Ny Herin’ny Fisoronana
Aoka isika ho mpihazona mendrika ny hery masin’ny fisoronana izay hazonintsika. Enga anie hitahy ny fiainantsika izany ary ho ampiasaintsika entina hitahiana ny fiainanan’ny hafa.
Nivavaka sy nandalina naharitra aho mikasika ny zavatra hoteneniko anio hariva. Tsy maniry ny hanafintohina an’iza na iza aho. Nieritreritra aho hoe: “Inona moa ireo fanamby atrehantsika? Inona ireo zavatra iainako isan’andro ka mahatonga ahy hitomany tsindraindray amin’ny alina?” Nieritreritra aho fa hiresaka mikasika ny sasantsasany amin’ireo fanamby ireo anio hariva. Azo ampiharina ho an’ny zatovolahy ny sasany amin’izy ireo. Azo ampiharina ho an’ireo vantombatony amin’ny taona ny sasany amin’izy ireo. Ary ho an’ireo zokinjokiny kely ny sasantsasany amin’izy ireo. Tsy hiresaka amin’ireo antitra kosa isika.
Ka dia te-hanomboka ity fotoana ity aho amin’ny filazana tsotra fotsiny hoe nahasoa antsika tokoa ny fiarahana tamin’ity takariva ity. Nandre hafatra mahafinaritra sy mifanentana amin’ny fisoronan’Andriamanitra isika. Nahazo hery sy voaentana ara-panahy niaraka taminareo aho.
Anio hariva aho dia te-hiresaka mahakasika ireo zavatra izay nanitikitika ny saiko fatratra faramparany izay tsapako fa tokony ho zaraina aminareo. Na amin’ny fomba ahoana na manao ahoana izany rehetra izany dia mifandraika amin’ny fahamendrehan’ny tena manokana izay takiana mba handraisana sy hampiasana ny hery masin’ny fisoronana izay hazonintsika.
Mamela ahy hanomboka amin’ny fitanisana aminareo ny ao amin’ny fizarana 121 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:
“Fa ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra, ary … ny herin’ ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.
“Marina fa azo atolotra antsika ireo zo ireo; kanefa rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, na ny hampanarana ny fiavonavonantsika sy ny hambom-pontsika poaka aty, na ny hampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ ny fanahin’ ny zanak’olombelona, na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ny tsy fahamarinana amin’ izany, dia indro, misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ ny fisoronana na ny fahefan’ izany lehilahy izany.”1
Ry rahalahy, izany dia teny mandidy avy amin’ny Tompo mahakasika ny Fahefany masina. Tsy afaka ny hisalasala isika mahakasika ny andraikitra avy amin’izany andalan-tsoratra masina izay apetraka eo amintsika tsirairay izay mihazona ny fisoronan’Andriamanitra izany.
Tonga eto an-tany amin’ny fotoana mahaory isika. Ny fenitra ara-pitondrantena iainan’ny be sy ny maro dia efa nitontongana tsikelikely amin’ny endriny hoe “azoko atao daholo izay tiako atao.”
Efa ela niainana aho ka nanatri-maso ny fitontonganana ara-pitondran-tenan’ny fiaraha-monina. Nisy fotoana saika nitovy ny fenitra eo am-piangonana sy ny fenitra iainana eo amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny dia misy hantsana goavana manasaraka antsika ary tsy mitsahatra mihamalalaka hatrany izany.
Maro ireo horonantsary sy fandaharana amin’ny fahitalavitra izay mampiseho fihetsika mifanohitra tanteraka amin’ireo lalàn’Andriamanitra. Aza manaiky ho resy lahatra amin’ny fahalotoana amin’ny endriny mibaribary na ankolaka izay matetika hita etsy sy eroa. Tafiditra ao anatin’izany laharan-javatra izany koa ny tononkiran’ny ankamaroan’ireo hira ankehitriny. Ny fanimbazimbana izay manenika tokoa ny manodidina antsika ankehitriny dia tsy ho azo noleferina tamin’ny fotoana taloha izay vao tsy ela akory. Mampalahelo fa tonontononina foana imbetsaka dia imbetsaka tokoa ny anaran’ny Tompo. Handeha hotsaroantsika miaraka ilay didy—iray amin’ireo folo—izay nambaran’ny Tompo tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.”2 Malahelo aho fa na iza na iza amintsika dia mirona amin’ny fiteny tsy maontina ary dia miangavy aho ny hanajanonana ny fampiasana izany. Milela-paladia aho ny mba tsy hitenenanareo na hanaovanareo zavatra izay tsy hahafahanareo mirehareha ny aminy.
