2023
Tompoko, mba te-hahita an’i Jesoa izahay
Nôvambra 2023


10:23

Tompoko, mba te-hahita an’i Jesoa izahay

Te hahita an’i Jesoa amin’ny maha-Izy Azy sy hahatsapa ny fitiavany isika.

Tsy fahafantaran’endrika

Indray andro tamin’ny lohataonan’ny 1945 dia nisy zatovolahy iray izay nifoha tao amin’ny hôpitaly miaramila iray. Tsara vintana izy fa mbola velona—voatifitra teo ambadiky ny sofiny izy saingy nodidian’ireo dokotera ka afaka nandeha sy niteny toy ny mahazatra.

Mampalahelo fa nahasimba ny ampahany tamin’ny atidohany izay miasa amin’ny famantarana ny tarehin’olona ilay bala. Tsy nahafantatra ny vadiny intsony izy na dia kely aza rehefa mijery azy; tsy fantany ny reniny. Na ilay endrika miseho eo amin’ny fitaratra aza dia vahiny taminy—Tsy fantany na lehilahy na vehivavy izany.1

Lasa voan’ny tsy fahafantaran’endrika izy—aretina izay mahakasika olona an-tapitrisany.2

Ireo olona izay tena voa mafy amin’ny tsy fahafantaran’endrika dia miezaka mamantatra ny hafa amin’ny alalan’ny fitadidiana fitsipika—fitsipika entina hamantarana zanaka vavy iray amin’ny alalan’ny firafitr’ireo pentina mainty eny amin’ny tarehiny, na namana iray noho ny fomba fitaritarihany ny tongony rehefa mandeha.

Rehefa nihalehibe

Inty misy tantara faharoa izay mahakasika ahy manokana: Fony aho mbola zazalahy kely dia toy ny mpametraka lalàna no fijereko ny reniko. Izy no mpanapaka ny fotoana azoko ilalaovana sy tsy maintsy hatoriako, na, mafy lavitra noho izany aza, dia ny fotoana hanalako ireo ahi-dratsy any an-tokotany.

Mazava ho azy fa tia ahy izy. Saingy matetika loatra aho no nijery azy ho toy ny hoe “Izy ilay tsy maintsy ankatoavina” fotsiny, ary mahamenatra ahy ny milaza izany.

Efa taona maro taty aoriana aho vao nijery azy ho toy ny tena olona. Menatra aho ny milaza fa tsy mbola tena nahatsikaritra ny fahafoizan-tenany mihitsy aho na nanontany tena hoe inona no antony nanaovany ireo zipo roa izay tena efa tranainy nandritra ny taona maro (kanefa aho dia nahazo akanjo vaovao hoentina mianatra) na koa hoe nahoana izy rehefa hariva no reraka tokoa ka maika ny handehanako matory aloha.

Mety ho voan’ny tsy fahafantaran’endrika isika

Angamba mety efa tsikaritrareo fa tantara iray ihany ireo tantara roa ireo—nandritra ny taona maro, raha ny marina, dia voan’ny tsy fahafantaran’endrika aho. Tsy toy ny tena olona no fahitako ny reniko. Hitako ireo fitsipika izay napetrany saingy tsy hitako tao anatin’izany ny fitiavany.

Tantaraiko aminareo ireo tantara roa ireo mba hanazavana zavatra iray: ahiako ho mahafantatra olona ianao (angamba ianao dia ilay olona) izay voan’ny karazana tsy fahafantaran’endrika ara-panahy.

Mety miatrika tolona ianao mba hahita an’ Andriamanitra amin’ny maha Ray be fitia Azy. Mety hitodika any amin’ny lanitra ianao ary tsy hahita ny endriky ny fitiavana sy famindram-po fa kiriatra fitsipika izay tsy maintsy lalovanao. Mety mieritreritra ianao fa Andriamanitra dia mpanapaka ao amin’ny lanitra misy Azy ao sy miresaka amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, ary tia ny anabavinao saingy manontany tena mangingina ianao raha toa Izy ka tia anao.3 Mety efa nahatsapa ny anja-by teo an-tananao ianao saingy tsy mbola nanandrana tamin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay itondran’izany anao.4

Ahiako ho mahafantatra olona toy izany ianao satria nandritra ny fotoana ela aho dia olona tahaka izany—voan’ny tsy fahafantaran’endrika ara-panahy aho.

