“Plovdiv, Bolgaria,” Liahona, jolay 2023.
Tafaorina eto ny Fiangonana
Plovdiv, Bolgaria
I Plovdiv, izay hita any akaikin’ny Reniranon’i Maritsa, no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Bolgaria sady renivohitra ara-kolontsain’ilay firenena. Tany am-piandohan’ny taona 2000 no natokana ireo trano fivorian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany tany Bolgaria. Ankehitriny, ny Fiangonana any Bolgaria dia ahitana:
-
mpikambana miisa 2.400 (eo ho eo)
-
Sampana 7 sy misiôna 1
-
ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana 4
Miomana amin’ny fihaonambe
Manomana ny zanany mba hanana traikefa ara-panahy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany i Tsveteline Moneva. “Tena feno fankasitrahana aho maheno ny feon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpitarika ny Fiangonana sy noho ny fiadanana sy fifaliana izay entin’izy ireo ho antsika,” hoy izy.
Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Bolgaria
-
Mahazoa fahalalana bebe kokoa momba ny tantara miavaka mikasika ny fivoaran’ny Fiangonana ao Bolgaria.