Miezaka ny hamitaka ahy amin’ny alalan’ny fampianaran-diso ilay fahavalo.
Ao amin’ny Almà 30:6, i Kôrihôra dia antsoina hoe “Antikristy” (andininy 6). Ny antikristy dia izay mety ho olona na zavatra manohitra mivantana na miafina an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Andininy inona ao amin’ny Almà 30:6–31 no mampiseho fa mifanaraka amin’io famaritana io i Kôrihôra? Ny fandalinana ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra dia afaka manampy anao hamantatra sy handà ny fampianarana mitovitovy amin’izany. Mety hanampy amin’ny fandalinanao ireto sahanasa manaraka ireto:
Inona no lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana azonao eritreretina mba hahatakarana tsara kokoa ny fahasamihafana misy eo amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo fakan-tahaka ataon’i Satana izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy? Ohatra sasany azo eritreretina ny fintana ampiasaina rehefa manjono, ny vola sandoka, na ny dokam-barotra mamitaka. Ahoana no ahafahanao milaza fa hosoka ny zavatra anankiray? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mamantatra ny fahamarinana?
Hevero ny hanao lisitra ireo fotopampianarana diso nampianarin’i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:6–31. Inona amin’ireo fampianarany ireo no mety hahasarika amin’izao fotoana izao? (jereo ny Almà 30:12–18, 23–28). Inona no mety ho zava-doza hitranga avy amin’ny fanekena ny hevitra toy izany? Inona no hafatra mifono zavatra diso ampiasain’ny fahavalo amin’izao fotoana izao mba hiezahana hamitahana anao?
Inona no nataon’i Almà mba hanoherana ireo fampianaran’i Kôrihôra tamin’ny alalan’ny fahamarinana? (jereo ny Almà 30:31–54). Ahoana no ahafahanao mampiasa izany fitsipika izany ihany eo amin’ny fiainanao?
Tahaka an’i Almà, ireo mpaminany sy apôstôly maoderina dia manampy antsika hahafantatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahamarinana sy ireo laingan’i Satana. Inona no torohevitra hitanao ao amin’ity hafatra ity: Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy” (Liahona, nôv. 2019, 00–00).
Jereo ihany koa ny “O toi, vérité?,” Cantiques, no. 175.
Sary
I Kôrihôra miresaka amin’i Almà
[Korihor Confronts Alma] Nifanandrina tamin’i Almà i Kôrihôra, nataon’i Robert T. Barrett
Ny zava-drehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra.
Olona maro no mino fa tsy misy Andriamanitra. Inona no hitanao ao amin’ny Almà 30:39–46 ka manampy anao hahafantatra fa tena misy Andriamanitra? Inona no manakana antsika tsy hahafantatra Azy? Inona ihany koa no fijoroana ho vavolombelona hafa nomen’ Andriamanitra anao fa velona Izy?
Manana hery hitondrana ny olona ho amin’ny fahamarinana ny tenin’ Andriamanitra.
Mety hoe ho nila vahaolana ara-pôlitika na ara-tafika no fahitan’ny sasany ny olana teo amin’ny Zôramita tamin’ny nialan’izy ireo tamin’ny Nefita (jereo ny Almà 31:1–4). Kanefa i Almà dia nianatra ny hatoky ny “herin’ny tenin’ Andriamanitra” (Almà 31:5). Inona no ianaranao avy amin’ny Almà 31:5 momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra? (jereo ihany koa ny Hebreo 4:12; 1 Nefia 15:23–24; 2 Nefia 31:20; Jakôba 2:8; Helamàna 3:29–30).
Rehefa mandalina ny Almà 31 ianao, inona avy ireo fahamarinan’ny filazantsara hafa hitanao izay miantefa amin’ireo zavatra iainanao? Ohatra:
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny tenin’ Andriamanitra nitarika ny olona hanao zavatra tsara? (jereo ny andininy 5).
Ampitahao ny toe-tsaina sy fahatsapana ary fihetsik’i Almà mahakasika ny hafa (jereo ny andininy 34–35) amin’ny an’ireo Zôramita (jereo ny andininy 17–28). Ahoana no ahafahanao mitovy kokoa amin’i Almà?
