2011
Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao
Mey 2011


Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao

Ireo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’Andriamanitra.

President Thomas S. Monson

Ry rahalahy sy anabaviko malala, manolotra ny fitiavako sy ny fiarahabako anareo tsirairay avy aho ary mivavaka mba hotarihan’ny Raintsika any an-danitra ny eritreritro ary ho entanin’ny amin’ny fanahy ireo teniko eo am-piresahana aminareo androany.

Mamela ahy ianareo raha hanomboka amin’ny fanamarihana iray na roa mahakasika ireo hafatra mahatalanjona henontsika tamin’ity maraina ity avy tamin’ny Rahavavy Allred sy ny Eveka Burton ary ireo hafa momba ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana. Araky ny efa voalaza dia amin’ity taona ity isika no manamarika ny faha-75 taonan’izany fandaharan’asa nentanim-panahy izany izay efa nitahy ny fiainan’ny olona maro tokoa. Tombontsoa manokana ho ahy tokoa ny nahafantatra mivantana ireo olona sasantsasany tamin’ireo nanangana izany ezaka lehibe izany—lehilahin’ny fangorahana sy fahitana.

Araky ny voalazan’ny Eveka Burton sy Rahavavy Allred ary ireo hafa anikeheo dia ny evekan’ny paroasy no nomena ny andraikitra hikarakara ireo mila fanampiana izay mipetraka eo amin’ny faritry ny paroasiny. Nanana fahafahana hanao izany aho fony aho eveka vao herotrerony teto Salt Lake City izay niahiako paroasy nisy mpikambana miisa 1.080, ao anatin’izany ireo mananotena 84. Maro no nila fanampiana tamin’izany. Feno fankasitrahana aho noho ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana ary ny fanampian’ireo Fikambanana Ifanampiana sy ireo kôlejin’ny fisoronana.

Ambarako fa ny fandaharan’asa fifanampiana an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia avy amin’ny fitaomam-panahin’Ilay Andriamanitra Tsitoha.

Ankehitriny ry rahalahy sy ranabavy, ity fihaonambe ity no manamarika ny fahatelo taona nanohanana ahy amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ahy. Marina fa taona tototry ny asa izany, rakotry ny fanamby maro kanefa nandraisana fitahiana maro isa koa. Ireo fahafahana nananako hanokana sy hamerina hanokana ireo tempoly dia isan’ireo fitahiana nitondra fifaliana sy fahatsapana masina indrindra, ary mahakasika indrindra ny tempoly no tiako horesahina aminareo anio.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny 1902, dia nizara ny fanantenany ny Filohan’ny Fiangonana Joseph F. Smith nandritra ny lahateny fanombohana fa indray andro any dia hanana “tempoly ho voaorina amin’ny faritra maro manerana an’[izao tontolo izao] isika, amin’ny toerana izay ilaina izany mba hahasoa ny olona.”1

Nandritra ireo 150 taona voalohany taorian’ny nananganana ny Fiangonana, nanomboka ny 1830 ka hatramin’ny 1980, dia 21 no tempoly voaorina, tao anatin’izany ny tempolin’i Kirtland Ohio, sy Nauvoo Illinois. Ampitahao izany amin’ireo 30 taona nanomboka ny taona 1980 izay nananganana sy nanokanana tempoly miisa 115. Miaraka amin’ny fanambarana tempoly vaovao 3 omaly dia misy tempoly 26 fanampiny izay eo andalam-piorenana na efa mandalo famolavolana ny fanorenana azy. Hitombo hatrany izany isa izany.

Ilay tanjona nantenain’ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 1902 dia tanteraka ankehitriny. Ny faniriantsika dia ny hahafahan’ny mpikambantsika hiditra ny tempoly arak’izay tratra.

