Hoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsara
Afaka mitondra ny fahazavan’ny filazantsara any an-tokantranontsika sy any am-pianarantsika ary any amin’ny toeram-piasantsika isika raha mitady sy mizara ireo zavatra tsara momba ny hafa.
Mba hamaliana ny fanasana nataon-drahavavy Linda K. Burton nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily,1 dia maro taminareo no nirotsaka tamin’ny fanaovana asa fiantrana feno fitiavana sy fahalalahan-tanana izay nifantoka tamin’ny fanomezana ireo zavatra ilain’ireo mpitsoa-ponenana tany amin’ny faritra misy anareo. Vokatry ny fitiavana ireo asa ireo, izay nanomboka tamin’ny fanaovana ezaka hanampiana olona iray dia tonga tany amin’ny fandaharan’asa lehibe teo amin’ny fiarahamonina. Rehefa nizara ny fotoanareo sy ny talentanareo ary izay nanananareo ianareo dia—nihamaivana ny fonareo—sy ny an’ireo mpitsoa-ponenana. Vokany tsy azo ihodivirana ateraky ny fiantrana marina ny fitsirin’ny fanantenana sy finoana ary fitiavana lehibe kokoa mihitsy aza eo amin’ny mpandray sy ny mpanome.
Nilaza tamintsika ny mpaminany Môrônia fa toetra tena ilain’ireo izay hiaraka honina amin’ny Ray any An-danitra any amin’ny fanjakana selestialy ny fiantrana. Nanoratra izy hoe: “Ary raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsy azo vonjena mihitsy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”2
Mazava ho azy fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra teo amin’ny fiantrana. Fanehoana faratampony ny fiantrana ny fanolorany ny tenany tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahany mba ho Mpamonjy, ireo fifandraisana narahan’asa nandritra ny fiainany teto an-tany, sy ilay fanomezana faratampony natolony dia ny Sorompanavotana ary ny ezaka tsy tapaka ataony mba hamerenana antsika any amin’ny Raintsika any An-danitra. Zavatra iray ihany no ifantohan’ny sainy rehefa miasa Izy: fitiavana ny Rainy izay aseho amin’ny alalan’ny fitiavany antsika tsirairay. Rehefa nanontaniana mikasika ny didy lehibe indrindra i Jesoa dia namaly hoe:
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
“Izany no didy lehibe sady voalohany.
“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”3
Ny iray amin’ireo fomba tena lehibe ahafahantsika mampitombo sy maneho fitiavana ny namantsika dia amin’ny alalan’ny fananana hatsaram-panahy any an-tsaintsika sy amin’ny teny lazaintsika. Nilaza ny namana iray tena tiako, taona vitsy lasa izay, hoe: “Ny endrika tena tsara indrindran’ny fiantrana dia ny tsy fitsaratsarana ny hafa.”4 Mbola marina izany amin’izao fotoana izao.
Vao tsy ela izay, raha nijery horonantsary niaraka tamin’ny iray tampo aminy i Alyssa telo taona, dia nanamarika niaraka tamin’ny endrika sanganehana hoe: “Neny a! Hafahafa io akoho io izany!”
Nijery ilay efijery ny reniny ary namaly tamim-pitsikiana hoe: “Vorombola io ry malala a!”
Toa an’io zaza telo taona izay tsy ampy fahalalana io dia matetika isika no mijery ny hafa miaraka amin’ny fananana fahatakaran-javatra tsy ampy na tsy marina. Mety hifantoka amin’ireo fahasamihafana sy fahalemena hita eny amin’ireo olona manodidina antsika isika fa ny Raintsika any An-danitra kosa anefa dia mijery ny zanany izay nohariana araka ny endriny mandrakizay, ho manana hery anaty tena tsara dia tsara ary lehibe.
Tsaroana ny Filoha James E. Faust tamin’ny filazany hoe: “Arakaraka ny nitomboan’ny taonako no lasa nampihena ny fitsaratsarako.”5 Mampahatsiahy ahy ilay teny nambaran’ny Apôstôly Paoly izany:
“Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho dia nariako ny fahazazana.
“Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.”6
Rehefa hitantsika mazava tsara ireo kilemantsika dia mihena ny fironantsika hijery ny hafa amin’ny alalan’ny “fitaratra, ka tsy mahita marina.” Te hampiasa ny fahazavan’ny filazantsara isika mba hijerena ny hafa tahaka ny hijeren’ny Mpamonjy azy ireo—omban’ny fangorahana sy fanantenana ary fiantrana. Ho avy ny andro izay hahazoantsika fahatakarana feno ny ao am-pon’ny hafa ary ho feno fankasitrahana isika noho ny fanolorana famindram-po antsika—toy ny hanehoantsika fieritreretana sy teny feno fitiavana an’ireo olona hafa mandritra ity fiainana ity.
Nandeha lakan-kely niaraka tamin’ny andian-jatovovavy iray aho taona vitsy lasa izay. Nampitanàka ny hakanton’ny farihy miloko manga ranoray izay voahodidin’ny havoana rakotry ny ala sy hantsambato. Namirapiratra teny amin’ny fivoinay ny rano rehefa nalentikay tao anatin’ilay rano mangarangarana izany ary nibaliaka sy nitondra hafanana ny masoandro rehefa namakivaky miadana ilay farihy izahay.
Saingy vetivety dia rakotry ny rahona ny lanitra ary nisy rivotra mafy nanomboka nitsoka. Mba hahafahana mandroso na dia kely aza dia tsy maintsy nalentikay lalina tany anaty rano ny fivoinay ary nivoy tsy an-kijanona izahay. Taorian’ny ora mafy vitsivitsy nanaovana asa nahatrotraka, dia tafahodina tany amin’ny faritra lehibe anankirain’ilay farihy izahay ary taitra sy faly satria nitsoka tany amin’ny lalana tianay haleha ny rivotra.
Nararaotinay haingana io fanomezana io. Namoaka labasy izahay dia nofatoranay teny amin’ireo tahon’ny fivoy ny lohany anankiroa ary nofatorana teny amin’ny tongotry ny vadiko ireo lohany roa hafa izay nohenjaniny hanatratra ireo sisin’ilay lakan-kely. Nabontsin’ny rivotra ilay lain-tsambo noforonina ary dia nisosa izahay.
Rehefa hitan’ireo zatovovavy tao anatin’ireo lakan-kely hafa ny fomba nahafahanay namakivaky ny rano tamim-pahamorana dia namorona haingana lain-tsambo ho azy ireo manokana izy ireo. Nitony ny fonay ka nihomehy sy nahatsapa fanamaivanana izahay ary feno fankasitrahana tamin’ny fialana sasatra taorian’ireo olana natrehana tamin’izany andro izany.
Tena afaka mitovy amin’izany rivotra mahafinaritra izany ny fiderana amin-kitsimpo ataon’ny namana iray, ny fiarahabana amim-pifaliana ataon’ny ray na reny iray, ny fanehoan’ny iray tampo anankiray ny fanekeny amin’ny alalan’ny fanetsehany ny lohany, na ny tsiky mitondra fanampiana avy amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra iray. Mitondra “rivotra [mamelombelona] eo amin’ny laintsika” ireo rehetra ireo eo am-piatrehantsika ny olan’ny fiainana! Toy izao no nilazan’ny Filoha Thomas S. Monson izany: “Tsy afaka mitarika ny rivotra isika fa afaka manitsy ny lain-tsambo. Enga anie isika hifidy ny hanana toetra mijery ny lafy tsaran-javatra mba hahazoana fifaliana sy fiadanana ary fahafahampo.”7
Manana hery mahavariana ny teny. Sady afaka manamafy orina izany no afaka mampilofika. Isika rehetra angamba dia afaka mahatsiaro teny mandratra izay nampilofika antsika ary teny hafa nambara tamim-pitiavana izay namelombelona ny fanahintsika. Ny fisafidianana ny tsy hiteny afa-tsy zavatra tsara mikasika ny hafa—sy tsy hiteny afa-tsy zavatra mahasoa amin’ny hafa—dia mampitraka sy mampahatanjaka an’ireo olona manodidina antsika ary manampy ny hafa mba hanaraka araka ny fomban’ny Mpamponjy.
