2021
Toy ny varavarankely amin’ny fanahinao
Volana martsa 2021


“Toy ny varavarankely amin’ny fanahinao,” Ho zatovo mahery!, volana Martsa. 2021, 6–8.

Toy ny varavarankely amin’ny fanahinao

Rehefa niara-nihira tamin’ny amboarampeon’ny paroasiny tany amin’ny lanonana iray iraisam-pinoana ireo tanora ireo dia nianatra zavatra maro momba ny fomba ahafahan’ny mozika mampifandray ny mpino rehetra.

Sary
zatovo anankitelo

Manana zavatra iraisana i Megan C. Sy i Ethan M. Ary i Romy C.: izy ireo dia samy tia mozika feno fanajana. Tian’izy ireo ny fomba ankaherezan’izany sy hitaoman’izany ny fanahin’izy ireo, sy ny zavatra tsapan’izy ireo avy amin’izany. Ary tian’izy ireo ny mahita ny fomba ankaherezan’izany sy hitaoman’izany ny fanahin’ny hafa.

Mbola manana zavatra hafa iraisana ihany koa i Megan, 18 taona, sy i Ethan, 19 taona, ary i Romy, 17 taona: mihira ao amin’ny amboarampeon’ny paroasiny ao Floride, Etazonia avokoa izy ireo. Ary vao tsy ela akory izay ilay amboarampeo no nanome azy ireo fahafahana lehibe kokoa aza mba hizara ny fitiavan’izy ireo hira tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamin’ny lanonana momba ny mozika iray izay niraisan’ny antokom-pinoana maro.

“Ny fiarahamoninay dia manana fikambanana iraisam-pinoana izay manao ezaka lehibe mba hampivondrona ireo olona avy amin’ny finoana samy hafa,” hoy i Ethan nanazava. Ohatra, ilay vondrona dia nanao fifanakalozan-kevitra nandritra ny sakafo hariva Iftar (ilay sakafo hariva izay ataon’ny Silamo rehefa mamarana ny fifadian-kaniny isan’andro mandritra ny volana masin’ny Ramadana), nikarakara tetikasa fanompoana maro toy ny fanomanana amboaram-pitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana, ary nanao fiaraha-misakafo hariva maro nifampizarana izay nentina, ka tamin’izany ireo olona izay tsy nifankalala dia niara-nipetraka teo amin’ny latabatra iray sy niresaka momba ny sakafo, fomba amam-panao, ary ny zavatra inoana izay nankafizin’izy ireo tao anatin’ny kolontsainy.

Sary
zatovo misakafo, mihira, ary manompo

Tia miara-misakafo sy miara-manompo amin’ireo olona avy amin’ny finoana hafa ireo mpikambana ao amin’ilay amboarampeo.

Andao isika hinamana

Ny tanjon’ilay fikambanana, mazava ho azy, dia ny hanampy ireo olona avy amin’ny foto-piaviana samihafa mba ho lasa mpinamana.

“Misy fianakaviana iray avy any Torkia izay hitako foana any amin’ireo fiaraha-misakafo iraisam-pinoana, dia manatona ahy haingana izy ireo dia miteny hoe: -Faly ery izahay mahita anao indray!-” Hoy i Romy. “Ao anatin’ny tontolo izay feno fanenjehana ny fivavahana sy ny finoana, dia tsara raha afaka mivondrona sy mifampiresaka isika.” Nandritra ny iray tamin’ireo tetikasa fanompoana “dia nahafinaritra ery ny nahita ireo vehivavy tao amin’ny fiangonana iray hafa,” hoy izy. “Tsy nampaninona azy ireo ny fahasamihafam-pinoan’ny tsirairay. Teo fotsiny izy ireo mba hanolotra ny fanampiany. Nahafinaritra izany.”

“Mety hoe tsy mitovy ny zavatra inoanay,” hoy i Megan,”saingy nanaja foana ny zavatra inoan’ny hafa aho ary nahafinaritra ny nifandray tamin’izy ireo tao anatin’io tontolo izay nanirianay rehetra mba hifankalalana io.”

“Isan’ireo mpikambana vaovao indrindra ao amin’ilay fikambanana ny fiangonantsika,” hoy i Ethan. “Noho izany dia nankasitrahako tokoa ny halehiben’ny hatsaram-panahin’izy ireo taminay sy ny faneken’izy ireo anay. Fantatro fa misy olona diso fihevitra momba ny Fiangonana any amin’ny toerana sasany. Ka noho izany dia mankasitraka foana aho rehefa afaka manaiky ny fahasamihafan’ny tsirairay ny olona ary mitady izay zavatra azo iraisana.”

Iray saina

Ary isan’ireo zavatra iraisan’ireo vondrom-pinoana rehetra ny mozika. Fotoana tena tsara ho an’ireo mpino mba hitambatra ho iray amin’ny fiderana an’ Andriamanitra ilay lanonana momba ny mozika izay iraisan’ireo antokom-pinoana. Ny amboarampeon’ny paroasy dia ho amboarampeo izay ahitana vondrona enina misolo tena ireo mpivavaka manerana ny tanàna.

“Nisy amboarampeon-dakolosy tao, fampiaraha-peon’olon-droa, amboarampeo nahitana olona maro, amboaram-peo nahitana olona vitsy, fampiarahana sodina sy piano, sy ny sisa,” hoy i Megan nanazava. “Nasaina nanao hira roa ny vondrona tsirairay.”

