Hankany amin’iza moa isika?
Any amin’ny farany ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy hamaly ilay fanontanian’ny Mpamonjy hoe: “Hianareo koa va mba te hiala?”
Taona maro lasa izay dia nitsidika ilay Tany Masina izaho sy ny fianakaviako. Iray amin’ireo fahatsiarovana tena tadidiko tamin’ny dianay ny fitsidihana ilay efitrano ambony tao Jerosalema, ilay toerana fantatra araka ny lovan-tsofina fa nanaovana ny fiaraha-misakafo farany.
Rehefa nijoro tao amin’izany toerana izany izahay dia novakiako tamin’izy ireo ny Jaona 17, izay ahitana an’i Jesoa mitalaho amin’ny Rainy ho an’ireo mpianany:
“Izaho mangataka ho azy … mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. …
“Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny;
“Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.”1
Tena nientana ny foko raha namaky ireo teny ireo ary dia nivavaka aho teo amin’izany toerana masina izany mba ho iray mandrakariva amin’ny fianakaviako sy amin’ny Raiko any An-danitra ary amin’ny Zanany.
Ireo fifandraisana sarobidy ananantsika amin’ireo fianakaviana, namana, ny Tompo, ary ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny dia anisan’ireo zavatra tena manan-danja eo amin’ny fiainana. Koa satria tena manan-danja ireo fifandraisana ireo dia tokony hankamamiana sy harovana ary hokolokoloina.
Ny iray amin’ireo tantara mampihetsi-po be indrindra ao amin’ny soratra masina dia nitranga rehefa hitan’ny “maro tamin’ ny mpiana[try ny Tompo]” fa sarotra ny nanaiky ireo fampianarany sy ny fotopampianarany, dia “nihemotra ka, tsy niara-nandeha taminy intsony” izy ireo.2
Rehefa lasana ireo mpianatra ireo dia nitodika tamin’ny [Roambinifolo] i Jesoa no sady nanontany hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”3
Dia namaly i Petera hoe:
“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.”4
Tamin’izay fotoana izay, raha toa ka nifantoka tamin’ny zavatra izay tsy azon’izy ireo ekena ny sasany, ireo Apôstôly kosa dia nisafidy ny hifantoka tamin’ny zavatra fantany sy inoany, ka noho izany dia nijanona niaraka tamin’i Kristy izy ireo.
Taty aoriana, tamin’ny andron’ny Pentekôsta, dia nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ny Roambinifolo. Lasa sahy nijoro ho vavolombelon’i Kristy izy ireo ary nanomboka nahatakatra feno kokoa ireo fampianaran’i Jesoa.
Tsy misy hafa amin’izany ny amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sasany ny fanasan’i Kristy mba hino sy hijanona dia mafy hatrany—na sarotra ekena. Ny mpianatra sasany dia sahirana manakatra fitsipika na fampianarana manokana iray ao amin’ny Fiangonana. Ny hafa kosa dia mahita olana eo amin’ny tantarantsika na ny tsy fahalavorarian’ireo mpikambana sy mpitarika sasany taloha sy ankehitriny. Ny hafa indray mahita fa sarotra ny miaina fivavahana izay mitaky fahafoizan-tena. Farany, ny sasany dia lasa “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.”5 Noho ireo antony ireo sy antony hafa dia misalasala ny amin’ny finoany ny mpikambana sasany, manontany tena raha toa ka tokony hanaraka ireo izay “nihemotra, ka tsy niara-nandeha” tamin’i Jesoa intsony.
Raha misy aminareo miahiahy ny amin’ny finoany, dia apetrako aminy ilay fanontaniana napetrak’i Petera hoe: “Hankany amin’iza moa [ianareo]?” Raha misafidy ny ho lasa malaindaina na hiala Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay naverina amin’ny laoniny ianareo dia ho aiza? Inona no hataonareo? Ilay fanapahan-kevitra hoe “tsy [hiara-handeha]” amin’ireo mpikambana sy mpitarika voafidin’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana intsony dia hisy fiantraikany lavitra izay tsy voatery ho hita foana izao dia izao. Mety misy fotopampianarana sasany, na fitsipika sasany, na tantara kely sasany izay hanoheranao ny finoanao, ary mety mieritreritra ianao fa ny hany fomba ahafahana mamaha izao dia izao izany ahiahy anaty izany dia ny “tsy [miara-mandeha]” amin’ireo Olomasina intsony. Fa raha hiaina mandritra ny fotoana ela toy izay efa niainako izay ianareo dia ho fantatrareo fa misy ny fomba izay mampivaha ho azy ny olana. Mety hisy hevi-baovao na fanambarana azo avy amin’ny fanentanam-panahy hitondra fanazavana vaovao mikasika ny olana iray. Tsarovy fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia tsy tranga iray fa mbola mitohy mivelatra hatrany.
