Ny Faniriana
Mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay dia haniry sy hiasa mba hananana ireo toetra takiana mba ho lasa olona maharitra mandrakizay isika.
Nisafidy ny hiresaka mikasika ny lanjan’ny faniriana aho. Manantena aho fa hikaroka ny ao am-pontsika isika tsirairay mba hamantarana ny zavatra tena iriantsika sy ny fomba handaharantsika ireo faniriantsika manan-danja indrindra.
Ny faniriana no milaza izay tokony ho laharam-pahamehantsika, ny laharam-pahamehana no mamolavola ny safidintsika ary ny safidy no mamaritra ny zavatra ataontsika. Ireo faniriana izay asehontsika amin’ny asa no mamaritra ireo fiovana misy eo amintsika, ireo tanjona tratrantsika ary ny iafarantsika.
Voalohany dia hiresaka mikasika ireo faniriana iombonana sasantsasany aho. Amin’ny maha-olombelona antsika dia misy ireo zavatra fototra ilain’ny vatantsika. Ny faniriana te-hanome fahafaham-po ireo zavatra ilaina ireo dia manery ny safidintsika ary mamaritra ireo fihetsika ataontsika. Hisy ohatra telo hanehoana ny fomba handresentsika indraindray ireo faniriana ireo amin’ny alalan’ny faniriana hafa izay eritreretintsika ho manan-danja kokoa.
Voalohany, ny sakafo. Mila sakafo isika, kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia azo toherina amin’ny alalan’ny faniriana mafy hifady hanina izany faniriana izany.
Faharoa, fialofana. Fony aho zazalahikely 12 taona dia nahatohitra ny faniriana hikaroka fialofana aho noho ny faniriana lehibe kokoa tao anatiko ny hanatanteraka ny zavatra iray notakiana tamin’ny Skoto Zazalahy dia ny matory any anaty ala in-dray alina. Isan’ireo zazalahy maro izay nandao ny lay tsara voatra aho ary nahita fomba hanamboarana trano fialofana iray sy fandriana vita amin’ny akora voajanahary izay hitanay teny rehetra teny.
Fahatelo, ny torimaso. Eny fa na dia ity faniriana fototra ity koa aza dia azo toherina ao anatin’ny fotoana voafetra amin’ny alalan’ny faniriana manan-danja kokoa. Fony aho mbola miaramila vao herotrerony tao amin’ny Vondron-tafika tao Utah dia nianatra ohatra iray avy tamin’ny miaramila manamboninahitra iray izay efa zatra ady aho.
Nandritra ireo volana niantombohan’ny Ady tany Korea dia nantsoina hanompo an’ady ny andia-miaramila an-tanetin’ny Vondron-tafika ao Utah tao Richfield. Nahitana lehilahy Môrmôna miisa 40 teo ho eo izany andia-miaramila baikoan’ny Kapiteny Ray Cox izany. Taorian’ny fiofanana fanampiny sy ny fanampian’ireo miaramila am-paneva mena avy tamin’ny toerana maro samihafa azy ireo dia nalefa tany Korea izy ireo, izay niainan’izy ireo karazan’ady faran’izay mafy indrindra tamin’izany ady izany. Nandritra ny fifandonana iray dia tsy maintsy nanohitra fanafihana mivantana nataon’ireo andian-tafiky ny fahavalo an-jatony maro izy ireo, fanafihana izay namotika sy nandrava ireo andian-tafika an-tanety hafa.
Inona no idiran’izany amin’ny hoe fandresena ny faniriana hatory? Nandritra ny alina nampidi-doza iray, izay nibosesehan’ny tafika an-tanetin’ny fahavalo nanatrika ny vavaady sy avy tany amin’ny faritra aoriana izay nipetrahan’ny tafika an-tanety, dia nandidy ireo mpiambina ny faritra manodidina ilay Kapiteny mba hiantso azy manokana amin’ilay telefaonina izay nampifandraisina mivantana tao amin’ny lainy isaky ny adiny iray mandritra ny alina manontolo. Nanao izay tsy hatorian’ireo mpiambina izany, kanefa koa nidika fa nanapatapaka imbetsaka ny torimason’ny Kapiteny Cox izany. “Ahoana no nahafahanao nanao izany?” hoy aho nanontany azy. Ny valinteny nomeny dia naneho ny herin’ny faniriana iray tena manan-danja.
