2023
Ny hery manasitran’ny Mpamonjy any amin’ireo nosin-dranomasina
Nôvambra 2023


10:27

Ny hery manasitran’ny Mpamonjy any amin’ireo nosin-dranomasina

Amin’ny alalan’ireo fitahian’ny tempoly no hanasitranan’ny Mpamonjy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary ny firenena.

Tany amin’ny manodidina ny taona 1960 mahery tany dia nampianatra tao amin’ny Church College of Hawaii tao Laie, izay toerana nahaterahako, ny raiko. Nisisika mafy ireo zokiko vavy fito ny mba hanomezan’ireo ray aman-dreniko ahy ny anarana hoe “Kimo” izay anarana avy any Hawaï. Nipetraka teo akaikin’ny Tempolin’i Laie Hawaï izahay tamin’ny fotoana nandraisan’izany tempoly izany ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny Vondromparitra Azia Pasifika, ka tafiditra tao anatin’izany i Japana.1 Tamin’io fotoana io dia nanomboka tonga tany Hawaï ireo andiana Olomasina Japôney mba handray ireo fitahian’ny tempoly.

Ny iray tamin’ireo mpikambana ireo dia rahavavy avy any amin’ny nosy kanton’i Okinawa. Mahavariana ny tantaran’ny diany nankany amin’ny Tempolin’i Hawaii. Roapolo taona talohan’izany dia nanambady araka ny fampakaram-bady narindra ara-pomban-drazana bodista izy. Volana vitsivitsy monja taorian’izay, dia nanafika an’i Pearl Harbor, Hawaï, i Japana, ka nahatonga tampoka an’i Etazonia hamaky ady tamin’i Japana. Taorian’ireo ady toa an’i Midway sy Iwo Jima, ny onjan’ny ady dia nanosika ny tafika japôney hiverina ho any amin’ny morontsiraky ny nosy fonenany, Okinawa, izay tsipika fiarovana farany nijoro hanoherana ireo tafika mpiara-dia teo alohan’ireo tena faritra afovoany ao Japana.

Nandritra ny telo volana nahatsiravina tamin’ny 1945, dia nafana ny ady tao Okinawa. Nisy sambo mpiady amerikanina niisa 1300 nanodidina sy nidaroka baomba an’ilay nosy. Miaramila sy sivily maro no maty. Ankehitriny dia misy tsangambato mijoalajoala iray ao Okinawa izay mitanisa anarana maherin’ny 240.000 fantatra amin’ireo olona maty tamin’ny ady.2

Tao anatin’ny fiezahana mafy handositra ny fanafihana, dia nitady fialofana tao anaty lava-baton’ny tendrombohitra iray ity vehivavy avy any Okinawa ity sy ny vadiny ary ny zanany kely anankiroa. Nizaka fahoriana tsy hay lazaina izy ireo nandritra ireo herinandro sy volana nanaraka izany.

Indray alina tena nahakivy nandritra ny ady, teo anatrehan’ilay fianakaviana efa ho fatin’ny hanoanana sy ilay vadiny tsy nahatsiaro tena, dia nieritreritra ny hamarana ny fijalian’ny fianakaviany tamin’ny grenady atsipy amin’ny tanana izy, izay nomen’ny manam-pahefana teo an-toerana azy ho amin’izany tanjona izany. Kanefa, rehefa niomana ny hanao izany izy dia nisy zavatra lalina ara-panahy niseho izay nanome azy fahatsapana azo tsapain-tanana ny amin’ny fisian’ Andriamanitra sy ny fitiavany azy, izay nanome azy hery mba hanohy ny fiainany. Nandritra ireo andro manaraka dia namelon’aina ny vadiny izy ary nofahanany ahitra sy tantely avy amin’ny toho-tantely ary ireo biby nosamborina tao anatin’ny sakelidrano teo akaiky teo ny fianakaviany. Nahavariana fa naharitra enim-bolana tao anaty lava-bato izy ireo mandra-pahatongan’ny fokonolona teo an-toerana nilaza tamin’izy ireo fa efa tapitra ny ady.

