Seminera
Lesona 210—Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo


“Lesona 210—Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 210: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Maodely: Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Mandalina sy mampihatra ny fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo

tanora mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Mandritra ny taom-pianarana seminera dia hanana fahafahana maro handalinana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo mpianatra. Ity maodely ity dia manome hevitra anao hanampiana ireo mpianatra handalina ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fanamarihana: Raha hijery ohatra iray amin’ny fomba fampiasana ity maodely ity, dia jereo ny Lesona 211: “Safidy ho an’ny mandrakizay”.

Sahanasa fianarana azo atao

Ho an’ny hafatra tsirairay avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, dia azonao atao ny misafidy iray na maromaro amin’ireo hevitra ao amin’ny fizarana Atombohy ny lesona, Halalino ilay hafatra, na Ampitomboy ny fahatakarana ato amin’ity maodely ity, na zavatra mitovy amin’izany izay nosafidinao manokana. Azonao atao koa ny mampiasa ny fizarana Ampiharo ireo zavatra izay nianaranao ao amin’ilay maodely.

Mba handalinana dia afaka miasa tsirairay na miaraka daholo ny mpianatra, na azonao atao ny mandamina azy ireo ho vondrona kely kokoa. Raha toa ianao ka misafidy ny hihaino ny raki-peo na hijery ny horonan-tsarin’ilay lahateny, dia omeo dika vita printy na nomerika ny mpianatra mba hanarahana azy.

Ampio ireo mpianatra hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny hevitra enti-mampianatra tsirairay izay nosafidinao.

Atombohy ny lesona

Mieritrereta fomba iray hanombohana ny lesona izay afaka manampy hampisy fahalianana ao an-tsain’ny mpianatra na ao am-pon’izy ireo mba hanampiana azy ireo hiomana ho amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Ny hafatra izay hohalalinin’ny mpianatra dia mety hahitana fomba hoenti-mianatra mahasoa izay azonao ampiasaina. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto:

  • Mizarà fanontaniana iray mampisaintsaina avy ao amin’ilay hafatra ary asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra fohy momba izany na hirakitra an-tsoratra ny valin-teniny voalohany ao amin’ny diariny.

  • Mizarà sary na lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ampiasaina ao anatin’ny hafatr’izy ireo ary ifanakalozy hevitra fohifohy ny antony nampiasana izany.

  • Mizarà tantara iray avy amin’ny hafatry ny mpandahateny. Mety ho tena tsara raha tsy zaraina manontolo any amin’ny fiandohan’ny lesona ny tantara fa angamba izay ampahany ampy fotsiny mba hanairana ny fahalianan’ny mpianatra. Any aoriana amin’ny lesona, dia azo faranana ilay tantara mba hanehoana ny tanjon’ny hafatr’ilay mpandahateny.

  • Azonao atao ny mizara ny lohahevitr’ilay lahateny ary manasa ireo mpianatra mba hirakitra ny fanontaniany sasany izay nampifandraisiny tamin’ilay lohahevitra. Amporisiho izy ireo hikatsaka valiny mandritra ny lesona.

Halalino ilay hafatra

Azonao atao ny mampiasa ny hevitrao na ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hampifantoka ny fandalinany ilay lahateny. Raha ampy ny fotoana dia mety ho hevitra tsara ny mampiasa fomba maro. Asao ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana rehefa mamerina mijery ilay hafatra izy ireo, ka hanoratra ireo fitariham-panahy azony ao amin’ny diary fandalinany. Ireo hevitra fanampiny enti-mandalina dia azo jerena ao amin’ny “Fandalinana ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Raha toa ka tsy afaka mahazo tahadika nomerika amin’ilay lahateny ny mpianatra dia azonao atao ny manao izay handalinan’ny mpianatra tahadika vita printy.

  • Mitadiava. Diniho ombam-bavaka ny zavatra ilain’ny kilasinao ary fantaro ny “Mitadiava” iray izay azo ampiasaina rehefa mandalina ilay lahateny ny mpianatra. Mety ho ohatra amin’ny “Mitadiava” ireto manaraka ireto: Fahamarinana mandrakizay, Fanasana, ary Fitahiana nampanantenaina. Azon’ny mpianatra atao koa ny mitady ny valin’ireo fanontaniana na olana mety hananany.

    Mety ho tsara raha avela hisafidy zavatra izay tiany hotadiavina ao anatin’ilay lahateny ny mpianatra. Azonao atao ny mizara ny lohahevitr’ilay lahateny ary manome fahafahana ny mpianatra hanoratra fanontaniana maromaro momba izany lohahevitra izany eny amin’ny solaitrabe. Aorian’ny fandalinana dia azonao atao ny mamantatra ireo fanontaniana izay tsapan’ny mpianatra fa voavaly sy ny fomba namaliana izany.

  • Asio laharana ny andiam-pehezan-teny ary asaovy ampitapitain’ny mpianatra ilay lahateny. Manoràta laharan’ny andiam-pehezan-teny amin’ny alalan’ny sora-tanana na solosaina amin’ny tahadika iray an’ilay lahateny. Omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay ary asao ny mpianatra mba hisafidy izay zavatra hotadiavina. Afaka mamaky andiam-pehezan-teny iray na maromaro ny mpianatra, ka hanisy marika izany ary hanoratra fanamarihana eny amin’ny sisin’ny pejy. Azo ampitaina amin’ny mpianatra manaraka ilay taratasy, dia arahina ihany izany lamina izany. Rehefa avy mandalina ireo andiam-pehezan-teny rehetra izy ireo dia avereno amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ilay taratasy ary avelao izy ireo hijery ireo hevi-baovao nozarain’ireo mpianatra hafa.

