2011
Ny Toetry ny Maha Mpanara-dia
Mey 2011


Ny Toetry ny Maha Mpanara-dia

Rehefa tonga ho fitsipika mitarika antsika ny fitiavana ao anatin’ny fikarakarantsika ny hafa dia lasa ohatra velona amin’ny fiainana ny filazantsara ny fanompoantsika azy ireo.

Silvia H. Allred

Hatrany am-piandohana, ny Tompo dia nampianatra fa mba hahatonga antsika ho vahoakany dia mila iray fo sy iray saina isika.1 Ny Mpamonjy dia nampianatra ihany koa fa ireo didy lehibe indrindra ao amin’ny lalàna dia ny hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”2 Farany, fotoana fohy taorian’ny nameranana ny Fiangonana tamin’ny laoniny dia nandidy ireo olomasina ny Tompo mba “[h]amangy ny mahantra sy ny sahirana ary [h]anamaivana ny fahoriany.”3

Inona no lohahevitra iraisan’ireo didy rehetra ireo? Ny tokony ifankatiavantsika sy ny ifanompoantsika. Raha ny marina dia toetry ny maha mpanara-dia ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy izany.

Mandritra ny fankalazantsika ny faha 75 taonan’ny fandaharan’asa fifanampian’ny Fiangonana dia ampatsiahivina antsika ireo tanjon’ny fifanampiana dia ny manampy ny mpikambana hanampy ny tenan’izy ireo ho lasa mizaka tena, hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary hanao asa fanompoana. Ny Fiangonana dia nandamina ny loharanony mba hanampiana ny mpikambana hanolotra ho an’ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany ary ny hafa izay zava-mahasoa ara-batana, ara-panahy, ara-piaraha-monina sy ara-pihetseham-po. Tafiditra ao amin’ny anjara asan’ny eveka ny andraikitra manokana hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary ny hanolotra izany loharano izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny. Ao anatin’ny ezaka izay ataony dia ampian’ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana izy, indrindra fa ireo mpamangy isan-tokantrano.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia mpandray anjara feno hatrany tao amin’ny rafitry ny fifanampiana. Tamin’ny nananganan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1842 dia nilaza tamin’ireo vehivavy izy hoe: “Izao no fiandohan’ny andro tsaratsara kokoa ho an’ny mahantra sy ny sahirana.”4 Nilaza tamin’ireo rahavavy izy fa ny tanjon’ny fikambanana dia ny “fanampiana ny mahantra, ny sahirana, ny mananotena sy ny kamboty, ary ho fanatanterahana ireo tanjon’ny fiantrana olona rehetra. … Handraraka diloilo sy divay amin’ny fo maratran’ireo malahelo izy ireo, hamafa ny ranomason’ny kamboty ary hahatonga ny fon’ny mananotena ho ravoravo.”5

Nanambara ihany koa izy fa ny Fikambanana dia “afaka ny hanainga ireo rahalahy hanao asa soa rehefa mikatsaka ireo zavatra ilain’ny mahantra izy ireo—mitady ireo izay mila fiantrana sy manome izay ilain’izy ireo, manampy amin’ny fanitsiana ny toe-tsaina amam-panahy sy ny fanamafisan’orina ny hasin’ny fiaraha-monina.”6

Ankehitriny, ny lehilahy sy ny vehivavin’ny Fiangonana dia miaraka mandray anjara amin’ny fitondrana fanampiana ho an’ireo izay sahirana. Ny mpihazona fisoronana dia manome izay fanohanana ilaina ho an’ireo izay mila fitarihana sy fanampiana ara-panahy. Ny mpampianatra isan-tokantrano entanin’ny fanahy dia mitondra fitahiana eo amin’ireo fiainana maro ary manome ireo fitahian’ny filazantsara ho an’ny vondrom-pianakaviana tsirairay. Ankoatr’izany, izy ireo dia mizara ny tanjaka sy ny talentany amin’ny fomba hafa tahaka ny fanampiana ny fianakaviana iray izay mila fanamboarana ny ao an-tokantranony sy ny fanampiana fianakaviana iray hifindra trano, na ny fanampiana ny rahalahy iray hahita asa izay ilainy.

Ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamangy ireo tokantrano mba hanombantombana ireo filàna mba ho hampitaina amin’ny eveka. Ny mpamangy isan-tokantrano entanin’ny fanahy dia miahy sy mikarakara ireo rahavavy sy ireo fianakaviana. Izy ireo matetika no vahaolana voalohany ao anatin’ny fotoam-pilàna maika. Ny rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia manolotra sakafo, manao asa fanehoam-pitiavana, ary manome fanohanana tsy tapaka mandritra ny fotoam-pitsapàna.

Ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany dia nifaly taloha ary tokony hifaly ankehitriny amin’ireo fahafahana maro ananantsika hanompoana ny hafa. Ny ezaka ataontsika mitambatra dia mitondra fanamaivanana ho an’ireo izay mahantra, na noana na mijaly na malahelo, ary amin’izany dia manavotra fanahy.

Ny eveka tsirairay dia manana ny trano fitehirizan’ny Tompo izay mitsangana rehefa manome ny eveka ampahany amin’ny fotoanany ireo mpikambana mahatoky sy manome ny talentan’izy ireo, ny fahaiza-manaon’izy ireo, ny fangorahan’izy ireo sy ny fitaovan’izy ireo ary izay vola avy amin’izy ireo mba hikarakarana ny mahantra sy ho amin’ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.7 Afaka mandray anjarsa amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo avokoa isika rehefa mandoa ny fanomezana avy amin’ny fifadian-kanina ary manome izay loharano rehetra azontsika omena ny eveka ho fanampiana izay sahirana.

Na dia eo aza ny hafainganan’ny fiovan’izao tontolo izao, ireo fitsipiky ny fifanampiana dia tsy niova niaraka tamin’ny fandalovan’ny fotoana satria fahamarinana nambara avy amin’Andriamanitra izy ireo. Rehefa manao izay rehetra tratrany ny mpikamban’ny Fiangonana sy ireo fianakaviany mba hamelomany tena ka mbola tsy afaka mahafeno ireo zavatra fototra ilaina ihany dia vonona hanampy ny Fiangonana. Ireo zavatra fototra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy dia omena eo no ho eo ary dia apetraka ny drafitra hanampiana ilay mpandray fanampiana ho tonga mahaleo tena. Ny fizakan-tena dia ny fahafahana manome ny tena sy ny ankohonana ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana.

Rehefa mampitombo ny haavon’ny fizakan-tenantsika manokana isika dia mampitombo ny fahafahantsika hanampy sy hanompo ny hafa amin’ny fomba nanaovan’ny Tompo izany. Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika rehefa manompo ireo sahirana, ireo marary ary ireo mijaly. Rehefa tonga ho fitsipika mitarika antsika ny fitiavana ao anatin’ny fikarakarantsika ny hafa dia lasa ohatra velona amin’ny fiainana ny filazantsara ny fanompoantsika azy ireo. Izany no filazantsara amin’ny endriny tsara indrindra. Fivavahana madio izany.

Tamin’ireo andraikitro samihafa tato am-piangonana dia nampanetry tena ahy ny fitiavana sy ny fiahiana asehon’ireo eveka sy ireo mpitariky ny Fikambanana Ifanampiana amin’ireo ondriny. Fony aho filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Tsatòka tany Chili tamin’ny fiandohan’ny taona 1980 dia nandalo olana lehibe ara-toe-karena ny firenena ary dia 30 isan-jato ny tahan’ny tsy fananan’asa. Nahita maso ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana feno herim-po sy ireo mpamangy isan-tokantrano mahatoky nandehandeha “nanao soa”8 aho tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany. Naka tahaka ilay soratra masina ao amin’ny Ohabolana 31:20 izy ireo hoe: “Manatsotra ny tànany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tànany amin’ny mahantra.”

Ny rahavavy izay nanana fianakaviana tsy dia nanana firy dia nanampy tsy tapaka ireo izay noheverin’izy ireo ho sahirana bebe kokoa noho izy. Noho izany dia nahatakatra bebe kokoa ny zavatra hitan’ny Mpamonjy aho raha nanambara Izy tao amin’ny Lioka 21:3–4 hoe:

“Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra:

“Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.”

Taona vitsy taty aoriana dia nahita maso zavatra mitovy tamin’izany ny tenako raha filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Tsatòka tany Argentine rehefa tratran’ny fiakaran’ny vidim-piainana mihoapampana ny firenena ary ny fikororosin’ny toe-karena taorian’izany dia nisy fiantraikany teo amin’ireo mpikambantsika mahatoky. Mbola nahita maso izany indray aho nandritra ireo fitsidihana vao haingana izay nataoko tany Kinshasa any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo; tany Antananarivo, Madagasikara; ary tany Bulawayo, Zimbabwe. Ny mpikamban’ny paroasy na aiza na aiza, ary ireo rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana indrindra indrindra dia mankahery ny olona sy ny fianakaviana ary manampy ireo izay sahirana.

