Seminera
Almà 42, Tapany 2: “Ny famindram-po dia mitaky ny olona hivalo”


“Almà 42–Tapany 2: ‘Ny famindram-po dia mitaky ny olona hivalo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 42, Tapany 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 42, Tapany 2

“Ny famindram-po dia mitaky ny olona hivalo”

Hosodoko momba an’i Jesoa Kristy manolo-tànana feno famindram-po

Mba hanampiana an’i Kôriantôna zanany lahy, i Almà dia nampianatra azy momba ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra sy ny hoe “tsy misy afa-tsy ny mivalo marina tokoa no vonjena” (Almà 42:24). Rehefa takatsika ny drafitry ny ramindram-pon’ny Ray any An-danitra, dia mirona mibebaka isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba amelan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy anao handray ny famindram-po nampanantenaina ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Asao ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Hiova ny fon’ny mpianatra rehefa miainga amin’ny firesahana momba an’i Jesoa Kristy fotsiny mankamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy izy ireo, amin’ny maha Mpanavotra ny tenan’izy ireo manokana izay fantatr’izy ireo sy tian’izy ireo ary atokisan’izy ireo Azy. Mitadiava fomba mahomby hanasana ny mpianatra hifampizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ohatra iray ao amin’ny soratra masina momba ny olona iray na vondron’olona izay nampiseho fibebahana tamin-kitsimpo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny lalàna no mampianjera ny famaizana

Ity manaraka ity dia natao hanampiana anao hanombana ny fahatakaran’ny mpianatra ny fahamarinana sy famindram-pon’ Andriamanitra. Raha ilaina dia avereno jerena ireo famaritana ny fahamarinana sy famindram-po avy ao amin’ny lesona “Almà 42, Tapany 1.”

  • Inona avy no toe-javatra sasantsasany ilaina kokoa ny fahamarinana? Ahoana ny amin’ny famindram-po?

Voatahy isika rehetra satria ny Ray any An-danitra dia sady marina no be famindram-po. Noho ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia haverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina isika rehetra (jereo ny Almà 42:23). Tao amin’ny toetrany feno fahotana, i Kôriantôna dia tsy vonona ho amin’ny fitsarana. Nanantena i Almà fa ny fampianarany an’i Kôriantôna momba ny drafitry ny Ray any An-danitra dia hitarika azy hibebaka sy hanompo an’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Almà 42 ianao, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna fa azony atao mba handraisana ny famindram-pon’ Andriamanitra.

Mety hahazoan’ny mpianatra tombony ny fifanakalozan-kevitra mombana lalàna samihafa eo amin’ny fiarahamonina, ny fomba ahazoan’ny fiarahamonina tombontsoa rehefa hajaina ny lalàna ary ny antony maha-zava-dehibe ny fisian’ny vokany amin’ny fandikana lalàna. Izany dia afaka manomana ny mpianatra hamaky ny Almà 42:17–21.

Tahaka ny itanan’ny lalàna anjara asa manan-danja eo amin’ny fiarahamonina, ny lalàna dia ampahany tena ilaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Vakio ny Almà 42:17–21, hitadiavana ny sasany amin’ireo tanjon’ny lalàna ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra (jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:13).

  • Inona no nianaranao momba ny lalàna ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Manaova sarina mizana mitovitovy amin’ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hampiasa ilay sary hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny fahamarinana sy ny lalàna ary ny famindram-po. Amporisiho ny mpianatra hametraka fanontaniana mandritra ny lesona.

Rehefa manana fanontaniana ny mpianatra, dia mety hanampy ny fizaràna fanambarana iray na maromaro avy ao amin’ny fizaràna hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Sarina mizana fandanjana atao amin’ny tsipika fotsiny

Asio soratra hoe “Fahamarinana” ilay mizana.

Araka ny lalàn’ny fahamarinana dia mandray vokany amin’ny zavatra ataontsika isika. Mandray fitahiana isika rehefa mankatò ny lalàna ary famaizana rehefa mandika ny lalàna.

Asio soratra hoe “fandikan-dalàna” ny ilany amin’ilay mizana ary hoe “sazy zakain’ny mpanota” eo amin’ilay ilany.

