2023
Ny fahefan’ny famehezana
Nôvambra 2023


14:25

Ny fahefan’ny famehezana

Ny fahefan’ny famehezana dia mahatonga ny famonjena ny olona sy ny fisandratan’ny fianakaviana ho azon’ny rehetra izay zanak’ Andriamanitra tratrarina.

Efa voambaran’ireo mpaminany mialoha efa hatramin’ny andron’ Isaia1 fa any amin’ny andro farany any, ny vahoakan’ny fanekempihavanana fahinin’ny Tompo, ny taranak’Isiraely, dia “hangonina avy amin’ny fielezany maharitra […], avy amin’ny nosy any an-dranomasina sy avy amin’ny vazan-tany efatra”2 ary haverina amin’ny laoniny any amin’ny “tany lovany.”3 Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka matetika sy amin-kery momba io fanangonana io, ka niantso izany hoe ilay “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao.”4

Inona no tanjon’io fanangonana io?

Tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith no namaritan’ny Tompo ny tanjona iray hoe ho fiarovana ny vahoakan’ny fanekempihavanana. Hoy Izy: “Ny fiaraha-mivondrona eo amin’ny tanin’i Ziona sy eo amin’ny tsatòkany [dia ny mba] ho fiarovana sy ho fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.”5 Ny hoe “fisafoahana” eto dia azo raisina ho vokatra voajanaharin’ny tsy fankatoavana miely patrana an’ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra.

Ny manan-danja indrindra dia hoe ny fanangonana dia natao hitondrana ireo fitahian’ny famonjena sy ny fisandratana ho amin’ireo rehetra izay te handray izany. Izany no ahatanterahan’ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana nomena an’i Abrahama. Nambaran’ny Tompo tamin’i Abrahama fa amin’ny alalan’ny taranany sy ny fisoronany no “hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany, dia amin’ny fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay.”6 Izao no nilazan’ny Filoha Nelson azy: “Rehefa mandray ny filazantsara sy atao batisa isika dia mitondra eo amintsika ny anarana masin’i Jesoa Kristy. Ny batisa no vavahady mitondra amin’ny fahalasana ho mpiara-mandova ireo fampanantenana rehetra nomen’ny Tompo fahiny an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba sy ny taranak’izy ireo.”7

Tamin’ny taona 1836 no niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith i Mosesy, tao amin’ny tempolin’i Kirtland ary “nanolotra … ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra.”8 Tamin’io fotoana io ihany no nisehoan’i Elià izay “nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminay sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra.”9 Amin’io fahefana io ankehitriny no hitondrantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—ilay vaovao mahafalin’ny fanavotana amin’ny alalany—mankamin’ny faritra rehetra sy vahoaka rehetra eto an-tany ary anangonantsika izay rehetra maniry hiditra amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Izy ireo dia lasa “taranak’i Abrahama, ary fiangonana sy fanjakana, ary nofinidin’ Andriamanitra.”10

Tamin’io fotoana io ihany tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia nisy iraka fahatelo avy tany an-danitra izay niseho tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery. I Elia mpaminany no tiako ho lazaina, ary ny fahefana sy ireo fanalahidy naveriny tamin’ny laoniny no tiako ho resahana anio.11 Ny fahefana mampanan-kery ireo ôrdônansy rehetran’ny fisoronana sy mahatonga azy ireny hamehy na ety an-tany na any an-danitra—ny fahefan’ny famehezana—dia manan-danja indrindra ho an’ny fanangonana sy ny fanomanana vahoaka iray an’ny fanekempihavanana avy amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.