Nieritreritra aho fa ny fiainako dia fanarahana fitsipika sy fiezahana hanaraka tsara ireo fenitra idealy. Fantatro fa tia anao tanteraka Andriamanitra saingy tsy nahatsapa izany ho an’ny tenako aho. Manahy aho fa diso nieritreritra loatra mikasika ny hankanesana any an-danitra fa tsy ny hiaraka amin’ny Raiko any An-danitra.

Raha toa ianao indraindray ka manaraka amin’ny molotra fotsiny ihany, tahaka ahy, fa tsy “hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra,”5 dia inona no azontsika atao?

Ny valiny, araka ny nampahatsiahivan’ny Filoha Nelson azy, dia i Jesoa mandrakariva.6 Ary dia tena vaovao tsara izany.

Tompoko, mba te-hahita an’i Jesoa izahay

Misy andinin-tsoratra masina fohy iray ao amin’ny Jaona izay tiako. Mitantara mombana vondron’olona vahiny izay nanatona mpianatra iray mba hanao fangatahana manan-danja izany. “Tompoko,” hoy izy ireo, “mba ta-hahita an’i Jesosy izahay.”7

Izany no irintsika rehetra—te hahita an’i Jesoa amin’ny maha-Izy Azy sy hahatsapa ny fitiavany isika. Izany no tokony ho antony hanaovantsika izay ataontsika rehetra ato am-piangonana—ary indrindra ny anton’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo rehetra. Raha toa ianao ka manontany tena hoe inona no karazana lesona tokony ho ampianarinao na koa hoe fivoriana toy ny ahoana no tokony homaninao ary raha toa ka tokony hilavo lefona amin’ny fanampiana ireo diakona ka handeha hilalao baolina, dia azonao raisina ho torolalana ity andinin-tsoratra masina ity: moa ve izany hanampy ny olona hahita sy hitia an’i Jesoa Kristy? Raha tsia dia tsara angamba ny manandrana zavatra hafa.

Rehefa tonga saina aho fa tratran’ny tsy fahafantaran’endrika ara-panahy, hoe ireo fitsipika no hitako fa tsy ny endriky ny famindram-pon’ny Ray, dia fantatro fa tsy fahadisoan’ny Fiangonana izany. Tsy fahadisoan’ Andriamanitra izany ary tsy nidika izany fa tsy nisy azo nantenaina intsony; zavatra mila ianarantsika rehetra izany. Na ireo vavolombelona voalohan’ny Fitsanganana tamin’ny maty aza dia matetika no nifanatri-tava tamin’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty kanefa tsy nahafantatra Azy; nanomboka teo amin’ny Saha nisy ny fasana ka hatrany amoron’i Galilia dia “nahita an’i Jesosy nitsangana teo [izy ireo], nefa tsy fantany ho Jesosy.”8 Nila nianatra namantatra Azy izy ireo, ary isika ihany koa.9

Fiantrana

Rehefa hitako fa azon’ny tsy fahafantaran’endrika ara-panahy aho, dia nanomboka nanaraka ilay toro-hevitr’i Môrmôna mba hivavaka “amin’ny herin’ny fo manontolo” mba ho feno ilay fitiavana izay nampanantenainy ireo mpianany, -ny fitiavako Azy sy ny fitiavany ahy- ary mba “[hahita Azy] tahaka ny maha-Izy Azy; … [ary] mba [hanana] izany fanantenana izany.”10 Nivavaka nandritra ny taona maro aho mba hahafahako manaraka ilay didy lehibe voalohany mba hitia an’ Andriamanitra ary hahatsapako izany “fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay [izany] … fa tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra.” 11

Ireo Filazantsara

Namaky sy namerina namaky ary mbola namerina namaky ihany koa ireo Filazantsara efatra aho, tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy namaky mba hisintona ireo fitsipika fa mba hahita kosa ny maha Izy Azy sy ny zavatra tiany. Ary rehefa nandeha ny fotoana dia talanjona tanteraka tamin’ilay reniranom-pitiavana nitosaka avy Taminy aho.