Iray amin’ireo tempoly eo am-piorenana ny ao Manaus, Brésil. Taona maro lasa izay dia namaky mahakasika ny vondrona mpikambana mihoatra ny zato aho izay niainga avy tao Manaus, toerana hita eo afovoan’ny ala kitrok’i Amazonie, ka hanao dia hankany amin’ny tempoly akaiky indrindra teo tamin’izany, izay any Sao Paulo, Brésil—izay teo amin’ny 4.000 kilaometatra miala avy eo Manaus. Nandeha sambo nandritra ny efatra andro namakivaky ny Reniranon’i Amazone sy ireo renirano misampantsampana aminy ireto Olomasina mahatoky ireto. Taorian’ny nahavitana izany fandehanana an-tsambo izany dia niakatra tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy ireo mba hanao dia mandritra ny telo andro fanampiny amin’ny lalana mikintaontaona, ary tsy dia misy sakafo firy na toerana mba azo hatoriana. Taorian’ny fito andro sy alina izy ireo dia tonga tao amin’ny tempolin’i Sao Paulo, izay nanaovan’izy ireo ôrdônansy manana toetra mandrakizay. Mazava ho avy fa nanahirana toy izany koa ny dian’izy ireo niverina. Kanefa dia avy nandray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly izy ireo, ka na dia foana aza ny poketran’izy ireo, ny tenany kosa dia heniky ny fanahin’ny tempoly sy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana izay noraisiny.2 Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia mifaly ireo mpikambana ao Manaus manatri-maso ny fananganana ny tempoliny manaraka ny moron-dReniranon’i Rio Negro. Mitondra fifaliana ho an’ireo mpikambantsika mahatoky ny tempoly na aiza na aiza izany no hatsangana.

Tsy mbola nitsahatra nanohina ny foko sy nahatonga ahy hanavao ireo fanati-pisaorana vokatry ny tempoly ireo tatitra mikasika ny fahafoizan-tena natao mba handraisana ireo fitahiana izay tsy azo raha tsy any amin’ny tempoly ihany.

Mamelà ahy hizara aminareo ny tantaran’i Tihi sy Tararaina Mou Tham ary ireo zanany folo mianadahy. Tonga mpikamban’ny Fiangonana izany fianakaviana manontolo izany, ankoatra ny zanakavaviny iray, tamin’ny fiantombohan’ny taona 1960 rehefa tonga tao amin’ny nosikelin’izy ireo ny mpitory ny filazantsara, nosy 160 kilaometatra atsimon’i Tahiti. Tsy ela dia naniry ny hahazo ny fitahiana avy amin’ny fianakaviana mandrakizay any amin’ny tempoly izy ireo.

Tamin’izany fotoana izany dia ny Tempolin’i Hamilton any Nouvelle Zélande no tempoly akaiky indrindra amin’ny fianakaviana Mou Tham, any amin’ny 4.000 kilaometatra mahery mianatsimo-andrefana, izay amin’ny alalan’ny dia lafo vidy amin’ny fiaramanidina no hany hahatongavana any. Sady tsy nanam-bola hividianana tapakila amin’ny fiaramanidina ny fianakaviana maron’i Mou Tham, izay mifofotra mamboly mba hivelomana, no sady tsy nisy asa tsaratsara azo natao koa tany amin’ilay nosin’ny Pasifika izay nisy azy ireo. Hany ka nandray fanapahan-kevitra sarotra Rahalahy Mou Tham sy i Gérard zanany hanao dia izay 4.800 kilaometatra miankandrefana, mba hiarahana amin’ny zanakalahiny iray hafa izay efa niasa tany Nouvelle Calédonie.

Niasa nandritra ny efa-taona tany ireo lehilahy telo tao amin’ny fianakaviana Mou Tham. Rahalahy Mou Tham irery ihany no mba niverina tany an-tranon’izy ireo mba hitsidika nandritra ny fotoan’ny fanambadian’ny zanany vavy iray.

Taorian’ny efa-taona dia nahangona vola ampy mba hahafahana mitondra ny fianakaviana ho any amin’ny tempolin’i Nouvelle Zélande ry Rahalahy Mou Tham sy ireo zanany lahy. Nandeha daholo ireo rehetra izay mpikamban’ny Fiangonana, afa-tsy ny zanakavavy iray izay efa ho teraka. Nofehezina ho amin’ity fotoana ity sy ho amin’ny mandrakizay izy ireo, izay zavatra niainana tsy hay nofaritana sy feno fifaliana.

Niverina nivantana tany Nouvelle Calédonie i Rahalahy Mou Tham taorian’ny tany amin’ny tempoly, izay niasany nandritra ny roa taona indray mba handoavana ny saran’ny dian’ny zanany vavy iray izay tsy mbola nankany amin’ny tempoly niaraka tamin’izy ireo—izay efa nanambady ary niaraka tamin’ny vady aman-janany.

