Manaraka an’i Jesoa: mpampihavana
Tsy mipetra-potsiny ny mpampihavana fa mandresy lahatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy izy ireo.
Ry rahalahy sy anabavy malala isany, rehefa miaina andro mampieritreritra feno korontana sy fifandirana isika, ary ho an’ny maro, fijaliana lalina, ny fontsika dia heniky ny fankasitrahana mihoa-pampana ny Mpamonjy antsika sy ireo fitahiana mandrakizain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tiantsika Izy ary atokisantsika Izy, ka mivavaka isika mba hanaraka Azy mandrakizay.
Ny fanamby eo anatrehan’ny tambajotran-tserasera
Ny fiantraika mahery vaikan’ny internet dia sady fitahiana no fanamby tsy fahita raha tsy amin’izao androntsika izao ihany.
Ao amin’ny tontolon’ny tambajotran-tserasera sy ireo sehatra maro samihafa ahafahana mampita vaovao, ny feon’ny olona iray dia mipaka amin’olona maro vetivety monja. Izany feo izany, na marina na diso, na ara-drariny na mitsaratsara, na feno hatsaram-panahy na haratsiam-panahy, dia miparitaka eo no ho eo manerana izao tontolo izao.
Mazàna ireo fampielezana natao tamim-piheverana sy feno fahatsarana ao amin’ny tambajotran-tserasera no tsy voamariky ny olona, raha toa ka ny teny fanamavoana sy fahatezerana indray no dradradradraina matetika eo an-tsofintsika, na izany miaraka amina filôzôfia politika, na olona misongadina ao amin’ny vaovao, na hevitra momba ny valanaretina. Tsy misy olona na lohahevitra, tafiditra ao anatin’izany ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, izay tsy hianjadian’ity tranga ara-piarahamonina ahitana feo mampisara-bazana ity.
Lasa mpampihavana
Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia hafatra ho an’ny rehetra saingy nomena manokana ireo mpianatry ny Mpamonjy, dia ireo izay nisafidy ny hanaraka Azy.
Ny Tompo dia nampianatra ny fomba hiainana, tamin’izany sy amin’izao fotoana izao, ao anatina tontolo feno faniratsirana. “Sambatra ny mpampihavana,” hoy Izy, “fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.”1
Amin’ny alalan’ny ampingan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, dia lasa mpampihavana isika, mandresy, izay midika hoe mampitony, na manalefaka, na mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra an’ny fahavalo.2
Rehefa manao ny anjarantsika isika, ny fampanantenany dia ny hoe, hantsoina hoe “zanak’ Andriamanitra” isika. Ny olon-drehetra eto an-tany dia taranak’3 Andriamanitra, saingy ny hoe “zanak’ Andriamanitra” dia midika zavatra mihoatra lavitra noho izany. Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy sy manao fanekempihavanana Aminy isika dia lasa “taranany” sy “mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra,”4 “zanak’i Kristy […], dia zanany lahy sy zanany vavy.”5
Ahoana no ataon’ny mpampihavana mba hampitony sy hanalefaka ny zana-tsipìka mirehitra? Azo antoka fa tsy amin’ny alalan’ny fihemorana eo anatrehan’ireo izay manao tsinontsinona antsika. Fa amin’ny alalan’ny fijanonana ho matoky tena kosa amin’ny finoantsika, ny fizarana ny finoantsika amin’ny faharesen-dahatra, nefa tsy misy fahatezerana na faniriana hanao ratsy.6
Vao haingana izay, taorian’ny nahitana fanehoan-kevitra iray mitsikera mafy ny Fiangonana, ny Révérend Amos C. Brown, mpitarika nasiônaly momba ny zon’ny olom-pirenena sy pasitera ao amin’ny Fiangonana Batista Fahatelo any San Francisco, dia namaly hoe:
“Manaja ny traikefa sy ny fomba fijerin’ilay olona nanoratra an’ireo teny ireo aho. Marina fa tsy mitovy hevitra izahay.”
“Isaiko ho iray amin’ireo fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny fiainako ny fahafantarako ireo mpitarika [ao amin’ilay Fiangonana] ireo, anisan’izany ny Filoha Russell M. Nelson. Izy ireo, raha ny fahitako azy, no endriky ny fitarihana tsara indrindra atolotry ny firenentsika.”
