2023
Ny fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitra
Nôvambra 2023


14:12

Ny fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitra

Mivoha amin’ny fomba maro ny varavaran’ny lanitra. Matokia ny fotoan’ny Tompo; tsy maintsy tonga ny fitahiana.

Fony aho tany Amerika Atsimo vao haingana dia nizara ity zavatra niainany manaraka ity tamiko Rahalahy Roger Parra avy any Venezoelà:

“Tamin’ny taona 2019 dia nisy fiantraikany ratsy tamin’i Venezoelà ny olana noho ny fahatapahan-jiro nandritra ny dimy andro.

“Nanjaka teny an-dalambe ny savorovoro sy ny korontana, ary maro ny olona kivy izay tsy nanana sakafo ampy.

“Nanomboka nandroba orinasan-tsakafo ny sasany, ka nanimba izay rehetra teny amin’ny lalany.

“Noho izaho tompon’ny trano fanaova-mofo kely iray, dia nanahy mafy ny amin’ny orinasanay aho. Nanapa-kevitra izahay mianakavy fa hanome ny sakafo rehetra ao amin’ny trano fanaova-mofonay ho an’ny olona sahirana.

“Indray alina maizina izay dia nisy rotaka teny rehetra teny. Ny hany nampanahy ahy dia ny fiarovana ny vady aman-janaka malalako.

“Vao mangiran-dratsy aho dia nankao amin’ny trano fanaova-mofonay. Mampalahelo fa ny orinasan-tsakafo rehetra teo amin’ny manodidina dia nosimbain’ny mpandroba, saingy akory ny hahagagako fa tsy nisy nikitika ny trano fanaova-mofonay. Tsy nisy zavatra simba. Nisaotra tamim-panetrentena ny Raiko any An-danitra aho.

“Rehefa tonga tany an-trano aho, dia nilaza tamin’ny fianakaviako ny amin’ny fitahian’ Andriamanitra sy ny fiarovany.

“Tena feno fankasitrahana tokoa izy ireo.

“Hoy i Rogelio lahimatoako, izay vao 12 taona: -Dada! Fantatro ny antony niarovana ny fivarotantsika. Mandoa ny fahafolonkarenanareo foana ianao sy i Neny.-”

Nofaranan-dRahalahy Parra hoe: “Tonga tao an-tsaiko ny tenin’i Malakia. -Hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha- [Malakia 3:11]. Nandohalika izahay ary nisaotra ny Raintsika any An-danitra noho ny fahagagana nataony.”1

Ry Parra mianakavy.

Izahao toetra amin’izany aho

Izay rehetra ananantsika sy izay rehetra maha-isika antsika dia avy amin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia mizara an-tsitrapo amin’ireo manodidina antsika isika.

Amin’izay rehetra omen’ny Tompo antsika dia nangataka antsika Izy mba hamerina any Aminy sy ny fanjakany eto an-tany ny 10 isan-jaton’ny tombony azontsika. Nampanantena antsika Izy fa rehefa marin-toetra amin’ny fahafolonkarenantsika isika dia “hovoha[ny] ny varavaran’ny lanitra, ary hampidina … fitahiana, manana amby ampy ho [antsika] Izy.”2 Nampanantena antsika Izy fa hiaro antsika amin’ny ratsy.3 Tena azo antoka tokoa ireo fampanantenana ireo,4 hoy ny Tompo: “Izahao toetra amin’izany Aho”,5 andian-teny izay tsy hita any amin’ny toeran-kafa ao amin’ny soratra masina raha tsy rehefa indramina ny tenin’i Malakia.

Mivoha amin’ny fomba maro ny varavaran’ny lanitra. Ny sasany ara-nofo, fa maro kosa no ara-panahy. Ny sasany dia manjavozavo ary mora hadinoina. Matokia ny fotoan’ny Tompo; tsy maintsy tonga ny fitahiana.

