Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


12:41

Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana

Mila mahatakatra ireo fitsipika mifehy ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miasa isika. Rehefa miasa ao anatin’ireo fitsipika ireo isika dia afaka manome antsika hevi-baovao sy fitarihana ny Fanahy Masina.

Tahaka ny maro aminareo, izaho koa dia efa an-taonany maro no voataonan’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf. Izany dia manazava, farafahakeliny amin’ny ampahany, ny zavatra holazaiko.1 Koa ialako tsiny ny fampiasana azy ho ohatra …

Ireo mpanamory fiaramanidina tsara ofana dia manaja ireo fepetra mikasika izay zakan’ny fiaramanidina entiny ary manaraka ireo toromarika avy amin’ireo mpanara-maso ny fifamoivoizana anabakabaka mahakasika ny fampiasana ny lalan’ny fiaramanidina eo amin’ny seranana ary ny lalan-kizoran’ny sidina. Raha tsorina, ireo mpanamory fiaramanidina dia miasa ao anatin’ny fanajana fitsipika. Na mahay na manan-talenta toy ny ahoana aza ireo mpanamory dia amin’ny alalan’ny fanamoriana manaja ireo fitsipika ireo ihany no ahafahan’izy ireo mampisosa tsy azon-tsampona ny fisidin’ny fiaramanidina iray mba hahatontosa ny tanjona mahagaga nanamboarana izany.

Tahaka izany koa, ao anatin’ny fanajana fitsipika no andraisantsika fanambarana ho an’ny tenantsika manokana. Aorian’ny batisa isika dia omena fanomezana goavana kanefa mora ampiasaina, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina.2 Rehefa miezaka mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika,3 dia “ny Fanahy Masina … no hampiseho amin[tsika] ny zavatra rehetra izay tokony hataon[tsika].”4 Rehefa tsy mahatoky tena isika na tsy mahatombina, dia afaka mangataka fanampiana amin’ Andriamanitra.5 Mazava tsy misy ohatr’izany ny fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; … Fa izay rehetra mangataka no mahazo.”6 Rehefa ampian’ny Fanahy Masina isika dia afaka manova ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra ho lasa anjara mandrakizaintsika.7

Ny fampanantenan’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia mahatalanjona, tena mitovy amin’ny fiaramanidina eny am-pisidinana. Ary toy ireo mpanamory fiaramanidina, isika koa dia mila mahatakatra ireo fitsipika mifehy ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miasa mba hanomezana fanambarana ho an’ny tena manokana. Rehefa miasa ao anatin’ireo fitsipika ireo isika dia afaka manome antsika hevi-baovao sy fitarihana ary fampiononana mahatalanjona ny Fanahy Masina. Raha mivaona amin’izany fitsipika mifehy izany isika, na manao ahoana na manao ahoana ny fahaizantsika sy talentantsika, dia mety ho voafitaka ka hianjera ary haratra.

Ny soratra masina no mandrafitra ny singa voalohany amin’ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana.8 Ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy, araka ny hita ao amin’ny soratra masina dia mandrisika ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Hoy ny Loholona Robert D. Hales: “Rehefa te hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika.”9

Ny soratra masina ihany koa dia mampianatra antsika ny fomba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana.10 Ary izay rariny sy tsara11 no angatahintsika fa tsy izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.12 Tsy manao “diso fangataka” isika atosiky ny faniriana hangataka ho an’ny tombontsoa antsika na hanaovana izay mahafinaritra antsika manokana.13 Ny manan-danja indrindra dia hoe mila mangataka amin’ny Ray any An-danitra isika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy,14 omban’ny finoana fa handray.15

Ny singa faharoa amin’ireo fitsipika mifehy dia ny hoe ho an’ny tenantsika manokana sy izay nampiandraiketana ihany no andraisantsika fanambarana ho an’ny tena manokana fa tsy ho an’ny hafa. Izany hoe eny amin’ny lalam-piaramanidina notendrena ho antsika no iaingantsika sy ipetrahantsika. Nianarana tany am-piandohan’ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny ny maha-zava-dehibe ny lalana notendrena voafaritra mazava. I Hiram Page, iray tamin’ireo Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna, dia nilaza ho nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Mpikambana maro no voafitaka sy voataona tamin’ny zava-diso.

