2021
Ahoana no fomba hananana mandrakariva ny Fanahy
Volana martsa 2021


“Ahoana no fomba hananana mandrakariva ny Fanahy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2021, 26–29.

Avia, hanaraka Ahy

Miomana ny hanana mandrakariva ny Fanahiny

Ny fiomanana ny handray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro dia afaka manampy antsika hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.

Sary
zatovolahy mizara sy mandray ny fanasan’ny Tompo

Fony aho 12 taona dia niaraka tamin’ny fianakaviako nitsidika ireo toerana nitrangan’ny tantaran’ny Fiangonana tao amin’ny tapany avaratra amin’ny faritanin’i New York, Etazonia aho. Raha tao amin’ilay Alakely Masina aho dia tadidiko ho nandalina momba ny Fahitana voalohany sy ireo fahitana mahatalanjona izay niainan’i Joseph aho sady nieritreritra hoe: “Oay e! Raha mba nanana fihaonana ara-panahy mahatalanjona tamin’ny olona avy any an-danitra tahaka izay niainan’i Joseph aho izao dia tena ho nilamina ny fiainako.”

Nianarako nanomboka tamin’izay fa zavatra iainana madinidinika matetika no ilaiko mba hampatanjaka ahy hatrany amin’ny fijoroako ho vavolombelona sy hitoerako ho mafy orina eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Ray, fa tsy ny fananana traikefa ara-panahy goavana indray mandeha eo amin’ny fiainako. Fantatry ny Ray izay any An-danitra fa hila fitarihana tsy tapaka isika eo amin’ny fiainantsika, ka dia nanomana ny fomba ahafahantsika mandray izany Izy.

Omeny ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo rehetra izay manana finoana ampy ny Zanany ka hibebaka sy hatao batisa. Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro no hanomezany antsika ny fahafahana mba “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” raha mahatsiaro ny Mpamonjy sy mitandrina ny didiny isika (.Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Izany no mahatonga antsika ho afaka ny hahazo ny fitarihan’ny Fanahy isan’andro eo amin’ny fiainantsika rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy handray ireo fanapahan-kevitra izay hanampy antsika eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra isika.

Ny Fanasan’ny Tompo sy ny Fanahy

Sary
fanasan’ny Tompo

Fantatry ny Ray any An-danitra fa ny hahazo tsy tapaka ny fitarihan’ny Fanahiny no ho ilaintsika, fa tsy hoe zavatra iainana goavana indray mandeha fotsiny. Naveriny tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny ôrdônansin’ny batisa asitrika, izay manampy antsika ho lasa madio. Aorian’izay isika dia vonona ny handray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana, izay manome antsika ny fahafahana hahazo fitarihana isan’andro amin’ny alalan’ny Fanahy.

Fantatry ny Ray any An-danitra fa tsy ho ampy izany hoe lasa madio indray mandeha izany ary ho ilaintsika ny mahatsiaro ny Mpamonjy sy ho lasa madio hatrany hatrany mba hihazonantsika mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika. Noho izany antony izany no namerenany tamin’ny laoniny ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Raha miomana tsara ho amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany tsy tapaka isika dia ampanantenaina fa afaka ny “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77; nampiana fanamafisana).

Kanefa ny fankanesana any am-piangonana fotsiny sy ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ny rano dia tsy hamela antsika hahazo ny fampanantenan’ny Tompo. Ny fiomanantsika amin’ny nahim-po ho amin’ilay ôrdônansy dia mamela antsika handray ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Tsy hampahomby ny mpanao fanatanjahan-tena ny fanaovana fotsiny ny fanamiana na ny fandehanana fotsiny eo amin’ny kianja na ny toerana fanaovana izany. Tsy maintsy manazatra ny vatany izy ireo, mianatra ireo paikady, ary manao fanazaran-tena mba ho lasa feno traikefa amin’ny fanatanjahan-tena ataony. Tahaka izany ihany, isika dia tsy maintsy mianatra ny fomba hiomanana handray ny fanasan’ny Tompo amim-panajana fatratra sy amim-pahamendrehana mba hahafahantsika mandray ilay hery azony omena antsika.

