Ny Sabata sy ny Fanasan’ny Tompo
Aoka ny fianakavianao ho feno fitiavana rehefa manaja ny Sabata ny tontolo andro ianareo ary miaina ireo fitahiana ara-panahy entiny mandritra ny herinandro.
Ry rahalahiko sy anabaviko manerana izao tontolo izao, izao maraina izao dia tonga mba hihaino ny feon’ny mpaminany isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny feo vao avy henontsika teo dia feon’ny mpaminany velon’Andriamanitra eto an-tany ankehitriny, dia ny Filoha Thomas S. Monson. Tena voatahy isika amin’ny fampianarany sy ny ohatra asehony!
Amin’ity taona ity dia manana fahafahana hianatra ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Vaovao isika rehetra amin’ny Sekoly Alahady. Raha toa ny Testamenta Taloha ka fianarana momba ireo mpaminany sy ny vahoaka iray, ny Testamenta Vaovao kosa dia mifantoka amin’ny fiainana sy ny hery misarik’Ilay hany Lehilahy tonga teto amin’ny fiainana an-tany niaraka tamin’ny fiaviana roa dia ny avy any an-danitra sy ny avy eto an-tany—ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, i Jesoa Kristy.
Ny tontolo ankehitriny dia tototry ny fotopampianaran’ny olona hany ka mora ny manadino sy ny manary finoana mikasika ity tantara tena manan-danjan’ny fiainan’ ny Mpamonjy sy ny fanompoany—dia ny Testamenta Vaovao. Io boky masina io no ivon’ny tantara araka ny soratra masina, tahaka ny maha tokony ho ivon’ny fiainantsika ny Mpamonjy tenany mihitsy. Mila manolo-tena ny hianatra izany sy ny hankamamy izany isika!
Misy voahangim-pahendrena tsy voavidy vola hokatsahina ao amin’ny fandalinantsika ny Testamenta Vaovao. Tiako hatrany ny mamaky ireo tantaran’i Paoly raha nandehandeha nanangana ny Fiangonan’ny Mpamonjy izy, indrindra ireo fampianarany an’i Timoty. Ao amin’ny toko fahaefatry ny epistilin’i Paoly ho an’i Timoty dia mamaky isika hoe: “Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro, … fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao, amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”1 Tsy mahita fomba tsara kokoa isika hanombohantsika na hanohizantsika ny ho tonga ohatra ho an’ny mino mihoatra noho ny fanajantsika ny Andro Sabata.
Nanomboka tamin’ny Fahariana izao tontolo izao dia nisy andro iray natokana tamin’ireo hafa rehetra. “Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy.”2 Na dia Andriamanitra aza dia nitsahatra tamin’ny asany tamin’io andro io, ary miandrandra ny zanany Izy mba hanao tahaka izany koa. Ho an’ny zanak’i Isiraely dia nanome didy Izy hoe:
“Mahatsiarova ny andro sabata hanamasinana azy.
“Henemana no hiasanao sy hanaovana ny raharahanao rehetra.
Fa sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito. …
… izany no nitahian’ny Tompo ny andro sabata sy ny nanamasinany azy.”3
Tokony ho tafiditra hatrany ao anatin’ny toromariky ny fanajana ny Sabata ny fanompoana. Taorian’ny nidiran’i Adama sy i Eva tao anatin’ ny fiainana mety maty dia nodidiana izy ireo “[hidera] ny Tompo Andriamaniny ary tokony [hanatitra] ho fanatitra ho an’ny Tompo ny voalohan-teraky ny biby fiompiny… tandindon’ny fanaovan’ny Lahitokan’ny Ray sorona, izay feno fahasoavana sy fahamarinana.”4 Ny fanaovana sorona biby dia nampahatsiahy ny taranak’i Adama fa indray andro any dia hanao sorona ny ainy ho antsika ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy.
Nandritra ny fiainany manontolo dia niresaka momba izany sorona izany ny Mpamonjy.5 Ny alina nialoha ny Fanomboana Azy dia nanomboka ho tanteraka ny teniny. Nanangona ireo mpianany hiaraka tao amin’ny efitra ambony Izy, lavitry ny fandrebireben’izao tontolo izao. Nametraka ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo Izy.
“Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
“Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
“fa ity ny rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.”6
Nanomboka tamin’izany fotoana izany ka hatrizao dia lasa sorona lehibe sy farany ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Rehefa niseho teo amin’ny kaontinanta amerikana taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty Izy dia nanome ny fisoronany an’ireo mpianany sy nametraka ny fanasan’ny Tompo Izy ka nilaza hoe:
“Ary izany dia hoezahanareo mandrakariva hatao … toy izay efa namakiako ny mofo sy nitsofako rano izany ary ny nanomezako izany anareo.
… Ary izany dia ho vavolombelona amin’ny Ray fa mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo.”7
Mahatalanjona fa na dia nandritra ireo fotoana maizin’ny fihemorana aza dia nitohy tamin’ny endrika maro ny fampiharana ny fanompoana amin’ny andro Sabata ary dia mbola nitohy ny fanaovana ny fanasan’ny Tompo tamin’ny endriny maro.