Miara-malahelo amin’ireo izay miatrika olana amin’ny fahazoana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana isika. Nanolotra 54 tapitrisa dôlara amerikana vao haingana ny Fiangonana mba hanomezana fanampiana ireo ankizy sy reny marefo manerana izao tontolo izao.6 Ary amin’ireo fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina omenareo isam-bolana no hanampian’ireo eveka tsarantsika olona an’arivony isan-kerinandro izay mila sakafo vonjimaika eo an-databany, akanjo eo an-damosiny ary fialofana eo ambonin’ny lohany. Ny hany vahaolana maharitra amin’ny fahantran’izao tontolo izao dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.7

Mahakasika ny finoana

Nampitandrina i Paoly Apôstôly fa ny fahendren’olombelona dia mahatakatra ny zavatra nataon’olombelona fa sarotra aminy ny mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra.8 Izao tontolo izao rehefa miresaka momba ny fahafolonkarena dia miresaka ny volantsika, fa ny lalàna masin’ny fahafolonkarena anefa voalohany indrindra dia mahakasika ny finoantsika. Ny fahamarinan-toetra amin’ny fahafolonkarenantsika dia fomba iray hanehoantsika ny fahavononantsika hametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, mihoatra noho ny fiahiantsika ny tenantsika sy ny tombontsoantsika manokana. Mampanantena anareo aho fa rehefa matoky ny Tompo ianareo dia ho avy ny fitahian’ny lanitra.

Nilaza i Jesoa fa tokony homena “ho an’i Kaisara … izay an’i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.”9 Nangataka ny Nefita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty mba hanoratra ao amin’ny rakitsoratr’izy ireo ireo fampanantenany hita ao amin’ny Malakia.10 Amin’izao androntsika izao ny Tompo dia nanamafy indray ny lalàna masin’ny fahafolonkarena, ka nanambara hoe: “Ary izany no fiandohan’ny fahafolonkarenan’ny vahoakako. Ary [izy ireo] dia handoa ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy isan-taona; ary izany dia ho lalàna raikitra ho azy ireo mandrakizay, ho an’ny fisoronako masina, hoy ny Tompo.”11

Ny Tompo dia nandidy mazava tsara ny fomba tokony handoavana ny fahafolonkarena, nanao hoe: “Entonareo avokoa ny fahafolonkarena ho ao amin’ny trano fitehirizako,”12 izay midika hoe mitondra ny fahafolonkarena ho ao amin’ny fanjakany naverina tamin’ny laoniny, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.13 Nanome didy Izy fa ny fampiasana ireo fahafolonkarena masina ireo dia hodinihin’ny filankevitra iray ombam-bavaka, izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Episkôpà Mpiahy, “ary amin’ny alalan’ny feoko ho azy ireo, hoy ny Tompo.”14

Ny vola masin’ny Tompo

Ireo vola masina ireo dia tsy an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. An’ny Tompo izy ireo. Ireo mpanompony dia mahafantatra tsara fa masina ny fitantanan’izy ireo.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nitantara ity zavatra niainany tamin’ny fahazazana ity: “Fony aho zazalahy dia nametraka fanontaniana tamin’ny raiko aho … mikasika ny fandaniana ny volan’ny Fiangonana. Nampahatsiahiviny ahy fa ny adidy nomen’ Andriamanitra ahy dia ny handoa ny fahafolonkarenako sy ny fanatitro. Rehefa manao izany aho, [hoy ny raiko,] izay omeko dia tsy ahy intsony. An’ny Tompo izany, izay anokanako ilay izy.” Nampian’ny rainy hoe: “Tsy tokony hanahirana [anao ry Gordon] izay anaovan’ireo manampahefana ao amin’ny Fiangonana izany. Hiadina amin’ny Tompo izy ireo, izay hitaky ny hanaovana ampamoaka amin’izay nataon’izy ireo.”15

Tsapanay loatra ny vesatr’izany hoe “hiadina amin’ny Tompo” izany.