Ho setriny dia nanambara ny Tompo hoe: “tsy misy olona hotendrena mba handray ireo didy sy fanambarana ao amin’ity fiangonana ity afa-tsy i Joseph Smith […] mpanompoko … mandra-panendriko iray hafa … eo amin’ny toerany.”16 Ny fotopampianarana sy didy ary fanambarana ho an’ny Fiangonana dia zon’ny mpaminany velona ihany, izay mandray azy ireny avy amin’i Jesoa Kritsy Tompo.17 Andraikitra notendrena ho an’ny mpaminany izany.

Taona maro izay no nandraisako antso an-telefaonina avy tamina olona iray izay voasambotra noho ny fandikan-dalana. Nolazainy tamiko fa nahazo fanambarana izy fa nisy soratra masina fanampiny nilevina tao ambanin’ny rihana ambany tamin’ny trano iray izay saika nidirany. Nolazainy fa raha vao azony ireo soratra masina fanampiny ireo; dia fantany fa handray ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny izy ka hamoaka soratra masina vaovao ary hitondra fanovana eo amin’ny fotopampianarana sy ny fitarihana ny Fiangonana. Nolazaiko azy fa diso izy ary nitalaho tamiko izy mba hivavaka momba izany. Nolazaiko azy fa tsy hanao izany aho. Lasa nahery fiteny izy ka notapahiny ilay antso an-telefaonina.18

Tsy nila nivavaka momba io fangatahana io aho noho ny antony iray izay tsotra kanefa lalina: ny mpaminany irery ihany no mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana. “Mifanohitra amin’ny lamin’ Andriamanitra”19 ny handraisan’ny hafa fanambarana toy izany, izay andraikitra notendrena ho an’ny mpaminany.

Zon’ny isam-batan’olona ny mandray fanambarana ho an’ny tena manokana. Afaka mandray fanambarana ianao, ohatra, momba ny toerana izay honenanao, ny lalan’asa arahinao, na izay hovadianao.20 Mety hampianatra fotopampianarana sy hizara torohevitra nentanim-panahy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana saingy andraikitrao ny manapa-kevitra amin’ireny. Anjaranao ny mandray izany fanambarana izany; lalam-piaramanidinao izany.

Ny singa fahatelo amin’ireo fitsipika mifehy dia hoe ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia hifanaraka tsara amin’ireo didin’ Andriamanitra sy ireo fanekempihavanana izay nataontsika Taminy. Saintsaino ny tonom-bavaka sahala amin’izao manaraka izao: “Ry Ray any An-danitra, mahamonamonaina ireo fotoam-bavaka any am-piangonana. Azoko atao ve hoe eny an-tendrombohitra na eny amin’ny torapasika no itsaohako Anao mandritra ny Sabata? Tsy mampaninona ve raha mba tsy mandeha any am-piangonana sy mandray ny fanasan’ny Tompo aho kanefa mbola mba mahazo ireo fitahiana nampanantenaina noho ny fitandremana ny andro Sabata ho masina?”21 Ho valin’ny vavaka toy izany dia azontsika veroka sahady ny valin-tenin’ Andriamanitra hoe: “Anaka, efa nambarako ny sitrapoko mahakasika ny andro Sabata.”

Rehefa mangataka fanambarana momba-ana zavatra izay efa nanomezan’ Andriamanitra torolalana mazava isika dia manao izay hahatonga antsika handika vilana ireo fahatsapana sy zavatra rentsika ho lasa izay zavatra tiantsika re. Indray mandeha nisy lehilahy nitantara tamiko momba ny fasahiranany mandamina ny toe-bolam-pianakaviany. Fanodikodinam-bola no vahaolana tonga tao an-tsainy, nivavaka momba izany izy ka dia nahatsapa fa efa nandray fanambarana nanamafy ny hanaovany izany. Fantatro fa voafitaka izy satria nikatsaka fanambarana mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra. Nampitandrina ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy misy zavatra mampidi-doza kokoa ny zanakolombelona miohatra noho ny hoe entanina fanahy sandoka, kanefa mihevitra fa manana ny Fanahin’ Andriamanitra.”22

