2011
Tsarovy Izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy
Mey 2011


“Tsarovy Izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy”

Ny fiantrana olona dia afaka mitondra fifaliana sy firaisan-kina eo anivon’ny tokantranonareo, ny kilasinareo, ny paroasinareo ary ny sekolinareo

Mary N. Cook

Herinandro vitsy lasa izay dia nianatra lesona manan-danja aho avy amin’ny zatovovavy Farimbona iray izay tanora nanao lahateny tao amin’ny paroasiko. Tohina ny foko raha nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamim-pahatokian-tena izy. Nofaranany tamin’izao teny izao ny lahateniny: “Rehefa mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainako aho dia mandeha tsara kokoa ny androko, tsara fanahy kokoa amin’ireo olon-tiako aho ary feno fifaliana.”

Nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay dia nandinika avy lavitra an’io zatovovavy io aho. Miarahaba ny tsirairay miaraka amin’ny maso mamirapiratra sy tsiky mailaka izy. Nahita azy nifaly tamin’ny fahombiazan’ny tanora hafa aho. Nisy zatovovavy roa ao amin’ny Farimbona izay vao haingana nilaza tamiko mikasika ny fanapahan-kevitr’io zatovovavy io ny hamoy ny tapakilany hijerena sarimihetsika rehefa tonga saina izy fa tsy ho traikefa “mendrika sy tsara” izany.1 Feno fitiavana izy, tsara fanahy ary mankato. Avy amin’ny tokantrano iray ahitana renim-pianakaviana mananontena izy, ary ny fiainany dia tsy hoe tsy nisy olana, koa dia nanontany tena aho hoe ahoana no fomba hihazonany ilay toe-panahy faly sy tsara fanahy hatrany. Rehefa nijoro ho vavolombelona io zatovovavy io hoe “i Jesoa Kristy no ivon’ny fiainako,” dia hitako ny valiny.

“Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondran-tena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ny olon-drehetra.” Izany fitanisana tena tsara mikasika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izany, izay hita ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo, dia hanomana antsika ho amin’ny fitahian’ny tempoly sy ny fiainana mandrakizay.

Te-hifantoka amin’ny iray amin’ireo teny ireo ihany aho—antra olona. Ny hoe antra olona dia teny feno hatsarana izay tsy fahenontsika matetika. Avy amin’ny teny latina izany tena izany ary midika hoe “mirary soa olona iray.”2 Ny hoe antra olona dia hoe tsara fanahy, tsara fitondran-tena sy feno fiantrana. Maro aminareo no nianatra mikasika ny hevitry ny hoe antra olona fony tany amin’ny Kilonga ary nanao tsianjery ity hira ity:

Je serai gentil envers chacun,

Jésus nous l’a appris.

C’est pourquoi je me dis : « A moi d’abord

de me montrer gentil. » [Te-ho tsara fanahy amin’ny hafa aho, fa izany no tokony hataoko. Koa hoy aho hoe: “Tsarovy izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy.”]3

Ny Mpamonjy antsika dia nampianatra antsika momba ny fananana fiainana feno fiantrana olona ary niaina izany Izy. I Jesoa dia nitia ny rehetra ary nanompo ny rehetra Izy. Ny fanaovana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika dia hanampy antsika hahazo izany toetra antra olona izany. Mba hahafahantsika hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo dia mila mianatra mikasika ny Mpamonjy isika sy “manaraka ny lalany.”4

Isika dia mianatra avy amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana Tsara fanahy fa tokony hitia ny rehetra. Ny tantara dia manomboka ao amin’i Lioka toko faha 10, raha nanontany ny Mpamonjy ny mpahay lalàna anankiray hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Ny valiny: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Avy eo dia nanontany ilay mpahay lalàna hoe: “Iza ary no namako?” Fanontaniana niavaka tokoa izany napetrak’ilay mpahay lalàna izany satria ny Jiosy dia nanana mpiray sisin-tany avy any avaratra, dia ireo Samaritana izay halan’izy ireo fatratra hany ka rehefa miainga avy ao Jerosalema mankany Galilia izy ireo dia haleony manalavi-dalana manivatsiva ny Lohasahan’i Jordana toy izay mamakivaky an’i Samaria.

