2023
Ahoana no itarihan’ Andriamanitra ahy hanao ny asany?
Jolay 2023


“Ahoana no itarihan’ Andriamanitra ahy hanao ny asany?,” Liahona, Jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Asan’ny Apostoly 9

Ahoana no itarihan’ Andriamanitra ahy hanao ny asany?

Sary
I Saoly, jamba, mipetraka eo amin’ny tany

On the Road to Damascus (Teny amin’ny lalana ho any Damaskosy), Lifeway Collection / nazahoana lalana avy tamin’ny Goodsalt.com

Rehefa mamaky ny tantara momba ny fiovam-pon’i Saoly isika, dia mahazo fitaomam-panahy avy amin’ny valin-teny nomeny ny Mpamonjy hoe: “[Tompo ô, inona no tianao hataoko?]” (Asan’ny Apostoly 9:6). Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia matetika ihany koa isika no mametraka fanontaniana mitovy amin’izany rehefa mikatsaka ny handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Saingy inona anefa no mitranga rehefa avy nametraka an’io fanontaniana io isika? Ahoana no fomba ahazoantsika fitarihana hahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra momba ny asa izay ataontsika?

Vonona ny hanao asa

Ho valin’ny fanontaniana izay napetrak’i Saoly mikasika ny zavatra izay tokony hataony, dia namaly avy hatrany ny Tompo tamin’ny alalan’ny toromarika mba handehanany any Damaskosy. Indraindray isika dia manantena fa hanome antsika karazana fitarihana voafaritra mazava tsara mitovy amin’izany ny Tompo. Kanefa tsy voatery miandry toromarika mandeha tsikelikely isika vao afaka handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra.

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe, “Matetika ny valin’ny vavaka izay ataontsika no tsy tonga mihitsy rehefa mandohalika isika fa rehefa mijoro manompo ny Tompo sy manompo ireo manodidina antsika isika vao tonga izany” (“Miandry eny amin’ilay lalana mankany Damaskosy,” Liahona, Mey 2011, 76).

Hevero ny handinika ny fomba izay nitarihan’ny Tompo ireto olona anankiroa ireto ho amin’ny fahafahana manompo satria vonona ny hiasa izy ireo:

Hamoaka printy