Ny fahafolonkarena sy fanatitra feno fahalalahan-tanana avy aminareo

Avy amin’ny fahafolonkarena sy ny fanatitra amin-kalalahan-tanana izay natokanareo ho an’ny Tompo, tamin’ny taon-dasa dia maherin’ny arivo tapitrisa dôlara no nampiasaina mba hitahiana ireo sahirana.16

Ao anatin’ny andraikitsika lehibe amin’ny fitondrana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny manerana an’izao tontolo izao dia manana misiônera mihoatra ny 71.000 isika manompo any amina misiôna miisa 414.17 Noho ny fahafolonkarena sy ny fanatitra ataonareo dia afaka manompo ny misiônera, na manao ahoana na manao ahoana toe-bolam-pianakaviany.

Aorina manerana izao tontolo izao ireo tempoly amin’ny isa izay tsy mbola nisy toy izany. Amin’izao fotoana izao dia tempoly 177 no miasa, 59 no eo an-dalam-panorenana na fanavaozana, ary 79 hafa ao anatin’ny drafitra sy atao tefibika.18 Ny fahafolonkarenanareo dia manome fahafahana ireo fitahian’ny tempoly ho any amin’ireo toerana izay ny Tompo ihany no afaka mahita azy mialoha.

Misy mpiangona maherin’ny 30.000 mampiasa trano fiangonana an’arivony sy trano hafa any amin’ny firenena sy faritra miisa 195.19 Noho ny fahafolonkarena feno fahatokiana ataonareo dia miorina any amin’ny toerana lavitra izay mety tsy hotsidihinareo mihitsy ny Fiangonana, eo anivon’ireo Olomasina marin-toetra izay mety tsy ho fantatrareo mihitsy.

Ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia manohana toeram-pampianarana ambony miisa dimy.20 Manampy mpianatra mihoatra ny 145.000 izy ireo. Kilasy iray alina sy iray hetsy no ampianarina isan-kerinandro ao amin’ireo seminera sy institiotantsika.21

Ireo fitahiana ireo sy ny maro hafa amin’ny ankapobeny dia avy amin’ny tanora sy zokiolona ao anatina sokajy ara-toe-bola rehetra izay mandoa fahafolonkarena marina.

Ny hery ara-panahin’ny lalàna masin’ny fahafolonkarena dia tsy refesina amin’ny habetsahan’ny vola omena, satria na ny manan-karena na ny mahantra dia samy didìn’ny Tompo mba hanome ny 10 isan-jaton’ny fidiram-bolany.22 Tonga amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny fitokisantsika amin’ny Tompo ilay hery.23

Ny habetsahana fanampiny avy amin’ny Tompo izay vokatry ny fahafolonkarena feno fahalalahan-tanana avy aminareo dia nampatanjaka ny tahirim-bolan’ny Fiangonana, ka nanome fahafahana hampandroso ny asan’ny Tompo mihoatra noho izay rehetra efa niainantsika. Fantatry ny Tompo ny zava-drehetra, ary amin’ny fotoany dia ho hitantsika ny fahatanterahan’ny fikasany masina.24

Tonga amin’ny fomba maro ireo fitahiana

Tonga amin’ny fomba maro ny fitahian’ny fahafolonkarena. Tamin’ny 1998 aho dia niaraka tamin’ny Loholona Henry B. Eyring tamin’izany fotoana izany tany amin’ny fivoriana lehibe iray an’ny Fiangonana tany amin’ny faritr’i Utah izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Silicon Slopes, vondrom-piarahamonina misehatra amina zava-baovao lehibe ara-teknôlôjika. Fotoana nitomboan’ny firoboroboana tamin’izany ary nampitandrina ny Olomasina ny Loholona Eyring momba ny fampitahana ny zavatra nananan’izy ireo amin’ny hafa sy ny faniriana hanana bebe kokoa. Hotsaroako mandrakariva ny fampanantenany hoe rehefa mandoa fahafolonkarena marina izy ireo dia hihena ny fanirian’izy ireo hanana fananana ara-materialy betsaka kokoa. Tao anatin’ny roa taona dia nihena ny vidin’ireo zavatra mifandraika amin’ny teknôlôjia. Maro no very asa, ary sahirana ireo orinasa nandritra io fotoan’ny fanitsiana fitantanana ara-bola io. Ireo izay nanaraka ny torohevitry ny Loholona Eyring dia voatahy.