Naniry ny hanompo any amin’ny tempoly i Rahalahy sy Rahavavy Mou Tham tao amin’ny fahanterany. Tamin’izany fotoana izany dia efa nitsangana sy voatokana ny Tempolin’i Papeete Tahiti, ary nanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno tany in-efatra ry zareo.3

Ry rahalahy sy ranabavy, mihoatra noho ny vato sy feta fotsiny ny tempoly. Heniky ny finoana sy fifandian-kanina izy ireny. Naorina nandritra ny fotoam-pitsapana sy fijoroana ho vavolombelona izy ireny. Nohamasin’ny fahafoizan-tena sy fanompoana izy ireny.

Ny tempoly voalohany izay naorina tamin’ity fotoampitantanana ity dia ny tempolin’i Kirtland, Ohio. Nahantra tokoa ny Olomasina tamin’izany andro izany, kanefa ny Tompo dia nandidy azy ireo hanorina tempoly, ka dia nanangana izany izy ireo. Nanoratra mikasika izany ny Loholona Heber C. Kimball nanao hoe: “Ny Tompo irery ihany no hany mahalala ny endri-pahantrana, sy fitsapana ary fahoriana nosedrainay mba hahatontosana izany.”4 Avy eo, taorian’ny fahavitan’izany asa nokaliana tanteraka izany dia noterena hiala an’i Ohio sy ny tempoly malalany ireo Olomasina. Nahita toeram-pialofana izy ireo—na dia tsy naharitra aza izany—teo amin’ny moron’ny Renirano Mississippi tao amin’ny fanjakana Illinois. Nantsoin’izy ireo hoe Nauvoo izany fanorenam-ponenana izany ary dia mbola vonona hanolotra an-tsitrapo izay nananany rehetra indray izy ireo, amin’ny finoana tsy voahozongozona, ka nanangana tempoly iray hafa ho an’Andriamanitra. Na dia izany aza dia nivaivay ny fanenjehana, ary vao vantany vita ny Tempolin’i Nauvoo, dia noroahina hiala ny fonenany indray izy ireo, ka nikatsaka toeram-pialofana tany an-tany foana.

Nanomboka indray ny fahasahiranana sy ny fahafoizan-tena raha niasa nandritra ny 40 taona mba hananganana ny tempolin’i Salt Lake izay mijoro amim-boninahitra amin’ny lafiny atsimo amin’ny toerana misy antsika eto amin’ity Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity ankehitriny.

Misy ambaratongam-pahafoizan-tena hatrany amin’ny fananganana tempoly sy ny fanatrehana tempoly. Tsy tambo isaina ireo mpikambana no niasa mafy sy sahirana mba hahafahan’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo mahazo ny fitahiana izay azo any amin’ny tempolin’Andriamanitra.

Nahoana no maro tahaka izany no nanome zavatra maro an-tsitrapo mba handraisany ny fitahiana avy amin’ny tempoly? Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. Tsy misy halavirana be loatra handehana, na sakana betsaka loatra ho resena na fahoriana be loatra ho zakaina. Takatr’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly no hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary ho tafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony izay mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra.

Ankehitriny dia tsy mila miaritra toe-javatra mafy ny ankamaroantsika vao afaka ny handeha any amin’ny tempoly. Valopolo isan-jaton’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny no mipetraka manodidina ny 300 kilaometatra avy eo amin’ny tempoly iray, ary ho an’ny ankamaroantsika dia mbola mety ho fohy kokoa izany halavirana izany.

Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly ianao, ary raha toa ka miaina tsy dia lavitra ny tempoly, ny fahafoizan-tena takiana aminao dia mety ho ny fanokanana fotoana eo amin’ny fiainanao feno fasahiranana handehanana any amin’ny tempoly matetika. Maro ireo zavatra tokony ho atao any amin’ny tempoly ho an’ireo izay miandry izany any ambadiky ny voaly. Rehefa manao ny asa ho an’izy ireo isika dia hahafantatra fa ny zavatra nataontsika ho azy ireo dia zavatra tsy vitany ho an’ny tenany. Nanambara ny Filoha Joseph F. Smith, tamin’ny fanambarana feno fientanam-po hoe: “Amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika ho azy ireo dia ho rava ny rojo vy an’ny fanandevozana ho azy ireo, ary ny fahamaizinana izay nandrakotra azy ireo dia hisava, ka hibaliaka amin’izy ireo ny hazavana ary handre ireo asa izay natao ho azy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy izay ataon’ireo zanany ety izy ireo, hifaly hiaraka aminareo noho ny fahavitanareo izany adidinareo izany.”5 Ry rahalahy sy ranabavy, anjarantsika ny manao izany asa izany.