Rehefa naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara dia niseho tamin’ i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny telo tamin’ireo Apôstôly, dia i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, izay nandray voalohany ny fanasan’ny Tompo avy tamin’ny Mpamonjy. Teo ambany fitarihan’izy ireo dia naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana izay nilaina mba hanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.8
Natolotry ny Mpamonjy ireo Mpaminany sy Apôstôliny, ary avy amin’izy ireo mankaty amintsika, izany fahefan’ny fisoronana izany dia mbola mitohy eto an-tany ankehitriny. Ny mpihazona fisoronana tanora manerana ny tany dia manao izay mahamendrika azy ireo mba hampiasa ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fitandremana amim-pahazotoana ny didin’Andriamanitra sy amin’ny fiainana ny fenitry ny filazantsara. Rehefa mitandrina ny tanan’izy ireo sy ny fon’izy ireo ho madio ireo zatovolahy ireo dia manomana sy manamasina ary mizara ny fanasan’ny Tompo amin’ny fomban’ny Tompo—fomba izay voafaritra araka izay nataony 2000 taona lasa izay.
Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no ivon’ny fitandremantsika ny andro Sabata. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mandidy antsika rehetra ny Tompo hoe:
“Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao, dia handeha any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina.
“Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo indrindra. …
… Ary amin’io andro io, dia tsy hanao zavatra hafa ianao.”9
“Raha mandinika ny lamin’ ny Sabata sy ny Fanasan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika manokana isika dia misy zavatra telo izay takian’ny Tompo amintsika. Voalohany, ny hitandrina ny tenantsika tsy hovoapentimpentin’izao tontolo izao. Faharoa, ny handeha any amin’ny trano fivavahana sy hanolotra ny fanati-pisaorantsika. Ary fahatelo, mba hitsahatra amin’ny asantsika.
Zavatra feno voninahitra ny hoe Kristianina, ny miaina amin’ny maha mpanara-dia marina an’i Kristy. Hoy Izy mikasika antsika: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao.”10 Mba hitandremana antsika tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, dia manantena antsika izy mba hiala amin’ny fandrebireben’ny asa aman-draharaha sy ireo toerana fialana voly amin’ny Andro Sabata.
Mino aho fa maniry antsika hiakanjo araka ny tokony ho izy koa Izy. Ireo tanorantsika dia mety mieritreritra fa nilaozan’ny toetrandro ny fomba fiteny hoe “Fitafy Alahady.” Mbola fantatsika anefa fa rehefa manomboka manao ny fitafy andavanandro amin’ny andro Alahady ny olona iray dia manaraka izany ny fihetsika sy ny asa. Mazava ho azy, fa mety tsy ho ilaina ny hanaovan’ny zanantsika akanjo fitafy Alahady hatramin’ny filentehan’ny masoandro. Kanefa amin’ny alalan’ireo akanjo amporisihantsika hanaovan’izy ireo sy amin’ireo fiaraha-mientana omanintsika dia manampy azy ireo isika hiomana ho amin’ny Fanasan’ny Tompo sy hankamamy ny fitahiana entin’izany mandritra ny tontolo andro.
Inona no dikan’ny hoe manolotra fanati-pisaorana ho an’ny Tompo? Manaiky isika fa isika rehetra dia manao fahadisoana daholo. Ny tsirairay amintsika dia mila mibaboka sy mamela ireo fahotantsika sy ireo fahadisoantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny hafa izay mety tafintohana tamintsika. Ny Sabata dia manome fahafahana sarobidy ho antsika mba hanolotra ireo—fanati-pisaorantsika—ho an’ny Tompo. Hoy ny Tompo hoe: “Nefa tsarovy fa amin’io andron’ny Tompo io, dia hanatitra ny fanatitrao sy ny fanati-pisaoranao ho an’ny Avo Indrindra ianao, ary hibaboka ny fahotanao amin’ny rahalahinao sy eo anoloan’ny Tompo.”11
Ny Loholona Melvin J. Ballard dia nanao soso-kevitra hoe: “Tianay ny Olomasina tsirairay hanatona ny latabatry ny fanasan’ny Tompo satria izany no toerana fanadihadihana ny tena sy fanaraha-maso ny tena, izay mety ianarantsika hanitsy ny diantsika sy hanova ho marina ny fiainantsika manokana, ary hitondra ny tenantsika mba hirindra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana sy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika.”12
Rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona fa vonona ny hitondra ny anaran’ny Mpamonjy sy hitandrina ny didiny ary hahatsiaro Azy mandrakariva, mba hananantsika ny Fanahiny miaraka amintsika. Amin’izany fomba izany no hanavaozantsika ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa. Ny Tompo dia nankahery ny Apôstôliny hoe: “Fa isaky ny manao izao ianareo dia hahatsiaro ity ora izay niarahako taminareo ity.”13
Indraindray isika dia mihevitra ny hoe miala sasatra amin’ireo asantsika ho toy ny hoe tsy manao ny anton’asantsika na ny asa andraisantsika karama fotsiny ka mametraka eo amin’ny varavaran’ny fiasana ny soratra hoe “Mikatona.” Kanefa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia tafiditra ao anatin’ny hoe asa ny asa andavanandro eo amin’ny fiainantsika. Azo ampidirina amin’izany ireo asa aman-draharaha izay mety ataontsika ao an-trano, ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena, ary ireo zavatra hafa izay manalavitra antsika amin’ny fanompoana ny andro Sabata sy ny fahafahana manompo ny hafa.
