2011
Loholona Randall K. Bennett
Mey 2011


Loholona Randall K. Bennett

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder Randall K. Bennett

Tao anatin’ny tena nahombiazan’ny asany tamin’ny naha-mpahaimanitsinify azy no nahazoan’i Randall Kay Bennett sy ny vadiny “fahatsapana miavaka” mba handeha hanao asa fitoriana. Nidika izany fa mila mivarotra ny tranony haingana izy ireo.

Tsy tonga dia niseho anefa ny anton’izany bitsika izany—Telo taona vao lafo ny tranon’izy ireo, dingana noraisina izay “nila faharetana” ary nitaky ny mba “hampisehoan’izy ireo ny Tompo fa tena manolo-tena tokoa izy ireo,” hoy ny Loholona Bennett. “Nanohy naneho fahatokiana ny Tompo izahay ary niezaka ny nitoetra teo akaikiny tamin’ny alalan’ny fandehanana tany amin’ny tempoly, ny fandalinana soratra masina isan’andro, ny vavaka, ny fifadian-kanina ary ny fanompoana ny hafa.”

Fotoana fohy taorian’ny nahalafo tanteraka ny tranony dia voantso mba hanompo tao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera ao Provo ny Loholona Bennett ary avy eo dia lasa filohan’ny Misiônan’i Russie Samara.

“Tena nahatalanjona—sy nampanetry tena—ny fahafantarana fa ny Tompo dia nieritreritra anay ary nanomana anay,” hoy ny Loholona Bennett. “Lasa nahafantatra izahay fa mahalala ny eritreritra ao an-tsainay sy ny zavatra tsapan’ny fonay ny Tompo. Hainay ny natoky fa Izy dia mahafantatra zavatra tsara kokoa noho izahay sy mahafantatra zavatra bebe kokoa noho izahay ary tia anay.”

Ankoatr’ireo antsony toy ny naha mpikambana iray azy tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy sy naha filohan’ny misiôna azy, ny Loholona Bennett dia efa filoha sy mpanolotsain’ny sampana tao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera, mpikambana iray tao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny Zatovolahin’ny sampana ary efa nanana antso hafa maro toy ny misiônera tany amin’ireo Misiônan’i France Paris sy France Toulouse.

Ny Loholona Bennett dia nahazo mari-pahaizana ho dokotera mpitsabo nify avy tao amin’ny oniversiten’i Alberta (Kanadà) ary nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fahaiza-manitsy nify avy tao amin’ny Oniversiten’i Loma Linda ao Californie Atsimo, Etazonia.

Ny Loholona Bennett dia teraka tamin’ny Jiona 1955 tao Magrath, Alberta, Kanada. Ny ray aman-dreniny dia i Donald Kay Bennett sy Anne Darlene Long. Izy dia nanambady an’i Shelley Dianne Watchman tamin’ny 23 Aprily 1977 tao amin’ny Tempolin’i Cardston Alberta. Manan-janaka efatra izy ireo.

Hamoaka printy