Ho an’ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahy
Araka ny sitrapony sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ihany no hamelabelarana amintsika ireo mistery momba an’ Andriamanitra.
Fony aho zazalahy, ny ray aman-dreniko dia nahazo fanomezana iray izay nanjary ho zava-nahavariana ahy sy i Davida zandriko. Maodely kelin’ireo takela-bolamena noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith avy tamin’ny anjely Môrônia izany. Raha ny tadidiko dia nisy pejy vita tamin’ny vy 10 nisy soratra teo amin’izany maodelin’ireo takelaka izany. Kanefa tsy ireo pejy ireo no nanintona ny sainay.
Notaizana tao amin’ny fihainoana ireo tantaran’ny Famerenana tamin’ny Laoniny izahay. Nahafantatra momba ireo takela-bolamena nafenina lalina tao an-tendrombohitra sy nomen’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith izahay ary nihira momba izany tany amin’ny Kilonga.1 Rehefa nokitikitihin’ny fahalianana ny sainay dia nisy zavatra iray tena tianay ho hita: inona no voasoratra teo amin’ilay ampahany kely amin’ilay takelaka kely izay voafehy mafy tamin’ny tariby kely roa?
Nipetraka teo amin’ny sisin’ny latabatra nandritra ny andro maro ireo takelaka vao tena nanosika anay hanao zavatra ny fahaliananay. Na dia takatray mazava tsara aza fa tsy tena ireo takelaka nomen’i Môrônia ireo dia tianay ho hita ilay ampahany voafehy. Koa imbetsaka izaho sy ny rahalahiko no niezaka nampiasa antsy fanosorana dibera, sotro taloha, na izay zavatra azonay noeritreretina mba hampisaharana ilay ampahany voafehy teo amin’ireo takelaka mba ampy ahitana izay tao anatiny—kanefa tsy natao mafy izany mba tsy hanimbana ireo fehy kely roa. Fetsy tokoa izahay ka tsy namela dian’ilay zavatra nataonay mba hanomezana fahafahampo ny fahaliananay amin’ny maha-ankizilahy anay. Diso fanantenana sy sorena anefa izahay fa tsy nahomby ireo ezaka mba “hitsikilo ireo takelaka.”
Tsy mbola fantatro foana—raha toa ka nisy—ny zavatra izay nafenina tao amin’ilay ampahany nofehezina. Fa ny tena mahamenatra tamin’ny tantaranay dia hoe mandraka ankehitriny dia tsy fantatro izay voasoratra teo amin’ilay ampahan’ireo pejy vy izay tokony ho novakiana. Ny hany azoko atao dia ny maka sary an-tsaina fa ireo pejy ireo dia ahitana ireo tantaran’ny Famerenana tamin’ny Laoniny sy ireo tenivavolombelon’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo sy Valo, izay nahita ireo takelaka izay tena natolotr’i Môrônia.
Hatramin’ny nahariana ity tany ity dia nanome fitantanana sy fitarihana ary torolalana ho an’ny zanany tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Nampitapitaina tamin’ireo mpaminany ireo ny teniny ary notehirizina ho soratra masina ho an’ny fivoarantsika sy fianarantsika. Toy izao no namariparitan’i Nefia izany:
“Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina ary ny foko misaintsaina ireny sy manoratra ireny mba ho fianarana sy tombontsoan’ny zanako.
“Indro ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo; ary ny foko misaintsaina lalandava ny zavatra efa hitako sy reko.”2
Ankoatra izay, nandritra ireo fotoampitantanana tany aloha sy ity fahafenoan’ny fotoampitantanana ity, dia nomena ny Fanahy Masina ho namana tsy tapaka izay manampy amin’ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahy ireo mpikambana mendrika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.
Azoko sary an-tsaina fa namaky ireo teny voasoratra rehetra teo amin’ilay takelaka kely tao an-tokantranon’ny ray aman-dreninay ilay zandriko lahy satria fantatro fa manana toetra tena mazoto izy. Izaho anefa tsy niraharaha ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy ireo fa nandany ny heriko tamin’ny fitadiavana ireo zavatra izay tsy natao ho ambara.