“Fantatro fa raha tafody any an-trano izahay dia hifanena amin’ny ray aman-drenin’ireto tovolahy ireto eny amin’ny araben’ny tanàna kely misy anay, ary tsy tiako ny hifanatrika amin’izy ireo raha toa ka tsy tafody any an-tranony ny zanakalahin’izy ireo noho ny tsy nanaovako izay zavatra tokony ho nataoko amin’ny maha-mpibaiko azy ireo ahy.”1
Tena ohatra amin’ny herin’ny faniriana tena manan-danja hanao izay laharam-pahamehana sy hanao asa izany! Tena ohatra mahery vaika ho antsika tsirairay izay tompon’andraikitra amin’izay mahasoa ny hafa—ny ray aman-dreny ary ny mpitarika sy mpampianatra ato am-piangonana izany!
Ho famintinana izany toe-java-nitranga izany, vao maraimbe taorian’ny alina izay tsy natorian’ny Kapiteny Cox mihitsy dia nitarika ny vatan-dehilahiny hanao valim-panafihana ny tafika an-tanetin’ny fahavalony izy. Nahababo olona 800 mahery teo izy ireo ary roa monja no naratra tamin’izy ireo. Nahazo mari-pankasitrahana noho ny herimpony i Cox, ary ny andia-miaramilany dia nahazo ny Fanehoam-pisaorana manokan’ny Filoha ho an’ny Vondrona vokatry ny herimpon’izy ireo. Ary tahaka ireo zatovolahin’i Helamàna (jereo nyAlmà 57:25–26), dia tafody soa aman-tsara daholo izy ireo.2
Ahitana fampianarana maro mikasika ny maha-zava-dehibe ny faniriana ny Bokin’i Môrmôna.
Taorian’ny ora maro nitalahoana tamin’ny Tompo dia nolazaina i Enôsa fa voavela ny helony. Tamin’izay izy dia “nanomboka nahatsapa faniriana ho an’ny fiadanan’ny fanahin’ireo rahalahiny” (Enôsa 1:9). Nanoratra izy hoe: “Ary … rehefa avy nivavaka sy niasa tamin’ny fahazotoana aho, dia hoy ny Tompo tamiko: Hotoviko aminao araka ny fanirianao noho ny finoanao” (andininy faha-12). Jereo tsara ireo zavatra telo tena manan-danja izay nialoha ireo fitahiana nampanantenaina: faniriana, sy asa ary finoana.
Tao amin’ny toriteny mikasika ny finoana nataon’i Almà dia mampianatra izy fa ny finoana dia afaka manomboka amin’ny “[zavatra] tsy mihoatra ny faniriana hino” raha toa ka “hamela izany hiasa ao amintsika [isika]” (Almà 32:27).
Ny fampianarana lehibe iray hafa mikasika ny faniriana, indrindra momba ny hoe inona no tokony ho faniriantsika faratampony, dia niseho tamin’ny zavatra niainan’ny mpanjakan’i Lamanita izay nampianarin’i Aharôna ilay mpitory filazantsara. Rehefa nahasarika ny sainy ny fampianarana nataon’i Aharôna dia hoy ny mpanjaka nanontany hoe: “Inona no hataoko mba ho azo aterak’Andriamanitra aho” ary “hanana izany fiainana mandrakizay izany?” (Almà 22:15). Namaly i Aharôna hoe: “Raha maniry izany zavatra izany ianao, … raha mibebaka amin’ ny fahotanao rehetra ianao ary miankohoka eo anoloan’ Andriamanitra sy miantso ny anarany amim-pinoana sady mino fa ianao dia handray, amin’ izany dia handray ny fanantenana izay irinao ianao” (andininy 16).
Nanao izany ilay mpanjaka, ary tao anatin’ny vavaka mahery vaika no nanambarany hoe: “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao … ary [hamonjena ahy] amin’ ny andro farany” (andininy faha-18). Vokatr’izany fanoloran-tena sy ny fahafantarana ny faniriany faratampony izany dia voavaly tamim-pahagagana ny vavaka nataony.
Nanam-paniriana goavana ny hitory ny fibebahana ho an’ny olon-drehetra ny mpaminany Almà, kanefa fantany fa tsy tokony haniry ny hanana ilay hery tsy hay toherina takiana amin’ny fanaovana izany izy satria, araky ny nambarany dia “Ilay Andriamanitra marina … [no hanatanteraka] izany amin’ny olona araka ny fanirian’izy ireo, na izany ho fahafatesana, na ho fiainana” (Almà 29:4). Torak’izany ihany koa, ny Tompo dia nanambara tao amin’ny fanambarana maoderina fa Izy “dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony” (F&F 137:9).
Moa ve isika vonona tokoa amin’ny hametrahan’ilay Mpitsara Mandrakizay antsika an’izany zavatra manan-danja lehibe izany eo amin’izay zavatra tena iriantsika?
Maro ireo soratra masina miresaka momba ny zavatra iriantsika manoloana ireo zavatra katsahintsika. “Izay fatra-pitady Ahy dia hahita Ahy ary tsy hafoy” (F&F 88:83). “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara” (F&F 46:8). “Fa izay mitady amim-pahazotoana tokoa no hahita” (1 Nefia 10:19). “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovohana ianareo” (F&F 88:63).