Tany am-piandohana i Jesoa no nanambara fa tonga Izy mba “[hanasitrana] ny malahelo; naniraka Ahy hitory [fanafahana] amin’ny mpifatotra sy fampahiratana amin’ny jamba.”12

Tsy lisitra zavatra mila hatao fotsiny ihany izany na koa fitadiavana laza tsara. Fa tena toy izany mihitsy ilay fitiavany.

Sokafy antsapaka anie ny Filazantsara e! Hitantsika fa isaky ny pejy rehetra dia mikarakara olona izay mijaly—ara-tsôsialy, ara-panahy ary ara-batana—Izy. Mikasika ireo olona izay noheverina ho maloto Izy13 ary mamahana ireo noana.14

Inona no tantara tianao indrindra momba an’i Jesoa? Inoako fa ilay Zanak’ Andriamanitra manolo-tanana mba hanaiky na hanolotra fanantenana ho an’olona iray efa an-jorom-bala—ilay boka,15 ilay Samaritana nankahalaina,16 ilay mpanota niampangana sy nanafintohina,17 na ilay fahavalom-pirenena.18 Mahatalanjona izany karazana famindram-po izany.

Andramo soratana ireo fotoana tsirairay izay ankasitrahany na anasitranany na iarahany mihinana amin’ny olona vahiny iray dia ho hitanao fa ho lany ny ranomainty ampiasainao alohan’ny hahavitanao ny bokin’i Lioka.

Rehefa nahita izany aho dia nibitaka noho ny fahatsapako ho nitovy tamin’izany ny foko ary nanomboka nahatsapa aho fa mety tia ahy Izy. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Arakaraka ny ianaranao momba ny Mpamonjy no mahamora ny fitokisanao amin’ny famindram-pony sy ny fitiavany tsy manam-petra.”19 Ary arakarak’izany no hahatokisanao sy hitiavanao ny Rainao any An-danitra.

Nampianatra antsika ny Loholona Jeffrey R. Holland fa i Jesoa dia nampiseho “antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany amin’ny taona sy firenena rehetra Izy.”20

Nilaza i Paoly fa Andriamanitra dia “Rain’ny famindrampo [rehetra] sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”21

Raha amin’ny fomba hafa no hahitanao Azy dia tohizo ny ezaka ataonao.

Fanekempihavanana sy fandraisan’ Andriamanitra

Manasa antsika ireo mpaminany mba hikatsaka ny tavany.22 Raisiko ho fampahatsiahivana izany fa ny Raintsika no deraintsika fa tsy raiki-pohy, ary tsy vita ny ezaka ataontsika mandra-pahitantsika an’i Jesoa ho ilay endriky ny fitiavan’ny Ray23 ary mandra-panarahantsika ny diany, fa tsy ny fitsipiny fotsiny ihany.24

Rehefa miresaka mikasika ny fanekempihavanana ireo mpaminany sy apôstôly dia tsy toy ny mpanazatra mivazavaza avy eny amin’ny (seza mena tsara tarehy) hipetrahany izy ireo, izay miteny antsika hoe “miezaha mafimafy kokoa e!” Tian’izy ireo ho hitantsika fa ireo fanekempihavanana raha jerena ifotony dia miompana amin’ny fifandraisana25 ary afaka ny ho fanasitranana amin’ny tsy fahafantaran’endrika ara-panahy.26 Tsy fitsipika arahina mba ho mendrika ny Fitiavany izy ireo. Efa tia antsika amin’ny fomba tonga lafatra Izy. Ny fanamby atrehintsika dia ny fahatakarana sy ny fampifandraisana ny fiainantsika amin’izany fitiavana izany.27

Miezaka isika ny hahita amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika, toy ny eo amin’ny varavarankely, ny endriky ny famindrampon’ny Ray ao ambadika ao.