  • Rafi-tantara mitombona. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba mety hampifandraisana ilay lahateny izay halalinina amin’ny zatovo iray amin’izao fotoana izao na ny olana manokana mety hatrehin’ny zatovo iray. Manomàna rafi-tantara iray ary zarao amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana izany. Na koa azon’ireo mpianatra atao ny mamorona rafi-tantara ahitana zatovo iray izay sahirana amin’ny toe-javatra na fanontaniana iray. Ny mpianatra dia afaka manampy antsipiriany mitombona amin’ilay rafi-tantara mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny zatovo ao amin’ny faritra misy anareo.

  • Soratra masina voatonona na mifandray aminy. Afaka mikaroka soratra masina voatonona ao amin’ilay lahateny na ao amin’ny fanamarihana any am-parany ny mpianatra. Afaka mamaky ireo andalan-tsoratra masina ireo ny mpianatra ary manamarika ny fomba hanampian’ilay lahateny azy ireo hahatakatra kokoa ireo soratra masina voatonona na ny fomba hanampian’ireo soratra masina voatonona azy ireo hahatakatra kokoa ny hafatra entin’ilay lahateny. Afaka mampifandray amin’ireo andalan-tsoratra masina voatonona ao amin’ilay lahateny ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny mpianatra na manisy marika ny boky soratra masin’izy ireo vita printy.

Ampitomboy ny fahatakarana

Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampy ireo mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ny lahateny izay nohalalininy. Azonao atao ny mampiasa ny hevitrao, na azonao atao ny misafidy iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra handray anjara mavitrika amin’ny fifanakalozan-kevitra. Azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana eo am-pizaran’ny mpianatra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany teo am-panaovany fandalinana. Ireo safidy ireo dia azo tanterahin’ny olona tsirairay, na miaraka amin’ny mpiara-miasa iray, na anatina vondrona kely.

  • Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hametraka ny sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra manodidina ilay sary teny na andian-teny manentana fanahy izay hitan’izy ireo tao amin’ilay lahateny. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany sy ny fomba izay tsapany fa azon’ilay teny na andian-teny anampiana ny olona iray hahafantatra ny toetoetra mampiavaka sy ny toetra ary ny anjara asan’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra zaraina hoe ahoana no nahafahan’ireo fampianarana nanampy azy ireo hanaraka ny Mpamonjy sy hanamafy orina ny fifandraisany Aminy.

  • Mifampianara. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamorona lahateny na lesona maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra izay mampianatra ny hafatra nohalalinin’izy ireo. Azon’ny mpianatra ampidirina ao anatin’izany ireo traikefa manokana na ireo andalan-tsoratra masina fanampiny izay manohana ilay hafatra. Afaka manao fanazaran-tena ny mpianatra hizara ny lahateniny amin’ny mpiara-miasa iray, na anatina vondrona kely, na amin’ny iray kilasy.

  • Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapa. Asao ny mpianatra hanoratra ny eritreriny sy ny fahatsapana nananany rehefa nandalina ilay lahateny izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra izay asa nasain’ny Fanahy nataon’izy ireo. Raha ilaina dia azonao atao ny mangataka izay mpianatra manana fahavononana mba hizara ny zavatra nosoratany.

  • Mamoròna zavatra. Azonao omena fotoana ny mpianatra mba hamoronana sary nalaina, sary natao tanana, peta-drindrina, mème, zavatra avoaka amin’ny tambajotran-tserasera, na zavatra mitovitovy amin’izany, ka ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ilay lahateny no ho ampiasainy hanaovana izany. Mety ho fampahatsiahivana na zavatra entina manentana ny hafa izany. Afaka mizara amin’ny vondrona iray na amin’ny kilasy ny zavatra noforoniny ireo mpianatra.

  • Zarao amin’ny hafa. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hizara hafatra avy amin’ilay lahateny amin’ny fianakaviany, na amin’ny namany, na amin’ny tambajotran-tserasera (ohatra hoe amin’ny alalan’ny zavatra avoaka amin’ny tambajotran-tserasera, na horonan-tsary, na mème). Rehefa mizara ireo mpianatra dia afaka mampiditra fijoroana ho vavolombelona tsotra sy fanasana hianatra kokoa.

Ampiharo ny zavatra izay nianaranao

Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanome fahafahana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany sy tsapany avy amin’ny fandalinana ilay lahateny. Azonao atao ny mampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireto hevitra manaraka ireto na hevitra hafa mba hanomezana izay ilain’ny mpianatrao. Raha mila hevitra fanampiny, dia jereo ny “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Araho ireo fitariham-panahy voaray. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ny fitariham-panahy izay voarainy nandritra ny fandalinana ilay lahateny. Mety ho nahatsapa izy ireo hoe tokony hitondra fiovana eo amin’ny fiainany, hiezaka hanatratra ny iray amin’ireo tanjony manokana, na hizara ilay hafatra amin’olon-kafa.

  • Manaova drafitra. Afaka mameno ireto fampahatsiahivana manaraka ireto ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hampihatra ny zavatra nianarany. Mety te hizara ny drafiny amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny mpianatra sasany mba hanampiana azy ireo hanatanteraka izany.

  • Noho iny lahateny iny, izaho dia .

  • Ny dingana manaraka horaisiko amin’ny famitana ny drafitro dia .

  • Hiezaka aho hanao izany hatramin’ny (daty).

  • Hampahatsiahy ny tenako ny drafitro aho amin’ny alalan’ny .