Tsy mora ny manamboatra ny faniriantsika mba hanomezana laharam-pahamehana ireo zavatra mikasika ny mandrakizay. Samy tratran’ny fakam-panahy hanam-paniriana amin’ireto zavatra efatr’izao tontolo izao ireto isika dia ny harena, ny fitadiavana laza, ny voninahitra, ary ny fahefana. Mety maniry an’ireo isika saingy tsy tokony ho laharam-pahamehantsika izy ireo.
Ireo izay hoe ny hahazo harena no faniriany faratampony dia tafalatsaka ao amin’ny fandriky ny fitiavan-karena. Tsy mampandry sofina izy ireo amin’ilay fampitandremana hoe: “Aza mikatsaka ny harena na ny zava-poanan’izao tontolo izao” (Almà 39:14; jereo koa ny Jakôba 2:18 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).
Ireo izay maniry hahazo laza sy voninahitra dia tokony hanaraka ny ohatry ny Kapiteny Môrônia mahery fo, izay tsy “nikatsaka fahefana” na ny “voninahitr’izao tontolo izao” teo amin’ny asa fanompoany (Almà 60:36).
Ahoana no fomba hampivoarantsika ny faniriana? Vitsy ny handalo ilay karazana fotoan-tsarotra izay nanome risim-po an’i Aron Ralston,3 kanefa ny zavatra niainany dia manome lesona sarobidy mikasika ny fampitomboana ny faniriana. Tamin’ny fotoana nihanihan’i Ralston ny harambato iray tena lavitra tany amin’ny faritra Atsimon’i Utah, dia nisy vato lehibe iray milanja 363 kilao nianjera tampoka teo aminy ary nanery ny sandriny havanana. Tao anatin’ny dimy andro dia niady mafy samirery izy mba hanafaka ny tenany. Raha saika hilavo lefona iny indrindra izy ary hanaiky ny ho faty dia nahita tao anatin’ny fahitana zazalahikely iray 3 taona mihazakazaka manatona azy ary nosakambinin’ny sandriny havia. Takany fa izany dia fahitana ilay zanakalahiny hoavy sy fanomezan-toky fa mbola ho velona izy, ka dia nanangona ny herimpony i Ralston ary nanao fihetsika henjana dia henjana mba hamonjena ny ainy alohan’ny tsy hananany hery intsony. Notapahiny ny taolana roa tamin’ny sandriny havanana izay tery ary avy eo dia nampiasainy ny antsy tao anatin’ilay fitaovana iray misy karazan-javatra maro mba hanapahana izany sandriny izany. Nanangona ny heriny izy avy eo mba hihanihana ny 8 kilaometra hitadiavana vonjy.4 Tena ohatry ny faniriana mahery vaika tokoa izany! Rehefa mahazo fahitana amin’ny mety hahatongavantsika isika dia mitombo be ny faniriana sy ny hery entintsika manatanteraka zavatra iray.
Tsy hiatrika velively zava-tsarotra mafy dia mafy toy izany ny ankamaroantsika, kanefa isika rehetra dia mety hiatrika fandrika izay mety hanakana ny fivoarana mankany amin’ny tanjontsika mandrakizay. Raha toa ka mivaivay tokoa ireo faniriana marina ananantsika dia hanosika antsika izany hanasaraka ny tenantsika ho afaka amin’ny zavatra mampiankin-doha antsika sy ireo faneriterena hafa mifono ota ary ireo laharam-pahamehana izay manakana ny fivoarantsika mandrakizay.
Tokony ho tsaroantsika fa ny faniriana marina dia tsy mba mety hoe zavatra tsy misy fotony, na atosi-pihetsehampo na ho amin’ny fotoana voafetra fotsiny. Tokony ho zavatra vokatry ny fo, tsy miovaova ary maharitra izany. Rehefa manam-paniriana tahaka izany isika, dia hikatsaka ny toetra araky ny namaritan’ny Mpaminany Joseph Smith azy, izay “nandresena ny ratsy eo amin’ny [fiainantsika] ary hanafaka ny faniriantsika hanota.”5 Fanapahan-kevitra tena an’ny tena manokana izany. Araky ny nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell hoe:
“Rehefa faritana ho ‘nanafaka ny fanirian’izy ireo hanota’ ny olona, dia izy ireo, ary izy ireo ihany, no nanapa-kevitra malalaka hanala ireo faniriana diso ireo tamin’ny alalan’ny fahavononan’izy ireo ‘hiala an-tsitrapo tamin’ny otan’ [izy ireo] rehetra’ mba hahafantaran’izy ireo an’Andriamanitra.”