Aza ariana mihitsy ireo fahamarinana lehibe nambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Aza mitsahatra mamaky sy mandalina ary mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna.
Aza hadino velively ny manome fotoana ho an’ny Tompo amin’ny alalan’ny fiezahana marina ny hahatakatra ny zavatra izay efa nambaran’ny Tompo. Araka ny notenenin’ny Loholona Neal A. Maxwell, namako malala sy mpiara-miasa tamiko teo aloha indray mandeha hoe: “Tsy tokony hieritreritra isika … hoe satria tsy haintsika hazavaina ny zavatra iray, dia tsy azo hazavaina.”6
Koa mialoha ny handraisanareo izany safidy mampidi-doza ara-panahy ny hiala izany, dia mamporisika anareo aho mba hijanona ka hieritreritra tsara mialoha ny hamelanareo na inona na inona zavatra izay nahatonga anareo hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny tany am-boalohany. Mijanòna dia diniho ny zavatra izay efa tsapanareo tato sy ny antony nahatsapanareo izany. Eritrereto ireo fotoana izay efa nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminareo momba ny fahamarinana mandrakizay.
Aiza no halehanareo hitadiavana olon-kafa izay mitovy finoana aminareo manokana, ary Ray aman-dreny any An-danitra be fitiavana, izay mampianatra antsika ny fomba hiverenana eo anatrehan’izy ireo?
Aiza no halehanareo hampianarana anareo momba ny Mpamonjy iray izay tena namanareo akaiky indrindra, izay tsy nijaly noho ny fahotanareo fotsiny ihany fa niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” mba “hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny,”7 ary inoako fa tafiditra ao anatin’izany ny rofin’ny fahaverezan’ny finoana?
Aiza no halehanareo hianarana bebe kokoa momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika sy ny fiadanantsika mandrakizay, drafitra iray izay feno zavatra azo atao mahavariana sy fampianarana ary fitarihana ho an’ny fiainantsika eto an-tany sy mandrakizay? Tadidio fa ny drafitry ny famonjena dia mampisy dikany sy tanjona ny fiainana an-tany ary manome tari-dalana ho an’izany.
Aiza no halehanareo hahitana rafi-pandaminam-piangonana voatsinjara tsara sy azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay ampianarana anareo sy hanohanan’ny lehilahy sy vehivavy manolo-tena lalina amin’ny fanompoana ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoana anareo sy ny fianakavianareo?
Aiza no halehanareo hahitana mpaminany sy apôstôly velona, izay antsoin’ Andriamanitra mba hanome anareo loharano hafa hahazoana torohevitra, fahalalana, fampaherezana, ary fitaomam-panahy ho an’ireo fanamby amin’izao androntsika izao?
Aiza no halehanareo hahitana olona miaina amboaran-tsoatoavina sy fitsipika napetraka izay anananareo sy tianareo hampitaina any amin’ireo zanakareo sy zafikelinareo?
Ary aiza no halehanareo hahafahanareo miaina ilay fifaliana izay tonga amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ny tempoly hahazoana famonjena?
Ry rahalahy sy rahavavy, mety ho sarotra ny manaiky sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Efa tahaka izany foana izany, ary ho izany foana. Ny fiainana dia mety ho toy ny mpitsangantsangana miakatra lalana mideza sy sarotra iray. Zavatra mandeha ho azy ary tsy maninona ny miato indraindray mba haka aina eny an-dalana sy hamerina hijery ny lalantsika ary handinika tsara ny hafainganam-pandehantsika. Tsy ny rehetra no mila miato eny amin’ilay lalana, saingy tsy misy ny maharatsy ny manao izany raha ilaina amin’ny toe-javatra iainanao. Raha ny marina dia mety ho zavatra tsara izany ho an’ireo izay manararaotra ilay fahafahana mamelombelona ny tenany amin’ilay rano velon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Tonga ny loza rehefa misafidy ny hirenireny lavitra ilay lalana izay mitondra mankany amin’ny hazon’aina ny olona iray.8 Indraindray isika afaka mianatra sy mandalina ary mahafantatra, ary indraindray isika dia tokony hino sy hatoky ary hanantena.
