2023
Efa azo ampiasaina izao ny edisiôna faharoa ho an’ny Torio ny filazantsarako
Nôvambra 2023


“Efa azo ampiasaina izao ny edisiôna faharoa ho an’ny Torio ny filazantsarakoLiahona, nôv. 2023.

Efa azo ampiasaina izao ny edisiôna faharoa ho an’ny Torio ny filazantsarako

Efa ho roapolo taona taorian’ny famoahana ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera, dia namoaka edisiôna faharoa ny Fiangonana (izay mitondra ny zana-dohateny hoe Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy).

Nanao filazana momba ilay edisiôna faharoa ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny seminera ho an’ireo mpitarika misiôna vaovao tamin’ny jona. “Tonga amin’ny fotoana izay hiovan’izao tontolo izao haingana tokoa ity edisiôna vaovao ity,” hoy izy. “Hita taratra ao anatin’[izany] ny fahatsapana ny maro amin’ireo fiovana ireo. Mirakitra ny sasantsasany amin’ireo torolalana tsara indrindra izay efa hitako izany mba hanampiana ny olona hanaiky ny fanasan’ny Tompo hanatona Azy.”

Ilay edisiôna nasiam-panavaozana dia ahitana fampianarana nomen’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hatramin’ny namoahana ilay edisiôna voalohany tamin’ny 2004. Mifanaraka amin’ilay Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany nohavaozina sy ireo fitsipika vaovao hafa izany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo torolalana momba ny fiarovana amin’ny fampiasana teknôlojia rehefa mizara ny filazantsara.

Hoy i Bonnie H. Cordon Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany hoe: “Ny zavatra mahafinaritra dia hoe samy efa namaky io boky io daholo ny Roambinifololahy tsirairay avy. Efa namaky izany hatramin’ny farany ny Fiadidiana Voalohany. Ary io tokoa ilay boky izay nasian’ny Mpamonjy ny tombokaseny.”

Ny edisiôna faharoa ho an’ny Torio ny filazantsarako dia hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile sy an-jotra amin’ny teny anglisy, frantsay, pôrtogey, ary espaniôla. Ny edisiôna atonta printy dia ho avoaka any amin’ny faramparan’ny taona 2023. Ireo fiteny hafa dia hivoaka any amin’ny fiandohan’ny janoary 2024.

Hamoaka printy