“Ny antso omena antsika mba hizara ny Filazantsaran’ny Mpamonjy,” Liahona, jolay 2023.
Ny antso omena antsika mba hizara ny Filazantsaran’ny Mpamonjy
Amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra antsika dia voantso isika hizara ny fanantenana atolotry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fiainany, ny fampianarany, ny Sorompanavotany ary ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
Fony izahay misiônera tanora nanompo tany Angletera, dia nampianatra lehilahy iray niaina zava-nitranga nahatsiravina sy saika namoizana aina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa izaho sy ny namako mpiara-mitory tamiko. Nandray anjara tamin’ny ady mitam-piadiana an-tanety izy ary tafavoaka velona tamin’ny fanafihana nandravarava ny sambo nandehanany talohan’ny nodiany tany Angletera. Rehefa tonga tany Angletera izy nony farany, dia feno fihetseham-po sy fankasitrahana tokoa satria tafaverina soa aman-tsara tany an-tanindrazany ka nandohalika sy nanoroka ny tany ary nanolotra fisaorana.
Rehefa nampianarinay azy ny Famerenana amin’ny laoniny ary notantarainay ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith dia nitomany izy. Tamin’ny masony nanganohano no namariparitany ny fijoroana ho vavolombelona mampihetsi-po azony. Nohazavainy fa nahatonga azy hahatsapa zavatra mitovy tamin’izay tsapany rehefa tafaverina soa aman-tsara tany Angletera ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Tsapany fa manana anjara mandrakizay izy.
Ny antsontsika amin’ny maha mpanompon’ Andriamanitra antsika
Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mpanompon’ Andriamanitra isika. Amin’ny maha-mpanompony antsika, ny iraka ampanaovina antsika dia ny mizara amin’ny hafa—tahaka ireo izay nampianariko tany Angletera—ny fanantenana atolotry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fiainany, ny fampianarany, ny Sorompanavotany ary ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny (jereo ny 3 Nefia 27:13–14). Tsy asa mora izany ao anatin’ny tontolo feno fisalasalana sy fahadisoam-panantenana ary haizina, saingy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia manolotra ilay fahazavana tena ilain’ireo zanak’ Andriamanitra mandritra ny fotoan’ny korontana.
Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa mila ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mihoatra noho ny hatramin’izay izao tontolo izao: “Ny filazantsarany no hany vahaolana rehefa raiki-tahotra ny maro eto amin’izao tontolo izao. Izany dia manantitrantitra ny filantsika maika hanaraka ny toromariky ny Tompo tamin’ireo mpianany mba -handeha … any amin’izao tontolo izao rehetra ka hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra- [Marka 16:15, nampiana fanamafisana; jereo koa ny Matio 28:19]. Manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino sy hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.” Nampian’ny Filoha Nelson hoe, “Manana anjara asa ny tsirairay avy amintsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely.”1
Ny fomba iray hanatanterahantsika izany andraikitra izany dia amin’ny alalan’ny fanekena ireo antso ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Fantatsika, araka ny nohamafisin’ny Filoha Nelson vao haingana, fa ny andraikitra amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia natao voalohany indrindra ho an’ireo zatovolahy izay voatahiry ho amin’ny fanangonana amin’ny andro farany. Ho azy ireo dia “andraikitra ao amin’ny fisoronana” ny asa fitoriana. Na dia tsy voatery ho ataon’ny zatovovavy aza ny asa fitoriana dia nangataka azy ireo ny Filoha Nelson mba hanontany ny Tompo raha tiany hanao asa fanompoana ihany koa izy ireo. “Mahatalanjona ny anjara biriky entinareo amin’ity asa ity!” hoy izy tamin’izy ireo. Ary mazava ho azy fa mila mpivady zokiolona ny Tompo mba hanompo rehefa mamela ny hanaovana izany ny toe-javatra iainan’izy ireo. “Ny ezaka ataon’izy ireo,” araka ny tenin’ny Filoha Nelson, dia “tsy misy mahasolo tsotra izao.”2
Ny fomba iray hafa hanatanterahantsika ny andraikitsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fahatsiarovana ny fanekempihavanantsika mba “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9). Tsy mila antso ho misiônera amin’ny fotoana feno isika mba hijoroana ho vavolombelona. Rehefa miaina ny filazantsara isika, tia sy manompo ny hafa, mijoro ho matanjaka manoloana ny fakam-panahy sy ny fanenjehana, ary mijoro ho vavolombelona amin’ny teny sy ny asa, dia hitaona ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy isika.
Mety hampihaotra ny fizarana ny filazantsara, na dia ho an’ireo izay efa nanao asa fitoriana aza. Saingy rehefa manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Mpamonjy sy ny Famerenana amin’ny laoniny isika dia tsy afaka ny tsy hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantatsika.
