Ny Fahagagana Ateraky ny Sorompanavotana
Tsy misy fahotana na fandikan-dalàna, na fanaintainana, na fahoriana, izay tsy sitran’ny Sorompanavotany.
Nandritra ny fanomanana ny lahateniko amin’ity fihaonambe ity, dia nahazo antso an-tariby tsy nampoizina avy tany amin-draiko aho. Nilaza izy fa maty io maraina io teo am-patoriana ny zandriko lahy. Vaky ny foko. Vao 51 taona monja izy. Rehefa nieritreritra azy aho dia nahatsapa ny hizara aminareo ny sasany amin’ny tranga nisy teo amin’ny fiainany. Ataoko izany rehefa nahazo lalana aho.
Tamin’ny fahatanorany dia tena tsara tarehy, tia namana ary nivelatra tamin’ny rehetra ny rahalahiko―ary nanokan-tena tanteraka tamin’ny filazantsara. Taorian’ny nanompoana tamim-boninahitra tamin’ny asa fitoriana, dia nanambady ny malalany tany amin’ny tempoly izy. Nahazo fitahiana mba hanana zanakalahy iray sy zanakavavy iray izy ireo. Feno fampanantenana ny hoaviny.
Kanefa dia tafalatsaka tamin’ny fahalemeny izy. Nisafidy hiaina ny rendrarendra izy, izay nampisy fiantraikany hatrany amin’ny fahasalamany, ny fanambadiany, ary ny naha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana.
Niala lavitra ny tokantrano izy. Nanohy ny fiainan-dratsiny manimba izy tao anatin’ny folo taona mahery, kanefa ny Mpamonjy dia tsy nanadino na nandao azy. Taty aoriana ny fijaliana nateraky ny fahadisoam-panantenany dia namela ny fanahin’ny fanetren-tena hiditra ny fanahiny. Ilay fahatsapany feno hatezerana, sy fikomiana sy toetra mpihetraketraka dia nanomboka nisinda. Tahaka ilay zanaka adala, dia “tonga saina izy.”1 Nanomboka nanatona ny Mpamonjy izy ary nanomboka niverin-dalana nody tany amin’ny ray aman-dreny mahatoky izay tsy nety leo azy izy.
Nandalo ny lalan’ny fibebahana izy. Tsy mora izany. Taorian’ny nialany ny Fiangonana nandritra ny 12 taona, dia naverina natao batisa indray izy ary nandray indray ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Naverina tamin’ny laoniny taminy indray ny fisoronany sy ireo fitahian’ny tempoly.
Nahazo fitahiana mba hahita vehivavy iray izay tsy nanisy olana tamin’ny fisian’ny aretina nitaiza azy izay azony tamin’ny fiainany teo aloha, ary dia nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo. Ary dia nanan-janaka roa izy ireo. Nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny episkôpà izy nandritra ny taona maro.
Nodimandry tamin’ny Alatsinainy maraina 7 Martsa ny rahalahiko. Ny Zoma hariva talohan’io dia mbola tany amin’ny tempoly izy mivady. Ny Alahady maraina, andro talohan’ny nahafatesany, dia nampianatra lesona tao amin’ny fisoronana izy tao amin’ny vondron’ny mpisorona avo nisy azy. Namonjy ny fandriany izy ny harivan’io, ary tsy nifoha intsony teto amin’ity fiainana ity―kanefa dia hifoha indray amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty.
Feno fankasitrahana aho amin’ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana teo amin’ny fiainan’ny rahalahiko. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia natao hatrany ho antsika tsirairay avy.
Mandray ny sorompanavotana isika amin’ny alalan’ny fibebahana. Rehefa mibebaka isika, dia avelan’ny Tompo ho hadinontsika ny fahadisoantsika taloha.
“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.
“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany.”2
Isika tsirairay avy dia samy efa nahafantatra olona niharan’ny fitsapana lehibe tokoa teo amin’ny fiainany―tao ireo izay diso lalana na very. Ireo olona ireo dia mety ho namana na fianakaviana, ray aman-dreny na zanaka, na koa vady. Mety ho ianao ihany koa izany olona izany.
Miteny amin’ny rehetra aho, na dia ianao io aza. Miresaka momba ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana aho.
Tonga hanavotra ny olona amin’ny Fahalavoan’i Adama ny Mesia.3 Ny zava-drehetra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitarika mankany amin’ny sorompanavotan’ny Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra.4
Ny drafitry ny famonjena dia tsy ho tanteraka raha tsy nisy ny sorompanavotana. “Noho izany dia Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-po, mba hanefa ny fitakian’ny fahamarinana ka hahatonga an’Andriamanitra ho Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa.”5
Ny sorompanavotana dia tsy maintsy ho nentin’ilay Zanak’Andriamanitra tsy manan-tsiny, satria ny olona lavo dia tsy afaka ny hanonitra ny fahotan’ny tenany.6 Ny Sorompanavotana dia tsy maintsy ho tsisy fetra sy mandrakizay―mba hihatra ho an’ny olona rehetra, hatramin’izay ka ho mandrakizay doria.7
Tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany no nanoneran’ny Mpamonjy ny fahafatesan’ny olona rehetra.8 Ny Sorompanavotany dia nanomboka tao amin’ny sahan’ny Getsemane ary nitohy hatreny amin’ny hazo fijaliana, ary nifarana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty.
