mamela malalaka kokoa ny fiantrana hitombo. Mizàra mametraka fanontaniana amin’ny fomba mahasoa sy feno fitiavana, ary avy eo dia mihainoa amim-paharetana sy amim-pahatakarana.

  • Manehoa fiantrana. Atolory an’ireo izay mila izany ny fotoanao sy ny fanananao hafa, anisan’izany ny famelan-keloka. Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra hoe: “Tokony hiaraka mandrakariva amin’ny fitiavana ny famelana heloka. … Mihazona ny ratram-pontsika tsy ho sitrana ny fanomezan-tsiny ny hafa. Ny famelana heloka ihany no manasitrana.”2

Hamoaka printy