Ny lanjan’ny fijoroana ho vavolombelona
Ahoana no fomba hanamafisantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mba hahatonga antsika ho misiônera mahomby? Mila manaraka fotsiny ny torohevitry ny mpaminanintsika velona isika. Mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika rehefa:
-
Ampitombointsika ny herintsika ara-panahy.3
-
Manokana fotoana ho an’ny Tompo isika.4
-
Hamafisintsika ny fototra ara-panahy ananantsika.5
-
Avelantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra.6
-
Mihaino Azy isika.7
Rehefa mandalina ny tenin’ny Filoha Nelson sy manaraka ny toroheviny isika dia hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fiantsoana mpaminany sy apôstôly maoderina. Ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka dia hanomana antsika—ary hampitombo ny faniriantsika—hihaino ny antso ara-paminaniana nataon’ny Filoha Nelson mba hanangona an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.
Tsy voatery ho mpandahateny mahay isika vao afaka mizara amim-pahombiazana ny filazantsara. Tsy voatery mahafantatra ny antsipiriany rehetra ao amin’ny fotopampianaran’ny filazantsara isika. Tsy voatery manao tsianjery soratra masina maro isika. Tsy voatery manana fahaizana ambony akory aza isika. Ireo zavatra ireo dia manampy antsika hizara ny hafatra entintsika, fa ny hery manova fo marina anefa dia avy amin’ny fo feno fanetrentena sy ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ary ny tenivavolombelona manamafy avy amin’ny Fanahy Masina.
“Tsy misy olona,” hoy ny Mpaminany Joseph Smith, “afaka mitory ny Filazantsara raha tsy misy ny Fanahy Masina.”8
“Afo mandoro hatrany amin’ny taolako”
Tamin’ny taona 1830, rehefa avy nandre ireo misiônera nampianatra momba ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny i Brigham Young, dia naniry ny hahafantatra manokana ny fahamarinan’ny zavatra nampianarin’izy ireo izy. Nandalina tamin’ny fomba mirindra ny Bokin’i Môrmôna sy ny toetran’ireo izay nijoro ho vavolombelona momba izany ary ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith izy.
Nanohina ny fo sy ny fanahin’i Brigham ny zavatra mikasika ireo misiônera voalohany ireo. “Toy ny afo mandoro hatrany amin’ny taolako ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo,” hoy izy.9
I Eleazer Miller, izay isan’ireo misiônera ireo, dia mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny efa-bolana monja.10 Raha lazaina amin’ny fitenin’ny misiônera ankehitriny, izy dia “zazavao”, ary tsy mahay mandaha-teny ampahibemaso. Tsy nampisy olana anefa izany rehetra izany.
Taona maro taty aoriana dia toy izao no nambaran‘ny Filoha Brigham Young hoe: “Rehefa nahita lehilahy iray tsy nahay nandaha-teny aho, sady tsy nanana talenta tamin’ny fitenenana ampahibemaso, izay tsy afaka niteny afa-tsy ny hoe: -Fantatro amin’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna [ary] i Joseph Smith no mpaminanin’ny Tompo[,]- [n]y Fanahy Masina izay mivoaka avy amin’io olona io dia manazava ny fahatakarako, ary ny fahazavana sy ny voninahitra ary ny tsy fahafatesana no manoloana ahy.”
Nilaza ny Filoha Young fa voahodidin’izany hazavana sy voninahitra izany izy ary fantany fa marina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Eleazera.
“Izao tontolo izao sy ny fahendreny ary ny heriny rehetra, ny voninahiny rehetra, ary ny famirapiratan’ny mpanjakany sy ny harembeny rehetra,” hoy ny Filoha Young, “dia manjavona ka lasa tsinontsinona tanteraka raha oharina amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsotra tsy misy haingonkaingony izay ataon’ny mpanompon’ Andriamanitra iray.”11
Akory ny halehiben’ny fifaliantsika
Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Taorian’ny zava-drehetra izay voalaza teo dia ny mitory ny filazantsara no andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra.”12
Ny fanajana ny fanekempihavanantsika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ahitana ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fizarana ny filazantsara dia isan’ireo fanehoana amin’ny fomba lehibe indrindra ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:37–39). Ny fizarana ny filazantsara no iraka lehibe asain’ny Mpamonjy atao.
Isika izay nanampy tamin’ny fitondrana fanahy ho eo amin’i Kristy dia nahatsapa ilay fifaliana mandrakizay nampanantenaina an’ireo izay miasa mba hamonjena ny zanak’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16). Mbola mahatsiaro ny asa fanompoana tamin’ny fotoana feno nataoko aho tamin’ny naha-misiônera tanora ahy tany Angletera—ireo namana niara-nanaompo tamiko, ireo olona nihaona taminay, ireo zanakalahy sy zanakavavy sarobidin’ Andriamanitra izay nitondranay ny fanampianay azy ireo hiditra ao am-balany. Hafa tanteraka mihitsy ny fiainako taorian’izay.
Avy amin’ny zavatra niainako manokana dia mamerina ny fampanantenan’ny Fiadidiana Voalohany aho ho an’ireo izay “manambara ny fahamarinany amin’izao tontolo izao,”13 na eto an-toerana izany na any ivelany: “Hamaly soa sy hitahy anareo tokoa ny Tompo rehefa manompo Azy amim-panetrentena sy ombam-bavaka ianareo. Fifaliana misimisy kokoa no miandry anareo mihoatra noho izay efa niainanareo rehefa niasa teo anivon’ireo zanany ianareo.”14