Nampahatsiahy ahy zavatra niainana iray hafa ny fampanantenany. Nihaona tamin’i Charlotte Hlimi, 12 taona, tany akaikin’i Carcassonne, Frantsa aho tamin’ny 1990 fony aho filohan’ny misiôna. Fianakaviana mahatoky nonina tao amin’ny trano iray misy zanaka valo ry Hlimi. Nanana sarin’ny Mpamonjy sy ny mpaminany teo amin’ny rindrina izy ireo. Tao anatin’ilay tafa sy dinika ho an’ny tsodranon’ny patriarika ho azy dia nanontany an’i Charlotte aho raha nandoa fahafolonkarena marina izy. Namaly izy hoe: “Eny, Filoha Andersen. Nampianatra ahy ny reniko fa misy fitahiana ara-nofo sy fitahiana ara-panahy azo avy amin’ny fandoavanay ny fahafolonkarenanay. Nampianatra ahy ny reniko fa raha mandoa ny fahafolonkarenanay foana izahay dia tsy ho ory na inona na inona izahay. Ary izahay ry Filoha Andersen dia tsy ory na inona na inona.”

Ry Hlimi mianakavy.

Rehefa nanome lalana ahy hizara ny tantarany i Charlotte, izay 45 taona amin’izao ary voafehy tany amin’ny tempoly, dia nanao izao fanamarihana izao: “Tena marina ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba ny fahafolonkarena tamin’izany fotoana izany, ary vao mainka matanjaka kokoa izany ankehitriny. Feno fankasitrahana ny amin’io didy io aho. Rehefa miaina izany aho dia mahazo fitahiana sesehena hatrany.”25

Indray andro any isika tsirairay dia hamita ny diantsika eto an-tany. Dimy amby roapolo taona lasa izay, andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesan’i Martha Williams rafozambaviko noho ny homamiadana, dia nahazo seky kely tamin’ny email izy. Nangatahiny avy hatrany i Kathy vadiko haka ny karinen-tsekiny mba handoavany ny fahafolonkarenany. Koa satria moa efa osa aoka izany ilay reniny ka zara raha afaka nanoratra, dia nanontany i Kathy raha azony atao ny manoratra ilay seky ho azy. Namaly ny reniny hoe: “Tsia ry Kathy. Aleo ataoko irery.” Ary avy eo dia niteny moramora izy hoe: “Te ho marina eo anatrehan’ny Tompo aho.” Iray amin’ireo zavatra farany nataon’i Kathy ho an-dreniny ny fanomezana ny valopin’ny fahafolonkarenany tamin’ny evekany.

Asa manan-danjan’ Andriamanitra

Ry rahalahiko sy anabaviko, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia efa mivoaka “avy ao amin’ny haizina”26 ka mitondra fitahiana miavaka manerana ny tany. Hisy ireo izay hamporisika antsika handroso ary ireo izay tsy hanao izany. Efa nieritreritra ny tenin’i Gamaliela ilay hendry aho, izay rehefa nahita ny fahagagana nataon’ny Apôstôly Petera sy Jaona, dia nampitandrina ny filankevitra tany Jerosalema:

“Avelao [ireo lehilahy ireo]; fa raha avy amin’olona izao … asa izao, dia ho foana;

“Fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.”27

Izaho sy ianao dia isan’ny mandray anjara amin’ny asa manan-danjan’ Andriamanitra eto an-tany. Tsy ho foana izany fa mbola hanohy hitety izao tontolo izao, hanomana ny lalana ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’ny andro ho avy, dia ho hitantsika ny fisehoan’ny herin’ny Mpamonjy izay lehibe indrindra hitan’izao tontolo izao hatrizay. Eo anelanelan’izao sy ny fotoana hiverenany … dia hanome tombontsoa sy fitahiana ary fahagagana tsy tambo isaina ho an’ny mahatoky Izy.”28

Izany no fijoroako ho vavolombelona. I Jesoa no Kristy. Asany masina ity. Ho avy indray Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Taratasy manokana avy amin’i Roger Parra, 4 aogositra 2023.