Tao amin’ny fianakaviako manokana dia isan’ny zavatra niainana faran’izay masina sy sarobidy indrindra ho anay no nitranga tamin’ireo fotoana niarahana tany amin’ny tempoly nanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famehezana ho an’ireo razambe efa nodimandry.

Raha mbola tsy tany amin’ny tempoly ianao, na raha toa ka efa tany kanefa tsy manana ny fahamendrehana ankehitriny hihazona fahazoan-dalana, dia tsy misy tanjona manan-danja kokoa tokony hiezahanao ho tratrarina mihoatra noho ny ho tonga mendrika ho any amin’ny tempoly. Ny fahafoizan-tena takiana aminao dia mety ho ny fandaminana ny fiainanao mba hifanaraka amin’ny zavatra takiana mba hahazoana ny fahazoan-dalana, angamba amin’ny alalan’ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy efa ela izay tsy nahamendrika anao. Mety ho mitaky ny fananana finoana sy ny fifehezan-tena amin’ny fandoavana ny fahafolonkarena izany. Na inona izany na inona dia meteza ho mendrika ny hiditra ny tempolin’Andriamanitra. Ataovy izay hahazoana ny fahazoan-dalana ary tandrovy ho toy ny fananana sarobidy izany, satria fananana sarobidy tokoa izany.

Mandrapiditrao ny tranon’ny Tompo ary handraisanao ireo fitahiana rehetra izay miandry anao any, dia mbola tsy nandray ireo zava-drehetra atolotry ny Fiangonana ianao. Ireo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’Andriamanitra.

Ankehitriny ry namana keliko ao anatin’ny taonan’ny fahatanorana, afantohy amin’ny tempoly hatrany ny sainao. Aza manao zavatra izay hanakana anao tsy hiditra ny varavarany sy handraisanao ireo fitahiana masina sy mandrakizay ao. Manentana ireo izay efa mandeha mankany amin’ny tempoly matetika aho mba hanaovanareo asa ho an’ireo efa nodimandry, handehananareo vao maraina any mba handray anjara amin’ny batisa toy izany alohan’ny handehanana any an-tsekoly. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho izany hanombohana ny andro.

Ho anareo ray aman-drenin’ireo tanora ireo, mamelà ahy hizara aminareo sosokevitra mifono fahendrena avy tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball. Hoy izy hoe: “Ho zavatra hahafinaritra tokoa raha … manana sarin’ny tempoly ao amin’ny efitranony ireo ray aman-dreny ka mba hahafahan’ireo [zanany], hatrany amin’ny fahazaza[ny], hibanjina izany sary izany isan’andro isan’andro [mandrapahatongavan’]izany ho ampahan-javatra eo amin’ny fiainan’[izy ireo]. Rehefa tonga amin’ny taona izay handraisan’[izy ireo] [ilay] fanapahan-kevitra manan-danja [mahakasika ny fandehanana any amin’ny tempoly] [izy ireo], dia efa tapaka hatry ny fahakeliny izany.”6

Ny zanatsika dia mihira ity fihirana ity ao amin’ny Kilonga:

Tiako ny mibanjina ny tempoly,

Hiditra ao aho indray andro any.

Hanao fanekempihavanana amin’ny Raiko aho;

Sy hankato izany manomboka eo.7

Miangavy anareo aho mba hampianatra ny maha-zava-dehibe ny tempoly amin’ny zanakareo.

Mety ho toerana feno fanamby sy manahirana izao tontolo izao izay iainantsika. Matetika no voahodidin’ny zavatra izay hanimba antsika isika. Rehefa mandeha mankany amin’ny trano masin’Andriamanitra izaho sy ianao, ary rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika tao, dia ho afaka ny hahazaka ireo fitsapana ary handresy ny fakam-panahy tsirairay. Ao anatin’izany toerana izany no hahitantsika fiadanana, hanavaozantsika sy hankaherezantsika ny tenantsika.