Endriky ny fihin’ Andriamanitra ny fanekempihavanana.

Ny reniranon’ny fitiavan’ Andriamanitra.

Farany, afaka mianatra ny hahita Azy isika amin’ny alalan’ny fanompoana Azy. “Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny?”28

Taona vitsy lasa izay dia nahazo antso izay noeritreretiko fa tsy ho vitako aho. Nifoha maraina aho no sady nitebiteby—kanefa nisy feo tao an-tsaiko izay tsy mbola reko hatramin’izay: fa ny fanompoana ato amin’ity Fiangonana ity dia midika hoe mijoro ao amin’ilay reniranon’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany. Ity Fiangonana ity dia vondrona mpiasa mihazona lapìka sy angady izay manampy mihady ny lalana mba handehanan’ny reniranon’ny fitiavan’ Andriamanitra mankamin’ireo zanany izay eny ampita.

Na iza na iza ianao, na toy ny ahoana ny lasanao dia misy toerana ho anao ato amin’ity Fiangonana ity.29

Mandraisa lapìka sy angady dia miaraha aminay. Manampia amin’ny fitondrana ny fitiavany mankamin’ireo zanany fa ho tsapanao ny ampahany amin’izany.30

Andeha isika hikatsaka ny tavany feno fitiavana, handray ny fanekempihavanany , ary avy eo dia hifampisakambina amin’ireo zanany, ary hiarahantsika mihira ny hoe “Ry Mpanavotra an’i Isiraely”:

Avereno amin’ny laoniny, ry Mpamonjy malala,

Ny hazavan’ny tavanao;

Omeo ilay fampiononana mampahery fanahy;

Ary aoka ilay faniriana mamy

Ho any amin’ny toeranao masina

Hitondra fanantenana ho an’ny foko izay malahelo.31

Enga anie isika mba hikatsaka ny tavany feno fitiavana ary avy eo dia mba ho fanaky ny famindram-pony ho an’ireo zanany.32 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Hadyn D. Ellis sy Melanie Florence, “Bodamer’s (1947) Paper on Prosopagnosia,” Cognitive Neuropsychology, vol. 7, no.2 (1990), 84–91; Joshua Davis, “Face Blind,” Wired, 1 nôv. 2006, wired.com.

  2. Jereo ny Dennis Nealon, “How Common Is Face Blindness?,” Harvard Medical School, 24 feb. 2023, hms.harvard.edu; Oliver Sacks, “Face-Blind,” New Yorker, 23 aog. 2010, newyorker.com.

  3. “Ny mpikambana sasantsasany dia manaiky sy mino fa marina ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ary fijoroana ho vavolombelona ambara ombieny ombieny eto amin’ity polipitran’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe ity, sy any amin’ireo fiangonana any an-toerana manerana izao tontolo izao—kanefa mbola mety mitolona amin’ny finoana ireo fahamarinana mandrakizay mihatra manokana eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny toe-javatra misy eo amin’izy ireo” (David A. Bednar, “Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko,” Liahona, mey 2023, 125).

  4. Jereo ny 1 Nefia 8:19; 15:23. “Sarotra ny mitandrina ireo didin’ny Tompo raha tsy manana finoana sy fahatokiana Azy.” (Henry B. Eyring, “Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra,” Liahona, nôv. 2021, 75).

  5. Almà 5:26.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127–28.

  7. Jaona 12:21.

  8. Jaona 20:14. Nahita izy ireo saingy tsy nahafantatra Azy teny amin’ny lalan’i Emaosy (jereo ny Lioka 24:16), tao amin’ny efitra mihidy iray (jereo ny Lioka 24:37), teny amoron’i Galilia (jereo ny Jaona 21:4), ary tao amin’ilay Sahan’ilay Fasana (jereo ny Jaona 20:14).

