Manoatra Noho ny Mpandresy Isika Amin’ny Alalan’Ilay Tia Antsika
Tsy natao hitsapana antsika fotsiny ihany ireo fisedrana ireo. Tena manan-danja izy ireo amin’ny làlana mankany amin’ny fitafiana ny toetra araka an’Andriamanitra.
Tafiditra anatin’ny fiainana an-tany ny fitsapana sy ny fisedrana ary ny fahoriana, ary ny sasantsasany amin’ireo fisedrana atrehantsika eo amin’ny fiainana dia mety ho mahery vaika tokoa. Na aretina izany, na fivadiham-pitokisana, na fakam-panahy, na ny fahafatesan’ny olona tiana, na ireo loza voajanahary na ny fizahan-toetra hafa, na ny fahoriana dia ao anatin’ny zavatra iainantsika amin’ny fiainana eto an-tany. Maro no nanontany tena mikasika ny antony tokony iatrehantsika ireo fanamby sasantsasany. Fantatsika fa ny antony iray dia ny hanomezana fizahan-toetra ny finoantsika mba hahitana raha toa hanao ny zavatra rehetra nodidian’ny Tompo isika.1 Soa ihany fa ity fiainana an-tany ity no sehatra lavorary iatrehana—sy andalovana—ireo fitsapana ireo.2
Saingy ireo fisedrana ireo dia tsy natao hitsapana antsika fotsiny ihany. Tena manan-danja izy ireo amin’ny làlana mankany amin’ny fitafiana ny toetra araka an’Andriamanitra.3 Raha toa ka misedra ireo fahoriana ireo araka ny tokony ho izy isika dia ho atokana ho tombontsoantsika izy ireo.4
Ny loholona Orson F. Whitney dia nilaza hoe: “Tsy misy fanaintainana izay iaretantsika, tsy misy fisedrana izay lalovantsika ka ho very foana. … Ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra rehefa mandalo izany amin’ny faharetana isika dia manorina ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika ary mahatonga antsika ho malefaka sy manana fiantrana kokoa, … Amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny asa mafy sy ny fahoriana, no ahazoantsika ireo fampianarana, izay antony nahatongavantsika eto.”5
Vao haingana dia nisy zazalahy kely sivy taona nahitana karazana homamiadan’ny taolana izay tsy fahita firy. Nanazava ny aretina sy ny fitsaboana izany ny dokotera, izay nahitana ny fanaovana chimiothérapie mandritra ny volana maro sy fandidiana goavana. Nilaza izy fa tena ho fotoan-tsarotra ho an’ilay zazalahy kely sy ny fianakaviany izany, saingy nampiany hoe: “Manontany ahy ny olona hoe: ‘Mbola hitovy amin’izao ve aho rehefa vita izao zavatra izao?’ Milaza amin’izy ireo aho hoe: ‘Tsia, tsy hitovy intsony ianao. Tena ho matanjaka kokoa ianao. Hampitolagaga ianao!’”
Indraindray dia toa miantefa amin’ny sehatry ny fiainantsika sy ireo ampahany amin’ny maha-isika antsika izay toa manahirana antsika indrindra ireo fisedrantsika. Satria ny fivoaran’ny tena manokana no vokatra katsahina avy amin’ireny fanamby ireny, dia tsy tokony hahagaga raha mahakasika mivantana ny tenantsika manokana ireo fisedrana ireo—saika voafantina amin’ny antsipiriany ho an’ny filàntsika sy ny fahalementsika manokana izy ireo. Ary tsy misy afa-miala amin’izany, indrindra moa fa ireo olomasina izay mitolona mba hanao ny marina. Ny olomasina mpankato sasantsasany dia mety hanontany hoe: “Fa maninona no izaho? Miezaka ny ho tsara aho! Maninona ny Tompo no mamela izao hitranga?” Ny memin’ny fahoriana dia manampy manadio, eny, na dia ny tsara indrindra amin’ny olomasina aza, amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hanala ireo loto eo amin’ny fiainan’izy ireo ary mahatonga azy ireo ho madio kokoa.6 Na dia ny akora lavorary indrindra aza dia ilaina diovina mba hanalàna ireo loto. Ny hoe tsara dia tsy ampy. Te-ho tonga tahaka ny Mpamonjy isika, izay nianatra raha niaritra ny fanaintainana sy ny fahoriana ary ny fakam-panahy isan-karazany.7
Ny Làlan’i Crimson any amin’ny Andian-tendrombohitr’i Logan no isan’ny fianihana tendrombohitra tiako indrindra. Ny ampahany lehibe indrindra amin’ny làlana dia miakatra tsimoramora hatrany an- tampon’ny havoana avo feno tsaoka ary manome toerana fitazanana ny hatsaran-tarehin’ny andian-tendrombohitra sy ny lonaka ery ambany. Tsy mora anefa ny fahatongavana eny an-tampon’ny havoana. Ny làlana mankany dia fiakarana mitohy, ary alohan’ny hahatrarana ny tampony, ny mpianika dia misedra ny ampahany mideza indrindra amin’ny làlana, ary ireo andian-tendrombohitra dia afenin’ireo havoana. Ny asa mafy farany dia mendrika loatra ny ezaka natao, satria vantany vao tonga eo an-tampony ianao dia mampitolagaga ny zavatra tazana manoloana. Ny hany fomba ahitana izany dia ny mianika ihany.
