2021
Fototra mafy orina
Volana martsa 2021


“Fototra mafy orina,” Ho zatovo mahery!, mar. 2021, 14–15.

Fototra mafy orina

Rindrina tsy maintsy nohanihina

Sary
zatovovavy eo amin’ny rindrina fihanihana

Sary nataon’i Alyssa Petersen

Zatovovavy roapolo no nijoro teo akaikiko, niainga avy teo amin’ny rindrina hazo efa ho 5 metatra. Ny fanambinay dia ny hanampy ny ankizivavy rehetra ho tonga teny an-tampony. Ho an’ny ankamaroany tamin’ireo zazavavy dia io no fotoana voalohany nankanesan’izy ireo tany amin’ny lasin’ny Zatovovavy. Mpitarika zatovo ireo ankizivavy lehibe sy ny tenako, saingy tsy mbola nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana tahaka ity mihitsy izahay. Nihaino mialoha ireo fitsipi-dalao izahay rehetra.

Tsy maintsy tafanika ilay rindrina daholo ny zatovovavy tsirairay. Raha vao nisy iray tafanika dia afaka mijoro eo amin’ilay velarana marin-tampona izy ary afaka manampy misintona ny namany hafa hiakatra. Saingy raha mahakasika ny tany izy dia tsy afaka manampy misintona ireo zazavavy namany sisa tavela intsony.

Sahirana izahay tamin’ny voalohany, saingy vetivety dia hainay ny niara-niasa ary nanomboka nampakatra ireo ankizivavy ho tafanika. Natahotra ny ho ampiakarina ambony be ny sasany na dia teo aza ireo fiarovana amin’ny loza izay efa napetraka. Ny hafa kosa natahotra ny hampiasa ny herin’ny tenany manokana mba ho tonga teny an-tampony. Nitaky anay rehetra hampitombo ny fifampitokisanay sy ny fifanampiana izany. Tamin’ny farany dia vitanay tamim-pahombiazana ilay fanamby.

Rehefa tafidina ireo zatovovavy farany dia nivondrona izahay mba hiresaka ireo lesona maro izay azo notsoahina avy tamin’ilay fiaraha-mientana nihanihana ilay rindrina.

Miatrika zavatra izay toa tsy hay resena avokoa isika. Tsy irery anefa isika. Eo ireo olona manodidina antsika mba hankahery sy hanolo-tanana. Eo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanome fanampiana sy tanjaka rehefa miantehitra amin’Izy Ireo isika.

Megan B., Ohio, Etazonia

“Nampanantena aho fa ho avy”

Sary
zatovolahy

Naniry hatrany ny mba hizara ny filazantsara tamin’ny hafa foana aho, saingy tsy nahomby izany nandritra ny taona maro. Mandra-pahalasa ahy ho naman’ny zazalahy iray antsoina hoe Tiago. Nifanakaiky ny trano fonenanay, ka dia niara-nandeha nody izahay rehefa nirava avy nianatra isan’andro.

Indray andro dia nandeha tamin’ny lalana hafa izahay rehefa nody ary nandalo teo amin’ny trano fiangonana izay andehanako mivavaka. Nolazaiko azy fa efa ela be no naha-mpikambana ahy ao amin’ilay Fiangonana. Nolazaiko azy ny zavatra inoanay sy ny halehiben’ny fitahiana azon’ny fianakaviako avy amin’izany. Nasaiko ho tonga any am-piangonana i Tiago ny alahadin’iny, ary nilaza izy fa ho avy.

Tonga ny alahady, dia niandry azy tamim-pitaintainana tany am-piangonana aho, saingy tsy tonga izy. Taty aoriana tao anatin’ny herinandro manaraka dia nasaiko indray izy. Tao anatin’ny roa na telo volana no nitrangan’izany rehetra izany, saingy nahita fialan-tsiny tsy handehanana foana izy. Saingy tsy nitsahatra nanasa azy aho.

Indray alahady maraina dia tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho no niherika ka nahita an’i Tiago nijoro teo. Gaga aho nahita azy, kanefa nanatona izy dia nipetraka teo akaikiko ary niteny hoe: “Nampanantena aho fa ho avy!”

Nampahafantariko ny misiônera izy dia nanomboka nampianatra azy izy ireo. Natao batisa izy taty aoriana. Samy miomana ny handeha hanao asa fitoriana izahay amin’izao. Faly tokoa aho fa tsy nilavo lefona tamin’ny fanasana azy.

Meiry R., Brésil

Matokia ny fotoanan’ Andriamanitra

Niaina fisaraham-panambadiana ny nenitoako raha toa ka vao ny zanany lahimatoa ireny no vita batisa. Mba hihazonana fifandraisana milamina tamin’ny ray niteraka ireo zanany dia te hangataka lalana ny hanaovana batisa ireo zanany hafa koa izy. Indrisy anefa fa tsy nanome lalana hanaovana izany nandritra ny taona maro ny rain’izy ireo.

Nanapakevitra ny nenitoako nony farany fa tiany hatao batisa ireo zanany na dia tsy nanome fankatoavana aza ny rain’izy ireo. Kanefa rehefa avy nifady hanina sy nivavaka mikasika ilay fanapahan-kevitra ny nenitoako sy ireo zanany, dia nahazo fahatsapana fa tokony mbola hiandry izy ireo.

Tamin’io herinandro io dia niteny tamin’ny nenitoako ny ray niteraka ireo zanany fa tiany hihaona amin’ny misiônera ireo zanany ary hatao batisa. Mbola tadidiko sy tsapako foana ny hafaliana tsapako rehefa nilaza ilay vaovao tamiko ny reniko. Fantatro fa nitahy ireo zanaky ny nenitoako ny Ray any An-danitra rehefa avy niandry tamim-paharetana an-taonany maro izy ireo.

Tsy voatery ho fantatsika ny fotoana hamalian’ny Tompo ny vavaka ataontsika, kanefa fantatro fa hamaly izany foana Izy. Tsy fantatro ny antony nahatonga ny Ray any An-danitra hampiandry ireo zanaky ny nenitoako mba hatao batisa, saingy fantatro fa notahiany izy ireo noho ny fahatokiany.

Bre J., Floride, Etazonia

Hamoaka printy