Alaviro tanteraka ny pôrnôgrafia. Aza manandrakandrana mijery izany akory. Voaporofo fa zavatra mampiankin-doha isan’ny sarotra ialana indrindra izany. Ialao ny zava-pisotro misy alikaola sy ny sigara sy ny paraky na rehefa mety zava-mahadomelina hafa, izay mampiankin-doha ary sarotra ialana ihany koa.
Inona no hiaro anareo amin’ireo ota sy faharatsiana manodidina anareo? Manambara aho fa ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka ny amin’ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany dia hanampy hitarika anareo amin’ny toerana azo antoka. Raha mbola tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia vakio izany. Tsy mangataka anareo mba hanangan-tanana aho. Raha mamaky izany amim-bavaka sy amim-piniavana ianareo mba hahafantatra ny fahamarinana, dia ny Fanahy Masina no haneho ny fahamarinan’izany aminareo. Raha marina izany—ary izany tokoa no izy—dia mpaminany izany i Joseph Smith izay nahita an’Andriamanitra Ray sy an’i Jesoa Kristy Zanany. Marina ny Fiangonana. Raha toa ka mbola tsy manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo ianareo dia ataovy izay ilaina atao mba hahazoana izany. Zava-dehibe ho anareo ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana, satria ny fijoroana ho vavolombelon’ny hafa dia tsy afaka ny hanampy anareo ho lasa lavitra. Rehefa avy nandray fijoroana ho vavolombelona ianareo dia mila mihazona sy mampiaina izany amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina tsy tapaka. Mandehana any am-piangonana. Ianareo ry zatovolahy, manaova seminera na institiota ianareo raha misy an’izany any aminareo.
Raha sendra misy zavatra tsy mety eo amin’ny fiainanareo dia misy lalana foana hivoahana amin’izany. Atsaharo ny fiainana tsy am-pahamarinana. Miresaha amin’ny evekanareo. Na inona na inona olana dia azo vahana amin’ny alalan’ny fibebahana marina izany. Afaka ny ho voadio indray ianareo. Hoy ny Tompo, raha niresaka mahakasika ireo izay mibebaka, “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,”3 “ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”4
Namaritra ny tenany ho eto amin’izao tontolo izao ny Mpamonjin’ny zanak’olombelona fa tsy naman’izao tontolo izao.5 Isika ihany koa dia afaka ny ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao rehefa mandà ny foto-kevitra sy fampianarana diso ary mijanona ho mahatoky amin’izay zavatra nandidian’Andriamanitra antsika.
Ankehitriny dia nieritreritra betsaka anareo tovolahy tanora aho izay amin’ny taonan’ny fanambadiana kanefa mbola tsy mahatsapa ny hiroso amin’izany. Mahita tovovavy maha-te-ho tia aho, izay maniry ny ho alaina vady ary hanana fianakaviana, saingy voafetra ihany ny fahafahany satria manemotra ny firosoana amin’ny fanambadiana ireo tovolahy tanora.
Tsy toe-javatra vaovao izany. Maro ny zava-boalaza mahakasika io resaka io izay nataon’ireo Filohan’ny Fiangonana teo aloha. Zaraiko aminareo ny iray na roa fotsiny amin’ny torohevitr’izy ireo.
Hoy ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Tsy manatanteraka ny adidintsika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika isika rehefa tsy manambady amin’ny fotoana tokony hanaovana izany ary manakana ny tenantsika tsy hanatanteraka fanambadiana feno haja miaraka amin’ireto tovovavy maha-te-ho tia.”6
Nilaza toy izao ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Malahelo … ireo rahavavy tokan-tena ny foko, izay mikatsaka mafy ny fanambadiana kanefa tsy mety mahita izany. … Tsy faly amin’ireo tanora zatovolahy kosa aho, izay noho ny fombafomban’ny fiaraha-monintsika dia manana ny andraikitra ny hanapa-kevitra raha ny mahakasika izany resaka izany kanefa tsy manao izany.”7
Tsikaritro fa misy antony maro izay mahatonga anareo hisalasala hanao izany dingan’ny fanambadiana izany. Raha toa ka miahiahy mahakasika ny fiainana ara-bola ho anareo sy ny vadinareo ianareo dia mamela ahy hanome toky fa tsy mahamenatra ho an’ny mpivady ny voatery mihafy sy manangona. Amin’ny ankapobeny dia mandritra ireo fotoam-pahasahiranana ireo no mampifanatona bebe kokoa ny mpivady rehefa eo am-piezahana hahafoy tena sy mandray fanapahan-kevitra sarotra. Angamba mety ho matahotra ny hanao safidy diso ianareo. Raha ny mahakasika izany dia miteny aho hoe mila mampihatra finoana ianareo. Mitadiava olona izay mifanentana aminareo. Fantaro anefa fa tsy afaka ny haminavina ny olana rehetra izay mety hitranga ianareo, fa mahazoa toky fa ho azo vahàna ny zava-drehetra raha toa ka mitady vahaolana ianareo ary raha toa ka manolo-tena ianareo hanao izay hampamety ny fanambadianareo.