Mahatalanjona ny mieritreritra rahavavy na rahalahy iray manana antso ao amin’ny Fiangonana izay afaka miditra ao amin’ny tokantrano iray izay misy fahantrana, alahelo, aretina, na fahoriana, ary afaka mitondra fiadanana, fanampiana ary fahasambarana ao. Na aiza na aiza misy ilay paroasy na ilay sampana, na lehibe na kely ilay vondrona, ny mpikambana tsirairay maneran-tany dia manana izany fahafahana izany. Mitranga isan’andro izany ary mitranga any ho any amin’izao fotoana izao indrindra.

I Karla dia reny mbola tanora manan-janaka roa. Miasa ora maro i Brent vadiny ary adiny iray no laniny isaky ny miala ao an-tranony izy hankany am-piasana. Fotoana fohy taorian’ny nahaterahan’ny zanak’izy ireo vavy faharoa dia nitantara izao zava-niseho manaraka izao izy: “Ny andro taorian’ny niantsoana ahy ho mpanolotsaina tao amin’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasiko dia tena nahatsapa ho very hevitra aho. Ahoana no fomba ahafahako mandray ny andraikitro amin’ny fanampiana ireo vehivavy ao amin’ny paroasiko kanefa izaho aza efa mitolona amin’ny fanatanterahako ny anjara asako maha vady ahy sy renin’ny zaza roa taona izay mipelipelika sy zazakely vao teraka iray? Raha mbola teo am-pieritreretana izany aho dia narary ilay zanako roa taona. Tsy fantatro tsara hoe inona no tokony hataoko azy sady nikarakara ilay zazakely vao teraka aho. Tamin’izay indrindra no tonga tsy nampoizina tao am-baravarana i Rahavavy Wasden, izay isan’ny mpamangy an-tokantranoko. Amin’ny maha reny manan-janaka lehibe azy dia tena fantany ny tokony hatao mba hanampiana ahy. Niteny tamiko izay tokony hataoko izy dia nandeha tany amin’ny toeram-pivarotana fanafody hividy zavatra vitsivitsy. Nony kelikely dia nataony izay hitsenana ny vadiko teny amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby mba hahafahany mody haingana hanampy ahy. Ny famaliany izay inoako ho bitsika avy amin’ny Fanahy Masina nampian’ny fahavononany hanompo ahy dia tena fanomezana toky avy tamin’ny Tompo fa hanampy ahy hanatontosa ny antsoko vaovao Izy.”

Ny Ray any an-danitra dia tia antsika ary mahafantatra ny toe-piainantsika sy ireo fahaiza-manaontsika manokana. Na dia mikatsaka ny fanampiany ao anatin’ny vavaka isan’andro aza isika dia matetika amin’ny alalan’ny olona hafa no hanomezany izay ilaintsika.9

Ny Tompo dia nilaza hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.”10

Miseho ny fitiavana madion’i Kristy rehefa manao asa fanompoana hanadinoina ny tena isika. Ny fifanampiana dia traikefa masina izay manandratra ny mpandray sy mampietry ny mpanome. Manampy antsika ho mpanara-dia marina an’i Kristy izany.

Ny drafitry ny fifanampiana hatrizay dia fampiharana ny fitsipika mandrakizain’ny filazantsara. Tena manome amin’ny fomban’Andriamanitra izany. Handeha isika tsirairay hanavao ny faniriantsika ho anisan’ny mandrafitra ny trano fitehirizan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fitahiana ny hafa.

Mivavaka aho mba hanomezan’ny Tompo ny tsirairay amintsika ilay fahatsapana famindram-po sy fiantrana ary fangorahana lehibe kokoa. Mitalaho aho mba hitomboan’ny faniriantsika sy ny fahafahantsika mba hitady sy hanampy ireo izay tsy ambinina kokoa sy ireo izay ory ary ireo izay mijaly mba ho azony izay zavatra ilainy ary mba hatanjaka ny finoan’izy ireo ary mba ho feno fankasitrahana sy fitiavana ny fon’izy ireo.

Enga anie ny Tompo hitahy ny tsirairay amintsika rehefa mandeha amin’ny fankatoavana ny didiny sy ny filazantsarany ary ny fahazavany isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.