2023
Mitombo hatrany ny isan’ny tempoly
Nôvambra 2023


“Mitombo hatrany ny isan’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2023.

Mitombo hatrany ny isan’ny tempoly

Nanambara tempoly vaovao miisa 20 ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023. Jereo ao amin’ny lahateny nataony ao amin’ny pejy 117 ny toerana misy ireo tempoly.

Ireto tempoly manaraka ireto dia natokana na naverina natokana hatramin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany tamin’ny aprily lasa teo:

  • Notokanana tamin’ny 7 Mey 2023 ny Tempolin’i Richmond Virginie (Etazonia).

  • Naverina notokanana tamin’ny 4 jona 2023 ny Tempolin’i Columbus Ohio, (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 18 jona 2023 ny Tempolin’i Helena Montana, (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 13 aogositra 2023 ny Tempolin’i Saratoga Springs Utah, (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 17 septambra 2023 ny Tempolin’i Bentonville Arkansas (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 17 septambra 2023 ny Tempolin’i Moses Lake Washington (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 17 septambra 2023 ny Tempolin’i Brasília Brésil.

  • Notokanana tamin’ny 8 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i McAllen Texas (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 8 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i Feather River Californie (Etazonia).

  • Notokanana tamin’ny 22 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i Bangkok Thaïlande.

  • Natokana tamin’ny 1 nôvambra ny Tempolin’i Okinawa Japon.

Nohadiana ny fototra ho an’ireto tempoly manaraka ireto: Tempolin’i Port Vila Vanuatu, Tempolin’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, Tempolin’i Belo Horizonte Brésil, Tempolin’i Montpelier Idaho, Tempolin’i Modesto Californie, ary ny Tempolin’i Fort Worth Texas.

Hamoaka printy