Angamba mety mahazo fahafinaretana loatra ianareo amin’ny maha-mpitovo anareo, mandeha fialan-tsasatra diso tafahoatra, mividy fiara sy kilalao lafo vidy ary mifaly tsotr’izao amin’ny fiainana tsy mivaky loha miaraka amin’ireo namana. Nifanena tamin’ny vondrona tanora toa anareo aho izay nandehandeha niaraka, ary miaiky aho fa nanontany tena mihitsy hoe nahoana no tsy miaraka amin’ny tanora tovovavy mahafatifaty izy ireo.
Ry rahalahy misy fotoana izay tokony hieritreretana amim-pahamatorana mahakasika ny fanambadiana ary hitadiavana namana izay irinareo hiara-dalana aminareo mandrakizay. Raha misafidy amim-pahendrena ianareo, ary raha toa ka manolo-tena hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadianareo, dia tsy hisy zavatra eto amin’ity fiainana ity ka hitondra fahasambarana lehibe mihoatra izany ho anareo.
Rehefa manambady ianareo ry rahalahy, dia haniry ny hanambady any amin’ny tranon’ny Tompo. Satria ho anareo izay mihazona ny fisoronana dia tokony tsy hisy safidy hafa. Mitandrema, fandrao handrava ny fahafahanareo hanatontosa fanambadiana toy izany. Afaka mampiaraka amin’ny fomba madio ianareo kanefa sady mahazo fahafinaretana amin’ny fotoana iarahana ihany koa.
Ankehitriny ry rahalahy dia hijery zavatra hafa aho izay tsapako fa tokony horesahina aminareo. Tao anatin’ny telo taona hatramin’ny nanohanana ahy ho Filohan’ny Fiangonana dia mino aho fa ny andraikitra mampalahelo sy mahakivy indrindra dia ny fandraisana fanapahan-kevitra hanafoanana ny famehezana. Nialohavan’ny fanambadiana feno fifaliana tany amin’ny Tranon’ny Tompo ny tsirairay tamin’izy ireny, izay nanombohan’ny mpivady vao ny fiainam-baovao miaraka ary niandrandrany ny hiarahan’izy ireo hatramin’ny mandrakizay. Ary rehefa nandeha ny volana sy ny taona dia maty ny fitiavana, noho ny antony maro samihafa. Mety ho vokatry ny olana ara-bola izany, na ny tsy fahampian’ny fifampiresahana, na ny fahatezerana tsy voafehy, na ny fifamaliana teo amin’ny rafozana na fisafotofotoana tamin’ny ota. Misy antony maro azo heverina. Amin’ny ankamaroany dia tsy voatery ho fisaraham-panambadiana no iafarany.
Ny ankamaroan’ny fangatahana mba hanafoana ny famehezana dia avy amin’ireo vehivavy izay niezaka tamim-pahakiviana hampamety ny fanambadiana kanefa, taorian’ny fanombatombanana farany, dia tsy naharesy ireo olana.
Safidio amim-pitandremana sy amim-bavaka izay ho namanareo; ary rehefa manambady ianareo dia aoka hisy fifampitokisana tanteraka eo aminareo. Misy torohevitra sarobidy hitako indray mandeha teo amin’ny takelaka kely iray tao an-tokantranon’ny dadatoa sy nenitoako. Toy izao izany: “Safidio izay ho tianao; ary tiavo izay nosafidinao.” Misy hevi-pahendrena lehibe fonosin’ireo teny vitsivitsy ireo. Tena zava-dehibe indrindra ny fanoloran-tena eo amin’ny fanambadiana.