Novalian’i Jesoa tamin’ny alalan’ilay fanoharana mikasika an’ilay Samaritana Tsara fanahy ny fanontanian’ilay mpahay lalàna. Araka ilay fanoharana dia,

“Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahiny ny lambany, sady nokapohiny izy sady nilaozany, rehefa saika maty. …

“Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy ary nony nahita azy, dia onena,

“Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingenany tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.

“Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho.”5

Ilay Samaritana dia tsy mba tahaka ilay mpisorona Jiosy sy ilay Levita izay nandalo ilay lehilahy maratra, izay mpiray tanindrazana amin’izy ireo, fa tsara fanahy na dia teo aza ny fahasamihafana. Nasehony ilay toetra iray tahaka ny an’i Kristy, dia ny fiantrana olona. I Jesoa dia nampianatra antsika tamin’ny alalan’io tantara io fa ny tsirairay dia namantsika avokoa.

Vao haingana ny mpanolotsaina iray ao amin’ny Episkôpà iray no nizara zava-niseho iray, izay mampianatra ny maha zava-dehibe ny namana tsirairay. Raha nijery ny mpiangona izy dia nahita ankizy iray nanana fitoerana penisilihazo maro loko nahitana loko isan-karazany. Rehefa nijery ireo mpikambana maro tao amin’ny paroasiny izy dia niverina tao an-tsainy fa toy ireo penisilihazo ireo, dia tena nitovy izy ireo, saingy ny olona tsirairay dia tena samy miavaka ihany koa.

Niteny izy hoe “Ny loko nentin’izy ireo ho an’ny paroasy sy ho an’izao tontolo izao dia azy ireo manokana. Izy ireo dia samy nanana ny tanjany sy ny fahalemeny manokana, ny zavatra andrandrainy manokana ary ny nofinofy miafina. Saingy rehefa miaraka izy ireo dia mitambatra ho kodiarana manana ny lokon’ny firaisan-kina ara-panahy.” …

“Ny firaisan-kina dia toetra tsara ara-panahy. Izany dia fahatsapana tena tsara an’ilay fiadanana sy ny tanjona izay tonga avy amin’ny maha ao anatin’ny fianakaviana iray… . Izany dia faniriana ny tsara indrindra ho an’ny hafa toy ny hanirianao an’izany ho an’ny tenanao manokana. … Izany dia fahafantarana fa tsy misy olona handeha hanao ratsy anao. [Izay midika fa tsy ho irery na oviana na oviana ianao]”6

Manorina izany firaisan-kina izany isika ary mizara ireo lokontsika manokana amin’ny alalan’ny fiantrana olona: fihetsika ataon’ny tsirairay hanehoana hatsaram-panahy.

Efa natsapa ho irery ve ianao? Mahatsikaritra ireo izay irery ka miaina ao anatin’ny tsy fifaliana ve ianao? Ry zatovovavy, nijery anareo aho rehefa mitondra ny lokonareo miavaka eo amin’ny fiainan’ny hafa ianareo amin’ny alalan’ny tsikinareo sy ny teny feno hatsaram-panahinareo, na ny taratasy kely fankaherezana.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra antsika ny fomba ifandraisana amin’ny namantsika sy ny olona tsirairay izay mifanena amintsika raha niteny tamin’ny zatovovavin’ny Fiangonana izy hoe: “Ry zatovovavy anabaviko sarobidy, miangavy anareo aho hanana fahasahiana hiala amin’ny fitsarana sy ny fitsikerana ireo izay manodidina anareo, ary hanana fahasahiana koa hanao izay ahazoana antoka fa ny tsirairay dia raisina tsara sy mahatsapa ho tiana sy homena lanja.”7