Mety hiteny ny sasany fa nandika ny didin’ Andriamanitra i Nefia rehefa namono an’i Labàna. Kanefa io tranga maningana io dia tsy manafoana ilay fitsipika—ilay fitsipika hoe ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia hifanaraka tsara amin’ireo didin’ Andriamanitra. Tsy misy fanazavana tsotra mahafa-po tanteraka mikasika io tranga io saingy mamelà ahy hamoitra tranga vitsivitsy. Tsy i Nefia manontany raha afaka mamono an’i Labàna no niandohan’ilay tranga. Zavatra tsy tiany hatao ilay izy. Tsy tombontsoan’i Nefia irery ny famonoana an’i Labàna fa ny hanomezana soratra masina ho an’ny firenena iray ho avy sy ny vahoaka iray mitandrina fanekempihavanana. Ary nahazo antoka i Nefia fa fanambarana izany—raha ny marina, tamin’io toe-javatra io, dia didy avy amin’ Andriamanitra ilay izy.23

Ny singa fahefatra amin’ireo fitsipika mifehy dia ny mamantatra ny zavatra izay efa nambaran’ Andriamanitra taminao manokana kanefa vonona handray fanambarana fanampiny avy Aminy. Raha efa novalian’ Andriamanitra ny fanontaniana iray ka tsy niova ny toe-javatra, dia nahoana isika no manantena hoe ho hafa ny valiny? Tafalatsaka tsy nahy tao anatin’io toe-java-manahirana io i Joseph Smith tamin’ny 1828. Efa voadika ny ampahany voalohany tamin’ny Bokin’i Môrmôna raha niera tamin’i Joseph i Martin Harris, olona tsara sitrapo sy mpitantsoratra tany am-piandohana, hahazo lalana hitondra ireo takelaka voadika ka hampiseho izany tamin’ny vadiny. Tsy nahazo antoka momba izay tokony hatao i Joseph ka dia nivavaka mba hahazoana fitarihana. Nilaza taminy ny Tompo mba tsy hamela an’i Martin hitondra ireo taleka.

Nangatahin’i Martin i Joseph mba hanontany an’ Andriamanitra indray. Nataon’i Joseph izany, ary ny valiny dia, tsy mahagaga fa, mitovy ihany. Saingy nitalaho tamin’i Joseph i Martin mba hanontany fanintelony, ka nataon’i Joseph izany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy niteny hoe “tsia” Andriamanitra. Fa toy ireny hoe toy izao ireny no notenenin’ Andriamanitra: “Ry Joseph, fantatrao ny hevitro momba ity saingy manana ny fahafahanao misafidy ianao.” Nahatsapa ho afaka tamin’ilay famerana i Joseph ka nanapa-kevitra izy hamela an’i Martin hitondra ireo takelaka soratanana 116 pejy sy hampiseho izany amin’ny olona vitsy ao amin’ny fianakaviany. Very ireo pejy voadika ary tsy hita intsony. Nolevileven’ny Tompo mafy i Joseph.24

Nianatra i Joseph, araka ny nampianarin’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Aza mikatsaka ny hanoro hevitra ny Tompo fa ny handray kosa torohevitra eo an-tanany. Fa … mitantana […] araka ny fahendrena [Izy].”25 Nampitandrina i Jakôba fa misy zava-dratsy mitranga rehefa mangataka zavatra tsy tokony hangatahintsika isika. Nambarany mialoha fa ny vahoakan’i Jerosalema dia hikatsaka “zavatra tsy mety ho azony,” sy hijery “any ivelan’ny tanjona,” ary handà tanteraka an’ilay Mpamonjin’izao tontolo izao.26 Lavo izy ireo satria nangataka zavatra tsy ho takany sy tsy azon’izy ireo takarina.