Rehefa nody tany an-trano ilay fianakaviana ary nanomboka namerina nanorina ny fiainany, dia nanomboka nitady valiny momba an’ Andriamanitra io vehivavy japôney io. Nanomboka nirehitra tsikelikely tao aminy ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filana hatao batisa izy. Na izany aza, dia niahiahy ny amin’ireo olona akaikin’ny fony izay maty tsy nahalala momba an’i Jesoa Kristy sy ny batisa izy, anisan’izany ny reniny, izay maty niteraka azy.

Alaivo sary an-tsaina ny hafaliany rehefa tonga tao an-tranony ny rahavavy misiônera anankiroa avy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany indray andro ary nampianatra azy fa afaka mianatra momba an’i Jesoa Kristy any amin’ny tontolon’ny fanahy ny olona. Nahasarika azy ny fampianarana fa ny ray aman-dreniny dia afaka misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aorian’ny fahafatesana sy hanaiky ny batisa tanterahina ho azy ireo any amin’ny toerana masina antsoina hoe tempoly. Niova fo ho an’ny Mpamonjy izy sy ny fianakaviany ka natao batisa.

Niasa mafy ny fianakaviany ary nanomboka niroborobo, ary niampy telo ny zanany. Nahatoky sy navitrika tao amin’ny Fiangonana izy ireo. Avy eo dia tsy nampoizina fa tapaka lalan-drà ny vadiny ka maty, dia voatery niasa ora maro tamin’ny asa maro nandritra ny taona maro izy mba hamelomana ireo zanany dimy.

Nanakiana azy ny olona sasany tao amin’ny fianakaviany sy ny manodidina azy. Nilaza izy ireo fa ny fanapahan-keviny hiditra tao amin’ny fiangonana Kristiana no antony nahatonga ny fahasahiranany. Tsy kivy teo anatrehan’ny fahoriana lalina sy ny fanakianana mafy izy, fa nihazona ny finoany an’i Jesoa Kristy, tapa-kevitra ny handroso hatrany, ary natoky fa mahafantatra azy Andriamanitra ary hisy andro mamiratra kokoa miandry azy amin’ny ho avy.3

Taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny tampoka, dia nahazo fitaomam-panahy ny filohan’ny misiônan’i Japana mba hamporisika ireo mpikambana japôney hanao asa mahakasika ny fandehanana any amin’ny tempoly. Miaramila amerikana menavazana (vétéran) tamin’ny Adin’i Okinawa izay niainan’ilay rahavavy avy any Okinawa sy ny fianakaviany fijaliana tena mafy ilay filohan’ny misiôna.4 Na izany aza, dia hoy ilay rahavavy feno fanetrentena momba azy: “Iray tamin’ireo fahavalo nankahalainay izy tamin’izany, fa ankehitriny kosa izy dia tonga eto nitondra ny filazantsaran’ny fitiavana sy ny fiadanana. Fahagagana izany ho ahy.”5

Rehefa nandre ny hafatry ny filohan’ny misiôna ilay rahavavy mananotena dia nanana faniriana ny hofehezina amin’ny fianakaviany any amin’ny tempoly indray andro any. Tsy vitany anefa izany, noho ny tsy fahampiana ara-bola sy ny sakana eo amin’ny fiteny.

Avy eo dia nisy vahaolana vaovao maromaro nipoitra. Mety hidina antsasany ny saran-dalana raha toa ka manofa fiaramanidina iray manontolo ny mpikambana ao Japana mba hisidina ho any Hawaï amin’ny fotoana tsy maha-betsaka mpitsidika an’i Hawaï.6 Nanao raki-kira ihany koa ireo mpikambana sady nivarotra disques vinyles mitondra ny lohateny hoe Olomasina japôney mihira. Nivarotra trano mihitsy aza ny mpikambana sasany. Ny sasany niala tamin’ny asany mba hanaovana ilay dia.7

Ny fanamby hafa ho an’ny mpikambana dia tsy nisy tamin’ny teny Japoney ireo raharaha tao amin’ny tempoly. Niantso rahalahy Japoney iray ireo mpitarika ny Fiangonana mba handeha ho any amin’ny tempolin’i Hawaii ka handika teny amin’ny fanaovana ny fombafomba masina ho an’ny fanafiana masina.8 Izy no Japoney niova fo voalohany taorian’ny ady, izay nampianarin’ny miaramila amerikana mahatoky sy natao batisa.9

