2011
Tarihin’ny Fanahy Masina
Mey 2011


Tarihin’ny Fanahy Masina

Ny tsirairay amintsika dia tarihin’ny fanahin’ny fanambarana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

President Boyd K. Packer

Efa-jato taona izay no lasa hatry ny namoahana ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka James niaraka tamin’ny fandraisana anjara lehibe nentin’i William Tyndale, izay raisiko ho mahery fo lehibe.

Ny mpitondra fivavahana dia tsy naniry ny handikana ny Baiboly tamin’ny teny anglisy fampiasan’ny rehetra. Nenjehin’izy ireo tamin’ny toerana rehetra i Tyndale. Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Raha manavotra ny aiko Andriamanitra, afaka taona vitsy dia ataoko mahalala betsaka kokoa mikasika ny soratra masina noho ianareo ny ankizilahy mpitarika sarety.”1

Nisy namadika i Tyndale ary notazomina tao amin’ny fonja maizina sy mamanala tany Bruxelles izy nandritra ny herintaona mahery. Rotidrotika ny akanjony. Nitalaho tamin’ireo mpihazona azy izy mba hanome azy ny palitaony sy ny satrony ary labozia iray, ka nilaza hoe: “Tena mahavalaka ny mipetraka irery ao anaty ny haizina.”2 Tsy nomena azy ireo zavatra nangatahiny ireo. Taty aoriana dia notsoahina avy tao am-ponja izy ary nokendaina sy nodorana tamin’ny tsatoka iray nanoloana ny vahoaka maro be. Saingy tsy zava-poana ny asa napetrak’i Tyndale sy ny fahafatesany ho maritiora.

Satria ny ankizy Olomasin’ny Andro Farany dia ampianarina hatramin’ny fahazazany mba hahalala ny soratra masina, izy ireo dia manatanteraka amin’ny ampahany ny faminaniana nataon’i William Tyndale efa-jato taona mialoha.

Ny soratra masintsika ankehitriny dia ahitana ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Noho ny Bokin’i Môrmôna dia antsoina matetika hoe Fiangonana Môrmôna isika, fiantsoana izay tsy lavintsika, saingy fiantsoana izay tsy tena marina.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia niverina namangy ireo Nefita ny Tompo satria nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anarany izy ireo. Ary hoy ny Tompo:

“Inona no tianareo homeko anareo?

“Ary hoy ireo Taminy: Tompo ô, mba tianay ny hilazanao aminay ny anarana izay hiantsoanay ity fiangonana ity; fa misy fifanjihirana eo anivon’ny vahoaka momba izany zavatra izany.

“Ary hoy ny Tompo taminy … , nahoana ny vahoaka no mimonomonona sy mifanjihitra noho izany zavatra izany?

“Tsy efa novakiany va ny soratra masina, izay milaza fa ianareo dia tsy maintsy mitondra eo aminareo ny anaran’i Kristy … ? Fa amin’izany anarana izany no hiantsoana anareo amin’ny andro farany. …

“Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ny anarako izany; koa antsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana; ary hantsoinareo amin’ny anarako ny Ray mba hitahiany ny fiangonana noho ny Amiko.

“Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ny anarako izy? Fa raha antsoina amin’ny anaran’i Mosesy ny fiangonana iray, dia fiangonan’i Mosesy izy amin’izany; na raha antsoina amin’ny anaran’ny olona iray izy, dia fiangonan’io olona io izy amin’izany; fa raha antsoina amin’ny anarako kosa izy, dia fiangonako izy amin’izany, raha toa izy ireo ka miorina amin’ny filazantsarako.”3

Noho ny fankatoavana ny fanambarana dia miantso ny tenantsika ho Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika fa tsy hoe Fiangonana Môrmôna. Raha miantso ny Fiangonana ho Fiangonana Môrmôna na miantso antsika ho Môrmôna ny olona hafa dia tsy maninona izany, raha toa ka isika kosa no manao izany dia zavatra hafa indray.

Ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe:

“Tsy mitsaha-mitombo ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ilay anarana voambara dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (F&F 115:4) eo amin’ny andraikitsika hanambara ny anaran’ny Mpamonjy manerana izao tontolo izao. Mifanaraka amin’izany dia angatahanay, rehefa miresaka ny Fiangonana isika, ny mba hampiasana ny anarany feno na aiza na aiza maha-mety izany.