Fomba iray hanomananao ny fonao sy ny fanahinao handray ny fanasan’ny Tompo ny manao tafa sy dinika kely amin’ny tenanao manokana isan-kerinandro. Tiako ny mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hanaovako tafa sy dinika ny tenako. Io andininy io dia ahitana ireo zavatra takina ho amin’ny batisa izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny mpaminany Joseph. Izy io dia mirakitra ireo fepetra takina izay tsy maintsy voafenon’ireo rehetra maniry ny hatao batisa. Hitako fa manampy ahy izany hanomana ny tenako handray ireo fampanantenana manavao izay afaka ny ho azoko amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo.

Sary
zatovovavy misaintsaina

Sary avy amin’ny Getty Images

Rehefa mampiasa io soratra masina io aho mba ho fitarihana ahy dia ireto ny sasany amin’ireo fanontaniana apetrako amin’ny tenako mba hahitako raha vonona ny handray ny fanasan’ny Tompo aho.

Moa ve aho nanetry ny tenako teo anoloan’ Andriamanitra?

Ny fepetra takina voalohany izay voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 dia ny manetry tena eo anoloan’ Andriamanitra. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fanekena sy ny fananana fahavononana hanaraka ny sitrapony araka izay voasoratra ao amin’ny soratra masina, na ampianarin’ireo mpanompony, na araka izay voaraintsika amin’ny alalan’ireo bitsika.

Manontany tena aho raha toa ka manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny zavatra izay misy eo amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao. Manohitra ny baiko omeny ve aho? Manaraka ny fampianaran’ireo mpanompony ve aho? Raha tsia, dia manao drafitra mba hanatsara sy hanolo-tena ny hanao tsaratsara kokoa aho rehefa miomana ny handray ny fanasan’ny Tompo. Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra: rehefa miaiky aho fa afaka mahita ny fiainako manontolo amin’ny ankapobeny Izy dia mora kokoa ny hanetreko ny tenako eo anoloany sy hatokisako fa hitarika ahy ho any amin’ny tsara indrindra Izy.

Manana fo torotoro sy fanahy manenina ve aho?

Mifandray amin’ny fanetren-tena ny fananana fo torotoro sy fanahy manenina. Ny dikan’izany dia hoe vonona ny hanoa ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny dikan’ny hoe manetry tena dia ny fahatsapana ny fahadisoantsika sy ny famelana heloka rehefa sarotra izany, na rehefa mety ho tsapantsika fa ny hafa no nanao fahadisoana. Afaka miteny ve ianao hoe “Madio amin’ny olona rehetra ny foko”? Nandratra olona manodidina anao ve ianao, na manana alahelo sy hatezerana amin’olona iray? Mila mangataka famelana ve ianao?

Rehefa manana fo torotoro sy fanahy manenina aho dia vonona ny hiezaka hanatsara ny fifandraisako amin’ Andriamanitra sy ireo olona manodidina ahy. Miezaka manaisotra ireo eritreritra sy fahatsapana ratsy ananako momba ny hafa aho. Tsy mitoetra miaraka amintsika ny Fanahy rehefa manana fahatsapana tia fifandirana isika, ka ny fanaisorana azy ireny noho izany dia dingana manan-danja amin’ny fanomanana ny tenantsika handray ilay fampanantenana avy amin’ny fanasan’ny Tompo.

Maniry ny ho lasa madio indray ve aho, ary afaka mijoro ho vavolombelona ve aho fa efa nibebaka tamin’ny fahotako rehetra?

