Nôvambra 2023 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-193Manolotra topimaso mikasika ireo lesona sasantsasany nampianarina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Fivoriana sabotsy maraina David A. BednarMby amin’ny lalan’ny adidinyManeho ny fankasitrahany an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manompo manerana an’izao tontolo izao ary tanjaky ny Fiangonana ny Loholona Bednar. Amy A. WrightHahatanty ny andro ao amin’i KristyMampianatra Rahavavy Wright fa afaka “hahatanty ny andro” sy hiatrika ary handresy ireo fanamby atrehantsika isika rehetra miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy. Robert M. DainesTompoko, mba te-hahita an’i Jesoa izahayMampianatra fitsipika izay manampy antsika hahita ny Mpamonjy sy hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra tsaratsara kokoa ny Loholona Daines. Carlos A. GodoyNoho ny amin’ny taranakaoMangataka ireo izay nihemotra na tsy dia mahatoky araka ny tokony ho izy ny Loholona Godoy mba hiverina ka hahafahan’izy ireo sy ny taranany mankamamy ireo fitahian’ny filazantsara. D. Todd ChristoffersonNy fahefan’ny famehezanaMampianatra ny Loholona Christofferson fa ny fahefan’ny famehezana izay mampanan-kery ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra sy mamehy azy ireo na ety an-tany na any an-danitra dia tena zavatra ilaina amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ian S. ArdernTiavo ny namanaoMampianatra ny Loholona Ardern fa ireo ezaka fanasoavana ny mpiara-belona dia fomba hanehoana fangorahana amin’ny hafa sy hanarahana ny didin’ny Tompo hoe “tiavo ny namanao.” Dallin H. OaksFanjakam-boninahitraMampianatra momba ireo fanjakam-boninahitra aorian’ity fiainana ity sy ny fifantohan’ny Fiangonana amin’ny fanampiana antsika ho mendrika ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy ny Filoha Oaks. Fivoriana sabotsy tolakandro Henry B. EyringFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra AmbonyManolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hotohanana ny Filoha Eyring. Neil L. AndersenNy fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitraMampianatra ny Loholona Andersen fa rehefa mandoa fahafolonkarena amim-pahatokiana isika dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo mba handatsahany fitahiana amintsika. Jan E. NewmanMampitoetra ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ao amin’ny taranaka vao misondrotraMampianatra Rahalahy Newman fa andraikitry ny ray aman-dreny ny mampianatra ireo zanany hanatona an’i Jesoa Kristy. Joaquin E. CostaNy herin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika isan’androMampianatra ny Loholona Costa fa afaka mahita hery ao amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa mikatsaka ny hanatona Azy isan’andro. Gary E. StevensonBitsiky ny FanahyMampianatra momba ny maha zava-dehibe ny fikatsahana sy famantarana ary ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina ny Loholona Stevenson. Yoon Hwan ChoiTe ho sambatra ve ianareo?Mampianatra ny Loholona Choi fa raha te ho sambatra isika, dia tokony hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hitahy antsika ny Tompo ary hitondra ny enta-mavesatsika. Alan T. PhillipsMahafantatra sy tia anao AndriamanitraMampianatra ny Loholona Phillips fa zanak’ Andriamanitra isika, i Jesoa Kristy no mpanavotra ary mitondra fanamaivanana ho antsika, ary ny Ray any An-danitra dia tanteraka sy be fitiavana. Ronald A. RasbandAkory ny ho halehiben’ny fifalianareoMampianatra ny Loholona Rasband fa mba hanangonana an’i Isiraely dia mila misiônera bebe kokoa ary manasa ireo zokiolona mba handray ny fahalalany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary handeha hanao asa fitoriana. Fivoriana sabotsy hariva Gary B. SabinIreo toetra fototry ny fahasambaranaMampianatra fomba dimy hahitana fahasambarana tena izy ny Loholona Sabin. Joni L. KochManetry tena mba hanaiky sy hanarakaMampianatra ny maha zava-dehibe ny fanetrentena sy ny fahatokiana ny Tompo ny Loholona Koch. Tamara W. RuniaMahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobenyMampianatra Rahavavy Runia fa misy hery sy fifaliana ao anatin’ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ireo olona akaikin’ny fontsika amin’ny fomba fijery makadirin’ny tanjon’ny fiainantsika. Ulisses SoaresMpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i KristyMampianatra ny fomba hiarovan-tena amin’ny fanavakavahana sy ny fomba hifampitondrana toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Jesoa Kristy ny Loholona Soares. Fivoriana alahady maraina M. Russell BallardDera ho an’ilay nandre an’i JehovahMijoro ho vavolombelona