“Rehefa miresaka ny mpikamban’ny Fiangonana isika dia manao soso-kevitra izahay ny ampiasana ny anarana hoe ‘mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.’ Raha hampiasa fanafohizana dia aleo mampiasa ny anarana hoe ‘Olomasin’ny Andro farany’.”4

“[Ny Olomasin’ny Andro Farany] dia miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”5

Afaka miresaka mikasika antsika araka izay tiany izao tontolo izao saingy amin’ny resaka ataontsika dia tsarovy mandrakariva fa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika.

Ny sasany dia milaza fa tsy Kristianina isika. Na izy ireo tsy mahafantatra antsika mihitsy, na izy ireo diso hevitra.

Ato amin’ny Fiangonana dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefana sy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ny ôrdônansy rehetra.6 Manana ny lamina mitovy tamin’ny lamina nisy tamin’ny Fiangonana fahiny isika ahitana apôstôly sy mpaminany.7

Fahiny dia nanokana Apôstôly Roambinifolo ny Tompo. Nisy namadika Izy ary dia nohomboana. Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty dia nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy nandritra ny 40 andro ary dia niakatra tany an-danitra Izy avy eo.8

Saingy nisy zavatra tsy ampy. Andro vitsy taty aoriana dia nivory tao amin’ny trano iray ny Roambinifololahy ary “nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. … Lela maro mitarehin’afo [no]… nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona … Ary samy feno Fanahy Masina izy rehetra.”9 Voatafy hery ankehitriny ireo Apôstôliny. Takatr’izy ireo fa ny fahefana nomen’ny Mpamonjy sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia tena nilaina ho an’ny fananganana ny Fiangonany. Nodidiana izy ireo hanao batisa sy hanome ny fanomezan’ny Fanahy Masina.10

Taty aoriana dia lasa ny Apôstôly sy ny fisoronana nohazonin’izy ireo. Nilaina ny famerenana tamin’ny laoniny ny fahefana sy ny hery entina mitantana. Nandritra ny taonjato maro dia niandrandra fatratra ny fiverenan’ny fahefana sy ny fananganana ny Fiangonan’ny Tompo ny olona.

Tamin’ny taona 1829 dia naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fisoronana tamin’ny alalan’i Jaona Mpanao Batisa sy ny Apôstôly Petera sy Jakoba ary i Jaona. Ankehitriny dia tendrena ho amin’ny fisoronana ireo mpikambana lehilahy mendrika ao amin’ny Fiangonana. Izany fahefana izany sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina mifandray amin’izany, izay omena ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra aorian’ny batisa, dia mampiavaka antsika amin’ny fiangonana hafa rehetra.

Fanambarana iray tany am-piandohana no manoro ny “mba hahazoan’ny olona tsirairay kosa miteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.”11 Ny asan’ny Fiangonana ankehitriny dia tanterahin’ny olon-tsotra lahy sy vavy nantsoina sy notohanana hiahy, sy hampianatra ary hitantana. Amin’ny alalan’ny herin’ny fanambarana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina no mandray fitarihana ireo izay voaantso mba hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo. Ny sasany dia mety tsy hanaiky ny zavatra toy ny hoe faminaniana sy fanambarana ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina, saingy raha te-hahatakatra ny mikasika antsika izy ireo dia mila mahatakatra fa manaiky ireo zavatra ireo isika.

Ny Tompo dia nanambara tamin’i Joseph Smith lalàna iray mikasika ny fahasalamana dia ny Tenin’ny Fahendrena, fotoana maro talohan’ny nahafantaran’izao tontolo izao ireo loza mifandraika amin’izany. Ampianarina ny rehetra hiala amin’ny dite mahery, ny kafe, ny zava-pisotro mahery, ny paraky sy ny sigara ary, mazava ho azy, ny karazana zava-mahadomelina sy akora mampiankin-doha rehetra, izay eo anoloan’ny tanorantsika hatrany. Ireo izay mankato izany fanambarana izany dia ampanantenaina hoe “hahazo fahasalamana eo amin’ny foitrany ary tsoka ho an’ny taolany;

“Ary hahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ny fahalalana izy ireo, dia rakitsoa miafina;

“Ary hihazakazaka izy ireo fa tsy ho sasatra ary handeha fa tsy ho reraka.”12

Ao amin’ny fanambarana iray hafa, ny fenitry ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena dia mandidy ny iarovana ny fahefana masina manome aina sy ny ampiasana izany raha tsy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mpivady ihany.13 Ny fampiasana io fahefana io tsy araka ny tokony ho izy dia fahotana lehibe izay tsy misy afa-tsy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny sy ny fandavana ny Fanahy Masina ihany no lehibe noho izany.14 Raha misy mandika ny lalàna dia mampianatra ny fanalàna ny vokatr’izany fandika lalàna izany ny fotompampianaran’ny fibebahana.