Raha mandika lalàna iray isika, dia tonga tsy mifandanja ilay mizana. Ny fahamarinana dia mitaky ny hampifandanjana ilay mizana. Takina ny fandoavana (na famaizana) mba hampifandanja ilay mizana (jereo ny Almà 42:22).

  • Inona no hitranga amintsika raha toa ka ny famaizana antsika ihany no azo ampifandanjaina amin’ny mizanan’ny fahamarinana?

Ny famaizana amin’ny fahotana dia fahafatesana ara-panahy, “nesorina hiala teo anatrehan’ny Tompo” (Almà 42:11).

Manana fitakiana amin’ireo izay mibebaka ny famindram-po

Noho Andriamanitra “Andriamanitra marina, fanaperana, ary […] Andriamanitra feno famindram-po koa” (Almà 42:15), dia nanomana drafitra iray Izy mba hahafahantsika mandray famindram-po rehefa manota isika.

Vakio ny Almà 42:15, 22–25, hitadiavana ny zavatra nomen’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hampifandanjana ny mizanan’ny fahamarinana.

Ahitsio araka ireto toromarika manaraka ireto ireo soratra eo amin’ny mizana eny amin’ny solaitrabe.

Tsipiho na fafao hiala amin’ilay mizanan’ny fahamarinana ny teny hoe mpanota ary soloy hoe Mpamonjy.

Mba hanampiana ny mpianatra hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy hanana fifanakalozan-kevitra manan-danja, dia hevero ny hamaky ny sasany na ny rehetra amin’ireto soratra masina manaraka voatanisa anaty fonon-teny ireto. Ifanakalozy hevitra ny fomba anampian’ireo andininy naroso ireo amin’ny famaliana ny fanontaniana.

Fitsipika iray ianarantsika ny hoe raha tena mibebaka marina isika, dia handray famindram-po amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Mba hahatakarana ny dikan’izany hoe “mivalo marina” izany, dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny sasany amin’ny soratra masina aroso eo ambany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitadidy ny fanomanana ny mpianatra sy mizara ohatra avy ao amin’ny soratra masina momba ireo olona izay nivalo marina.

Ny hoe mivalo dia midika hoe manetry tena sy maneho alahelo noho ny fahotana (jereo ny 2 Korintiana 7:10; 2 Nefia 2:7; Môzià 4:10)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ireo izay mivalo marina ihany no voavonjy?

Alaovy sary an-tsaina hoe i Kôriantôna ianao ary tsy mbola nibebaka tamin’ny fahotanao rehetra. Vakio ny Almà 42:26–30, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay handrisika anao hibebaka.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny mety handrisika anao hibebaka? Nahoana?

Rehefa avy nampianatra an’i Kôriantôna momba ny drafitry ny Ray any An-danitra i Almà (jereo ny Almà 40–42), dia nampahatsiahiviny i Kôriantôna fa “[n]antsoin’ Andriamanitra [izy] mba hitory ny teny” mba “[h]itondra fanahy ho amin’ny fibebahana” (Almà 42:31). Nibebaka tamin’ny fahotany i Kôriantôna ary nanatanteraka ny antsony (jereo ny Almà 49:30).

Saintsaino ny filanao mibebaka ary eritrereto ny fomba hahafahanao mivalo marina. Tsarovy fa ny Ray any An-danitra dia hamela anao rehefa mibebaka ianao (jereo ny Môzià 26:30; Isaia 1:18).

Manorata fehezanteny telo na efatra manazava ny anjara asan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ampidiro ny anjara asan’ny fahamarinana sy famindram-po sy ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana famindram-po. Raketo an-tsoratra ny fahatsapana rehetra tianao haseho momba ny Mpamonjy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra handehandeha eran’ny trano sy hanazava amina mpiara-mianatra samihafa ny anjara asan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Amporisiho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fahamarinana sy famindram-po, ny maha-zava-dehibe ny hoe mivalo marina, ary ny fomba anaovan’i Jesoa Kristy ny famindram-po ho zavatra azo atao.

Safidy hafa azo atao ny mamerina mijery ireo rafi-tantara nampiasaina tany am-piandohan’ny lesona “Almà 42, Tapany 1.” Asao ny mpianatra hamaly ireo rafi-tantara ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo ny Almà 42.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny famindram-po sy ny fanavotana izay misy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.