Mitovy lenta aminareo ny vadinareo. Ao amin’ny fanambadiana dia tsy misy hoe ambony na ambany kokoa noho ilay iray hafa. Miara-dalana ianareo amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra anareo. Tsy natao ho ambanimbaniana na haratsiratsiana ny vehivavy fa tokony omena haja sy tiavina. Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Raha misy lehilahy ato amin’ity Fiangonana ity izay … mampihatra fanjakazakana tsy voahevitra amin’[ny vadiny] dia tsy mendrika ny hihazona ny fisoronana. Na dia atao hoe notendrena aza izy dia misintona ny lanitra, malahelo ny fanahin’ny Tompo ary ho amena ho an’ny fisoronan’izany lehilahy izany.”8
Nilaza toy izao ny Filoha Howard W. Hunter mahakasika ny fanambadiana hoe: “Ny fahitana fifaliana sy fahombiazana ara-panambadiana dia amin’ny ankapobeny tsy noho ny hoe nanambady an’ilay olona tena izy fa hoe efa ilay olona tena izy ianao.” Tiako izany. “Ny ezaka hanao am-piheverana ny anjaran’ny tena feno no singa lehibe indrindra mahatonga ny fahombiazana.”9
Taona maro lasa izay tao amin’ny paroasy izay niadidiako fony aho eveka dia nisy mpivady izay matetika misy tsy fitovian-kevitra goavana sy manahirana. Tena tsy fitovian-kevitra be tokoa no tiako tenenina. Izy roa dia samy mitohika amin’ny heviny. Ary tsy te-handefitra amin’ilay iray hafa. Rehefa tsy mifamaly izy ireo dia miezaka miaina ilay antsoiko hoe sarintsarin’ny fampiatoan’ady.
Indray andro tamin’ny 2 ora maraina dia nandray antso an-tariby avy tamin’ireto mpivady ireto aho. Te-hiresaka tamiko izy ireo ary tiany raha teo no ho eo no hanaovana izany. Niarina tamim-pahalainana avy tao am-pandriana aho, niakanjo ary nandeha tany an-tranony. Nipetraka nifanatrika izy ireo teo amin’ny efitrano ary tsy nifampiresaka. Tamin’ny alalako no niresahan’ilay vehivavy tamin’ny vadiny. Avy eo dia amin’ny alalako no hamalin-dralehilahy ny vadiny. Niasa saina aho hoe: “Ahoana loatra re no fomba handaminako ireto mpivady ireto e?”
Nivavaka aho mba hahazo fitaomam-panahy ary dia tonga tato an’eritreritro ny hametraka azy ireo fanontaniana iray. Hoy aho: “Hafiriana izay no lasa taorian’ny nandehananareo tany amin’ny tempoly ka nanatrehanareo famehezana tany amin’ny tempoly?” Niaiky izy ireo fa tena efa ela mihitsy izay. Izy ireo anefa dia olona mendrika izay mihazona ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly ary nanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo hafa koa.
Hoy aho tamin’izy ireo hoe: “Handeha hiaraka amiko ho an’ny amin’ny tempoly ve ianareo amin’ny Alarobia maraina amin’ny valo? Hanatrika fotoana famehezana any isika.”
Niara-nanontany izy ireo hoe: “An’iza?”
Hoy aho namaly hoe: “Tsy fantatro. Ho an’izay mifanambady amin’izany andro maraina izany fotsiny.”
Ny Alarobia manaraka tamin’ilay ora voatondro dia nihaona teo amin’ny Tempolin’i Salt Lake izahay. Niditra ny efitrano kanton’ny famehezana izahay telo, tsy nahafantatra na iza na iza afa-tsy ny Loholona ElRay L. Christiansen, izay Mpanampy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tamin’izany, toerana Manampahefana Ambony izay nisy tamin’izany fotoana izany. Voalamina fa hanao famehezana ny mpivady tao amin’izany efitrano izany indrindra ny Loholona Christiansen tamin’io maraina io. Mino aho fa nieritreritra izao ny fianakavian’ilay vavy hoe: “Naman’ny lahy angamba ireto,” ary ny fianakavian’ilay lahy hoe: “Naman’ny vavy angamba ireto.” Ireo mpivady niaraka tamiko dia nipetraka teo amin’ilay seza lava nifanelanelana teo amin’ny enimpolo santimetatra teo ho eo.