Raha toa isika ka efa nandray fanambarana ho an’ny tenantsika manokana ho an’ny toe-draharaha misy antsika, ka tsy niova ny toe-javatra misy, dia efa namaly ny fanontaniantsika izay Andriamanitra.27 Ohatra, indraindray isika dia mamerimberina maka antoka fa voavela heloka. Raha efa nibebaka isika, feno fifaliana sy fiadanan-tsaina ary nandray ny famelana ny fahotantsika dia tsy mila mamerina manontany isika fa afaka matoky ny valiny izay efa nomen’Andriamanitra.28

Tahaka ny natokisantsika ireo valin-teny voalohany nomen’ Andriamanitra no mila ivononantsika handray fanambarana fanampiny. Vitsy amin’ireo lamim-piainana natao rahateo moa no hoe mitranga araka izay nampoizina. Tokony ho fantatsika fa ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mety ho voaray “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika,”29 fa ny fitarihana ambara dia mety hiampy tsikelikely ary matetika mihitsy izany.30

Ireo singa amin’ireo fitsipika mifehy ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mifanindry sy mifanampy. Saingy ao anatin’ireo fitsipika mifehy ireo ny Fanahy Masina dia afaka manambara, ary tena hanambara, ny zava-drehetra ilaintsika ivoarana sy hanohizantsika hahazo vahana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Noho izany dia afaka ny ho voatahy isika amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy mba ho lasa izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavantsika. Manasa anao aho mba hanana ny fatokisantena hangataka fanambarana ho an’ny tenanao manokana, mahatakatra ny zavatra nambaran’ Andriamanitra, izay mifanaraka amin’ny soratra masina sy ireo didy nomeny tamin’ny alalan’ireo mpaminany voatendriny ary ao anatin’ny sehatra iadidianao sy ny fahafahanao misafidy. Fantatro fa ny Fanahy Masina dia afaka mampiseho ary tena hampiseho anao ny zavatra rehetra tokony hataonao.31 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nampiasa ombieny ombieny sy tamin’ny fomba mahomby fanahafana izay mifandray amin’ny fiaramanidina mba hampianarana fitsipika ara-pilazantsara manan-danja. Ohatra, vao haingana izy no nampifandray ny fampianarana tahaka ny ataon’ny Mpamonjy amin’ireo zavatra ilain’ny mpanamory fiaramanidina atao mialoha ny sidina, tao amin’ny “Ireo zavatra ilain’ny mpampianatra atao” ([broadcast for teachers, June 12, 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

  2. Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mazàna tondroina amin’ny hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra. Manatontosa anjara asa lehibe dia lehibe maro eo amin’ny drafitry ny famonjena ny Fanahy Masina. Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka sy manambara ny fahamarinan’ny zava-dehetra ary manamasina an’ireo izay efa nibebaka sy natao batisa Izy. Izy no Fanahy Masin’ny Fampanantenana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  3. Jereo ny 2 Nefia 31: 19– 21; Môzià 4: 8. Tsy misy lalana hafa izay “hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.” Ny faniriana zavatra hafa amin’izany dia tsy hahaforona lalana iray hafa.

  4. 2 Nefia 32:5; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–44.

  5. Jereo ny 2 Nefia 32:4; Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96.

  6. Matio 7:7–8.

  7. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; “Fanevan’ny Zatovovavy”; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 27.0; 27.2, ChurchofJesusChrist.org.

  8. Jereo ny 2 Nefia 32:3.

  9. Robert D. Hales, “Les Saintes Écritures, le pouvoir de Dieu pour notre salut,” Liahona, nov. 2006, 26–27.

  10. Ny soratra masina dia mampianatra fa ny feon’ny Fanahy Masina dia tony sy malefaka, toy ny bitsibitsika—sady tsy mafy no tsy mitabataba; tsotra sy malefaka; afaka ny hanana lanjany lehibe tsy nampoizina izany ary hahatsapana mamaivay ao an-tratra rehefa mahare izany; mipaka amin’ny saina sy fo izany: mitondra fiadanana sy fifaliana ary fanantenana izany—fa tsy tahotra, sy tebiteby ary fitaintainanana—tsy ratsy; ary manazava ny saina sy fy—fa tsy mahavalalanina. Jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12; Omnia 1:25; Almà 32:28; Helamàna 5:30–33; 3 Nefia 11:3; Môrônia 7:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 8:2–3; 9:8–9; 11:12–14; 85:6; Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51–56; Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, May 2020, 88–92; Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76; Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” 93–96.