Zavatra takina iray hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 ny “mibebaka marina tokoa [amin’ny] fahotantsika rehetra.” Rehefa natao batisa isika dia voasasa madio tamin’ny fahotantsika. Nanao fampanantenana isika ny hiezaka hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy hibebaka rehefa manao fahadisoana.

Manontany tena aho hoe “Moa ve aho mandray ny fanasan’ny Tompo fotsiny satria mihevitra fa tsy maintsy manao izany, sa ve aho tena maniry ny ho lasa madio indray?” Mieritreritra ireo fahotako sy ny fahadisoako tao anatin’ny herinandro aho dia manontany tena raha tena maniry ny hiova sy hiala amin’izy ireny. Rehefa manana faniriana ny ho lasa madio ianao dia ho hitanao amin’ny alalan’ny Fanahy ny zavatra ilainao hatsaraina, ary hanohy hitaona anao hibebaka sy hanao safidy tsara kokoa Izy.

Ny fibabohana amin’ny Tompo (sy ireo olona hafa izay mety nanaovantsika ratsy na tafintohina noho isika raha ilaina) dia isan’ny fiomanana ataontsika.

Manontania tena hoe: “Misy zavatra ilaiko hovaina kanefa tsy mbola nataoko ve? Mbola misy zavatra tokony hibebahako ve? Ny famahana ireo olana amin’ny alalan’ny fibebahana marina dia afaka mahatonga antsika hahafeno ny fepetra handray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana.

Vonona ny hitondra eo amiko ny anaran’i Jesoa Kristy ve aho?

Ny fanekempihavanana tsirairay izay ataontsika dia midika ho fanoloran-tena ny hitondra tanteraka ny anaran’i Kristy eo amintsika. Rehefa atao batisa isika dia maneho ny fahavononantsika ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny didiny. Rehefa manao fanekempihavanana fanampiny any amin’ny tempoly isika na manaiky ireo antso, dia mitondra bebe kokoa hatrany eo amintsika ny asan’i Kristy sy ny fampianarany. Ny fanehoana ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anarany mandritra ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia midika ho fanoloran-tena indray hanaja ireo fanekempihavanana sy fanoloran-tena nataontsika Taminy teo aloha.

Mba handrefesana ny fiomanako handray ny fanasan’ny Tompo dia mametraka fanontaniana amin’ny tenako aho, toy ny hoe “Manao izay tsara indrindra vitako ve aho mba ho ohatr’i Kristy sy ny fampianarany? Mitandrina ireo fampanantenana rehetra nataoko izay miaraka amin’ny fanekempihavanana nataoko ve aho? Mbola manolo-tena ho an’i Kristy sy ny fanekempihavanana nataoko Taminy tahaka izay nataoko tamin’ilay andro nanaovako izany voalohany ve aho?

Tapa-kevitra tanteraka ny hanompo Azy hatramin’ny farany ve aho?

Nampanantena ny Tompo isika tamin’ny fotoana nanaovantsika ny fanekempihavanan’ny batisantsika fa hiezaka ny hitandrina ny didiny. Ny didy roa lehibe dia ny mitia ny Tompo sy ny mitia ny namantsika (jereo ny Matio 22:36–40). Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo.

Manontany tena aho hoe: “Manokana fotoana hanompoana ve aho? Malaina ny hanompo ve aho, sa faly ny hanompo?” Miezaka sy milofo amin’ny antsoko ve aho? Fomba mahafinaritra hiomanana handray ny fanasan’ny Tompo ny fanompoana ny hafa. Raha ny marina dia amin’ny fanompoana ny hafa no ilantsika matetika indrindra ny fitarihan’ny Fanahy.

Matokia ireo fampanantenan’ny Tompo

Rehefa miomana amin’ny nahim-po isan-kerinandro isika ny handray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, dia ho mendrika ny hanana mandrakariva ny Fanahy mba hitaona antsika sy hitarika ny fiainantsika. Fampanantenana avy amin’ny Tompo izany.

Hamoaka printy