“Noho izany, rehefa mandeha ny fotoana, ny zavatra izay iriantsika fatratra no hiafarantsika any aoriana ary izany no ho raisintsika any amin’ny mandrakizay.”6
Na dia manan-danja aok’izany aza ny manary ny faniriana rehetra hanota, dia mbola mitaky mihoatra noho izany ny fiainana mandrakizay. Mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay dia haniry sy hiasa mba hananana ireo toetra takiana mba ho lasa olona maharitra mandrakizay isika. Ohatra, ireo olona maharitra mandrakizay dia mamela ireo rehetra izay nanao diso taminy. Mametraka izay mahasoa ny hafa mialoha ny an’ny tenany izy ireo, ary tia ny zanak’Andriamanitra rehetra. Raha toa ka mety ho sarotra izany—ary mino aho fa tsy ho mora ho antsika tsirairay izany—dia tokony hanomboka amin’ny faniriana ny hanana izany toetra izany isika, ary mangataka ny fanampian’ny Ray any an-danitra be fitiavana mikasika ireo zavatra tsapantsika. Mampianatra antsika ny Bokin’i Môrmôna fa tokony “hivava[ka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo [isika] mba hahazoan[tsika] mameno amin’izany fitiavany izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany” (Môrônia 7:48).
Faranako ny teniko amin’ny ohatra farany mikasika ny faniriana iray izay tokony ho faratampony ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra—ireo izay efa manambady sy ireo tokan-tena. Tokony samy haniry ary hanao asa matotra mifanaraka amin’izany ny rehetra mba hanatanterahana fanambadiana mandrakizay. Ireo izay efa nanambady tany amin’ny tempoly dia tokony hanao ny zava-drehetra azon’izy ireo atao mba hiarovana izany. Ireo izay mbola tokan-tena dia tokony haniry hanao ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary hanao ho laharam-pahamehana ny fanaovana asa mba hahatratrarana izany. Ireo tanora sy zatovo tokan-tena dia tokony hahatohitra ny foto-pisainana azo raisina ho fanaon’ny maro kanefa foto-kevitra diso mandrakizay izay manamaivan-danja ny fanambadiana sy ny fananan-janaka.7
Ry tovolahy tokan-tena, mba diniho ity fanamby nosoratan’ny rahavavy iray tokan-tena tamin’ity taratasy ity. Izy dia nanao fitalahoana mikasika an’ireo “zanakavavin’Andriamanitra miaina amim-pahamarinana izay mikatsaka amin-kitsimpo ilay mpiara-dia mendrika ho azy, kanefa toa jamba sy diso hevitra ireo tovolahy amin’ny hoe tokony ve sa tsy tokony ho andraikiny ny mikaroka ireto zanakavavin’ny Ray any an-danitra mahafinaritra sy voafinidy ireto ary hampiaraka amin’izy ireo ary ho vonona ny hanatanteraka an-tsitrapo sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina any amin’ny tranon’ny Tompo.” Nofaranany izany hoe: “Maro ireo tovolahy tokan-tena OAF (Olomasin’ny Andro Farany) izay faly mandeha mivoaka sy miala voly, ary mampiaraka sy mandehandeha, kanefa tsy mba manana faniriana velively hanao izay mety ho karazana fampanantenana amin’ny vehivavy iray.”8
Mino aho fa misy koa ireo tovolahy izay mikaroka mafy ary te-handre ahy hanampy hoe misy ireo zatovovavy izay manamaivan-danja ny faniriana hanatanteraka fanambadiana sy fananan-janaka noho ny fanirian’izy ireo te-hanana fototr’asa iray na zavatra hafa mitondra voninahitra araka ny fiainana an-tany. Mila manana faniriana marina na ny lahy na ny vavy, izay hitondra azy ireo amin’ny fiainana mandrakizay.
Aoka ho tsaroantsika fa ny faniriana no milaza izay tokony ho laharam-pahamehantsika, ny laharam-pahamehana no mamolavola ny safidintsika ary ny safidy no mamaritra ny zavatra ataontsika. Ho fanampin’izany dia ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika no mahatonga antsika ho lasa olona mendrika iray, na izany ho tonga namana mahatoky, na mpampianatra manan-talenta na olona iray mendrika ny handray ny fiainana mandrakizay.
Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, izay afaka mahatonga izany rehetra izany ho tanteraka amin’ny alalan’ny fitiavany, sy ny fampianarany ary ny Sorompanavotany. Mivavaka aho ny mba haniriantsika mihoatra ny zava-drehetra ny ho tonga tahaka Azy ka indray andro any mba hiverenantsika eo Anatrehany ary handraisantsika ny fahafenoan’ny Fifaliany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.