“Almà 15: Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Almà 15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Almà 15
Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy
Ny fanatonana ireo izay nijaly dia zavatra nifantohan’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tetỳ ambonin’ny tany. Nitovy tamin’izany zavatra nifantohan’i Almà sy i Amioleka rehefa avy nafahan’ny tanan’ Andriamanitra tamin’ny fonja tamin’ny fomba mahagaga izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo ilay hery manasitrana izay azo ampiasaina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Aretina ara-batana sy ara-panahy
Hadihadio ity lisitr’aretina manaraka ity. Diniho ny fambara amin’izy ireo sy ny fitsaboana rehetra ampiasaina hitsaboana azy ireo.
-
Aretim-po
-
Homamiadana
-
Taolana tapaka
-
Inona no hitranga raha ny fambara amin’ireo aretina ireo fotsiny no tsaboin’ny olona iray fa tsy mikatsaka ny hahatakatra ny olana fototra izy?
Tahaka ny aretina ara-batana, ny fahotana—na aretina ara-panahy—dia misy fambara ihany koa. Diniho ireo mety ho fambara sasantsasany amin’ny fahotana, ary makà fotoana hieritreretana momba ny toe-pahasalamanao ara-panahy. Afaka manampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Araka ny lahatsoratra ao amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara “Fahotana” (topics.ChurchofJesusChrist.org), inona avy no fiantraikan’ny fahotana?
-
Ahoana no mety hahafahan’ny fahotana miantraika amin’ny fahatsapantsika momba ny tenantsika sy miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
Rehefa mandalina ianao, dia mihainoa ny Fanahy Masina hampianatra anao ny fomba ahafahanao mahazo ny hery manasitran’i Jesoa Kristy mba hanatsarana ny fahasalamanao ara-panahy.
Ny aretin’i Zezrôma
Rehefa avy nafahan’ny tanan’ Andriamanitra tamin’ny fonja tamin’ny fomba mahagaga i Almà sy i Amioleka, dia nandeha tany Sidôma izy ireo (jereo ny Almà 15:1–2). Nandritra ny fotoana naha-tany Sidôma azy ireo, dia nanao asa fanompoana tamin’ireo izay noroahina tany Amônihà noho ny finoana ny hafatr’i Jesoa Kristy izy ireo. Oolona iray nanaovan’izy ireo asa fanompoana i Zezrôma.
Vakio ny soratra masina voatanisa eo ambanin’ny hoe “Soritr’aretina”. Tanisao eo ambanin’izy ireo ny teny sy andian-teny rehetra izay mamaritra ny aretin’i Zezrôma.
-
Ahoana no mety hahafahanao mamaritra ny aretin’i Zezrôma, ao anatin’izany ny fahasalamany ara-panahy?
-
Inona no zavatra tadidinao momba an’i Zezrôma ka mety nahatonga azy ho nahatsapa toy izany?
Tsy hoe misy ifandraisany amin’ny fahotana foana akory ny aretina ara-batana (jereo ny Jaona 9:2–3). Mariho ny fahatsapan’i Zezrôma ho diso ao amin’ny Almà 14:6. Na dia tsy mahafinaritra aza ny miaina fahatsapana ho diso, dia tena misy tanjona izany. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny tanjona mety hananan’ireny fahatsapana ireny. Jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:15 hatramin’ny 13:49 ilay horonantsary hoe “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena”, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny lahatsoratra eo ambany.
Isika rehetra dia niaina ny fanaintainana miaraka amin’ny ratra ara-batana na fery. Rehefa ao anatin’ny fanaintainana isika dia mikatsaka ny ho maivamaivana araka ny mahazatra ary feno fankasitrahana noho ny fanafody sy fitsaboana nanampy tamin’ny fampihenana ny fijaliantsika. Raiso ho toy ny fery ara-panahy ny fahotana izay mahatonga fahatsapana ho meloka na, araka izay nofaritan’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy hoe “fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18). Ny fahatsapana ho meloka ho an’ny fanahintsika dia mitovy amin’ny fanaintainana ho an’ny vatantsika—fampitandremana ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny. (David A. Bednar, “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44)
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona no iray amin’ireo tanjon’ny fahatsapana ho meloka?
-
Ahoana no mety hanovan’izany ny fahitantsika na ny fomba fijerintsika ny fahatsapana ho meloka rehefa avy manao hadisoana?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no itovian’ny soritr’aretin’i Zezrôma amin’ny “fampitandremana amin’ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny”?
Fanasitranana amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy
Vakio tsara ny fanasitranana an’i Zezrôma ao amin’ny Almà 15:4–12. Azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “Nositranina sy natao batisa i Zezrôma” (2:42), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mamaky ianao, dia ifantohy tsara ny antsipiriany nandray anjara tamin’ny fanasitranana an’i Zezrôma. Hevero ny hanoratra fanamarihana fohy momba ireny antsipiriany ireny eo ambanin’ny ampahany hoe “Toromarika” amin’ny taratasin’ny dokotera nataonao.
-
Inona avy no fitsipika na fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fanasitranana an’i Zezrôma?
Fitsipika iray ianarantsika amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho sitrana.
-
Inona no porofo hitanao tao amin’ireo andininy momba an’i Zezrôma nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy taloha sy taorian’ny nahasitranany ireo?
-
Ahoana no ahafahantsika mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba tahaka izany?
Ny Loholona David A. Bednar dia nanazava ny fomba ahafahantsika mampihatra finoana. Jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:49 hatramin’ny 14:17 ilay horonantsary hoe “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny lahatsoratra eo ambany.
Matetika ny Mpamonjy no antsoina hoe ilay Mpitsabo Lehibe, ary io anarana fiantsoana io dia sady tandindona no manana heviny ara-bakiteny. … Mikoriana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny balsaman’ny fampitoniana izay afaka manasitrana ny ferintsika ara-panahy ary manala ny fahatsapana ho meloka. Io balsama io anefa dia tsy azo ahosotra raha tsy amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fibebahana ary ny fankatoavana mandrakariva. Ny vokatry ny fibebahana marina dia fiadanan-tsaina sy fahazoana aina ary fanasitranana sy fanavaozana ara-panahy. (David A. Bednar, “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44)
-
Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika mahazo ny hery manasitran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no anarana fiantsoana mety tsara amin’ny Mpamonjy ny hoe “Mpitsabo lehibe”? Nahoana araka ny eritreritrao no mahay manasitrana antsika Izy?
-
Oviana ianao (na oviana ny olona iray fantatrao) no niaina ny fanasitranan’ny Mpamonjy?
Na dia mety tsy mijaly tahaka an’i Zezrôma avokoa aza isika rehetra, dia manana olana isika rehetra ary mandalo fijaliana izay azon’ny Mpamonjy anampiana antsika. Eritrereto ny sasantsasany amin’ny fiantraikan’ny fahotana na fahadisoana mety hiainan’ny tanora sy ny mety hilan’izy ireo ny hery manasitran’ny Mpamonjy.
Mamoròna taratasin’ny dokotera iray hafa mba hanampiana olona iray. Vakio ny 3 Nefia 9:13–14, ary ampiasao ny zavatra nianaranao androany mba hamoronana toromariky ny mpitsabo iray. Mety ho azonao tondroina ny Almà 15. Zarao ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy sy ny mety ho endrika isehoan’ny fampiharana finoana Azy. Aza hadinoina ny mameno ity fanambarana tsy feno manaraka ity:
-
Raha misy olona iray mahatsapa [ataovy lisitra ny soritr’aretina amin’ny fahotana] … , dia mila mahatsiaro [ataovy lisitra ny toromarika na fanafody] … izy