“Notohizan’i Megan hoe, “Te hahazo antoka izahay fa ny hira nohirainay dia hamela ny olona hahafantatra fa mino an’i Jesoa Kristy izahay, ary mino ihany koa ny Ray izay any An-danitra. Te hampisy fahatsapana fanompoana izahay.”

Nanapakevitra ny hihira hira roa izay efa nohirainy teo aloha ny amboarampeo, izay mitondra ny lohateny hoe “Great Things and Small Things,” izay nataon’i Steven Kapp Perry, sy ny “Sacraments and Symbols,” izay nataon’i Janice Kapp Perry, Steven Kapp Perry, ary i Lynne Perry Christofferson niaraka.

“Mampientanentana ilay hira voalohany. Manome antoka ilay izy fa noho Andriamanitra dia afaka manao ny zavatra rehetra ianao, na kely izany na ngeza,” hoy i Ethan. “Mifono fanajana lalina ilay hira faharoa. Efa saika ho toy ny fihirana mihitsy aza ary miteraka fahatsapana fanompoana marina.”

Fanazaran-tena, fanazaran-tena, fanazaran-tena

Teo am-piomanan’izy ireo hihira dia nampiasa fomba izay efa nampiasainy teo aloha i Ethan. “Miezaka ny hanao ho laharapahamehana ny famerimberenana ilay hira mba ho tafalatsaka tanteraka ao an-tsaiko aho,” hoy izy. “Hitako fa rehefa afaka mifantoka amin’ny hevitr’ilay hira aho dia afaka mankafy izany bebe kokoa. Mazava ho azy ary azo antoka fa mahavita mihira ilay izy araka ny tokony ho izy aho, saingy hitako ho mora kokoa amiko ny manao izany rehefa azoko tanteraka ny hafatra tian’ilay izy ampitaina. Tiako ny mikiry mafy amin’ny fiomanana ara-panahy.”

“Mbola tsy maintsy nihira tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy nanao famerenana ho an’ny zavatra hafa ihany koa izahay,” hoy i Megan. “Fantatray anefa ny lanjan’ilay hetsika iraisam-pinoana, ka dia nataonay izay hahavonona ireo hira ireo. Niasa mafy izahay tamin’ny fianarana ireo hira ireo.”

Ho an’ilay hira faharoa dia nihena ho valo ireo mpikambana 14 tao anatin’ny amboarampeo. “Nanao famerenana izahay isaky ny Talata, teo anatrehan’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy,” hoy i Megan. “Nahatonga ahy hieritreritra ilay hira izay nataonay nandritra ny herinandro manontolo, sy nandritra ny iray volana manontolo izany, tena marina e! Tsy mahazatra ahy ny manao ohatra izany, fa hitako tao amin’ny YouTube ilay hira dia naverimberiko nalefa foana. Te hahay kokoa aho. Tiako hihira tsara tokoa izahay mba hahafahanay mahazo ny fon’ny olona hafa.”

Nanaiky i Ethan sy i Megan ary i Romy fa nitondra tombontsoa fanampiny ireo famerenana rehetra izay natao ireo. “Rehefa mamerimberina ireo hira ianao,” hoy i Romy, “dia mijanona ao an-tsainao sy ao am-ponao ireo hafatra izay entin’ireo hira ireo.”

Sary
amboarampeon’ny tanora

Mihira mandritra ilay lanonana momba ny mozika iraisan’ireo antokom-pinoana ilay amboarampeo.

Ao an-tsaina sy ao am-po

Hita nibaribary tsara izany fa nibahanana tao an-tsaina sy tao am-pon’izy ireo izany rehefa nihira ireo mpikambana tao amin’ny amboarampeo. “Samy kanto tsotra izao ireo hira roa,” hoy i Romy. “Nangina tanteraka ny mpijery ary nahatsapa ny Fanahy ny rehetra rehefa nohiraina ireo hira ireo. Nahatsapa ho iray avokoa izahay.”

“Amiko manokana dia efa hira mitondra fifaliana foana ilay hira voalohany,” hoy i Megan. “Tsapako fa nanana akony teo amin’ny olona ilay izy tao amin’ilay lanonana. Nahazo fahafinaretana aho nihira azy ary manantena aho fa nankafy izany koa izy rehetra tao. Ary tamin’ilay hira faharoa dia nety tsara ny fampiaraham-peo. Mino aho fa izay rehetra nihaino izany tao dia nahatsapa toe-tsaina feno fanajana sy fitalanjonana ho an’ Andriamanitra.

Tamin’ny fiafaran’ilay takariva dia hoy i Megan nanohy hoe: “Afaka niresaka tamin’ireo olona mpandray anjara sy mpijery izahay. Fantatro fa nanontany ilay mpitarika ny amboarampeonay mikasika ireo hira nohirainay ny olona hoe—’Hira inona izy teo?’ na hoe ‘Taiza no nahitanao ilay rindram-peonkira?’ Afaka nifanerasera izahay ary niresaka momba ny hira izay nozarainay rehetra. Tsapako ho toy ny afaka nahazo an-tsaina bebe kokoa ny zavatra tsapan’izy ireo tamin’ny alalan’ny hira izay nohirain’izy ireo aho, ary nahazo an-tsaina bebe kokoa ny zavatra tsapanay izy ireo noho ny hiranay. Ny hira dia toy ny varavarankely ahatazanana ny ati-fanahinao.”

Hamoaka printy