  2. Malakia 3:10.

  3. Jereo ny Malakia 3:11. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Teo amin’ny fiainako, ohatra, dia nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ Andriamanitra aho fa -holevileve[ny] ny mpibosibosika noho ny [amiko]- [Malakia 3:11]. Io fitahian’ny fiarovana amin’ny ratsy io dia narotsaka tamiko sy tamin’ireo olona lalaiko tamin’ny fomba izay tsy ho haiko mihitsy ny hankasitraka izany feno. Saingy mino aho fa efa tonga izany fiarovana masina izany, farafaharatsiny amin’ny ampahany, noho ny fahazotoantsika tsirairay sy ny fianakaviana handoa fahafolonkarena” (“Like a Watered Garden,” Liahona, Jan. 2002, 38).

  4. Hosokafan’ny Tompo araka izay filantsika ny varavaran’ny lanitra, fa tsy araka ny fitiavam-bolantsika. Raha mandoa fahafolonkarena isika mba hanan-karena dia diso ny antony hanaovantsika izany. … Ny fitahiana ho an’ny mpanome … dia tsy voatery ho amin’ny endrika tombontsoa ara-bola na ara-nofo foana” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 657).

  5. Malakia 3:10; 3 Nefia 24:10.

  6. Jereo ny “The Church of Jesus Christ Is Helping Alleviate Global Malnutrition,” Aug. 11, 2023, newsroom.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny “How the Church of Jesus Christ and UNICEF Are Keeping Mothers and Children Healthy and Safe,” Aug. 17, 2023, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  7. “Nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18).

  8. Jereo ny 1 Korintiana 2:14. Tsy mifanaraka amin’ny fahendren’ Andriamanitra foana ny lôjikan-draholombelona. Tamin’ny andron’i Malakia, dia maro no nanalavitra ny Tompo. Niangavy ny vahoakany ny Tompo hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho.” Ny zavatra nanaraka ity fanasana feno fitiavana ity dia fanontaniana tena manan-danja ho antsika tsirairay avy: “Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?” (Malakia 3:7). Na raha amin’ny teny hafa dia hoe: “Inona no tokony hovaiko? Ahoana no hanakaikezako kokoa Anao?” Mamaly ny Tompo amin’ny alalan’ny fampianarana ny maha-zava-dehibe ny fahafolonkarena, tsy hoe lalàna ara-bola fotsiny, fa fomba azo tsapain-tanana hampitodika ny fanirian’ny fontsika Aminy.

    Notandremanay izany tao amin’ny fianakavianay. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny renin’i Kathy teo amin’ny faha-22 taonany. Nandeha niangona nandritra ny fotoana fohy i Martha sy i Bernard Williams, saingy taorian’ny nifindrany tany amin’ny faritany hafa dia nanjary tsy navitrika intsony izy ireo. Nahazo fanendrena miaramila tany ampitan-dranomasina i Bernard, ary nifindra nody tany Tampa, Floride i Martha, izay nanekeny ny fanasana tamim-pahalalahan-tanana hiara-hipetraka amin’ny nenitoany sy ny dadatoany, izay nanohitra ny Fiangonana. Na dia niaina tao anatin’ny fahasahiranana lehibe aza i Martha Williams, izay niandry ny zanany voalohany ary tsy nandeha niangona, dia nanapa-kevitra ny hanomboka handefa ny sekin’ny fahafolonkarenany any amin’ny eveka izy. Taty aoriana teo amin’ny fiainany, rehefa nanontaniana ny antony izy dia nilaza fa tsaroany ny zavatra nampianarin’ny misiônera azy momba ny fahafolonkarena sy ny fitahian’ Andriamanitra: “Nila mafy ny fitahian’ Andriamanitra izahay teo amin’ny fiainanay, ka dia nanomboka nandefa ny sekin’ny fahafolonkarenanay tany amin’ny eveka aho.” Niverina tao amin’ny Fiangonana i Martha sy Bernard Williams. Ny fitahiana lehibe indrindra azon’izy ireo—taranaka enina no voatahy noho ny fanapahan-keviny handoa ny fahafolonkarenany rehefa tsy nanana na inona na inona afa-tsy finoana an’ Andriamanitra sy fanantenana ireo fampanantenany izy.