Taona maro talohan’io dia nataon’i Môrônia nazava tsara tamin’i Joseph Smith fa hitondra fahefan’ny fisoronana tena ilaina i Elia: “Hambarako aminareo ny Fisoronana amin’ny tanan’i Elia mpaminany.”12 Nanazava i Joseph Smith taty aoriana: “Nahoana no haniraka an’i Elia? Satria izy no mihazona ireo fanalahidin’ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy rehetran’ny Fisoronana; ka [raha tsy] omena io fahefana io, dia tsy ho azo tanterahana amim-pahamarinana ireo ôrdônansy”13, izany hoe, tsy hanan-kery amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay ireo ôrdônansy.14

Tao amina fampianarana iray izay voarakitra ho soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nilaza ny Mpaminany fa: “Mety ho fotopampianarana feno fahasahiana ho an’ny sasany ny firesahantsika momba ny—hery izay mirakitra na mamehy etỳ an-tany sy mamatotra any an-danitra. Kanefa tamin’ireo vanim-potoana rehetra teto an-tany, isaky ny nomen’ Andriamanitra ny lehilahy na ny andian-dehilahy ny fotoampitantanan’ny fisoronana, tamin’ny alalan’ny fanambarana mivantana, dia nomena mandrakariva io hery io. Koa na inona na inona nataon’ireo lehilahy ireo tamin’ny fahefana, tamin’ny anaran’ny Tompo, ary natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana ka nitanana rakitsoratra mety sy mahatoky, dia manjary lalàna tety an-tany sy tany an-danitra izany ary tsy azo foanana araka ny didim-pitondran’ilay Jehovah lehibe.”15

Matetika isika no mihevitra fa ny fahefana hamehy dia tsy mihatra raha tsy amin’ny ôrdônansy sasantsasany any amin’ny tempoly, saingy io fahefana io dia ilaina mba hampanan-kery izay rehetra mety ho ôrdônansy, ka mamatotra mihoatra ny fahafatesana.16 Ny fahefan’ny famehezana dia manome tombokase maha-ara-dalàna ny batisanao, ohatra hoe mba hanekena izany etỳ sy any an-danitra. Amin’ny farany, ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra dia tanterahina eo ambanin’ny fanalahidin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary araka ny fanazavan’ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Nomen’ [ny Filohan’ny Fiangonana] antsika ny fahefana, nanolotra ny fahefan’ny famehezana eo amin’ ny fisoronantsika izy satria izy no mihazona ireo fanalahidy.”17

Misy tanjona iray hafa tena manan-danja koa ny fanangonana an’ Isiraely, izay misy dikany manokana rehefa miresaka momba ny famehezana ety an-tany sy any an-danitra, dia ny fanorenana tempoly sy fampandehanana azy ireny. Araka ny nanazavan’ny Mpaminany Joseph Smith azy hoe: “Inona no tanjon’ny famoriana … ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra manerana izao tontolo izao? Ny tanjona fototra dia ny hanangana trano ho an’ny Tompo izay ahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansy atao ao amin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, ary ny hampianatra amin’ny vahoaka ny lalana mankany amin’ny famonjena; fa misy ôrdônansy sy fitsipika sasany izay rehefa ampianarina sy ampiharina, dia tsy maintsy tanterahana any amin’ny toerana na trano iray naorina ho amin’izany tanjona izany.”18

Ny fahefana mampanan-kery omen’ny fahefan’ny famehezana an’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia mihatra koa, mazava ho azy, amin’ireo ôrdônansy isoloana tena tanterahina any amin’ny toerana notendren’ny Tompo, dia ny tempoliny izany. Hitantsika amin’izany ny voninahitra sy fahamasinan’ny fahefan’ny famehezana, izay mahatonga ny famonjena ny olona sy ny fisandratan’ny fianakaviana ho azon’ny rehetra izay zanak’ Andriamanitra tratrarina na aiza na aiza ary na oviana na oviana izy no niaina teto an-tany. Tsy misy teôlôjia na filôzôfia na fahefana hafa azo ampitahaina amin’ny fahafahana mihatra ho an’ny rehetra toy izany. Io fahefan’ny famehezana io dia endrika tonga lafatra isehoan’ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ary ny fitiavany.