Afaka manaraka ny ohatr’ilay Samaritana Tsara fanahy isika ka “hanova ny tontolon’ny” olona iray monja amin’ny alalan’ny fanehoana fiantrana olona.8 Te hanasa ny tsirairay aminareo aho mba hanao farafaharatsiny fihetsika iray tahaka ny nataon’ilay Samaritana amin’ity herinandro ho avy ity. Mety mitaky ny fijerenao olona ivelan’ireo namana mahazatra anao izany, na mety mitaky ny handresenao ny fahamenaranao. Mety hisafidy amim-pahasahiana ny hanompo olona izay tsy dia miraharaha anareo loatra ianareo. Mampanantena aho fa raha miezaka manao zavatra mihoatra noho izay mora atao ianareo dia tena hanana fahatsapana tsara ao anaty ianareo, hany ka ny hatsaram-panahy dia ho lasa ampahan-javatra iray eo amin’ny fiainanareo isan’andro. Ho hitanareo fa ny fiantrana olona dia afaka mitondra fifaliana sy firaisan-kina eo anivon’ny tokantranonareo, ny kilasinareo, ny paroasinareo ary ny sekolinareo. “Tsarovy izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy.”

Tsy hoe nitia ny rehetra fotsiny ihany ny Mpamonjy fa nanompo ny rehetra Izy. Zarao amin’ny olona maro ny hatsaranareo. Ny antitra sy ny tanora dia afaka ny ho voatahy be tokoa amin’ny alalan’ny asa fanompoana feno fitiavana ataonareo. Efa fony izy mbola zatovolahy ny Filoha Monson no efa nanana foana toerana manokana tao am-pony ho an’ireo zokiolona. Fantany ny lanjan’ny famangiana fohy sy ny tsiky feno fahavononana na ny famihinana ilay tanana efa antitra sy miketrona. Ny fihetsika tsotra maneho fiantrana tahaka izany dia mitondra loko eo amin’ny fiainan’olona iray izay indraindray feno andro lava dia lava sy manirery ary manjombona. Manasa ny tsirairay aminareo aho mba hahatsiaro ny raibe sy ny renibenareo ary ireo zokiolona. Jereo izay ao am-piangonana rahampitso ary mitadiava olona efa nahazo taona izay afaka mampiasa ny karazan-dokonao eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy mitaky zavatra betsaka izany: arahabao amin’ny anarany izy ireo, miresaha amin’izy ireo, mivonona hanampy azy ireo. Afaka manokatra varavarana ve ianareo na manolotra ny fanampiana amin’ny fanaovana zavatra any an-tokantranony na any an-jaridainany? Izay zavatra toa mora ho anareo amin’ny taonanareo dia mety ho asa tena mavesatra ho an’ny olona efa nahazo taona. “Tsarovy izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy.”

Indraindray ilay hoe miantra olona dia tena sarotra atao eo anivon’ny fianakavianareo manokana. Ny fananana fianakaviana mafy orina dia mitaky ezaka. “Mifalia, manampia ary mihevera ny hafa. Olana maro eo anivon’ny tokantrano no mitranga satria miteny sy manao fihetsika feno fitiavan-tena sy haratsiam-panahy ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Aoka ianao hieritreritra izay zavatra ilain’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Aoka ianao ho mpampihavana toy izay ho mpandrangitra sy mpiady ary mpila fifandirana.”9 “Tsarovy izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy.”

Tia ireo ankizy i Jesoa, nitrotro azy ireo ary nitso-drano azy ireo.10 Tahaka ny Mpamonjy dia afaka mitahy ny ankizy rehetra amin’ny alalan’ny hatsaram-panahinao ianao fa tsy ireo izay ao an-tokantranonao ihany.