  9. Matio 22:21.

  10. Jereo ny 3 Nefia 24.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4. “Ny fahafolonkarena dia fanomezana ny iray ampahafolon’ny vola miditra amin’ny olona iray ho an’ny Fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4; ny zana-bola dia midika hoe vola miditra). Ny mpikambana rehetra manana fidiram-bola dia tokony handoa fahafolonkarena” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, “34.3.1, Médiathèque de l’Évangile).

  12. Malakia 3:10.

  13. “Mandoa fahafolonkarena isika araka ny nampianarin’ny Mpamonjy amin’ny fitondrana ny ampahafalon-karena -ao amin’ny trano fitehirizana- [Malakia 3:10; 3 Nefia 24:10]. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarenantsika amin’ny evekantsika na ny filohan’ny sampana. Tsy mandoa fahafolonkarena isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fikambanana mpanao asa soa ankafizintsika indrindra. Ny fanomezana izay hataontsika ho an’ny fikambanana mpanao asa soa dia tokony avy amin’ny volantsika manokana, fa tsy avy amin’ny fahafolonkarena nodidiana haloantsika ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo” (Dallin H. Oaks, “Tithing,” Ensign, May 1994, 35).

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1.

  15. Gordon B. Hinckley, “Rise to a Larger Vision of the Work,” Ensign, May 1990, 96.

  16. Jereo ny “The 2022 Report on How the Church of Jesus Christ Cared for Those in Need,” Mar. 22, 2023, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  17. Voaray tamin’ny alalan’ny email avy amin’ny Departemanta misahana ny Asa Fitoriana, ny 14 sept. 2023.

  18. Jereo ny “Temple List,” ChurchofJesusChrist.org/temples/list.

  19. Voaray tamin’ny alalan’ny email avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Mpikambana sy ny Antontan’isa, ny 28 jolay 2023.

  20. Ao anatin’izany ny Oniversite Brigham Young, ny Oniversite Brigham Young–Idaho, ny Oniversite Brigham Young–Hawaii, ny Ensign College, ary ny BYU–Pathway Worldwide.

  21. Voaray tamin’ny alalan’ny email avy amin’ny Seminera sy Institiota, tamin’ny 28 jolay 2023.

  22. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 34.3.1.

  23. Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nizara ity tantara momba ny fitokiana ny Tompo ity: “Ny reniko izay mananotena dia namelona ny zanany kely telo tamin’ny karama [kely]. … Nanontany ny reniko aho hoe nahoana izy no nandoa betsaka tamin’ny karamany ho fahafolonkarena. Tsy hadinoko mihitsy ny fanazavany: -Dallin a! Mety misy olona afaka mivelona tsara amin’ny tsy fandoavana fahafolonkarena, fa isika kosa tsy afaka. Ny Tompo dia nisafidy ny haka ny rainareo ary namela ahy hitaiza anareo ankizy. Tsy afaka ny manatanteraka izany aho raha tsy misy ny fitahian’ny Tompo, ary amin’ny alalan’ny fandoavana amim-pahamarinana ny fahafolonkarena no hahazoako ireo fitahiana ireo-” (“Tithing,” 33).

  24. Mba ho amin’ny alalan’ny fitondrako, na dia eo aza ny fahoriana izay hanjo anareo, no hahazoan’ny fiangonana mijoro ho mahaleo tena ambonin’ireo voary hafa rehetra ambanin’ny tontolo selestialy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:14).

  25. Taratasy manokana avy amin’i Charlotte Hlimi Martin, 30 aog. 2023.

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.

  27. Asan’ny Apostoly 5:38–39.

  28. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 95.