“Ahoana no fomba iainanao araka ny fotopampianaran’i Kristy?,” Liahona, jolay 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Ahoana no fomba iainanao araka ny fotopampianaran’i Kristy?
Taorian’ny nirotsahan’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Pentekosta, dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy sy nampianatra ny fotopampianarany i Petera sy ireo Apôstôly hafa. “Voatsindrona tam-pony” ny olona ka nanontany hoe, “Inona no hataonay?” (Asan’ny Apostoly 2:37). Nanasa azy ireo hibebaka sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina i Petera (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:38). Olona 3000 teo ho eo no “nandray tsara ny teniny [ka] natao batisa” (Asan’ny Apostoly 2:41).
Mitondra antsika hanakaiky Azy kokoa ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy. Hevero ny hisaintsaina ny fomba hampiharanao ireto sehatra dimy ara-potopampianarana ireto:
-
Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo: Inona avy ireo fahazarana sy zavatra atao izay manohana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?
-
Fibebahana: Inona no ataonao mba hahatonga ny fibebahana ho dingana atao am-pifaliana?
-
Batisa: Inona no zavatra ataonao mba hiainanao ny fanekempihavananao tamin’ny batisa?
-
Fanomezana ny Fanahy Masina: Inona avy ireo tontolo iainana sy zavatra atao izay manome anao ny fahafahana tsara indrindra hahazo ny bitsiky ny Fanahy?
-
Faharetana hatramin’ny farany: nanampy anao hiaritra fitsapana mafy tamin’ny fomba ahoana ny fitandremana ny fanekempihavananao sy ny fanantenana an’i Kristy ary ny fifikirana tamin’ny anja-by? Jereo ny Jeremia 17:7; 2 Nefia 31:20; Etera 12:4.