Rehefa iharan’ny fahefan’ny famehezana ny fontsika dia mitodika ho azy amin’ireo izay lasana talohantsika. Ny fanangonana amin’ny andro farany ao amin’ny fanekempihavanana dia mihatra koa amin’ireo any ampitan’ny voaly. Araka ny lamina tonga lafatr’ Andriamanitra dia tsy afaka miaina feno ny fiainana mandrakizay ireo velona raha tsy manorina fifandraisana maharitra amin’ “ireo ray,” dia ireo razambentsika. Tahaka izany koa, ny fivoaran’ireo izay efa any ankoatra, na izay mety hiampita ny voalin’ny fahafatesana tsy nisitraka ny tombotsoan’ny famehezana, dia tsy feno raha tsy fehezin’ireo ôrdônansy isoloana tena amintsika izy ireo, amintsika taranany, ary isika fehezina amin’izy ireo ao amin’ny lamin’ Andriamanitra.19 Ny fanolorantena hifanampy eo amin’ny andaniny sy ny ankilan’ny voaly dia azo faritana ho fampanantenana atao araka ny fanekempihavanana, ampahan’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Araka ny tenin’i Joseph Smith, dia tiantsika ny “hamehy ireo razambentsika mba hiara hitsangana [amintsika] amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany.”20

Ny endriny ambony sy masina indrindra hisehoan’ny fahefan’ny famehezana dia eo amin’ny fampitambarana mandrakizay ny lehilahy iray sy vehivavy iray ao anatin’ny fanambadiana sy ny fampifandraisana ny zanak’olombelona amin’ireo taranaka rehetra mifandimby. Satria masina tokoa ny fahefana entina hanatanterahana ireo ôrdônansy ireo, dia ny Filohan’ny Fiangonana no manara-maso manokana ny fanolorana izany amin’ny hafa. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha hoe: “Imbetsaka aho no nilaza fa raha tsy nisy [na inona na inona azo tamin’ireo] alahelo sy fahoriana ary fanaintainana tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny [ankoatra ny] hery famehezan’ny fisoronana masina hampifamatotra mandrakizay ny fianakaviana, dia ho [nahaleo ny sarany rehetra] izany.”21

Raha tsy nisy ireo famehezana izay manorina fianakaviana mandrakizay sy mampifandray ireo taranaka ety sy any ankoatra, dia ho tavela isika any amin’ny mandrakizay, sady tsy misy faka no tsy misy sampana, izany hoe sady tsy manana razambe no tsy manan-taranaka. Io toetoetra mitsingevaheva sy mitoka-monina mahazo ny tsirairay io etsy an-daniny, na fifandraisana izay manohitra ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny mpianakavy araka izay nofaritan’ Andriamanitra22 etsy ankilany, no hahatsinontsinona ny tena tanjon’ny nahariana ny tany. Raha izay no ho lasa fenitra, dia ho tsy misy hafa amin’ny hoe voan’ny ozona ny tany na hoe ho “rava tanteraka” amin’ny fiavian’ny Tompo.23

Hitantsika hoe nahoana no mahatonga “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray [ho] tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana [ho] fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”24 Etsy ankilany nefa dia miaiky isika fa amin’izao ankiritriny tsy tonga lafatra izao, dia tsy izay no izy, ary tsy azo heverina ho tanteraka mihitsy aza izany ho an’ny sasany. Saingy manana fanantenana ao amin’i Kristy isika. Eo ampiandrasantsika ny Tompo, dia mampahatsiahy antsika ny Filoha M. Russell Ballard fa “ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany dia manamafy fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana hahazo ny fisandratana.”25

Misy ireo izay niaina fiainam-pianakaviana tsy sambatra ary tsy nilamina ary tsy dia manam-paniriana an’izany fiarahana amin’ny fianakaviana mandrakizay izany. “Ho anao izay niaina ratram-po noho ny fisaraham-panambadiana tao amin’ny fianakavianao na nahatsapa ny fangirifirian’ny faharavam-patokisana, dia tsarovy fa manomboka aminao [ny lamin’ny fianakaviana araka an’ Andriamanitra]! Mety nisy masombỳ iray simba tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakao, saingy ireo masombỳ marina hafa sy ny sisa tavela amin’ilay rojo kosa anefa dia manan-danja mandrakizay [ihany]. Afaka manampy hery ao amin’ny rojo misy anao ianao ary mety hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ilay masombỳ simba mihitsy aza. Hotanterahina tsirairay izany asa izany.”26