Fony aho ankizivavy tao amin’ny Kilonga dia niasa tamim-pahavitrihana aho nanao peta-kofehy ny fanambarana tsotra manao hoe: “Hitondra ny fahazavan’ny filazantsara any an-tokantranoko aho.” Indray tolakandro, raha teo am-panjairana ny lamba izahay ankizivavy dia notantarain’ny mpampianatra anay ny tantaran’ny ankizivavy iray izay nipetraka teny amin’ny havoana iray teo amin’ny faritra ilan’ny lohasaha iray. Isaky ny any amin’ny faramparan’ny tolakandro dia mahita trano iray izay manana varavarankely volamena mamirapiratra izy, izay eny amin’ny havoana iray eny ampitan’ilay lohasaha. Kely sy ratsiratsy ny tranony ary nanonofy ny hipetraka ao amin’izany trano tsara tarehy misy varavarankely volamena izany io ankizivavy io.
Indray andro nahazo lalana hitaingina bisikileta eny ampitan’ilay lohasaha ilay ankizivavy. Nandeha mafy izy mandra-pahatongany teny amin’ilay trano nanana varavarankely volamena izay efa nankafiziny hatry ny ela. Saingy rehefa nidina ny bisikiletany izy dia nahita fa tsy nisy nipetraka sy ravarava ilay trano. Feno ahi-dratsy lava ny tokotany ary tsotra sy maloto ireo varavarankely. Nanodina ny lohany tany amin’ny tranony tamin’alahelo ilay ankizivavy. Taitra izy fa nahita trano iray manana varavarankely volamena mamirapiratra teny amin’ilay havoana teny ampitan’ilay lohasaha ary vetivety dia nahafantatra fa ny tranony ihany izany!8
Indraindray isika mijery ny zavatra mety ananan’ny hafa na ny mety ho toetran’izy ireo tahaka io ankizivavy io, dia mahatsapa ho ambanin’izy ireo raha ampitahaina. Lasa mifantoka amin’ny endriky ny fiainana aseho ao amin’ny Pinterest na Instagram isika na variana amin’ny fifantohan’ny sekolintsika na ny toeram-piasantsika amin’ny fifaninanana. Rehefa maka fotoana anefa isika “hanisana ireo fitahiana maro azontsika,”9 dia mahita miaraka amin’ny fomba fijery marina kokoa ary mahatsapa ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’ny zanany rehetra.
Na 8 taona isika na 108 taona dia afaka mitondra ny fahazavan’ny filazantsara any amin’ny tontolo misy antsika, na any anatin’ny efitrano fonenana iray ao amin’ny tranobe any Manhattan izany, na any anatin’ny trano miorina ambony tsatokazo any Malaisie, na any anatin’ny trano lay boribory any Mongolie. Afaka manapa-kevitra ny hijery ny tsara eo amin’ny hafa sy eo amin’ny toe-javatra manodidina antsika isika. Afaka maneho fiantrana ny vehivavy tanora sy ny efa lehibe isika rehefa misafidy ny hampiasa teny izay manorina fahatokian-tena sy finoana eo amin’ny hafa izany.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nitantara momba ny tovolahy iray izay niharan’ny fandrabirabiana avy amin’ny namany nandritra ireo taona nianarany tany an-tsekoly. Nandeha nifindra tany amin’ny toeran-kafa izy taona vitsy taty aoriana, dia nirotsaka ho miaramila, nandranto fianarana ary lasa navitrika tao amin’ny Fiangonana. Feno zavatra niainana nifono fahombiazana nahafinaritra io vanimpotoana teo amin’ny fiainany io.
Niverina tany amin’ilay tanàna nahalehibe azy izy taona maro taty aoriana. Ninia tsy nijery ny fahamatorany sy ny fivoarany anefa ny olona. Mbola ilay “olona” fahiny ihany izy ho azy ireo ary izay no nandraisan’izy ireo azy. Farany dia nanjavona tao anatin’ny aloky ny fahombiazan’ny tenany teo aloha io lehilahy mahafinaritra io ka tsy afaka nampiasa ireo talentany izay nivelatra tamin’ny fomba nampitolagaga mba hitahiana ireo izay nanaraby sy nandà azy indray mandeha indray.10 Tena fatiantoka ho azy sy ilay fiarahamonina izany!
