November 2016 Votoatiny—Nôvambra 2016 Votoatiny—Nôvambra 2016 Famintinana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-186 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-186 Fivoriamben’ny Vehivavy Maneran-tany Aprily 2015 Jean B. BinghamHoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsaraNampianatra Rahavavy Bingham fa afaka mizara ny fahazavan’ny filazantsara isika amin’ny alalan’ny fananana hatsaram-panahy sy ny tsy fitsaratsarana ary amin’ny alalan’ny fanaovana izay hananana fiantrana. Carole M. StephensIlay Mpanasitrana LehibeMijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy hanasitranana antsika amin’ny fahotantsika sy ireo zavatra ratsy ataon’ny hafa ary ireo zava-tsarotra eto amin’ny fiainana an-tany ny Rahavavy Stephens. Bonnie L. OscarsonMitsangàna amin-kery ry rahavavy ao ZionaRahavavy Oscarson dia nampianatra ireo rahavavy fa mila mitsangana izy ireo mba ho lasa vehivavin’ny finoana amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fotopampianarana manan-danja ao amin’ny filazantsara sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba izany. Dieter F. UchtdorfRihana fahatelo, varavarana faranyMamporisika ireo rahavavy ny Filoha Uchtdorf mba hiaina amim-pinoana, hikaroka amim-pahavitrihana, handeha amim-pahamarinana, ary hikatsaka an’ Andriamanitra amin’ny fo manontolo. Fivoriana Asabotsy Maraina Dieter F. UchtdorfÔ Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!Mamporisika antsika ny Filoha Uchtdorf mba tsy hampihena ny lanjan’ireo fahamarinana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra fa hahatsiaro azy ireo kosa amin’ny hagagana sy ny fitalanjonana. Robert D. Hales“Avia, manaraha Ahy” amin’ny fanehoana fitiavana sy asa fanompoana amin’ny maha KristianinaMamporisika ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny Loholona Hales mba hanolo ny fifandirana ho lasa fitiavana sy hatsaram-panahy araka an’i Kristy, izay hanampy hampihena ny fijaliana ara-panahy. Carol F. McConkieNy faniriana marin’ny fanahyNy Rahavavy McConkie dia mampianatra fa ny vavaka ataontsika dia mampiditra ireo mpikambana telo ao amin’Ny Andriamanitra: mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika. Craig C. Christensen“Mpahita nofinidy iray no hatsangako”Ny Loholona Christensen dia mampahatsiahy antsika fa amin’ny alalan’ny asa nanirahana an’i Joseph Smith ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny izay efa voalaza mialoha dia afaka mankamamy ireo vokatra sy fitahiana avy amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny isika. Juan A. UcedaMampianatra antsika hivavaka i Jesoa Kristy TompoMamporisika ny mpikambana ny Loholona Uceda mba hivavaka avy amin’ny fo, mba hivavaka alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra manan-danja, ary nanamarika izy fa ny fivavahana dia fotoana iray tena masina. J. Devn CornishManana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?Nanazava ny Loholona Cornish fa rehefa miezaka hatrany mitandrina ny didy sy mibebaka ary miantehitra amin’i Kristy isika dia ho mendrika ny hiverina hiaina miaraka amin’ Andriamanitra. Neil L. AndersenVavolombelon’ AndriamanitraMampianatra ny Loholona Andersen fa tokony hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Fivoriana Asabotsy Tolakandro Henry B. EyringFanohanana ireo mpiandraikitra ambony ato amin’ny FiangonanaNy Filoha Eyring dia manolotra ireo anaran’ny Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ho tohanana. Quentin L. CookMaherifo amin’ny tenivavolombelon’i JesoaNy Loholona Cook dia mampianatra fa mba hahatonga antsika ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy, dia mila miala amin’ireo vato manafintohina izay mety hanembatsembana ny fivoarantsika isika. Gary E. StevensonJereo ilay boky, jereo ny