ny Filoha Ballard ny amin’ireo fitahiana maro azontsika noho ny Mpaminany Joseph Smith izay namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Emily Belle FreemanMiara-mandeha amin’i Kristy ao anaty fifandraisana araka ny fanekempihavananaMampitaha ny lalany fanekempihavanana amin’ny lalana iray nodiavin’i Jesoa tany Isiraely ny Filoha Freeman. Adilson de Paula ParrellaMijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny teny sy ny asaMampianatra ny Loholona Parrella fa afaka mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika isika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy amin’ny tenintsika sy ny asa ataontsika. Quentin L. CookAoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i KristyMampianatra ny Loholona Cook fa ireo mpanara-dia bonaika an’i Kristy izay mitandrina ny didiny dia hianoka fiadanana eo am-piatrehan’izy ireo fitsapana ary afaka ny miandrandra hoavy mamirapiratra. Dieter F. UchtdorfIlay adala sy ny lalana miverina modyMampianatra ny Loholona Uchtdorf fa tsy misy hoe tara loatra izany na oviana na oviana ny fibebahana sy ny fiverenana amin’ny lalana mankany amin’ Andriamanitra. W. Christopher WaddellMihoatra lavitra noho ny maherifoMampianatra ny Eveka Waddell fa amin’ireo maherifo rehetra dia i Jesoa Kristy no lehibe indrindra. Henry B. EyringIlay namantsika lalandavaMampianatra ny Filoha Eyring fa mila miezaka manana ny Fanahy Masina ho namantsika mandrakariva isika. Fivoriana alahady tolakandro Dale G. RenlundI Jesoa Kristy ilay harenaMampianatra ny Loholona Renlund fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ka mitsahatra mibanjina ivelan’ny tanjona, dia hahita ireo harena lehibe indrindran’ny filazantsara. John C. Pingree Jr.Fahamarinana mandrakizayManazava ny atao hoe fahamarinana, ny antony maha-zava-dehibe izany, ny fomba hahitana izany, ary ny fomba tokony hizarantsika izany amin’ny hafa ny Loholona Pingree. Valeri V. CordónLesona avy amin’ Andriamanitra momba ny fitaizanaMampianatra ny Loholona Cordón fa ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra ny zanany ny kolontsain’ny filazantsara ary hanampy amin’ny fitarihana azy ireo hiverina any an-danitra. J. Kimo EsplinNy hery manasitran’ny Mpamonjy any amin’ireo nosin-dranomasinaMzara tantara iray momba ny Olomasin’ny Andro Farany Japoney iray izay maneho ny hery hitantsika ao amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ny Loholona Esplin. Gerrit W. GongNy fitenin’ny fitiavana no ampiasaina atoMampianatra ny fomba azontsika ampiasana ireo fiteny telon’ny fitiavana ara-pilazantsara ny Loholona Gong, dia ny hatsaram-panahy sy fanajana, ny fanompoana sy fahafoizan-tena, ary ny fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavanana. Christophe G. Giraud-CarrierZanany isikaMampianatra ny Loholona Giraud-Carrier fa tokony hotsaroantsika fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ka tokony hitia ny rehetra, na inona na inona tsy fitoviana misy eo amintsika. Russell M. NelsonSaino amin’ny fomba selestialy!Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanaovana safidy miaraka amin’ny fanjakana seletialy ao an-tsaina ny Filoha Nelson. Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany | Ôktôbra 2023Tabilao ahitana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Vaovaom-piangonana Manompo ny Olomasina manerana izao tontolo izao ireo Apostôly sy mpaminanyTopimaso ankapobeny momba ireo asa fanompoana vao haingana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mitombo hatrany ny isan’ny tempolyTopimaso momba ny fandrosoan’ny asa amin’izao fotoana izao momba ireo tempoly vaovao Azo atao an-jotra ireo famandrihana fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempolyAzon’ny Olomasin’ny Andro Farany atao amin’izao fotoana izao ny mamandrika fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempoly ho an’ireo ôrdônansy rehetra isoloana tena amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafitra an-jotra ho an’ireo famandrihana fotoana hitsidihana ny tempoly. Efa azo ampiasaina izao ny edisiôna faharoa ho an’ny Torio ny filazantsarakoNamoaka edisiôna faharoa ho an’ilay taridalana ho an’ny misiônera “Torio ny filazantsarako” ny Fiangonana. Manao filazana momba ny fanavaozana ny boky fihirana ny FiangonanaTatitra mikasika ny fotoana hamoahana boky fihirana vaovao, miaraka amin’ireo drafitra hamoahana hira vaovao vitsivitsy amin’ny endrika nomerika. Ny Loholona Alexander DushkuTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Alexander Dushku, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023. Mampianatra sy mianatra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany