2021
Ivon’ny Paska: Ilay Kristy velona
Volana martsa 2021


“Ivon’ny Paska: Ilay Kristy Velona,” Ho zatovo mahery!, mar. 2021, 2–5.

Ivon’ny Paska: Ilay Kristy Velona

Amin’izao fankalazana ny Paska izao dia mifaly isika fa velona i Jesoa Kristy ankehitriny ary velona ho antsika rehetra Izy.

Sary
Fidiran’i Jesoa Kristy tao Jerosalema nitaingina boriky

Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao, dia mankalaza ilay Jesoa Kristy velona isika. Omban’ny fitiavana tanteraka no hanomezan’ny Mpamonjy toky antsika hoe: “Ato amiko no hanananareo fiadanana. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33).

Amin’izao fankalazana ny Paska izao dia mifaly isika fa velona i Jesoa Kristy, tsy tamin’izany ihany fa ankehitriny koa, tsy ho an’ny sasantsasany ihany, fa ho an’ny rehetra. Tonga Izy tamin’izany ary mbola tonga ankehitriny hanasitrana ny malahelo, hanafaka ny mpifatotra, hampahiratra ny jamba, ary hanafaka izay nampahorina (jereo ny Lioka 4:18). Izany hoe isika tsirairay. Mihatra amintsika ny fampanantenany manavotra, na toy ny ahoana ny lasantsika, na ny fiainantsika ankehitriny, na izay ahiahintsika momba ny hoavintsika.

Hosana sy haleloia

Ny Alahadin’ny Sampan-drofia, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa nitaingina zana-boriky ary betsaka ny “vahoaka … naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy (Jaona 12:12–13; jereo koa ny Matio 21:8–9; Marka 11:8–10). Araka ny fomba nenti-mpaharazana, ny sampan-drofia dia tandindona masina hanehoana ny fifaliana ao amin’ny Tompontsika. Ireo mahatoky dia nahafantatra fa fahatanterahan’ny faminaniana izany ka dia niantso hoe: “Hosana any amin’ny avo indrindra” (Matio 21:9). Ny hosana, dia midika hoe “vonjeo re izahay” (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hosana”).

Herinandro aorian’ny Alahadin’ny Sampan-drofia ny Alahadin’ny Paska. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa i Jesoa Kristy “dia tonga mba hanefa ny trosa izay tsy tokony efainy satria isika dia nanana trosa izay tokony nefaintsika kanefa tsy afaka nandoa izany isika.”1 Marina tokoa fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia “azo vonjena [ny zanak’ Andriamanitra rehetra], amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara” (Fanekem-pinoana 1:3). Mihira Haleloia isika rehefa Paska. Ny Haleloia dia midika hoe “Derao Jehovah Tompo” (Jereo ny Bible Dictionary, “Hallelujah”).

Ireo trangan-javatra masina teo anelanelan’ny Alahadin’ny Sampan-drofia sy ny Alahadin’ny Paska dia tantara momba ny hosana sy haleloia. Ny hosana dia ny fitalahoantsika amin’ Andriamanitra mba hamonjy. Ny haleloia dia maneho ny fiderantsika ny Tompo noho ny fahafahana manantena famonjena sy fisandratana. Ekentsika amin’ny hosana sy haleloia fa Ilay Jesoa Kristy Velona no ivon’ny Paska.

Sary
Jesoa Kristy

Famerenana amin’ny laoniny sy Fitsanganana amin’ny maty

Tamin’ny Alahadin’ny Paska faha 3 aprily 1836, tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia niseho i Jesoa Kristy velona taorian’ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland. Ireo izay nahita Azy tao dia nijoro ho vavolombelona momba Azy tamin’ny fampifandraisana zavatra roa mifanohitra dia ny afo sy ny rano nanao hoe: “Ny masony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i Jehovah” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:3; nampiana fanamafisana).

Tamin’io fotoana io dia nanambara ny Mpamonjintsika hoe: “Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4). Mbola fampifandraisana zavatra roa mifanohitra ihany: voalohany sy farany, velona sy novonoina. Izy no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana (jereo ny Apokalypsy 1:8; 3 Nefia 9:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1; 38:1; 45:7), ny tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy (jereo ny Hebreo 12:2; Môrônia 6:4).

Taorian’ny nisehoan’i Jesoa Kristy dia tonga ihany koa i Mosesy sy i Elià ary i Elia. Naverin’ireo mpaminany lehibe fahiny ireo tamin’ny alalan’ny fitarihan’ Andriamanitra ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana. Noho izany “ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity [dia atolotra]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:16) ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Manan-danja fa ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra ny “hery sy ny fitsanganan’ i Kristy amin’ny maty” (Almà 41:2), izay antony fototra isian’ny Paska, amin’ny hoe famerenana amin’ny laoniny miisa roa.

Voalohany, ny fitsanganana amin’ny maty dia ahitana ny famerenana amin’ny laoniny ara-batana ny “endri[tsika] tsirairay avy sy tomombana”; ny ratsam-batana tsirairay sy ny vaniny,” “na dia singam-bolo iray amin’ny loha aza dia tsy ho very” (Almà 40:23). Io fampanantenana io dia manome fanantenana an’ireo izay tsy manana ratsam-batana, ireo izay tsy mahita intsony, na tsy afa-mandeha, na ireo izay mahatsiaro ho very noho ny aretina mikiky, na ny aretin-tsaina, na aretina hafa manahirana eo amin’ny fiainana. Mitady antsika Izy. Manasitrana antsika Izy.

Fampanantenana faharoa entin’ny Paska sy ny Sorompanavotan’ny Tompontsika ny hoe, eo amin’ny ara-panahy, “ny zava-drehetra dia haverina amin’ ny laminy tsirairay avy” (Almà 41:4). Io famerenana amin’ny laoniny ara-panahy io, dia ahitana taratra ny asa vitantsika sy ny faniriantsika. Mamerina amin’ny laoniny “izay tsara,” sy “rariny,” sy “hitsiny” ary “feno famindram-po izany” (Almà 41:13). Tsy mahagaga i Almà mpaminany raha nampiasa ny teny hoe averina in-252 rehefa nanentana antsika “[hanao] araka ny hitsiny, [hitsara] araka ny rariny ary [hanao] ny tsara lalandava” (Almà 41:14).

Koa satria “Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao” (Almà 42:15), dia tsy hoe afaka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra efa nisy fotsiny ny Sorompanavotan’ny Tompo, fa mamerina izay mbola tokony hisy ihany koa. Noho Izy mahafantatra ny manaintaina antsika, ny fahoriana sy ny “fakam-panahy isan-karazany” (Almà 7:11) mahazo antsika, dia afaka mamindra fo Izy mamonjy antsika, arakaraka ny rofintsika (jereo ny Almà 7:12). Koa satria Andriamanitra dia “Andriamanitra marina, fanaperana, ary Andriamanitra feno famindram-po koa,” dia afaka “[m]anefa ny fitakian’ny fahamarinana” ny drafitry ny famindram-po (Almà 42:15). Mibebaka isika ary manao izay rehetra azontsika atao. Izy kosa mamihina antsika mandrakizay “amin’ireo sandrim-pitiavany” (2 Nefia 1:15).

Mihira ireo hiran’ny fahasambarana maharitra mandrakizay

Miaraka aminareo aho, amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao, mijoro ho vavolombelona ny amin’ Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay, sy ny Zanany Malalany, dia ilay Jesoa Kristy velona. Nisy olombelona mety maty maro nohomboana tamin’ny fomba feno habibiana ary natsangana tamin’ny maty taty aoriana. Fa i Jesoa Kristy velona ihany no mbola mitondra ireo mariky ny fanomboana Azy eo amin’ireo tanany sy tongony ary ny lanivoany amin’ny endriny nitsangana tamin’ny maty izay tonga lafatra. Izy ihany no afaka miteny hoe: “Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao” (Isaia 49:16; Nefia 21:16). Izy ihany no afaka miteny hoe: “Izaho Ilay nasandratra. Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:52).

Amin’izao vaninandro izao, dia afaka mianatra betsaka momba ny hatsaran’ Andriamanitra isika sy ny fahafahantsika mitombo fitiavana hatrany ho an’ny hafa tahaka ny ataon’ Andriamanitra, rehefa mikatsaka Azy isika sy mifanolo-tanana.“ Ary izao no hitranga fa ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra ary ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:71). Amin’izao vanim-potoan’ny hosana sy haleloia izao, dia mihirà hoe Haleloia, satria hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy! Mihirà hoe hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry!

Hamoaka printy