Seminera
Almà 23: “Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo


“Almà 23: Tsy nihemotra na oviana na oviana,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 23,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 23

“Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo

Sary
vondrona zatovo mahatoky

Eritrereto ny hery maro eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mikatsaka ny hamotika ny finoanao sy misintona anao hiala amin’ny Tompo. Inona no azonao atao mba hijoroana tsara sy hisorohana ny fitrangan’izany? Afaka mianatra amin’ny ohatra nasehon’ireo Lamanita an’arivony izay “niova fo ho an’ny Tompo” sy “tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6). Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao haniry ny hiova fo feno kokoa ho an’ny Tompo sy hamantatra ny sakana rehetra amin’izany fiovam-po izany.

Mamporisika ny mpianatra hiezaka mafy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa rehefa miezaka miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo, dia afaka ny ho tonga mitovy amin’ny Mpamonjy kokoa sy hahita fifaliana ambony kokoa amin’ny maha-mpianatra azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara izay eritreretin’izy ireo ho dikan’ny hoe “miova fo ho an’ny Tompo” (Almà 23:6) sy ny antony maha-zava-dehibe ny fiovam-po ho Azy. Azon’izy ireo atao ny mijery ny Boky torolalana ho an’ny Soratra Masina eo ambanin’ny hoe “Fiovam-po” raha mila fanampiana izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mijoro tsara

Ity lesona ity sy ny lesona momba ny Almà 24 dia afaka miara-miasa mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fiovam-pon’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny sakana amin’ny fiovam-pon’izy ireo; ny lesona manaraka dia natao hanampy azy ireo handresy ireny sakana ireny.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena roa hanao ity sahanasa manaraka ity. Ampahatsiahivo izy ireo tsy hiezaka be loatra.

Raha azo atao, mijoroa amin’ny tongotra iray mandritra ny 30 segondra. Eritrereto ny hoe ahoana no ho fahasarotan’izany hoe mijanona mijoro amin’ny tongotra iray raha misy olona iray manosika anao mandritra ny fotoana ijoroanao amin’ny tongotra iray.

Mijoroa amin’izay amin’ny tongotra roa ary eritrereto ny maha-mora kokoa ’izany hoe mijanona mijoro izany raha misy olona iray manosika anao.

Indraindray ny soratra masina dia mampitaha ny fahatokiana amin’ny Tompo amin’ny fiorenana mafy (jereo ny Môzià 4:11; Almà 1:25) ary ny fitodihana miala amin’ny Tompo amin’ny fahalavoana (jereo ny 2 Nefia 18:15; Helamàna 5:12).

  • Inona avy no antony sasantsasany analaviran’ny olona an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany?

Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana ireto mba hamelana ny mpianatra hisaintsaina azy ireo.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha manohy miaina amin’ny fomba iainanao amin’izao fotoana izao ianao, tsapanao ve fa hanakaiky kokoa ny Tompo sy ny Fiangonany ianao sa hanomboka hihemotra? Nahoana?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Tompo sy ny Fiangonany ka mahatonga anao ho tsy te hihemotra?

Rehefa mandalina momba ny olona izay “tsy nihemotra na oviana na oviana” ianao (Almà 23:6), dia mitadiava fahatakarana ary mikatsaha tari-dalana ho an’ny fiainanao amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra sy ny fanaingan’ny Fanahy Masina.

Miova fo ho an’ny Tompo

Taorian’ny niovany fo, ny mpanjakan’ny Lamanita dia nanambara fahafahana ara-pivavahana teo amin’ny tany mba ahafahan’ireo zanakalahin’i Môzià mitory ny filazantsara soamantsara.

Vakio ny Almà 23:3–5, hitadiavana ny vokatr’izany fitoriana izany teo amin’ny olona.

Hevero ny hanontany izay andian-teny nanan-danja tamin’ny mpianatrao.

Indraindray ny soratra masina dia mamerina andian-teny izay zava-dehibe ny hahatakarantsika azy. Vakio ny Almà 23:6–13, 15, hitadiavana ny andian-teny izay manondro ny antony nahatonga ireo olona niova fo an’arivony ireo “tsy nihemotra mihitsy” (andininy 6). Hevero ny hanisy marika ny andian-teny miverina.

Asao hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra. Ny hoe “Niova fo ho an’ny Tompo,” dia miverina ao amin’ny Almà 23:6, 8, 13, ary ny hoe “napetrany ny fiadian’ny fikomiany” sy ny hoe “nametraka ny fiadian’ny fikomiany,” dia hita tsirairay ao amin’ny Almà 23:7, 13.

Fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa miova fo ho an’ny Tompo isika ary mametraka ny fiadian’ny fikomiantsika, dia afaka mijoro ho mahatoky Aminy mandrakariva isika.

  • Inona no dikan’ny hoe “niova fo ho an’ny Tompo”? (Almà 23:6). (raha ilaina dia hevero ny handinika ny hoe “Fiovam-po” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

  • Nahoana no zava-dehibe ny miova fo “ho an’ny Tompo” fa tsy ho an’ny misiônera iray na fampianarana manokana iray?

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy anankiray rehefa manasa ny mpianatra hanao ity manaraka ity ianao.

Sary
ny Mpamonjy

Eritrereto ny zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy ary saintsaino ny antony mahatonga anao ho te ho tonga miova fo ho Azy sy hijanona amin’izany mandritra ny fiainanao. Hevero ny hamaky ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto mba hanampy anao.

Asao hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra.

  • Inona no nanampy anao sy ny hafa fantatrao ho tonga niova fo kokoa ho an’ny Tompo?

Fametrahana ny fiadian’ny fikomiantsika

Mba hiovana fo marina ho an’ny Tompo sy tsy hihemorana na oviana na oviana, dia tsy maintsy vonona hametraka ny fiadian’ny fikomiantsika isika. Ny fiadian’ny fikomian’ny Lamanita dia sady ara-bakiteny no tandindona. Saingy ho antsika, ireo fiadiana ireo dia tandindona fotsiny ihany.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana manaraka ireto.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fiadian’ny fikomiantsika dia mety ho “fitiavan-tena, avonavona, ary tsy fankatoavana” (“Niova Fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 108). Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fiafian’ny fikomiantsika dia mety ho “fanirian’ny tena manokana izay mifanohitra amin’ireo izay ilaina mba hifikirana amin’ny Mpamonjy sy hanarahana ny lalan’ny fanekem-pihavanana” (“Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 22).

Ny tanjon’Ity sahanasa manaraka ity dia ny hanampy ny mpianatra hijery ohatra amin’ny fiadian’ny fikomiana izay mifandraika amin’izao androntsika izao. Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely maromaro. Rehefa avy omena fotoana ampy tsara izy ireo, dia asao ny vondrona tsirairay mba hifidy olona iray ho eny amin’ny solaitrabe hanao sarina fiadian’ny fikomiana sy hanisy soratra izany mandritra ny fotoana anoloran’ny olona iray hafa ny vitsivitsy amin’ny valintenin’ny vondrona amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Rehefa mizara izy ireo, dia mitadiava fomba handokafana ny mpianatra amin’ny fanaovana ny soratra masina hifandraika amin’izao androntsika izao, ary isaory izy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo.

Manaova sarina fiadiana tsotra (sabatra, lefona, na fiadiana hafa) ao amin’ny diary fandalinanao na amina taratasy iray. Eo akaikin’ny fiadiana tsirairay na eo amboniny, manorata ohatra manokana sy maneho zava-misy amin’ny toe-tsaina na fihetsika mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mety hananan’ny tanora amin’izao androntsika izao. Ohatra, ny olona sahirana amin’ny avonavona dia mety tsy hihaino ny torohevitry ny ray aman-dreniny na mety hahatsapa fa ny mpaminany dia taloha ary tsy maharaka ny fiainana amin’izao fotoana. Na mety hanota noho ny fiheverany ny didin’ Andriamanitra ho maneritery loatra ny olona iray hafa.

  • Ahoana no mety hahafahan’ireo toe-tsaina na fihetsika ireo miantraika amin’ny fiovam-pon’io olona io ho an’ny Tompo?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fametrahana na fandaozana ireo toe-tsaina na fihetsika ireo manampy ny olona iray hiova fo ho an’ny Tompo kokoa?

Ny fiadian’ny fikomianao

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Hamaranana ity lesona ity, katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamantarana izay fiadian’ny fikomiana mety hanananao. Raha mahita iray ianao, dia hevero ny hanoratra izany ao amin’ny diary fandalinanao sy hanao sarina fiadiana eo akaikiny.

Saintsaino ny zavatra mety hataonao mba hametrahana ny fiadian’ny fikomianao sy ny fomba mety hahafahan’izany fanoloran-tena izany manampy anao ho tonga miova ho an’ny Tompo sy tsy mihemotra na oviana na oviana.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika nampianarina tamin’ity lesona ity.

Hamoaka printy