  11. Jereo ny 3 Nefia 18:20; Môrônia 7:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64–65.

  12. Jereo ny Helamàna 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:30.

  13. Jakoba 4:3; jereo koa ny James 4:3 ao amin’ny New International Version; 2 Nefia 4:35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10; 46:7; 88:64–65.

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64–65; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Vavaka, ” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

  15. Jereo ny 3 Nefia 18:20; Môrônia 7:26.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 7.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5.

  18. Soa ihany fa nisy fandaminana natao mba hahafahany mahazo fanampiana sy fitsaboana izay tena ilainy.

  19. Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 197.

  20. Jereo ny Thomas S. Monson, “Whom Shall I Marry?,” New Era, Oct. 2004, 4.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16.

  22. Joseph Smith, ao amin’ny Times and Seasons, Apr. 1, 1842, 744, josephsmithpapers.org.

  23. Matetika ny Tompo no manova, manitsy na mampisy tranga maningana amin’ireo didy nambarany, saingy ireny dia atao amin’ny alalan’ny fanambarana raisin’ny mpaminany fa tsy amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Ny fanambarana raisin’ny mpaminany dia tonga amin’ny alalan’ny mpaminany izay voatendrin’ Andriamanitra amin’ny fotoanany araka ny fahendrena ao amin’ Andriamanitra sy ny fahatakarany. Anisan’ireny tranga maningana ireny ny fanambarana nomen’ny Tompo an’i Mosesy sy i Josoa mba hamono ireo mponina tao amin’ny tany Kanàna na dia teo aza ilay didin’ Andriamanitra manao hoe “Aza mamono olona” (Eksodosy 20:13). Ny Tompo, amin’ny alalan’ny mpaminany, dia afaka manova ary tena hanisy fanovana amin’ireo didiny hanatanterahana ny tanjony. Tsy manana fahafahana isika, anefa, amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, hanova na tsy hiraharaha ireo didy manan-kery izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny mpaminany.

    Jereo ny 1 Nefia 4:12–18; mba hahitana fifanakalozan-kevitra feno kokoa dia jereo ny Joseph Spencer, 1st Nephi: A Brief Theological Introduction (2020) 66–80.

  24. Raha hamaky ny tantara feno momba ireo takelaka nadika tanana 116 dia jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 44–53; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–15; 10:1–5.

  25. Jakôba 4:10.

  26. Jereo ny Jakôba 4:14–16.

  27. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Tsy mangataka fanambarana manokana avy amin’ Andriamanitra mihitsy isika raha tsy hoe tsy misy fanambarana teo aloha izay mahasahana ilay raharaha” (ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume A-1, 286– 87, josephsmithpapers.org).

  28. Jereo ny Môzià 4:3. Rehefa mbola mahatsapa tena ho meloka sy kaikerin’ny nenina hatrany isika taorian’ny fibebahana natao tamin-kitsim-po sy tamin’ny nahim-po, dia matetika izany noho ny tsy fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fahafahany hamela sy hanasitrana tanteraka antsika. Indraindray isika dia mino fa ny famelan-keloka dia natao ho an’ny hafa fa tsy mihatra tanteraka amintsika. Izany no atao hoe tsy fananana finoana tsotra izao amin’ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao noho ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataony.

  29. Jereo ny Isaia 28:10; 2 Nefia 28:30; David A. Bednar, “Line upon Line, Precept upon Precept,” New Era, Sept. 2010, 3–7.

  30. Saingy rehefa tsy mbola nanome fanambarana anao Andriamanitra dia mitozoa mangataka. Araka ny nampianarin’ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Mirosoa amim-patokiana. … Rehefa miaina amim-pahamarinana ianao ka manao asa amim-pahatokiana dia tsy hamela anao hanohy lavitra izany Andriamanitra ka hoe tsy hanome fampitandremana iray raha toa ka nandray fanapahan-kevitra diso ianao” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Liahona, May 2007, 10).

  31. Jereo ny 2 Nefia 32:5.