Nampianatra i Petera Apôstôly hoe: “Ary mihoatra ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ny fitiavana manarona fahotana maro.”11 Ny fitiavana tsara, izay midika hoe “fitiavana amin-kitsimpo,” dia aseho amin’ny alalan’ny fanadinoana ireo fahadisoana nataon’ny hafa toy izay hihazona lolompo na hampahatsiahy ny tenantsika sy ny hafa ireo kilema taloha.
Ny adidintsika sy ny tombontsoa ho antsika dia ny manaiky ny fivoarana eo amin’ny olona rehetra rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika. Tena mampientanentana ny mahita hazavana eny amin’ny mason’ny olona iray izay lasa nahatakatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy manao fanovana marina eo amin’ny fiainany! Ny misiônera izay niaina ny fifaliana avy amin’ny fahitana olona niova fo iray niditra ny ranon’ny batisa ary avy eo niditra ny varavaran’ny tempoly dia vavolombelon’ny fitahiana avy amin’ny famelana—sy famporisihana—ny hafa mba hiova. Ny mpikambana izay mandray an’ireo olona niova fo izay noheverina ho tena tsy tokony hiditra ho mpikambana ao amin’ny fanjakana dia mahita fahafaham-po lehibe eo amin’ny fanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo. Ny zavatra tena mahakanto ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny fisian’ny fivoarana mandrakizay—tsy hoe afaka miova ho tsaratsara kokoa fotsiny isika fa amporosihina koa ary didiana mihitsy aza mba hanohy ny fikatsahana fivoarana ary ny fahalavorariana any amin’ny farany.
Nanoro hevitra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Amin’ny fomba tsotra an-jatony no hanehoanareo rehetra ny fiantrana. … Mba tsy hifampitsaratsarana [na] hifampitsikerana dia meteza isika hanana ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ireo mpiara-dia amintsika eto amin’ity dia ity mandritra ny fiainana. Enga anie isika hiaiky fa samy efa manao izay tsara indrindra vitany ny tsirairay avy mba hiatrehana ny fanamby izay miseho eo amin’ny fiainany, ary enga anie isika hiezaka hanao izay tsara indrindra vitantsika hanehoana fanampiana.”12
Ny fiantrana raha faritana amin’ny teny mifono zavatra tsara dia manam-paharetana, mora fanahy ary mahay mionona. Ny fiantrana dia mametraka ny hafa ho lohalaharana, manetry tena, mampihatra ny fifehezan-tena, mijery ny tsara eo amin’ny hafa ary mifaly rehefa mahita fahombiazana ny olona iray.13
Amin’ny maha-rahavavy (sy rahalahy) antsika ato Ziona dia hanolo-tena ve isika mba “hiara-hiasa daholo … hanao na inona na inona amim-pahalemem-panahy sy amim-piantrana mba hitondra fifaliana sy fitahiana amin’ny anaran’ny [Mpamonjy]”?14 Moa ve isika afaka mitady sy manaiky amim-pitiavana sy amim-panantenana lehibe ny hatsarana ao anatin’ny hafa, ka manome fahafahana sy mamporisika ny hisian’ny fivoarana? Moa ve isika afaka mifaly amin’ny zava-bitan’ny hafa eo am-panohizantsika ny asa ho an’ny fivoarantsika manokana?
Eny, afaka mitondra ny fahazavan’ny filazantsara any an-tokantranontsika sy any am-pianarantsika ary any amin’ny toeram-piasantsika isika raha mitady sy mizara ireo zavatra tsara momba ny hafa ary mamela ireo kilema hanjavona. Tena feno fankasitrahana ny foko rehefa mieritreritra ny fanomezan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ny fibebahana ho antsika rehetra izay samy nanota daholo teto amin’ity izao tontolo izao izay tsy lavorary sy indraindray manahirana ity!
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony isika dia afaka mahazo ilay fananana fiantrana izay hitondra fifaliana lehibe ho antsika eto amin’ity fiainana ity ary ilay fitahiana nampanantenaina dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.