Mampalahelo fa ny fivoarantsika sy ny fianarantsika dia mety hihisatra na hijanona mihitsy aza noho ny faniriana diso toerana mba “hitsikilo ireo takelaka.” Ireny fihetsika ireny dia mety hitarika antsika hikatsaka ireo zavatra izay tsy natao hotakarina amin’izao fotoana izao sady tsy hiraharaha koa ireo fahamarinana tena tsara izay natao ho antsika sy ny toe-javatra iainantsika—ireo fahamarinana izay nofariparitan’i Nefia fa nosoratana ho fianarana sy ho tombontsoantsika.
I Jakôba rahalahin’i Nefia dia nampianatra hoe: “Indro, lehibe sy mahatalanjona ny asan’ny Tompo. Endrey tsy hita hotakarina ny halalin’ny mistery momba Azy; sady tsy vitan’ny olona ny hahita ny lalany rehetra.”3
Mampianatra antsika ny tenin’i Jakôba fa tsy afaka “mitsikilo ireo takelaka” amim-pahombiazana isika na hanery ny hanambarana ireo misiterin’ Andriamanitra amintsika. Araka ny sitrapony sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina kosa ihany no hamelabelarana amintsika ireo mistery momba an’ Andriamanitra.4
Nanohy i Jakôba hoe:
“Ary tsy misy olona mahafantatra ny lalany raha tsy ambara izany; noho izany, ry rahalahy, aza manao tsinontsinona ny fanambaran’ Andriamanitra.
“Fa indro, tamin’ny herin’ny teniny dia tonga teto ambonin’ny tany ny olona. … O amin’izany, ô nahoana Izy no tsy afaka hibaiko ny tany, na ny asan’ny tanany manerana izany, araka ny sitrapony sy ny safidiny?
“Noho izany, ry rahalahy, aza mikatsaka ny hanoro hevitra ny Tompo fa ny handray kosa torohevitra eo an-tanany.”5
Mba hahatakarana ireo mistery momba an’ Andriamanitra, na ireo zavatra izay tsy azo takarina raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, dia tsy maintsy manaraka ny ohatr’i Nefia isika, izay nilaza hoe: “Izaho izay mbola tena tanora tokoa dia lava ranjanana kosa, ary koa efa nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalaho tamin’ny Tompo, ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho.”6 Ny Tompo mihitsy no nanazava bebe kokoa fa i Nefia dia nampihatra finoana, nikatsaka tamim-pahazotoana niaraka tamin’ny fietren’ny fo, ary nitandrina ny didiny.7
Ny ohatr’i Nefia tamin’ny fikatsahana fahalalana dia nahitana (1) faniriana marina, (2) fanetrentena, (3) vavaka, (4) fahatokiana ny mpaminany, ary fampiharana (5) finoana, (6) fahazotoana, ary (7) fankatoavana. Io fomba fikatsahana io dia mifanohitra tokoa tamin’ny “fitsikilovako ireo takelaka,” na ny fiezahana hanery ny fahatakarana ireo zavatra izay natao mba hambara araka ny fandaharam-potoan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.
Amin’izao vanimpotoana maoderina izao dia lasa manantena isika fa ny fahalalana dia azo ary tokony ho azo eo no ho eo; rehefa tsy mora fantarina na tsy mora azo ny fampahalalana iray dia matetika izany no lavina na tsy atokisana. Noho ny fitobahan’ny fampahalalana, ny sasany dia manome vahana kokoa tsy am-pitandremana ny fahazoa-mino ireo loharano misy kanefa tsy fanta-piaviana toy izay hiantehitra amin’ny lamina napetraky ny Tompo amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Mety ho namariparitra ny vanimpotoana misy antsika i Jakôba rehefa niteny hoe: “Nefa indro, olona mafy hatoka [izy ireo]; ary nohamavoiny ny tenin’ny fahatsorana … ary zavatra tsy mety ho azony no nokatsahiny. Koa noho ny fahajambany izay fahajambana avy amin’ny fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona, dia tsy maintsy ilaina ny hahalavo azy; fa efa nesorin’ Andriamanitra taminy ny fahatsorany ary natolony azy ny zavatra maro izay tsy mety ho azony, satria maniry izany izy.”8