“Aza hamaivanina ireo zava-masina”14 hoy ny nanambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasin’ny Andro farany, tahaka ny hoe mampahatsiahy antsika izay nolazainy tamin’ireo mpanara-dia Azy hoe: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata.”15
Ry rahalahy sy anabavy, amin’izao andro farany izao dia mahomby ny fahavalo rehefa manamaivana ny fanoloran-tenantsika ho an’ny Tompo isika, sy manao tsinontsinona ny fampianarany ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny soratra masina hafa, ary mitsahatra ny manara-dia Azy. Ry ray aman-dreny, izao no fotoana ampianarana ireo zanantsika mba ho fianarana ho an’ny mpino amin’ny fanatrehana ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa tonga ny Alahady maraina, ampio izy ireo mba ho afa-tsasatra tsara sy hiakanjo araka ny tokony ho izy ary ho vonona ara-panahy ny handray ireo tandindon’ny Fanasan’ny Tompo sy handray ny hery manazava sy mampiorina ary manandriana izay avy amin’ny Fanahy Masina. Aoka ny fianakavianao ho feno fitiavana rehefa manaja ny Sabata ny tontolo andro ianareo ary miaina ireo fitahiana ara-panahy entiny mandritra ny herinandro. Asao ireo zanakareo lahy sy ireo zanakareo vavy mba “[h]itsangana ary [h]amirapirat[r]a” amin’ny fitandrovana ny andro Sabata ho masina, mba “hahatonga ny fahazava[n’ izy ireo] ho faneva ho an’ireo firenena.”16
Rehefa mandeha ny taona dia manohy mieritreritra hatrany ireo andro Sabatan’ny fahazazako sy ny fahatanorako aho. Mbola tsaroako ny andro voalohany nizarako ny fanasan’ny Tompo fony aho diakona, ary ireo kaopy vera kely izay nozaraiko tamin’ireo mpikambana tao amin’ny paroasinay. Taona vitsy lasa izay dia nohavaozina ny trano fivavahana iray tao amin’ny tanàna niaviako. Nisy toerana iray tao amin’ny polipitra natao nihidy. Rehefa nosokafana izany dia hita nitoetra niafina taona maro tao ny sasantsasany tamin’ireo vera kely ireo. Nomena ahy ho fahatsiarovana ny iray tamin’izy ireo.
Tsaroako ihany koa ilay fitahirizana entana maintso izay nentinay niaraka taminay tany amin’ny Tafika An-dranomasina Amerikana. Tao anatin’izany fitahirizana entana izany dia nisy filanjana vita tamin’ny hazo sy boaty-na kaopy ho an’ny Fanasan’ny Tompo, mba nahafahanay ho voatahy tamin’ny fiadanana sy ny fanantenan’ny Fanasan’ny Tompo, eny na dia tao anatin’ny fifanoherana sy ny fahakivian’ny ady aza.
Rehefa mieritreritra ireo veran’ny fanasan’ny Tompo tamin’ny fahatanorako ireo aho, ny iray tany amin’ilay lohasaha voahaloka nisy ny tranon’ny fahazazako, ary ny sasany hafa any amin’ny arivo kilaometatra maro any amin’ny Pasifika dia feno fankasitrahana aho noho ny naneken’ny Mpamonjy izao tontolo izao hisotro tamin’ilay “kapoaka mangidy”17 ho fanavotana ahy. Ary satria nanao izany Izy dia afaka miaraka miteny amin’ny mpanao salamo aho hoe: “ny kapoakako feno dia feno”18 an’ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotany tsy misy fiafarany sy mandrakizay.
Amin’ity andro mialohan’ny Sabata ity, raha manomboka izao fihaonambe goavana izao isika dia handeha hahatsiaro ireo fitahiana sy fahafahana izay omena antsika raha manatrika ny fivorian’ny Fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro any amin’ny paroasy sy sampana misy antsika. Andeha isika hiomana sy hitondra ny tenantsika amin’ny andro Sabata amin’ny fomba izay miantso ireo fitahiana nampanantenaina tamintsika ireo ho antsika sy ny fianakaviantsika. Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa ny fifaliana lehibe indrindra raisintsika amin’ity fiainana ity dia ao amin’ny fanarahana ny Mpamonjy. Enga anie isika hitandrina ny Didiny amin’ny fitandrovana ny androny ho masina, izany no fivavako, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.