“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
2 Nefia 4
Salamo nataon’i Nefia
Miatrika fakam-panahy ny olona rehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka na kivy. Nahatsapa toy izany ihany koa i Nefia mpaminany. Taorian’ny niatrehany ny fahafatesan’i Lehia rainy sy niatrehany ireo rahalahiny tezitra, dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapany lalina i Nefia. Nilaza ny hafaliany sy ny alahelony izy. Ny ohatra nataony dia nampiseho tamintsika ny fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Tompo rehefa miatrika ny fanambin’ny fiainana an-tany isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ny Tompo.
Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana
Ireo fanambin’ny fiainana an-tany
-
Nahoana araka ny hevitrao no alaim-panahy ny olon-drehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka?
-
Amina ambaratonga 1 hatramin’ny 10, ahoana no fahatsapanao fa voatantanao ireny fahasarotana ireny?
-
Ahoana no mety hitahiana ny fiainanao raha mahavita mandresy fakam-panahy sy fahakiviana tsara kokoa ianao?
Salamo nataon’i Nefia
Vakio ny 2 Nefia 4:12–13, 18, hitadiavana ny sasany amin’ireo fanamby natrehin’i Nefia.
-
Araka ny hevitrao dia inona no fahatsapana nananan’i Nefia naterak’ireo fanamby ireo?
Ireo andininy ao amin’ny 2 Nefia 4:16–35 dia matetika no antsoina hoe salamo nataon’i Nefia. Ny salamo dia “hira na tononkalo entanim-panahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Salamo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ao amin’ireo andininy ireo, i Nefia dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapana lalina nananany. Nozarainy ny fanamby natrehiny sy ny fomba nanaovany fihetsika namaly ny fakam-panahy sy fahakiviana. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao, dia mitadiava aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra azonao atao amin’ireo fanamby manokana atrehinao.
Afaka mitadidy dingana efatra ianao mba hanampiana anao hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao:
-
Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.
-
Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.
-
Fantaro ireo lesona sarobidy.
-
Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana.
Ny Salamo nataon’i Nefia sy Izaho (2 Nefia 4:16–35)
Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—”2 Nefia 4: Salamon’i Nefia”
Ny zavatra niainan’i Nefia |
Ny zavatra niainako | |
---|---|---|
Ny zavatra niainan’i Nefia Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia? | Ny zavatra niainako Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany? | |
Ny zavatra niainan’i Nefia Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia? | Ny zavatra niainako Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany? | |
Ny zavatra niainan’i Nefia Inona no traikefa niaraka tamin’ Andriamanitra nanampy an’i Nefia hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana nahazo azy? | Ny zavatra niainako Inona avy no traikefa ara-panahy azoko tadidina rehefa alaim-panahy na kivy aho? | |
Ny zavatra niainan’i Nefia Karazana fisainana toy ny ahoana no nanampy an’i Nefia hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy ho kivy? | Ny zavatra niainako Karazana fisainana toy ny ahoana no afaka manampy ahy hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy kivy? | |
Ny zavatra niainan’i Nefia Inona no manaitra ahy amin’ny vavak’i Nefia? | Ny zavatra niainako Ahoana no ahafahako mampihatra ny ohatra nataon’i Nefia amin’ny vavaka ataoko manokana? |
-
Andininy na andian-teny inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?
-
Inona no ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny 2 Nefia 4?
-
Ahoana no niantraikàn’ny fampitahana ny soratra masina amin’ny fiainanao tamin’ny fandalinanao ny 2 Nefia 4?
-
Inona avy ireo fitsipika maromaro hitanao?
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hitodika amin’ny Tompo rehefa alaim-panahy na mahatsiaro ho kivy ianao?
Ny drafitra handreseko fakam-panahy sy fahakiviana
.
Araho ny ohatra nasehon’i Nefia ary soraty ny salamonao. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Fitsipika, na fampianarana na andininy inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no azonao ampiharina amin’ny fiainanao?
-
Ahoana no hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao?
-
Ahoana araka ny hevitrao no hanampian’ny fanaovana izany anao hitodika amin’ny Mpamonjy?
-
Rehefa mihasarotra ny fiainana, ahoana no ahafahanao mamaly am-pinoana ao amin’ny Mpamonjy?