  9. Raha mikatsaka Azy amin’ny fontsika manontolo isika ary manohy mandeha amim-pinoana dia ho hitantsika Izy.

    “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza. …

    “Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra” (Jeremia 29:11, 13).

    “Kanefa ho avy ny andro izay hahazoanareo na dia Andriamanitra aza, rehefa velomina ao Aminy sy amin’ny alalany ianareo.

    Amin’izay dia ho fantatrareo fa efa nahita Ahy ianareo, fa Izy Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:49–50).

    “Ny olona tsirairay, izay mahafoy ny fahotany ka manatona Ahy ary miantso ny anarako sy mankatò ny feoko ary mitandrina ny didiko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1).

  10. Môrônia 7:48. Ampifandraisan’i Paoly amin’ny fahaizantsika mahita mazava tsara ihany koa ny fiantrana. Tamin’ny fiafaran’ny toriteny nataony momba ny fiantrana dia nanoratra izy fa “ankehitriny [aza] isika mizaha ao amin’ny fitaratra,” dia “[h]ifanatrika [rahatrizay] … dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.” (1 Korintiana 13:12).

  11. Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016. “Ny famaritana tsara indrindra ny -fitiavana madion’i Kristy,- … dia tsy izay ezahantsika Kristiana atao kanefa tsy mahomby isika amin’ny fanehoana izany amin’ny hafa, fa izay nataon’i Kristy, ary nahomby tanteraka Izy tamin’ny fanehoana izany tamintsika. Indray mandeha ihany no nahitana ny tena fiantrana marina. Naseho tamin’ny fomba tonga lafatra sy tena marina tao anatin’ny fitiavan’i Kristy antsika izay tsy nety levona sy lehibe indrindra ary nanavotra izany” (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 336).

  12. Lioka 4:18, New King James Version.

  13. Jereo ny Matio 8:3; 9:25.

  14. Jereo ny Matio 14:13–21.

  15. Jereo ny Matio 8:1–3.

  16. Jereo ny Jaona 4:7-10; Nidera ilay Samaritana izy (jereo ny Lioka 10:25-37).

  17. Jereo ny Matio 21:31; Lioka 7:27–50; 15:1–10; Jaona 8:2–12.

  18. Jereo ny Matio 8:5–13.

  19. Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021.

  20. Jeffrey R. Holland, “The Grandeur of God,” Liahona, nôv. 2003, 70. “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).

  21. 2 Korintiana 1:3.

  22. Jereo ny Salamo 27:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68.

  23. Jereo ny 2 Korintiana 4:6; Papa Francis, “Misericordiae Vultus: Bull of Indiction of the Extraordinary Jubilee of Mercy,” Apostolic Letters, vatican.va.

  24. Foto-kevitra manan-danja izy io. Tsy hoe ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana fotsiny ihany fa ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2, Médiathèque de l’Évangile). Tsy mankany amin’ny tempoly fotsiny aho fa mankany amin’ny tranon’ny Tompo; tsy Fiangonana Môrmôna fa Fiangonan’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–89). Ireo mpitarika antsika dia mampitodika antsika any Aminy ary mampahatsiahy antsika mihitsy aza fa “tsy misy izany zavatra tsy fantatra endrika antsoina hoe -ny Sorompanavotana- izany izay azontsika antsoina hanavotra na hanasitrana na hamela heloka na hanome hery. I Jesoa Kristy no ilay loharanon’izany”(Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017).

  25. “Ny lalan’ny fanekempihavanana dia miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra”; izany dia “lalana mifono fitiavana— … ilay [fifampiahiana] amim-pangorahana sy [fifanoloran-tanana]” (Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022).

    Jereo ny David A. Bednar, “The Blessed and Happy State” (Lahateny natao tamin’ny seminera ho an’ireo mpitarika misiôna vaovao, 24 jona 2022); Scott Taylor, “Elder Bednar Shares 7 Lessons on ‘the Blessed and Happy State’ of Obedience,” Church News, 27 jona 2022, thechurchnews.com.