“Eny, … dia hoentina toy izany Izy hohomboana sy hovonoina, fa ny nofo dia efa zary fehezin’ny fahafatesana ary ny sitrapon’ny Zanaka dia efa voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray.”9 Tamin’ny alalan’ny sorompanavotany dia nataony “ho fanatitra noho ny fahotana ny fanahiny.”10
Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’Andriamanitra Azy, dia nandova ny hery entina handresena ny fahafatesana ara-nofo Izy. Izany dia namela Azy haharitra eo amin’ny fiainany, raha nijaly izy “mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana; fa indro mivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ ny olony.”11
Tsy nanonitra fotsiny ny saran’ny otan’ny olon-drehetra Izy, fa nandray ihany koa “eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony.” Ary nandray “ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po, … araka ny nofo mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”12
Ny Mpamonjy dia nahatsapa ny vesatry ny alahelon’ny olombelona rehetra―ny alahelon’ny fahotana sy ny fahoriana. “Nitondra marina tokoa ny fahoriantsika Izy ary nivesatra ny alahelontsika.”13
Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia tsy ny mpanota ihany no nositraniny; fa nositraniny ihany koa ireo tsy manan-tsiny izay nijaly noho ireo fahotana ireo. Rehefa mampihatra ny finoana amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ireo tsy manan-tsiny ary mamela ny helok’ireo mpanota, dia afaka ny ho sitrana koa izy ireo.
Misy ny fotoana izay “ilaintsika tsirairay avy miala amin’ny fahatsapana ho meloka avy amin’ny fahotana sy hadisoana.”14 Rehefa mibebaka isika, dia hanala ny fahatsapana ho meloka amin’ny fanahintsika ny Mpamonjy.
Amin’ny alalan’ny sorompanavotany dia voavela ny fahotantsika. Ankoatra ny fahotan’ny fahaverezana, ny Sorompanavotana dia natao ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra, na manao ahoana halehibe na hakelin’ny fahotana, “raha tahìny ka mibebaka.”15
Noho ny Fitiavany tsy manam-petra, i Jesoa Kristy dia nanasa antsika hibebaka mba tsy hizakantsika ny vesatry ny fahotantsika manontolo:
“Mibebaha, fandrao … ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.
“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;
“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;
“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy.”16
Ny Mpamonjy dia manolotra fahasitranana ho an’ireo izay mijaly vokatry ny ota. “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”17
I Jesoa Kristy no Ilay Mpanasitrana Lehibe ny fanahintsika. Ankoatra ireo fahotan’ny fahaverezana, dia tsy misy fahotana na fandikan-dalàna, na fanaintainana, na fahoriana, izay tsy sitran’ny Sorompanavotany.
Rehefa manota isika, dia lazain’i Satana hoe very. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Mpanavotra antsika dia manolotra fanavotana ho an’ny rehetra—na inona na inona hadisoana vitantsika—na dia izaho sy ianao io aza.
Rehefa mibanjina ny fiainanao manokana ianao, moa ve misy zavatra tokony hovainao? Nanao hadisoana ve ianao ka mbola mila fanitsiana izany?
Raha toa ianao ka mijaly amin’ny fahatsapana ho meloka na nenina manindrona ny heritreritra, ngidiny na hatezerana, dia manasa anao aho mba hikatsaka fiadanana. Mibebaha ary mialà amin’ny fahotanao. Ary avy eo mivavaha, mangataha famelan-keloka amin’Andriamanitra. Mikatsaha famelan-keloka amin’ireo izay nanaovanao hadisoana. Mamelà ny helok’ireo izay nanao ratsy anao. Mamelà ny tenanao.
Manatona ny eveka raha ilaina. Izy no iraka mpitondra famindram-po avy amin’ny Tompo. Hanampy anao izy amin’ny tolona ataonao mba ho tonga madio.
Mirotsaha anaty vavaka sy fandalinana soratra masina. Rehefa manao izany ianao, dia hahatsapa ny fitaomam-panahin’ny Fanahy Masina. Ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “hamasino ny tenanareo; eny, diovy ny fonareo ary sasao eo anoloako … ny tananareo, mba hahazoako manadio anareo.”18
Rehefa madio isika amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany, dia lasa mpisolovava antsika eo anoloan’ny Ray ny Mpamonjy, ary hiaro manao hoe:
“Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;
“Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay.”19
Isika tsirairay avy dia nomena ny fanomezan’ny fahafahana misafidy. “Afaka ny olona … hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana, araka ny … fahefan’ny devoly.”20
Taona maro lasa izay, dia nampihatra ny fahafahany misafidy ny rahalahiko, izay nisafidianany fomba fiainana izay nampisy fiantraikany tamin’ny fahasalamany, sy ny fianakaviany, ary ny naha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana. Taona maro taty aoriana dia mbola nampihatra izany fahafahana misafidy izany ihany izy ary nisafidy ny hibebaka, ny hampifanaraka ny fiainany tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy, ary ny ho ateraka indray ara-bakiteny tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.
Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana. Efa hitako ny hery fanasitranany tamin’ny fiainan’ny rahalahiko, ary tsapako izany teo amin’ny fiainako manokana. Ny hery manasitrana sy manavotra avy amin’ny Sorompanavotana dia natao ho antsika tsirairay avy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy—ilay Mpanasitrana ny fanahintsika. Mivavaka aho mba hisafidianantsika tsirairay avy ny hamaly ny fanasan’ny Mpamonjy, manao hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”21 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.