Mety tsy fantatrareo ny fiantraikan’ny fiainanareo sy ny ohatra asehonareo eo amin’ny ankizy kely iray. Vao haingana aho no naharay taratasy iray avy amin’ny namana iray izay miandraikitra ivo toerana fitsaboana ankizy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray eto an-toerana. Ahitana zatovolahy sy zatovovavy maro izay mpikamban’ny Fiangonana ao amin’io sekoly io. Nizara tamiko ity toe-javatra ity izy: “Rehefa mandeha amin’ny lalantsara miaraka amin’ireo ankizy madinika aho dia mahafinaritra ny mahita fa maro ireo fametrahan’entan’ny mpianatra izay ahitana ny sarin’i Jesoa na tempoly mipetaka eo amin’ny varavarana avy ao anatiny. Nahita ny sarin’i Jesoa tao anatin’ny varavaran’ny fametrahan’entan’ny [zatovovavy] iray izay nisokatra ny iray tamin’ireo ankizy ary niteny hoe: “Jereo, ato am-pianarantsika i Jesoa!” Tohina sy latsa-dranomaso ilay mpianatra ka dia niondrika sy namihina ilay ankizy kely. Nisaotra ilay zatovovavy aho noho ny ohatra tsara nasehony tamin’ny manodidina azy. Manome hery ny mahafantatra fa misy tanora maro izay miezaka ny mijoro ho an’ny fahamarinana ary manao ny anjaran’izy ireo amin’ny fanasana ny Fanahy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo, na dia sarotra aza izany indraindray noho ny tabataba sy ny fahasiahan’ilay tontolo manodidina azy ireo. Manana tanora mahafinaritra isika ato amin’ny Fiangonana.”

Tena manaiky izany tanteraka aho! Ry zatovovavy, manova izao tontolo izao ianareo amin’ny fanaovanareo an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainanareo ary dia “lasa toy ilay tiany hahatongavanareo” ianareo.11

Misaotra noho ny fiainanareo feno fiantrana olona: noho ny fandraisana ireo izay mety tsy mitovy aminareo; noho ny hatsaram-panahinareo amin’ireo namanareo, ireo zokiolona, sy ny fianakavianareo ary ny ankizy madinika; noho ny maha naman’ireo izay manirery anareo sy ireo izay ianjadian’ny olana sy ny ratram-po. Amin’ny alalan’ny fiantranareo olona, dia “mitondra [ny hafa] ho amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy ianareo,”12 Misaotra mahatsiaro ny hoe “Anjarako aloha ny manao tsara fanahy.”

Fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson dia mpaminanin’Andriamanitra ary ny fiainany dia ohatry ny fiantrana olona izay azontsika ianarana. Araho ny mpaminanintsika. Mianara avy amin’ny ohatra asehony ary henoy ny teniny. Mino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho ary fantatro fa naverina teto an-tany ny fisoronana tamin’ny alalan’i Joseph Smith

Fantatro fa velona ny Mpamonjy antsika ary tia ny tsirairay amintsika. Nanome ny ainy ho an’ny rehetra Izy. Mivavaka aho mba hampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika sy “hanaraka ny lalany” amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy ny fifanompoana.13 Raha manao izany isika dia fantatro fa afaka manova izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa satria “Mino isika fa tokony ho antra olona.”14 Izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fanekempinoana 1:13.

  2. Jereo ny Oxford English Dictionary Online, 2nd ed. (1989), “benevolent,” oed.com.

  3. “A moi d’abord de me montrer gentil,” Chants pour les enfants. 83.

  4. “Guardians of Virtue,” Strength of Youth Media 2011: We Believe (DVD, 2010); hita ihany koa ao amin’ny lds.org/youth/video/youth-theme-2011-we-believe.

  5. Lioka 10:25, 27, 29, 30, 33–35.

  6. Jerry Earl Johnston, “The Unity in a Ward’s Uniqueness,” Mormon Times, Feb. 9, 2011, M1, M12.

  7. Thomas S. Monson, “May You Have Courage,” Liahona, Mey 2009, 125.

  8. “Mpiambina Ny Hasina”.

  9. Ry Tanora Mahereza (bokikely, 2001), 10.

  10. Jereo ny Marka 10:16.

  11. “Mpiambina Ny Hasina.”

  12. “Mpiambina Ny Hasina.”

  13. “Mpiambina Ny Hasina.”

  14. Fanekem-pinoana 1:13.