Sedraina ny tsirairay. Mety mihevitra ny olona iray fa tsy rariny ny miatrika fakam-panahy manokana izay tsy atrehan’ny hafa, saingy izany no tanjon’ny fiainana mety maty—ny ho sedraina. Ary ny valin-teny dia mitovy ho an’ny rehetra: tokony ary afaka hanohitra ny karazana fakam-panahy rehetra isika.

“Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”15 dia mifototra amin’ny fiainam-pianakaviana. Ny lehilahy no lohan’ny tokantrano ary ny vehivavy vadiny no ivon’ny tokantrano. Ary ny fanambadiana dia fiaraha-miasa iray tantana. Ny lehilahy iray Olomasin’ny Andro Farany dia lehilahy tompon’andraikitra amin’ny fianakaviany sy mahatoky ao amin’ny filazantsara. Vady sy ray feno fiahiana sy fanoloran-tena izy. Manaja ny maha-vehivavy izy. Ny vehivavy dia manohana ny vadiny. Ireo ray aman-dreny dia samy miantoka ny fivoarana ara-panahin’ny zanak’izy ireo.

Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia ampianarina ny hifankatia sy ny hifamela heloka amin-kitsimpo.

Ny fiainako dia niova noho ny patriarka marina iray. Nanambady ny malalan’ny fony izy. Tena nifankatia fatratra izy ireo ary tsy ela dia bevohoka ny zanak’izy ireo voalohany ramatoa.

Ny alina nahaterahan’ilay zazakely dia nisy ny fahasarotana. Ny hany dokotera tokana nisy dia tany amin’ny toerana tany ambanivohitra tany ho any, nikarakara marary. Taorian’ny ora maro nihetsehan’ny zaza dia nanomboka ho tsy nisy antenaina ny fahasalaman’ilay reny. Nony farany dia hita ilay dokotera. Tao amin’ny fahamaizana dia niasa faingana izy ary dia tsy ela dia teraka ilay zazakely ary toa tapitra ilay fotoan-tsarotra. Saingy andro vitsy taty aoriana dia maty ilay reny tanora noho ilay otrik’aretina izay notsaboin’ilay dokotera tany amin’ny tokantranon’ny marary iray hafa io alina io ihany.

Nirodana ny tontolon’ilay lehilahy tanora. Rehefa nandeha ny herinandro dia nihombo hatrany ny alahelony. Tsy dia nieritreritra zavatra hafa ankoatr’izay izy, ary tao anatin’ny ngindin’ny fahatezerany dia lasa nandrahona izy. Raha ankehitriny, dia tsy misy fisalasalana fa mety ho namporisihana izy hitory ilay dokotera noho ny asa tsy zarizary, toy ireny hoe hamaha ny olana rehetra ireny ny vola.

Indray alina dia nisy nandondona tao am-baravarany. Niteny fotsiny ny ankizy vavikely iray hoe “Mitady anao i Daddy. Te hiresaka aminao izy.”

I “Daddy” dia ilay filohan’ny tsatoka. Ny torohevitra avy tamin’izany mpitarika hendry izany dia izao fotsiny ihany: “Avelao ho any izany ry John. Tsy misy zavatra azonao hatao ka afaka hamerina azy. Ny zavatra rehetra mety ho ataonao dia vao mainka hanaratsy ny toe-javatra. John, avelao any izany.”

Izany no fisedrana ho an’ilay namako. Ahoana no ahafahany mamela izany? Fahadisoana lehibe no nitranga. Nitolona izy mba hamehy ny tenany ary nony farany dia tapa-kevitra izy fa tokony hankato ary hanaraka ny torohevitr’io filohan’ny tsatoka hendry io. Ho avelany ho any izany.