Ny fitrangan-javatra ao amin’ny soratra masina sy eo amin’ny fiainana dia mampiseho fa ny fitsapana maizina sy mampidi-doza indrindra matetika dia mialoha ireo toe-javatra mampitolagaga sy fivoarana lehibe tokoa. “Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana.”8 Voafandrika teo anoloan’ny Ranomasina Mena ny zanak’i Isiraely talohan’ny nizaran’izany ho roa.9 Niatrika loza sy ny fahatezerana avy tamin’ny rahalahiny ary tsy fahombiazana maro i Nefia talohan’ny nahafahany nahazo ireo takela-barahina.10 I Joseph Smith dia voagejan’ny herin’ny ratsy mafy dia mafy tokoa hany ka toy ireny voaozona ny ho fongana tampoka ireny izy. Rehefa saika vonona hidina ao amin’ny famoizam-po izy dia nampiasa ny heriny rehetra izy hiantso an’Andriamanitra, ary tamin’izay fotoana izay indrindra dia novangian’ny Ray sy ny Zanaka izy.11 Matetika dia miatrika fanoherana sy fahoriana ireo naman’ny Fiangonana rehefa manakaiky ny batisan’ izy ireo. Ireo reny dia mahafantatra fa ireo fanambin’ny fiterahana dia mialohan’ny fahagagan’ny fahaterahana. Mahita fitahiana mahafinaritra ombieny ombieny isika aorian’ny fisedrana lehibe.
Raha nanodidina ny 19 taona teo ny renibeko dia nanana aretina nihombo izay nahatonga azy ho narary tokoa. Nilaza izy taty aoriana hoe: “Tsy afaka nandeha aho. Ny tongotro ankavia dia narary ahy mafy rehefa nijanona teo am-pandriana nandritra ny volana maro aho. Ireo taolana dia nalemy tahaka ny spaonjy, ary rehefa nametraka ny tongotro tamin’ny tany aho dia toy ireny main’ny herinaratra ireny.”12 Na dia tsy niala teo am-pandriana aza izy ary tamin’ny faratampon’ny fijaliany dia nahazo sy nianatra ireo bokikely avy tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Niova fo izy ary natao batisa taty aoriana. Imbetsaka no manampy antsika ho amin’ny zavatra iray faran’izay manan-danja ny fanamby iray manokana.
Eo anivon’ireo olana dia saika tsy ho vita ny mahita fa ireo fitahiana ho avy dia lehibe lavitra noho ny fanaintainana sy ny fahafaham-baraka na ny ratram-po izay mety lalovantsika amin’izao. “Fa ny famaizana rehetra dia tsy atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.”13 Ny apôstôly Paoly dia nampianatra hoe: “Fa ny fahorianay maivana izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay.”14 Mahaliana ny ampiasan’i Paoly ny teny hoe “fahoriana maivana.” Izany teny izany dia avy amin’ny olona izay nokapohina, notoraham-bato, rendrika an-tsambo, notanana an-tranomaizina, ary nandalo fisedrana maro hafa.15 Tsy mino aho fa maro amintsika no hiantso ny fahoriantsika hoe maivana. Kanefa raha ampitahaina amin’ireo fitahiana sy fivoarana izay azontsika any am-parany, eto amin’ity fiainan’ity sy any amin’ny mandrakizay dia tena maivana tokoa ny fahoriantsika.
