“Ahoana no ahafahako mino nefa tsy mahita?,” Liahona, jolay 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Ahoana no ahafahako mino nefa tsy mahita?
Ny anankiray tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy, i Tomasy, dia tsy nety nino fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy raha tsy nahita Azy nitafy nofo (jereo ny Jaona 20:25). Rehefa nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Tomasy nony farany, dia hoy ny Mpamonjy taminy, “Satria nahita ahy hianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).
Ahoana no ahafahantsika manaraka ny fanasan’i Jesoa Kristy mba “tsy ho anisan’izay tsy mino, fa [mino]”? (Jaona 20:27).
Fomba hampatanjahana ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona
Mandalina ny soratra masina. “Ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).
Miaina ny filazantsara. “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17).
Mikatsaka fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina “Amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ihany no hanamarinana ny fahamarinana izay tena manan-danja. Ny fihevitsika amin’ny maha-olombelona sy ny fampiasana ireo retsipamantaran’ny vatantsika dia tsy ho ampy” (Henry B. Eyring, “Ny Fanahy Masina ho namanao,” Liahona, nôv. 2015, 104).