Any amin’ny farany ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy hamaly ilay fanontanian’ny Mpamonjy hoe: “Hianareo koa va mba te hiala?”9 Mila mikaroka ny valintenintsika manokana an’io fanontaniana io isika rehetra. Ho an’ny sasany dia mora ny valiny; ho an’ny hafa, dia sarotra izany. Tsy milaza ny tenako ho mahafantatra ny antony mahatonga ny finoana mba hino ho moramora kokoa ho an’ny sasany raha oharina amin’ny hafa akory aho. Fa feno fankasitrahana fotsiny aho mahafantatra fa eo foana ny valiny, ary raha katsahintsika izany—tena katsahina omban’ny tena finiavana miaraka amin’ny fikasana tanteraka ny hanana fo feno vavaka—dia ho hitantsika amin’ny farany ny valin’ireo fanontaniantsika rehefa manohy mandeha eo amin’ilay lalan’ny filazantsara isika. Nandritra ny asa fanompoana nataoko aho dia nahafantatra ireo olona izay nivily lalana ary niverina indray taorian’ny fizahana ny finoany.
Ny fanantenana ato am-poko dia ny hanasantsika olona maro tsy mitsaha-mitombo isa mba hahita ny lalan’ny filazantsara sy hijanona eo amin’izany mba hahafahan’izy ireo koa “[m]ihinana amin’ny voankazo izay mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra.”10
Ny fiangaviana amin-kitsimpo ataoko dia ny hankaherezantsika, ny hanekentsika, sy ny hahatakarantsika ary ny hitiavantsika ireo izay sahirana amin’ny finoany. Tsy tokony hoe tsy miraharaha ny rahalahintsika sy ny rahavavintsika velively izany isika. Samy manana ny toerana misy azy avy isika rehetra eo amin’ilay lalana, ary mila mifanompo isika arakaraka izay.
Tahaka ny tokony hanokafantsika ny sandrintsika handraisana ireo mpikambana vaovao ihany no tokony hamihinantsika sy hanohanantsika koa ireo izay misalasala sy miahiahy ao amin’ny finoany.
Raha hampiasa fanoharana iray hafa izay fantatsika aho dia mivavaka hoe izay olona mieritreritra ny hiala ilay “Sambo tsy tontan’ny ela atao hoe Ziona,” izay Andriamanitra sy i Kristy no mpanamory azy, dia mba hiato ka handinika tsara mialoha ny hanaovana izany.
Fantaro fa na dia mamely ilay sambo tsy tontan’ny ela aza ny tafio-drivotra sy ny onja mahery, dia ao anatin’ilay sambo ny Mpamonjy ary afaka miteny mafy an’ilay tafiotra amin’ny fanomezany baiko hoe, “Mangina, mitsahara.” Mandra-pahatonga an’izay, dia tsy tokony hatahotra isika, ary tokony hanana finoana tsy azo hozongozonina isika sy hahafantatra fa na dia “ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy.”11
Ry rahalahy sy rahavavy, mampanantena anareo aho amin’ny anaran’ny Tompo fa tsy handao ny Fiangonany na oviana na oviana Izy ary tsy handao ny tsirairay avy amintsika na oviana na oviana Izy. Tsarovy ny namalian’i Petera ny fanontanian’ny Tompo sy ny teniny:
“Hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.”12
Mijoro ho vavolombelona aho fa “tsy [misy] anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i Kristy ihany.”13
Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa niantso apôstôly sy mpaminany i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao ary namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany miaraka amin’ny fampianarana sy didy “ho fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana” izay azo antoka fa ho avy raha tsy mibebaka sy miverina any Aminy ny olona eto amin’izao tontolo izao.14
Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa ny Tompo dia “manainga ny rehetra … hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; … ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra na Jiosy na Jentilisa”15
I Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary ny filazantsarany tafaverina amin’ny laoniny no hitondra antsika soa aman-tsara hiverina eo anatrehan’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra raha toa ka mijanona eo amin’ilay lalan’ny filazantsara sy manaraka ny diany isika. Izany dia ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.