    “Ny fidirana amin’ny fanekempihavanana masina sy ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia mahatonga antsika ho iray zioga sy hifamatotra amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Ray any An-danitra. Midika tsotra izao izany fa mahatoky ny Mpamonjy isika ho Mpisolovava sy Mpanalalana antsika ary miantehitra amin’ny fahamendrehany sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany mandritra ny dia eo amin’ny fiainana. …

    Ny fiainana ireo fanolorantena amin’ny fanekempihavanana sy ny fitiavana azy ireo dia miteraka fifandraisana amin’ny Tompo izay tena an’ny tena manokana ary feno hery ara-panahy. … Avy eo i Jesoa dia lasa mihoatra lavitra noho ilay mpilalao fototra ao amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina; ny ohatra asehony sy ireo fampianarany dia miantraika amin’ny faniriantsika sy ny eritreritsika ary ny fihetsitsika rehetra” (David A. Bednar, “Nefa tsy noraharahianay izy ireo,” Liahona, mey 2022).

    Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2022, 79–80.

  26. “Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra;

    “Fa raha tsy misy izany, dia tsy misy olona afaka mahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:21–22).

  27. Patricia Holland, “Hoavy feno fanantenana” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2023), Médiathèque de l’évangile:

    “Tsy mila manenjika [ny fanantenana fa hanampy anao Izy] ianao; tsy ilainao ary tsy afaka ny ho amboarimboarinao izany. Tahaka ny zavatra maro eo ambanin’ny fahasoavana, dia tsy ho azonao amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny herinao manokana na amin’ny olon-kafa izany. Tsy misy fomba tsotra na raki-pohy ilaina mba hahazoana ireo fitahiana ilaina. …

    “Raha ny marina dia manan-danja ny anjara sahanintsika saingy bitika izany raha ny marina; Andriamanitra no mitana ny anjara asa lehibe indrindra. Ny anjarantsika dia ny manatona Azy, amim-panetrentena sy am-pahatsorana, avy eo dia tsy tokony hitaintaina sy hatahotra isika.”

  28. Môzià 5:13; jereo ihany koa ny Jaona 17:3.

  29. Niantso antsika ombieny ombieny ny Filoha Nelson mba “hampitomboantsika ny olona tiavintsika mba hikasika ny olom-belona rehetra izany” (“Blessed Are the Peacemakers,” Liahona, nôv. 2002, 41). Niteny tamin’ireo tanora izy tamin’ny mey 2022 fa “mety hitarika ho amin’ny fitsarana sy ny fankahalana ny anarana apetaka. Ny herisetra rehetra na ny fitsarana an-tendrony amin’ny hafa noho ny zom-pirenena, ny firazanana, ny fironana ara-pananahana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny fianarana nodiavina, ny kolontsaina, na ireo famantarana manan-danja hafa dia manafintohina ny Mpamorona antsika!” (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], Médiathèque de l’évangile). Ary dia hoy izy: “Malahelo aho fa miaritra ny fijaliana avy amin’ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ireo rahalahintsika sy ranabavintsika mainty hoditra manerana izao tontolo izao. Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra” (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94).

    “Tsy mifanaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra nambara ny fitsarana an-tendrony. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tena Aminy sy amin’ny didiny, fa tsy amin’ny volonkoditry ny olona iray na toetra hafa.

    “… Tafiditra ao anatin’izany ny fitsarana an-tendrony mifototra amin’ny firazanana, ny foko, ny zom-pirenena, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny taona, ny fahasembanana, ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiarahamonina ara-piarian-karena, ny fivavahana inoana sy ny tsy finoana fivavahana, ary ny fironana ara-pananahana” (Boky Torolalana maneran-tany, 38.6.14, Médiathèque de l’évangile).

  30. Jereo ny 1 Nefia 11:25.

  31. Ry Mpanavotra,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 6.

  32. Jereo ny Romana 9:23.