Ary nampiany avy eo hoe: “Afaka manohitra ny zava-nitranga fahiny isika. Afaka mandà tsy hanaiky ny zavatra tsara rehetra mitranga ankehitriny isika. … Saingy tsy hanasitrana ny fizarazarana eto anivon’ny firenentsika anefa izany fomba fanao izany. … Araka ny nampianarin’i Jesoa, dia tsy hanafoana ny ratsy amin’ny faharatsiana bebe kokoa isika. Maneho fitiavana mifono fahalalahan-tanana isika ary miaina ao anatin’ny famindram-po, eny fa na dia amin’ireo izay heverintsika ho fahavalontsika aza.”7
Mpampihavana ny Révérend Brown. Nanalefaka tamim-pahatoniana sy tamim-panajana ireo zana-tsipìka mirehitra izy. Tsy hoe mipetra-potsiny ny mpampihavana fa mandresy lahatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy izy ireo.8
Inona no manome antsika hery anaty mba hanalefaka sy hampitony ary hamono ireo zana-tsipìka mirehitra mikendry ny fahamarinana izay tiantsika? Ilay hery dia avy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny finoantsika ny teniny.
“Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona, … ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko.
“… Fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.9
Ny maha-zava-dehibe ny fahafahana misafidy
Fitsipika manan-danja roa no mitarika ny faniriantsika ho mpampihavana.
Voalohany, ny Raintsika any An-danitra dia nanome ny tsirairay ny safidiny ara-pitondrantena, niaraka tamin’ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy ny lalany manokana.10 Iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra io fahafahana misafidy io.
Faharoa, miaraka amin’io fahafahana misafidy io, ny Raintsika any An-danitra dia namela ny hisian’ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra.”11 “Manandrana ny mangidy [isika] mba hahaiza[ntsika] mankamamy ny tsara.”12 Tsy tokony hahagaga antsika ny fifanoherana. Mianatra manavaka ny tsara amin’ny ratsy isika.
Mifaly amin’ny fitahian’ny fahafahana misafidy isika, ao anatin’ny fahatakarana fa hisy maro izay tsy hino ny zavatra inoantsika. Raha ny marina dia vitsy amin’ny andro farany no hisafidy ny hanao ny finoany an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny zavatra rehetra eritreretiny sy ataony.13
Noho ireo sehatra hita ao amin’ny tambajotran-tserasera, ny feo iray maneho tsy finoana dia mety ho toy ny feo marobe feno faharatsiana,14 saingy na dia feo marobe aza izany dia misafidy ny lalan’ny mpampihavana isika.
Ireo mpitariky ny Tompo
Misy ireo izay mihevitra ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ho manana tanjona araka izao tontolo izao toy ireo mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra ary ara-kolontsaina.
Hafa mihitsy anefa ny fomba nahazoanay ny andraikitray. Tsy voafidy na voafantina avy tao amin’ireo izay nanolotra ny faniriany hirotsaka izahay. Tsy nisy fiomanana manokana mba ho matihanina nataonay fa dia voantso sy voatendry hijoro ho vavolombelona momba ny anaran’i Jesoa Kristy manerana an’izao tontolo izao izahay mandra-pahatapitry ny fofon’ainay. Miezaka mitahy ny marary, ny manirery, ny kivy, ary ny mahantra izahay, ary manamafy orina ny fanjakan’ Andriamanitra. Mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy hanambara izany izahay, indrindra fa amin’ireo izay mikatsaka ny fiainana mandrakizay.15
Na dia hoe ny mba hanajan’ny rehetra ny fampianaran’ny Mpamonjy aza no fanirianay amim-panetrentena, ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny dia matetika mifanohitra amin’ny eritreritra sy ny fironana eo amin’izao tontolo izao. Efa toy izany foana izany hatramin’izay.16
Hoy ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny:
“Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. …
“… Fa izany rehetra izany no hataony … satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.”17
Miraharaha ny rehetra
Tiantsika sy raharahiantsika amin-kitsim-po ireo namantsika rehetra, na mino na tsia ny zavatra inoantsika izy ireo. Nampianatra antsika i Jesoa tao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana Tsara fanahy fa ireo izay avy amin’ny finoana samihafa dia tokony hanolo-tanana amin-kitsim-po hanampy izay rehetra sahirana, ho mpampihavana, hikatsaka ny tsara sy mendrika.
Tamin’ny volana febroary, dia nisy lohateny an-gazety iray tao amin’ny Arizona Republic nilaza hoe: “Ny volavolan-dalàna iraisan’ireo antoko pôlitika roa lehibe izay tohanan’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hiaro ireo olona homosexuels sy transgenres ao Arizona.”18
Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia “mahafaly antsika ny tafiaraka ao anatina vondrom-pinoana sy fandraharahana, sy vondrona ahitana olona ao anatin’ny LGBTQ ary ireo mpitarika vondrom-piarahamonina izay niara-niasa tao anatin’ny toe-tsaina feno fifampitokisana sy fifanajana.”19
Nanontany tamim-pitandremana ny Filoha Russell M. Nelson indray mandeha hoe: “Tsy afaka ny hisy ve ny sisintany mampisaraka raha tsy rehefa lasa faritra isian’ny ady ihany?”20
Miezaka ny ho “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” isika.21
Fotoana tsy hamaliana
Ny sasany tamin’ireo fanenjehana ny Mpamonjy dia feno haratsiam-panahy tokoa ka tsy niteny na inona na inona Izy. “Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna … dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy … ka nanao Azy ho fihomehezana,” saingy “tsy namaly [azy ireo] i Jesoa.”22 Misy fotoana ny hoe mpampihavana dia midika hoe manohitra ny faniriana hamaly isika fa mitoetra ho mangina amim-pahamendrehana kosa.23
Mahavaky fo ho antsika rehetra ny teny masiaka na manivaiva momba ny Mpamonjy sy ireo mpanara-dia Azy ary ny Fiangonany izay lazain’ireo izay niara-nijoro tamintsika taloha sy niara-nandray tamintsika ny fanasan’ny Tompo ary niara-nijoro ho vavolombelona tamintsika momba ny asa masin’i Jesoa Kristy.24
Nitranga ihany koa izany nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.
Ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesoa izay niaraka taminy nandritra ireo fahagagana lehibe nataony dia nanapa-kevitra ny “tsy [hiara-handeha Aminy] intsony”.25 Mampalahelo fa tsy ny rehetra no hiorina mafy amin’ny fitiavany ny Mpamonjy sy ny fahavononany hitandrina ny didiny.26
Nampianatra antsika hiala amin’ny toe-javatra na toerana misy hatezerana sy fifandirana i Jesoa. Ao amin’ny ohatra iray, rehefa avy nifanandrina tamin’i Jesoa ny Fariseo sy nitady ny fomba hamonoana Azy, ny soratra masina dia milaza fa niala avy teo amin’izy ireo Izy,27 ary nisy fahagagana nitranga rehefa “nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra.”28
Mitahy ny fiainan’ny hafa
Isika koa dia afaka miala amin’ny fifandirana sy mitahy ny fiainan’ny hafa29 nefa tsy mitokantokana tsy mifandray aman’olona.
Tany Mbuji-Mayi, Repoblika Demôkratikan’i Congo, tamin’ny voalohany dia nisy ireo nanakina ny Fiangonana, tsy nahatakatra ny finoantsika na tsy nahalala ny mpikambana ao amintsika.
Nisy fotoana izaho sy i Kathy nanatrika fotoam-pivavahana iray izay niavaka tokoa tao Mbuji-Mayi. Nanao fitafy madio tsara niaraka tamin’ny maso sy tsiky maneho fanantenana sy fifaliana ireo ankizy. Nanantena ny hiresaka tamin’izy ireo momba ny fianarany aho, saingy nampahafantarina aho fa maro tamin’izy ireo no tsy nianatra. Ireo mpitarika ao amintsika dia nahita fomba hanampiana tamin’ny vatsim-bola ho an’ny asa fanasoavana sy fanampiana olona izay kely dia kely.30 Ankehitriny dia mpianatra maherin’ny 400, zazavavy sy zazalahy, mpikambana ary koa ireo tsy avy ao amin’ny antokom-pinoantsika, no raisina sy ampianarin’ny mpampianatra miisa 16 izay mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Hoy i Kalanga Muya, 14 taona: “[Satria tsy dia nanam-bola aho,] dia tsy nianatra nandritra ny efa-taona. … Tena feno fankasitrahana aho noho ny zavatra nataon’ny Fiangonana. … Afaka mamaky teny sy manoratra ary miteny frantsay aho izao.”31 Raha niresaka momba izany fandraisana andraikitra izany ny ben’ny tanànan’i Mbuji-Mayi dia nilaza hoe: “Tena nitondra fanentanam-panahy ho ahy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany satria raha toa ka mizarazara ny fiangonana [hafa], samy maka ho azy… [ianareo kosa dia miara-miasa] amin’ny [hafa] mba hanampiana ny fiarahamonina ao anaty fahasahiranana.”32
Mifankatiava
Isaky ny mamaky ny Jaona toko faha-13 aho dia mahatsiaro ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpampihavana. Nosasan’i Jesoa tamim-pitiavana ny tongotr’ireo Apôstôly. Avy eo isika dia mamaky hoe “dia nangorohoro ny fanahiny”33 rehefa nieritreritra momba ny olona iray tiany Izy izay niomana ny hamadika Azy. Niezaka naka sary an-tsaina ny eritreritra sy ny fihetseham-pon’ny Mpamonjy aho rehefa niala i Jodasy. Ny mahavariana tao anatin’izany fotoana mampieritreritra izany dia tsy niresaka momba ny fihetseham-pony “ory” na momba ny famadihana intsony i Jesoa. Fa niresaka tamin’ireo Apôstôliny momba ny fitiavana kosa Izy, ary ireo teniny dia nisy fiantraikany nandritra ny taonjato maro.
“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo. …
“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”34
Enga anie isika ho tia Azy sy hifankatia. Enga anie isika mba ho mpampihavana, mba hahafahana miantso antsika hoe “zanak’ Andriamanitra.” Izany no ivavahako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.