Ankehitriny ry rahalahy sy ranabavy dia hiresaka mikasika ny tempoly iray fanampiny aho alohan’ny hifaranan’ny teniko. Tsy ho ela intsony atsy ho atsy, raha eo am-pananganana ireo tempoly vaovao manerana an’izao tontolo izao isika, dia haorina ao amin’ny tanàna iray izay efa niorina nandritra ny dimanjato sy roa arivo taona lasa izay ny iray amin’izany. Ny tempoly atsangana amin’izao fotoana izao any Rome, Italie no resahiko.

Ny tempoly tsirairay dia tranon’Andriamanitra, mitovy fomba fiasa sy samy handraisana ireo fitahiana sy ôrdônansy mitovy avy. Ny Tempolin’i Rome, izay miavaka, dia haorina any amin’ny iray amin’ireo toerana manan-tantara indrindra eto ambonin’ny tany, tanana iray izay nitorian’ny Apôstôly fahiny Petera sy Paoly ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary toerana naha-maritiora azy ireo.

Tamin’ny volana Ôktôbra lasa teo, rehefa nivory teo amin’ny toerana somary ambanivohitra maha-te-ho tia iray teo avaratra atsinanan’ny tanànan’i Rome izahay, dia nanana fahafahana aho nanolotra vavaka fanokanana teo am-piomanana hiadiana ny fototra. Nahatsapa aho fa ilaina asaina amin’izany ny Senatera italiana Lucio Malan sy ny ben’ny tanàna lefitra ao Roma, i Giuseppe Ciardi mba ho isan’ireo voalohany hamadika baingan-tany. Izy ireo dia samy nandray anjara tamin’ny fanapahan-kevitra mba hamelàna antsika hanangana tempoly eo amin’izany tanàna izany.

Nanjombona ny andro kanefa nafana ihany ary na dia nitatao aza ny orana dia vaingan’orana vitsy ihany no nilatsaka. Rehefa nihira ilay fihirana mahafinaritra “Fanahin’ny Ray” tamin’ny teny Italiana ny amboarampeo mahavariana, dia nahatsapa ny tsirairay fa toy ny tafaray ny lanitra sy ny tany tao anatin’ny hiram-piderana sy fisaorana mamaky lanitra ho an’ilay Andriamanitra Tsitoha. Tsy tana fa latsaka ny ranomaso.

Ato ho ato dia handray ireo ôrdônansy mandrakizay mivantana ao amin’ny Trano masin’Andriamanitra, ireo olona mahatokin’ity tanàna ity, ilay antsoina hoe Tanàna Mandrakizay.

Maneho fankasitrahana lalina amin’ny Raintsika any an-danitra aho noho ny tempoly izay haorina ao Rome sy noho ireo tempolintsika rehetra, na aiza izy ireo na aiza. Mijoro ho fanilo ho an’izao tontolo izao izy ireny, fanehoana ny fijoroantsika ho vavolombelona fa Andriamanitra Raintsika any an-danitra dia velona, ary maniry ny hitahy antsika tsirairay Izy ary, indrindra indrindra, hitahy ireo Zanakalahiny sy ireo Zanakavaviny amin’ny taranaka rehetra mifandimby. Ireo tempolintsika tsirairay avy dia maneho ny fijoroantsika ho vavolombelona fa ny fiainana ankoatry ny fasana dia misy ary tena misy toy ny fisian’izao fiainantsika eto an-tany izao. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, enga anie isika hahavita izay fahafoizan-tena rehetra ilaina mba hanatrehana ny tempoly sy hananana ny fanahin’ny tempoly ao am-pontsika sy ny tokantranontsika. Aoka isika hanaraka ny dian-tongotry ny Tompo sy Mpamonjintsika, dia i Jesoa Kristy, izay nanao ny fahafoizan-tena faratampony ho antsika, mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana any amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra. Izany no vavaka amin-kitsimpo ataoko, amin’ny anaran’ny Mpamonjy antsika, ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joseph F. Smith, tao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1902, 3.

  2. Jereo ny Vilson Felipe Santiago and Linda Ritchie Archibald, “From Amazon Basin to Temple,” Church News, 13 Mar. 1993, 6.

  3. Jereo ny C. Jay Larson, “Temple Moments: Impossible Desire,” Church News, 16 Mar. 1996, 16.

  4. Heber C. Kimball, in Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball (1945), 67.

  5. Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith (1998), 247.

  6. The Teachings of Spencer W. Kimball, edisiona nataon’i Edward L. Kimball (1982), 301.

  7. Janice Kapp Perry, “Oh, j’aime voir le temple,” Chants pour les Enfants, 99.