Nandritra ny fotoam-pandevenana an-dRanabavy Pat Holland, vadin’ny Loholona Jeffrey R. Holland, tamin’ny volana jolay lasa teo, dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Any aoriana, dia ho tafatambatra indray i Patricia sy i Jeffrey. Ary any aoriana dia hiaraka amin’izy ireo ireo zanak’izy ireo sy ireo taranany izay mitandrina fanekem-pihavanana ka hiaina ilay fahasambarana feno izay natokan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany mahatoky. Noho ny fahafantarantsika an’izany dia takatsika fa ny daty manan-danja indrindra teo amin’ny fiainan’i Patricia dia tsy ny daty nahaterahany na ny daty nahafatesany. Ny daty manan-danja indrindra ho azy dia ny 7 jona 1963, tamin’ny namehezana azy sy i Jeff tao amin’ny  Tempolin’i St. George. … Nahoana izany no manan-danja aoka izany? Satria ny tena antony nahariana ny tany dia ny hahafahan’ireo fianakaviana hiorina sy hofehezina miaraka. Raharahan’ny tsirairay ny famonjena, fa ny fisandratana kosa dia raharahan’ny fianakaviana. Tsy misy hahazo fisandratana samirery izany.”

Vao tsy ela izay izahay mivady no tafaraka tamin’ny namana akaiky iray tao amin’ny efitrano famehezana tao amin’ny Tempolin’i Bountiful Utah. Ny fotoana voalohany nahitako an’io namana io dia fony izy zazavavy kely tany Córdoba, Argentine. Nandondom-baravarana maromaro tao amin’ny faritra tsy lavitry ny biraon’ny misiôna izaho sy ny misiônera mpiara-mitory tamiko, ary izy no namoha varavarana raha tonga teo amin’ny tranony izahay. Taty aoriana dia lasa mpikamban’ny Fiangonana izy sy ny reniny ary ireo iray tampo aminy, ary nitoetra ho mpikambana mahatoky. Ankehitriny izy lasa vehivavy mahafinaritra ary tamin’io andro io izahay dia tao amin’ny tempoly hamehy hampitambatra ireo ray aman-dreniny efa maty ary hamehy azy amin’izy ireo.

Mpivady iray izay lasa namana akaiky nandritra ny taona maro no nisolo tena ireo ray aman-dreniny teo amin’ny alitara. Fotoana nampihetsi-po izany, izay vao mainka lasa mamy kokoa rehefa voafehy tamin’ireo ray aman-dreniny ilay Arzantinina namanay. Enina ihany izahay nanatrika teo tamin’io tolakandro feno fahatoniana io, lavitra an’izao tontolo izao, kanefa dia anisan’ny zavatra manan-danja indrindra mitranga eto an-tany no nitranga tamin’izay. Nahazo tombotsoa manokana aho fa noho ny ela ny ela dia feno ihany ny anjara asako sy ny fifandraisako taminy, niainga tamin’ny fandondomana tamin’ny varavarany fony aho misiônera tanora ka hatramin’izao, taona maro aty aoriana, manatanteraka ireo ôrdônansy famehezana izay mampifandray azy amin’ireo ray aman-dreniny sy ireo taranaka tany aloha.

Zavatra mitovy amin’izany no mitranga hatrany any amin’ireo tempoly manerana an’izao tontolo izao. Izany no dingana fara-tampony amin’ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanana. Izany no tombotsoa fara-tampony noho ny maha mpikambana anao ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Mampanantena aho fa raha mikatsaka an’izany tombotsoa izany ianao, dia tsy maintsy ho azonao izany, na amin’izao fiainana izao, na any amin’ny mandrakizay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ny hery sy fahefan’ny famehezana naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith, fa izay fehezina amin’io fahefana io eto an-tany dia voafehy tokoa any an-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson, amin’ny maha Filohan’ny Fiangonana azy, no hany olombelona eto an-tany ankehitriny izay mitarika ny fampiasana an’io fahefana masina io amin’ny alalan’ny fanalahidiny. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no nahatonga ny tsy fahafatesana ho fahamarinana, sy nampisy ny fahafahan’ny fifandraisan’ny mpianakavy ho asandratra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.