Mifanohitra amin’izany ny torohevitry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf. Niresaka momba ny misiônera izy, kanefa azo ampiharina amin’ireo rehetra izay mikatsaka fahamarinana ara-panahy ny teniny. “Rehefa … manana finoana an’i Jesoa Kristy ny misiônera,” hoy izy, “dia hanana fahatokiana ampy ny Tompo ka hanaraka ny didiny—na dia rehefa tsy takatr’izy ireo tanteraka aza ny anton’izy ireny. Hiseho amin’ny alalan’ny fahazotoana sy amin’ny alalan’ny asa ny finoan’izy ireo.”9
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany tamin’ny aprily teo, ny Loholona Dallin H. Oaks dia nanazava hoe: “Ny Fiangonana dia manao ezaka lehibe mba hangarahara amin’ireo rakitsoratra ananantsika, saingy na dia eo aza izay rehetra azontsika navoaka, indraindray ireo mpikambana ato amintsika dia tavela amin’ireo fanontaniana fototra izay tsy voavaha amin’ny alalan’ny fianarana. … Ny zavatra sasany dia tsy azo ianarana raha tsy amin’ny finoana.”10
Nampianatra izany fitsipika izany ireo mpaminany fahiny, nampiseho fa tsy niova ny toetry ny olombelona na dia nandeha aza ny fotoana ary tsy feran’ny fotoana ny lamin’ny Tompo momba ny fianarana. Saintsaino ity ohabolana ao amin’ny Testamenta Taloha ity: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.”11
Nanazava i Isaia, rehefa niteny teo amin’ny anaran’ny Tompo, hoe: “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.”12
Nanampy tenivavolombelona iray i Nefia rehefa nanambara hoe: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay.”13
Ny finoana sy ny fahatokiana ny Tompo dia mitaky antsika mba hanaiky fa lehibe mihoatra ny antsika ny fahendreny. Tsy maintsy miaiky ihany koa isika fa ny drafiny dia manolotra ny fisian-javatra tena lehibe azo tratrarina ho an’ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahy.
Tsy antenaina velively “hanana fahalalana tomombana ny zavatra” isika mandritra ny fiainana eto an-tany. Fa antenaina kosa isika mba “hanantena ny zavatra tsy hita kanefa marina.”14
Na nanana finoana lehibe aza i Nefia dia nanaiky ny fahatakarany voafetra izy rehefa namaly ilay anjely izay nanontany azy hoe: “Moa fantatrao ny momba ny fiambanian’ Andriamanitra?” Namaly i Nefia hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy; na dia eo aza izany, dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”15
Torak’izany koa i Almà dia nilaza tamin’i Helamàna zanany lahy hoe: “Ankehitriny, ireo mistery ireo dia tsy mbola ampahalalaina ahy tanteraka; noho izany aho dia hifehy tena.”16
Maneho ny fijoroako ho vavolombelona aho fa tia ny zanany ny Raintsika any An-danitra, saingy tahaka an’i Nefia sy i Almà, dia tsy mahafantatra ny hevitry ny zavatra rehetra aho. Tsy mila mahafantatra ny zavatra rehetra koa aho. Izaho koa dia hifehy tena sy hiandry ny Tompo amim-paharetana sady mahafantatra fa “izaho manana ny zava-drehetra ho toy ny fanambarana fa ireo zavatra ireo dia marina; ary manana ny zava-drehetra koa ianao hoy ny fanambarana aminao fa marina ireo. …
“… Apetraka eo anoloanao ny soratra masina, eny, ary ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny, na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra izay eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony.”17
Rehefa ekentsika fa isika dia asa-tanan’ny Ray any An-danitra hendry sy be fanoloran-tena dia “ô amin’izany,” nahoana Izy no tsy avela hitarika ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahy “araka ny sitrapony sy ny safidiny” toy izay araka ny antsika?18
Velona Izy. I Jesoa Kristy no Zanany Lahitokana sy Mpanavotra ny olombelona. Noho ny Sorompanavotana tsy misy fetra nataon’i Kristy dia manana ny fahendrena sy ny fahitana mialoha mba hitarihana antsika amin’izao andro farany izao Izy. Mpaminaniny i Joseph Smith, voafidy mba hamerina amin’ny laoniny amin’ny fahafenoany ny fanjakany eto an-tany. I Thomas S. Monson no mpaminaniny velona sy mpitondra teniny ankehitriny. Izany no ijoroako ho vavolombelona marina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.