Inona no hitanao ao amin’ny Almà 31:30–38 ka afaka manampy ireo olona izay malahelo noho ny fahotan’ny hafa?
Noho i Jesoa Kristy dia afaka miova ny olon-drehetra.
Diniho ilay vondron’olona nentin’i Almà niaraka taminy mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo Zôramita (jereo ny Almà 31:6). Inona no ianaranao momba ny fiainan’ireo olona ireo ao amin’ny Môzià 27:8–37; 28:4; Almà 10:1–6; 11:21–25; 15:3–12. Inona no mety ho hafatra ho anao ao amin’ny zavatra niainan’izy ireo?
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Ny zava-drehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra.
Niresaka momba ireo zavatra eny an-danitra sy eto an-tany i Almà izay mijoro ho vavolombelona fa velona Andriamanitra. Raha azo atao dia mandehana an-tongotra any ivelany miaraka amin’ireo zanakao na mitsangàna eo akaikin’ny varavarankely rehefa mamaky ny Almà 30:44. Angataho izy ireo hanazava ireo zavatra hitany fa manampy azy ireo hahafantatra fa misy Andriamanitra ary tia azy ireo Izy. Azon’izy ireo atao koa ny manao sary ireo zavatra izay hitany (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity).
Eo am-pihiranao sy ny zanakao ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16), dia ampitapitao handalo eny amin’ny olona rehetra ny baolina iray na zavatra iray hafa. Ajanòny tsindraindray ny hira ary angataho ilay ankizy mihazona ilay zavatra mba hizara zavatra iray noharian’ny Ray any An-danitra izay maha-feno fankasitrahana azy.
Mianatra amin’ny alalan’ny zavatra jeren’ny maso ny ankizy . Ny zavatra jeren’ny maso dia hanampy ireo zanakao hahatakatra tsara kokoa sy hahatadidy maharitra kokoa ny zavatra izay nianaran’izy ireo. Ny ankamaroan’ireo sahanasa ho an’ny ankizy ato amin’ity rindran-damina ity dia mandroso zavatra jeren’ny maso mba hampiasaina. Hevero ny hampiseho indray ireo zavatra jeren’ny maso ireo ihany any aoriana mba hanampiana ireo zanakao hahatsiaro ny zavatra izay nianaran’izy ireo.
Ahoana no ahafahanao manampy ireo zanakao hahatakatra fa ny tenin’ Andriamanitra dia mahery kokoa noho ny “zavatra hafa”? (Almà 31:5). Hevero ny hangataka azy ireo hieritreritra zavatra na olona izay tena mahery, na mampisehoa sarina zavatra vitsivitsy tena mahery. Inona no mahatonga azy ireo ho mahery? Iaraho vakina ny Almà 31:5 ary anontanio ireo zanakao hoe inona no dikan’io andininy io araka ny heviny. Mizarà zavatra niainana iray ka nisy fiantraikany mahery vaika teo aminao ny tenin’ Andriamanitra tamin’izay.
Fintino fohifohy ny tantaran’i Almà sy ny Zôramita amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy avy ao amin’ny Almà 31:8–35 (jereo ihany koa ny “Toko 28: Ny Zôramita sy ny Rameomtôma,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 78–80). Ampio ireo zanakao hamantatra zavatra nolazain’ny Zôramita tao anatin’ny vavaka nataon’izy ireo (jereo ny Almà 31:15–18) eo am-panampian’izy ireo anao hanorina tilikambo Rameomtôma amin’ny alalan’ny goba na vato. Hazavao fa tsy tokony ho toy izany no fomba ataontsika rehefa mivavaka. Eo am-piresahanao sy ny zanakao momba ny fomba tokony hivavahantsika dia avelao izy ireo hanala goba na vato iray isaky ny mandeha. Angamba azon’izy ireo atao ny mitahiry ny iray amin’ireo vato eo akaikin’ny fandriany mba ho fampahatsiahivana azy ireo ny hivavaka isa-maraina sy isaky ny alina. Mety ho tian’izy ireo ny hanaingo ny vaton’izy ireo.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.
Sary
Zôramita mivavaka eo amin’ny Rameomtôma
Ny fon’ireo Zôramita “dia tafasondrotra avo hatrany amin’ny fieboeboany fatratra, tao amin’ny fiavonavonany” (Almà 31:25).