Rehefa nandre vao voalohany ny dikanteny ireo mpikambana japôney efa nandray fanafiana masina izay nonina tany Hawaï dia nitomany izy ireo. Nisy mpikambana iray nirakitra an-tsoratra ny hoe: “Efa nandeha tany amin’ny tempoly imbetsaka izahay. Efa nandre ireo fombafomba masina tamin’ny teny anglisy izahay. [Saingy] mbola tsy nahatsapa ny fiasan’ny fanahin’ny … tempoly toy ny ahatsapanay izany amin’izao fotoana izao izahay hatrizay, [rehefa mandre izany] amin’ny fitenin-drazanay.”10

Taty aoriana tamin’io taona io ihany, dia olon-dehibe sy ankizy niisa 161 no niainga avy tao Tokyo mba handeha ho any amin’ny Tempolin’i Hawaï. Hoy ny rahalahy japôney iray momba ilay dia: “Rehefa nijery ny tany ivelan’ny fiaramanidina aho ka nahita an’i Pearl Harbor, ary nahatsiaro izay nataon’ny firenentsika tamin’ireo olona ireo tamin’ny 7 Desambra 1941, dia natahotra mafy aho. Handray antsika tsara ve izy ireo? Saingy gaga aho fa naneho fitiavana sy hatsaram-panahy lehibe kokoa noho izay hitako teo amin’ny fiainako izy ireo.”11

Noraisina tamin’ny rojom-boninkazo ireo Olomasina japoney

Rehefa tonga ireo Olomasina japoney dia notsenain’ireo mpikambana tao Hawaï tamin’ny rojom-boninkazo tsy tambo isaina izy ireo sady nifamihina sy nifanoroka teo amin’ny takolaka, izay fomba fanao vahiny amin’ny kolontsaina japôney. Rehefa avy nandany 10 andro nitondra fanovana tany Hawaï ireo Olomasina japôney dia nanao veloma teo am-pihiran’ireo Olomasina tao Hawaï ilay hira hoe “Aloha Oe”.12

Ilay dia faharoa mankany amin’ny tempoly izay nokarakaraina ho an’ireo mpikambana japôney dia nahitana ilay rahavavy mananotena avy any Okinawa. Nahavita ilay dia 16.000 kilaometatra izy noho ilay fanomezana feno fahalalahan-tanana avy amin’ireo misiônera nanompo tao amin’ny sampana nisy azy ary nihinana sakafo betsaka teo amin’ny latabany. Nony tao amin’ny tempoly izy dia latsa-dranomasom-pifaliana rehefa nisolo tena ho an’ny batisan-dreniny sy nofehezina tamin’ilay vadiny efa nodimandry.

Nitohy tsy tapaka ny fandehanana mankany amin’ny tempoly avy any Japana nankany Hawaï mandra-pitokana ny Tempolin’i Tokyo Japana tamin’ny 1980, ka lasa tempoly faha-18 niasa izany. Amin’ny volana nôvambra amin’ity taona ity dia hotokanana ao Okinawa, Japana ny tempoly faha-186. Izy io dia tsy lavitra ilay lava-bato ao Okinawa afovoany izay nialokalofan’ity vehivavy ity sy ny fianakaviany.13

Na dia tsy mbola nihaona tamin’io rahavavy mahafinaritra avy any Okinawa io aza aho, ny lova avy aminy dia mbola mitoetra amin’ny taranany mahatoky, izay maro amin’izy ireo no fantatro sy tiako.14

Ny raiko, izay mpiady tamin’ny Ady Lehibe faha-II tany Pasifika, dia nientanentana rehefa nandray ny antsoko hanompo tany Japana tamin’ny naha misiônera tanora ahy aho. Tonga tany Japana aho fotoana fohy taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Tokyo ary nahita mivantana ny fitiavan’izy ireo ny tempoly.

Ny fanekempihavanan’ny tempoly dia fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy Zanany. Mamatotra ny tsirairay sy ny fianakaviana amin’ny Mpamonjy sy eo amin’ny olona samy olona ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny tempoly.

