2021
Mampifandray
Volana martsa 2021


“Mifandray” Ho zatovo mahery!, mar. 2021, eo amin’ny fonony anoloana anatiny.

Mampifandray

Liah T.

16 taona, mipetraka any Louisiane, Etazonia

Sary
zatovovavy manao hosodoko

Mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainako ny mozika. Tiako ny mitendry lokanga (lokanga feo voalohany) sy viola (lokanga feo faharoa). Fony aho mbola kely dia nantsoina hampianatra hira tao amin’ny Kilonga ny reniko. Nampianariny aho hitia ireo hira ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy, ary mahatsapa ny Fanahy aho isaky ny mitendry azy ireny.

Mpandihy ao amin’ny tarika mpandihy vakodrazana ao Louisiane ihany koa aho ary manao hosodoko amin’ny lamba ho an’ireo ray aman-dreniko sy ny trano fonenako. Velom-pankasitrahana sy mankatelina tokoa an’ireny olona mandany fotoana manao hosodoko izay hitantsika ao am-piangonana ireny tokoa aho. Amiko dia tena mahafinaritra izany hoe ny hosodoko dia fomba iray fanampiny ahafahan’ny olona maneho ny zavatra tsapany momba ny filazantsara.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018 dia niresaka hosodoko maneho masoandro mody ao ambadiky ny ala iray ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Kanto dia kanto ilay izy! Ilay hosodoko dia nampahatsiahy ahy fa hiverina hiposaka foana ny masoandro aorian’ny alina maizina.

Fiainako ny filazantsara! Tiako ny mampifandray ny fitiavako zava-kanto amin’ny filazantsara. Indraindray aza dia tsy voatery ho hosodoko momba ny fivavahana akory no ahatsapako ny fitiavan’ Andriamanitra. Efa nijery hosodoko maneho voronkely mihitsy aza aho taloha dia nieritreritra hoe: “Ndry! Noharian’ Andriamanitra ho ahy io vorona io.”

Hamoaka printy