Hoy izy hoe: “Efa lahy antitra aho vao nahatakatra sy afaka nahita dokotera iray any ambanivohitra mampalahelo—vesaran’ny asa betsaka loatra, kely karama, mivezivezy sy reraka mitety marary, tsy dia nisy fanafody firy, tsy nisy hôpitaly, vitsy fitaovana, mitolona mba hamonjy aina, ary dia mahomby amin’ny ankapobeny. Tonga nandritra ny fotoan-tsarotra izy, raha aina roa no teo ambavahoan’ny fahafatesana, ary dia niasa tsy nisy hatak’andro izy. Takatro ihany nony farany!” Hoy izy: “Saika nanimba ny fiainako aho sy ny fiainan’ny hafa.”

Nisaotra ny Tompo ombieny ombieny izy teo am-pandohalihana noho ny mpitarika hendry iray ao amin’ny fisoronana izay nanoro hevitra fotsiny hoe: “Avelao any izany ry John.”

Manodidina antsika isika dia mahita mpikamban’ny Fiangonana izay tafintohina. Ny sasany dia tafintohana noho ny zavatra nitranga teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana na teo amin’ireo mpitarika ary mijaly mandritra ny fiainan’izy ireo manontolo, tsy mahavita manadino ny fahadisoan’ny hafa. Tsy avelan’izy ireo ho any izany. Ary dia lasa mangatsiaka izy ireo.

Izany fihetsika izany dia toa tahaka ny lehilahy iray voadonan’ny fikapohana baolina fampiasa amin’ny “golf”. Amin’ny fahatezerana dia maka fikapohana baolina iray izy ary dia ny lohany ihany no kapohiny tsy tapaka amin’izany mandritra ny androm-piainany manontolo. Hadalana izany! Mampalahelo izany! Izany karazana valifaty izany dia fampijalian-tena. Raha tafintohina ianao dia mamelà, adinoy ary avelao ho any izany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra izao fampitandremana izao: “Ary ankehitriny, raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’Andriamanitra mba ho hita tsisy pentina ianareo eo amin’ny toeram-pitsaran’i Kristy.”16

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia tena toy ny olona rehetra. Ankehitriny dia manerana izao tontolo izao ny 14 tapitrisa amintsika. Mbola fiandohany ihany izao. Nampianarina isika ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy ho isan’izao tontolo izao.17 Noho izany dia miaina fiainana tsotra ao anaty fianakaviana tsotra eo anivon’ny mponina amin’ny ankapobeny isika.

Nampianarina isika tsy handainga na hangalatra na hamitaka.18 Tsy mampiasa fiteny tsy maontina isika. Mahita ny lafy tsaran’ny fiainana isika sy faly ary tsy matahotra ny fiainana.

Isika dia vonona ny “hiara-malahelo amin’izay malahelo… ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika].”19

Raha misy olona mitady fiangonana izay tsy mitaky zavatra atao betsaka dia tsy ity izany fiangonana izany. Tsy mora izany hoe Olomasina izany, saingy raha ny lavitr’eazaka no dinihana dia izany no hany làlana marina.

Ary na dia eo aza ny fanoherana na ny “ady, tabataban’ady ary horohorontany any amin’ny toerana samihafa,”20 tsy misy hery na hery misarika afaka mampitsahatra ity asa ity. Ny tsirairay amintsika dia tarihin’ny fanahin’ny fanambarana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina. “Toy ny tsy ahafahan’ny olona maninjitra ny sandriny malemy mba hanakanana ny reniranon’i Missouri tsy hikoriana amin’ny lalany efa voatendry, na hampiakatra azy hanoha riana, no tsy ahafahana manakana ny Tsitoha tsy hampidina fahalalana avy any an-danitra ho eo ambony lohan’ny Olomasin’ny Andro Farany.”21

Raha mitondra enta-mavesatra ianao, adinoy izany, avelao any izany. Mamelà heloka be dia be ary mba mibebaha ihany, ary dia hovangian’ny Fanahy Masina ianao sy ho hamafisina amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona izay tsy mbola fantatrao hoe nisy. Hisy hiahy ianao ary ho voatahy—ianao sy ny ankohonanao. Fanasana hanatona Azy izao. Ity fiangonana ity—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo,”22 Izy mihitsy no nanambara izany—no toerana ahitana ilay “drafitra lehiben’ny fahasambarana.”23 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.