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny taon-dasa hoe:

“Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. …

“Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. Manamora ny lalantsika io hery io.”15

Amin’ny alalan’ireo fitahian’ny tempoly no hanasitranan’ny Mpamonjy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary ny firenena, eny fa na dia ireo izay nijoro ho fahavalo ratsy indrindra aza. Ny Tompo nitsangana tamin’ny maty dia nanambara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa amin’ireo izay manaja ny anarako “no hitsanganan’ny Zanaky ny fahamarinana miaraka amin’ny fanasitranana eo amin’ny elany.”16

Feno fankasitrahana aho mahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo tsy mitsaha-mitohy fa “ho avy ny fotoana izay hielezan’ny fahalalana ny Mpamonjy amin’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny vahoaka rehetra,”17 anisan’izany ireo “any amin’ny nosin-dranomasina.”18

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny mpaminaniny ary ny apôstôliny aho amin’izao andro farany izao. Mijoro ho vavolombelona amim-pahamatorana aho ny amin’ny herin’ny lanitra hamatotra any an-danitra izay mifatotra eto an-tany.

Asan’ny Mpamonjy ity, ary ny tempoly dia tranony masina.

Ao anatin’ny faharesen-dahatra tsy mihozongozona no anambarako ireo fahamarinana ireo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny Tempolin’i Laie Hawaii dia natokan’ny Filoha Heber J. Grant tamin’ny 1919. Izy no nanokatra ny Fiangonana tany Japana fony izy Apôstôly tamin’ny 1901. Izy io no tempoly fahadimy miasa ary tempoly voalohany naorina ivelan’ny kaontinanta misy an’i Etazonia.

  2. Tamin’ny 2 martsa 2023 dia anaran’olona 241.281 no voasoratra eo amin’ilay tsangambato.

  3. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “Keep the Chain Unbroken” (Brigham Young University devotional, Nov. 30, 1999), 4, speeches.byu.edu.

  4. I Dwayne N. Andersen dia naratra tamin’ilay ady tao Okinawa. Filohan’ny Misionan’i Japana izy nanomboka tamin’ny 1962 hatramin’ny 1965 ary izy no filoha voalohany an’ny tempolin’i Tokyo Japana nanomboka tamin’ny 1980 hatramin’ny 1982.

  5. Nihaona tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany aho fony izaho sy ny vadiko nanompo tao amin’ny fitarihana ny misiôna tao Tokyo. Nanome ahy an’io fampahalalana avy amin’ny tantaran’ny fianakaviany manokana io izy ireo.

  6. Jereo ny Dwayne N. Andersen: An Autobiography for His Posterity102–5, Church History Library, Salt Lake City.

  7. Jereo ny Dwayne N. Andersen, 104.

  8. Jereo ny Edward L. Clissold, “Translating the Endowment into Japanese,” ao amin’ny Stories of the Temple in Lā‘ie, Hawai‘i, comp. Clinton D. Christensen (2019), 110–13.

  9. Ilay mpandika teny Tatsui Sato dia nataon’ny miaramila amerikanina iray, i C. Elliott Richards batisa ny 7 jolay 1946. I Chiyo Sato, vadin’i Tatsui, dia nataon’i Boyd K. Packer batisa tamin’io andro io ihany. Ankoatra izay dia nandray anjara tamin’ilay ady tao Okinawa i Neal A. Maxwell, ary i L. Tom Perry dia anisan’ireo tafika an-dranomasina voalohany niondrana an-tanety tao Japana taorian’ny fifanarahana ara-pandriampahalemana (traitée de paix). Lasa mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo avy eo ry Loholona isany Packer sy Maxwell.

  10. Ao amin’ny Clissold, “Translating the Endowment into Japanese,” 112.

  11. Ao amin’ny Dwayne N. Andersen, “1965 Japanese Excursion,” Stories of the Temple in Lā‘ie, Hawai‘i, 114.

  12. Jereo ny Andersen, “1965 Japanese Excursion,” 114, 117.

  13. Taorian’izay nandritra io fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2023 io dia nanambara tempoly vaovao miisa 20 ny Filoha Russell M Nelson, ka anisan’izany ny tempolin’i Osaka Japana, izay ho tempoly fahadimy ao Japana.

  14. Nandritra ny asa fitoriana nataonay tany Tokyo nanomboka tamin’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2021, tao anatin’ireo olana nateraky ny valanaretina COVID, dia naneho fitiavana sy fiahiana ahy sy ny fianakaviako ny fianakaviany, izay hankasitrahanay mandrakizay.

  15. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 96.

  16. 3 Nefia 25:2.

  17. Môzià 3:20.

  18. 2 Nefia 29:7.