Lesona 12—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2: Hitodika amin’ireo razambentsika ny fontsika
“Lesona 12—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2: Hitodika amin’ireo razambentsika ny fontsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2: Hitodika amin’ireo razambentsika ny fontsika,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 12: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65
Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia, izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nitanisa faminaniana maro ao amin’ny soratra masina izy. Ny anankiray dia ny fanambaran’i Malakia fa hiverina i Elia mpaminany ary “ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy” (Joseph Smith—Tantara 1:38–39). Afaka manampy ny mpianatra handray anjara amin’ny faminanian’ny Tompo momba ny fampitodihana ny fon’izy ireo amin’ny razamben’izy ireo ity lesona ity.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny fianakaviako
Manorata olona betsaka araka izay tadidinao ao amin’ny tetiaranao. Jereo hoe taranaka firy no azonao ampidirina.
Ahoana no nitondran’ireo olona ireo fiovana teo amin’ny fiainanao?
Inona no zavatra niainana manan-danja azonao zaraina momba ny iray amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ireo?
Iza amin’ireto teny nambara manaraka ireto no ahitana taratra indrindra ny fahatsapanao momba ny tantaram-pianakaviana?
Tia manao tantaram-pianakaviana aho ary mahita antony mazava anaovana izany.
Fantatro fa zava-dehibe ny tantaram-pianakaviana saingy tsy dia mandany fotoana be anaovana izany aho.
Fantatro fa zava-dehibe ny tantaram-pianakaviana, saingy olona hafa ao amin’ny fianakaviana no avelako hanao izany.
Tsy tena mahita antony mazava anaovana tantaram-pianakaviana aho.
Ny fiverenan’i Elia mpaminany
Nitanisa faminaniana fahiny maro izay voarakitra ao amin’ny Baiboly i Môrônia rehefa niseho tamin’i Joseph Smith fony izy 17 taona izy. Nanambara kokoa momba ny asa hataon’i Joseph ary nahitana tranga izay hiseho aloha sy aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ireny faminaniana ireny.
Ilay andian-teny hoe “hitodika amin’ny rain[tsika] ny fon[tsika] … ” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2) dia azo ilazana manokana an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, ireo “rain’ny” Mpianakavin’i Isiraely. Ampiasaina matetika mba hilazana ny razambentsika rehetra io andian-teny io ankehitriny —ireo reny, ireo ray, ary ireo fianakaviantsika manontolo mandritra ny taranaka rehetra mifandimby.
Inona avy no zavatra niainanao mifandray amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay nanampy anao hampitodika ny fonao tamin’ireo fianakavianao?
Ahoana no ahafahan’ny fampitodihana ny fontsika amin’ireo fianakaviantsika manampy amin’ny fampitodihana ny fontsika amin’ny Mpamonjy?
Safidio am-bavaka ny sahanasa iray izay hanampy anao hanatanteraka ny faminanian’ny Tompo momba ny fampitodihana ny fonao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao. Isan’ny hevitra azo aroso ireto:
Manomàna fanontaniana azonao apetraka amina zokiolona iray ao amin’ny fianakaviana momba ny fahatanorany na ny zavatra nianarany nandritra ny fiainany. Miraketa resadresaka atao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao avy eo.
Manorata na mizarà tantara manan-danja avy amin’ny tantaram-pianakavianao. Ohatra, mety ho azonao raketina ny fomba nidiran’ny olona voalohany ao amin’ny fianakavianao ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana.
Ampiasao ny FamilySearch.org na ny application Arbre familial mba:
Hijerena ny hazon-tetiaranao sy hahafantarana ny fifandraisanao amin’ireo razambenao.
Hampidirana sarim-pianakaviana, ahitana ny anaran’ny isam-batan’olona isaky ny sary.
Hiraketana tantara na fahatsiarovana tiana indrindra momba ny olona ao amin’ny fianakaviana.
Hamantarana ny olona efa maty ao amin’ny fianakaviana izay afaka mandray ny ôrdônansin’ny tempoly. (Safidio ny hoe Tempoly, avy eo ny Ôrdônansy efa vonona.)
Manomàna fotoana hanatrehan’ny fianakavianao, na vondrona namana, na vondron-jatovo ny tempoly. Miaraha miasa mitady anaran’olona efa maty ao amin’ny fianakaviana izay mila mandray ôrdônansin’ny tempoly. Asao hanompo ny Tompo amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy masina ny olona ao amin’ny fianakaviana.