2021
Fanambarana mitohy
Volana martsa 2021


“Fanambarana mitohy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2021, 16.

Teny farany

Fanambarana mitohy

Avy amin’ny lahateny iray navoitra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany natao tamin’ny aprily 2020

Sary
Fahitana Voalohany

Sary nataon’i Ben Simonsen

Nandray fanambarana niampy fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith. Fanambarana maro voarain’i Joseph Mpaminany no voatahiry ho antsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ankoatra izany dia sambatra isika noho ny fanambarana mitohy avy amin’ireo mpaminany velona izay “iraka voatendrin’ny Tompo, nahazo lalana hiteny eo amin’ny toerany.”1

Ireo rehetra izay mikatsaka amim-panetrentena ny fitarihana avy amin’ny Tompo dia afaka mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana. Manan-danja mitovy amin’ny fanambarana avy amin’ny mpaminany izany.

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mifototra amin’ireo fahamarinana ara-panahy izay voaray avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mpanambara sy mpijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra, indrindra mahakasika ny Mpamonjy. Raha tsy eo ny Fanahy Masina dia tsy afaka mahalala marina isika hoe i Jesoa no Kristy. Ny anjara asany amin’ny maha-mpialoha lalana azy dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka sy ny anjara toeran’Izy Ireo ary ny voninahitr’Izy Ireo.

Manome toky anao aho fa afaka mandray fitarihana miendrika fanambarana isika tsirairay avy rehefa miasa amim-panetrentena ao amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo.

Ny fangatahako feno fanetrentena dia ny hikatsahantsika tsirairay fanambarana mitohy hitarihana ny fiainantsika sy hanarahantsika ny Fanahy eo am-piderantsika an’ Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika.

Fanamarihana

  1. Hugh B. Brown, “Joseph Smith among the Prophets” (Lahateny Fankalazana an’i Joseph Smith izay fanao isan-taona faha enina ambin’ny folo, Logan Institute of Religion, 7 des. 1958), 7.

Hamoaka printy