2023
Manova ny fomba ampiasaiko mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona
Jolay 2023


“Manova ny fomba ampiasaiko mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, jolay 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Manova ny fomba ampiasaiko mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona

Sambany aho tamin’izay no nanana voa kelin’ny finoana izay tena izy tokoa.

zavatra isan-karazany mikasika ny fikarakarana zaridaina, isan’izany ny zava-maniry iray ao anaty tavimboninkazo hazonina tanana anankiroa

Lehibe tao amin’ny Fiangonana aho—nanatrika ireo fiaraha-mientana aho ary nandray anjara tamin’ny vavaky ny mpianakavy sy ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina. Saingy tsy tena nanana fijoroana ho vavolombelona aho. Tsy nahafantatra aho hoe nino an’ Andriamanitra na ny Zanany aho ve. Tsy fantatro hoe marina ve sa tsia ny Bokin’i Môrmôna.

Naniry ny hahazo fijoroana ho vavolombelona aho, saingy nahatsapa ho diso fanantenana rehefa avy nivavaka imbetsaka kanefa tsy nahatsapa ho nahazo valiny. Nanomboka nanontany tena aho hoe: “Raha tena misy Andriamanitra, nahoana no tsy asehony ahy izany? Nahoana aho no avelany hipetraka hanontany tena eto fotsiny?”

Rehefa manao jery todika aho dia azoko mazava tsara ny antony tsy nahazoako valiny: tsy tena niezaka mafy hahazo ilay valim-bavaka aho. Namaky ny soratra masiko nandritra ny dimy minitra indray mandeha isan-kerinandro aho ary nanantena hahazo fanambarana satria nangataka izany aho.

Tsy takatro fa fitsipiky ny asa ny finoana.

Voan’ny finoana

Ny olona rehetra izay mijery avy aty ivelany dia mety ho nilaza fa tena “mazoto” aho ato amin’ny Fiangonana, saingy mbola tsy fantatro akory raha tena marina ny Fiangonana. Fa tena naniry ny hahalala tokoa anefa aho.

Noho izany dia nanapa-kevitra ny hanao asa fitoriana aho. Diso aho raha nihevitra fa rehefa misiônera aho dia handeha ho azy kokoa ny hahazoako valiny avy amin’ Andriamanitra. Tsy mbola nanao ezaka mafy tamin’ny fivavahana na fandalinana aho, kanefa tsy ela akory aho dia efa nahazo fanendrena ahy hanompo.

Tamin’ny fanombohan’ny asa fitoriana nataoko dia tena sahirana aho tamin’ny fahatsapana ny Fanahy nandritra ny fiofanako an-jotra nandritra ny valanaretina noho ny tsy fahampian’ny ezaka nataoko. Fa taorian’izay aho dia nandeha mivantana tany amin’ny ivon-toerana fanofanana ny misiônera. Ary ny fotoana nijanonako tao no zavatra niainana tena ara-panahy indrindra teo amin’ny fiainako. Sambany aho tamin’izay no nanana voa kelin’ny finoana izay tena izy tokoa.

Mitondra fiovana

Nony farany dia sarotra tokoa ny fidirana tao amin’ny sahan’ny misiôna. Tsapako ho toy ny hoe very ilay fijoroana ho vavolombelona kely izay efa azoko.

Nitomany aho indray andro, ary nisy fahatsiarovana tonga tampoka tao an-tsaiko. Nanontany ahy foana ny raiko taloha hoe nanao ahoana ny androko tany an-tsekoly, dia hoy foana aho namaly azy hoe nankaleo. Ary hoy izy hoe: “Eny, satria nataonao nankaleo izany. Raha tianao hahafinaritra ny any an-tsekoly, dia ataovy mahafinaritra izany.” Tonga saina aho hoe azoko atao tsara ny mampiasa amim-pahombiazana ny fotoanako amin’ny asa fitoriana ataoko amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fivoarana na manao izay hampahory ahy.

Noho izany dia nivavaka tamin-kitsim-po kokoa noho izay nataoko hatramin’izay aho mba hilaza amin’ny Ray any An-danitra fa hiezaka hanova ny toe-tsaiko aho. Taorian’izay dia nahazo risi-po hanao ezaka vaovao tamin’izany aho. Nanomboka nandalina sy nivavaka ary nisaintsaina marina tokoa aho, ary rehefa nandeha ny fotoana dia niverina io fijoroana ho vavolombelona kely io—ary nihanitombo hatrany. Nihena ny hakiviko ary nanomboka nahita fifaliana tao amin’ny filazantsara aho.

Izay omentsika no ho azontsika

Rehefa kivy ianao noho ny fahatsapana fa toa tsy mitombo ny finoanao, dia mety hanontany tena ianao raha toa ka eo marina sy miahy tokoa Andriamanitra. Kanefa nianatra aho fa miaraka amintsika mandrakariva Izy ary hanampy antsika hanamafy orina ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika raha toa ka mandray andraikitra sy miezaka mafy isika (jereo ny Môrônia 10:4).

Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe, “Na dia toa tsy misy raikipohy mazava tsara hahazoantsika tsirairay avy fijoroana ho vavolombelona aza, dia toa misy lamina azo fantarina ihany.”1 Tafiditra ao anatin’izany lamina izany ny fananana faniriana amin-kitsim-po hahafantatra ny fahamarinana, ny fivavahana, ny fahavononana hanompo any amin’ny toerana izay niantsoana antsika, ny fiezahana ho mpankatò, ny fandalinana ny soratra masina sy ny fampiharana izany eo amin’ny fiainantsika, ary ny fananana toe-tsaina feno fanetrentena.

Tsy nahavita nanamafy orina ny finoako velively aho raha toa ka tsy manova ny toe-tsaiko sy nanaraka io lamina io ary nifandray tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny foko manontolo. Rehefa nanao ireo fanovana ireo aho, dia nanomboka nahazo valim-bavaka sy nino fahamarinana.

Vao haingana Rahavavy Rebecca L. Craven, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany no nilaza hoe: “Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe manantena na mino fotsiny. … Mitaky antsika mba hanao zavatra izany.”2 Nianarako avy tamin’ny ezaka nataoko fa marina ity manaraka ity: ny ezaka ataoko mba ianarana ny filazantsara no vokatra ho azoko.

Ho an’ireo mpitazana ny fihetsiko dia mety ho toy ny fahitana azy hatrizay teo aloha ihany ny halehiben’ny fahavitrihako ao amin’ny Fiangonana. Fa efa novaiko nefa ny fanoloran-tenako ho amin’ny filazantsara tao am-poko. Ary izay no nanova ny zavatra rehetra ho tsara.

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “The Importance of Receiving a Personal Testimony,” Ensign, Nov. 1994, 21–22.

  2. Rebecca L. Craven, “Ataovy izay manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2022, 62.