“Manao filazana momba ny fanavaozana ny boky fihirana ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2023.
Manao filazana momba ny fanavaozana ny boky fihirana ny Fiangonana
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao dia mikasa ny hamoaka Fihirana—ho an’ny tokantrano sy ny Fiangonana amin’ny teny anglisy, espaniôla, pôrtogey, ary frantsay hatramin’ny faran’ny taona 2026, ary amin’ny fiteny hafa aorian’izay.
Ilay boky fihirana vaovao dia hahitana hira 450 ka hatramin’ny 500 sy hiran’ny ankizy. Fiteny hatramin’ny 50 no havoaka hatramin’ny 2030. Midika izany fa ny mpiangona Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao dia hitsaoka amin’ny alalan’ny boky fihirana tokana sy mitambatra, ary mitovy ny laharan’ny pejy ho an’ireo fiteny be mpampiasa indrindra ato amin’ny Fiangonana.
Eny anelanelam-potoana eny dia hamoaka hira vaovao vitsivitsy amin’ny endrika nomerika ny Fiangonana manomboka amin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2024. Azo ampiasaina miaraka amin’ireo hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira ao amin’ireo boky fihirana sy bokin-kiran’ny Fiangonana izay efa navoaka ary ampiasaina amin’izao fotoana izao izy ireo. Ho tafiditra ao anatin’izany ireo hira tena tian’ny Fiangonana izay noforonina taorian’ny taona 1985 (toy ny “Nos pas guidés par la foi”), hira nindramina avy amin’ireo finoana hafa, sy ny sasany amin’ireo hira vaovao miisa 17.000 nalefan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Maro amin’ireo hira vaovao ireo, raha tsy hoe izy rehetra, izay havoaka aloha amin’ny endrika nomerika no ho ampidirina ao amin’ny Fihirana—ho an’ny tokantrano sy ny Fiangonana.