Nanomboka tamin’ny torohevitra ho an’ireo mpivady izay hatao raharaha ny Loholona Christiansen, ary nataony tamin’ny fomba nahafinaritra tokoa izany. Nilaza momba ny fomba tokony hitiavan’ny lahy ny vadiny izy ary ny fomba tokony hanehoany fanajana azy, ary ny fankasitrahana azy amin’ny maha-fon’ny tokantrano azy. Avy eo dia niresaka tamin’ny vavy amin’ny fomba tokony hanajany ny vadiny izy amin’ny maha-lohan’ny tokantrano azy ary ny tokony hanohanany azy amin’ny endriny rehetra.
Tsikaritro fa nandritra ny firesahan’ny Loholona Christiansen tamin’ireto mpivady ireto, dia nifanatona tsikelikely koa ilay mpivady niaraka tamiko. Tsy ela dia nifanakaiky mihitsy izy ireo. Ny nahafinaritra ahy dia samy nikisaka tamin’ny fotoana iray izy ireo. Tamin’ny fiafaran’ilay fotoana dia nifampitakisina mihitsy ilay mpivady niaraka tamiko toy ireny hoe izy ireo ireny indray no mpivady vao. Samy nitsiky koa izy roa.
Nivoaka ny tempoly izahay tamin’izany andro izany ary tsy nisy nahafantatra hoe iza izahay ary inona no nahatongavanay teo, saingy nifampitantana ireto namako ireto teo am-pivoahana ny varavarana. Nilamina ny tsy fitovian-kevitr’izy ireo. Tsy nila niteny aho na indraim-bava aza. Hitanareo fa tsaroan’izy ireo ny fotoam-panambadiany sy ny fanekempihavanana izay nataony tany amin’ny tranon’Andriamanitra. Nanolo-tena ny hamerina hanomboka indray izy ireo ary hiezaka mafy kokoa amin’ity indray mitoraka ity.
Raha toa ka misy manana olana amin’ny fanambadianareo ianareo dia mamporisika anareo aho mba hanaovanareo izay rehetra ilaina handravonana izany, mba ho faly toy ny tamin’ny fotoana nanombohanareo ny fanambadianareo indray ianareo. Isika izay vita fanambadiana tany amin’ny Tranon’ny Tompo dia manao izany ho an’izao fiainana izao sy ho an’ny mandrakizay, ary avy eo tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ilaina hahatontosana izany. Hitako fa misy toe-javatra izay tsy afaka hanavotana intsony ny fanambadiana, kanefa mandray fahatsapana mivaivay aho fa ho an’ny ankamaroan’ny hafa dia afaka ary tokony ho avotra izany. Aza avela ho tonga amin’ny toe-javatra mety hitera-doza ny fanambadianareo.
Nampianatra ny Filoha Hinckley fa safidintsika tsirairay avy izay mihazona ny fisoronan’Andriamanitra ny mamehy ny tenantsika mba hahafahana miaina araky ny fenitra ambony kokoa noho ny an’izao tontolo izao. Zava-dehibe anefa ny tokony haha-lehilahy maontina sy manan-kaja antsika. Tokony tsy ho azo kianina ny fihetsika ataontsika.
Ny teny izay lazaintsika, ny fomba hifandraisantsika amin’ny hafa ary ny fomba fiainantsika dia hisy fiantraikany eo amin’ny fahombiazantsika amin’ny maha-lehilahy na zatovolahy mpihazona ny fisoronana antsika.
Tsy voavidy vola ny fanomezana avy amin’ny fisoronana. Ahitana ny fahefana amin’ny maha-mpanompo hanaovana ny asan’Andriamanitra, hametrahan-tanana ireo marary, hitahiana ny fianakaviantsika ary hitahiana ny hafa izany. Ny fahefany dia manan-kery mihoatra ny voalin’ny fahafatesana, ary hatramin’ny mandrakizay. Tsy misy zavatra azo oharina amin’izany eto amin’izao tontolo izao. Tandrovy izany, kolokoloy izany, tiavo izany ary manàna fiainana mendrika izany.10
Ry rahalahiko malala, enga anie ka hitarika ny dingana tsirairay eo amin’ny fiainantsika ny fahamarinana. Aoka isika ho mpihazona mendrika ny hery masin’ny fisoronana izay hazonintsika, anio ary ho mandrakizay. Enga anie hitahy ny fiainantsika izany ary ho ampiasaintsika entina hitahiana ny fiainan’ireo hafa, toy ny nataon’ilay izay niaina sy maty ho antsika—dia i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Izany no vavaka ataoko amin’ny Anarany masina, amena.