Isika dia tsy mikatsaka ireo fitsapana sy fisedrana ary fahoriana. Ny diantsika manokana mamakivaky ny fiainana dia hanome antsika ny anjara marina mifandraika amin’ny filantsika. Maro ireo fisedrana no ampahany voajanahary amin’ny fiainantsika eto an-tany ihany, saingy manana anjara asa manan-danja izy ireo eo amin’ny fivoarantsika.
Rehefa nanakaiky ny faran’ny fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nandalo ny fisedrana sarotra indrindra izay nisy hatrizay Izy—ilay fijaliana tsy takatry ny saina tao Getsemane sy tao Golgota. Izany dia nialoha ilay fitsanganana amin’ny maty feno voninahitra sy ny fampanantenana fa hitsahatra ny fijaliantsika rehetra indray andro any. Ny fijaliany dia nilaina hahatonga ilay fasana ho foana tamin’io marain’ny Paska io ary ho an’ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainantsika mandrakizay hoavy.
Indraindray dia te-hivoatra tsy misy fanamby isika sy te-hatanjaka tsy mila miatrika olana. Saingy tsy azo amin’ny fandehanana amin’ny làlana mora ny fivoarana. Fantatsika tsara fa ny mpanao fanatanjahan-tena izay mandà ny fanazaran-tena mafy dia tsy ho tonga mpanao fanatanjahan-tena avo lenta na oviana na oviana. Tokony hitandrina isika mba tsy hankahala ireo zavatra izay manampy antsika indrindra hitafy ny toetra araka an’Andriamanitra.
Tsy misy fisedrana iray izay atrehantsika ka mihoatra ny fahazakantsika satria dia afaka mahazo fanampiana avy amin’ny Tompo isika. Mahay ny zavatra rehetra isika ao amin’Ilay mampahery antsika.16
Rehefa sitrana avy tamin’ny fanambin’ny aretina lehibe iray ny Loholona Robert D. Hales dia nizara izao manaraka izao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana: “Tamin’ny fotoana sasantsasany dia niteny tamin’ny Tompo aho fa azo antoka fa efa nianatra ireo lesona tokony nianarana aho ary tsy ho nilaina intsony ny handalovako fijaliana amboniny kokoa. Ny fangatahana tahaka izany dia toa tsy nisy fiantraikany, fa niseho mazava tamiko fa ilay làlan’ny fanadiovana avy amin’ny fitsapana dia nila niaretana tao amin’ny fotoan’ny Tompo sy tamin’ny fomban’ny Tompo manokana. … Izaho dia … nianatra fa tsy ho avela irery hiatrika ireo fisedrana sy fahoriana ireo aho fa ireo anjely mpiambina dia hiaraka amiko. Nisy ireo izay tena tahaka ny anjely niseho tamin’ny endrika dokotera, mpitsabo mpanampy, ary indrindra indrindra, i Mary namako malala. Ary nisy fotoana, rehefa nirian’ny Tompo izany dia nankaherezin’ny fitsidihan’ny vahiny avy any an-danitra aho izay mitondra fankaherezana sy fanomezan-toky tamin’ny fotoana nilako izany.”17
Tia antsika ny Raintsika any an-danitra ary fantatsika fa “na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra dia tohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy, sy ny fahasahiranana ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany.”18 Indray andro any rehefa tonga any am-pitan’ny voaly isika dia tiantsika raha tsy ilay lazain’ny olona hoe: “Tsara, nahavita ianao” fotsiny no rentsika. Fa iriantsika kosa ny hitenenan’ny Tompo hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”19
Tiako ny tenin’i Paoly hoe:
“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? …
“Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.”20
Fantatro fa velona Andriamanitra ary velona i Jesoa Kristy Zanany. Fantatro ihany koa fa amin’ny alalan’ny fanampian’izy ireo dia afaka ny “hanoatra noho ny mpandresy” amin’ny fahoriana atrehantsika eo amin’ny fiainana isika. Afaka ho tonga tahaka Azy ireo isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.