TompoManazava ny Loholona Stevenson fa ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika ary ireo mpikambana dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany amin’ny alalan’ny famakiana izany. D. Todd Christofferson“Hitoetra ao amin’ny fitiavako”Ny Loholona Christofferson dia manazava fa ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy misy fetra saingy ny fitahiany lehibe indrindra dia miankina amin’ny fankatoavana. W. Mark BassettHo an’ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahyNy Loholona Bassett dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny faharetana sy ny finoana ary ny fankatoavana manampy antsika hahazo fahalalana ara-panahy. Kazuhiko YamashitaManàna zotom-mpo hiasa ho an’i KristyMamporisika antsika ny Loholona Yamashita mba “hanana zotom-po hiasa ho an’i Kristy” amin’ny alalan’ny fanompoana amim-pahatokiana sy amim-pahazotoana sady tsy mitaraina ary amin’ny alalan’ny faharetana ireo fitsapana amim-pifaliana. Dallin H. OaksMizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoninyMampianatra ny Loholona Oaks fa ny fizarana ny filazantsara dia tombontsoa mahafaly sy manome hevitra mba hanampiana ireo mpikambana hahatontosa izany andraikitra izany amin’ny fomba mahomby. Fivoriamben’ny Fisoronana Jeffrey R. HollandIraka avy amin’ny FiangonanaNampahatsiahivan’ny Loholona Holland an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ireo olona sy ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fampianarana isan-tokatrano atao avy amin’ny fo. LeGrand R. Curtis Jr.Misy hery ao amin’ilay bokyNy Loholona Curtis dia mampianatra fa ny fikolokoloana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mitahy ny fiainantsika ary mitondra antsika ho akaiky kokoa an’i Kristy. Dieter F. UchtdorfMianàra avy amin’i Almà sy i AmiolekaNanontanian’ny Filoha Uchtdorf an’ireo mpihazona ny fisoronana ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’i Almà eo amin’ny fitadiavana ireo Amiolekan’izy ireo ary nanontaniany izy ireo raha toa ka lasa tahaka an’i Amioleka amin’ny maha-mpianatra azy ireo. Henry B. EyringMba hahatonga azy ho matanjaka ihany koaMamporisika ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny Filoha Eyring mba hanampy ny hafa, indrindra ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna, mba hiomana amin’ny asa fanompoana izay miandry azy ireo. Thomas S. MonsonFitsipika sy FampanantenanaMijoro ho vavolombelona ny Filoha Monson mikasika ireo fitahiana izay tonga rehefa mankato ny Tenin’ny Fahendrena isika. Fivoriana Alahady Maraina Thomas S. MonsonIlay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambaranaMijoro ho vavolombelona ny Filoha Monson mikasika ny fahamarinan’ny drafitry ny famonjena, izay mifototra amin’i Jesoa Kristy. Manana andraikitra isika hizara sy hiaina ny fahamarinana. Russell M. NelsonFifaliana sy fahavelomana ara-panahyNy Filoha Nelson dia mampianatra fa afaka mahazo fifaliana eo anivon’ny toe-javatra rehetra isika raha toa ka mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjena. Peter F. MeursAfaka manampy antsika ho tonga masina ny fanasan’ny TompoAmpianarin’ny Loholona Meurs ny fomba ahafahantsika miomana tsara kokoa sy mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Linda S. ReevesNy drafitra lehiben’ny fanavotanaMizara tantara momba ireo olona izay mahatsapa ny fiadanana, ny fifaliana ary ny fitahiana avy amin’ny fibebahana amin-kitsimpo sy ny fandraisana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy Rahavavy Reeves. M. Russell BallardHankany amin’iza moa isika?Nangataka antsika ny Loholona Ballard mba handinika hoe aiza no halehantsika raha toa ka manalavitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika rehefa tsapaina ny finoantsika. Raha mijanona isika dia ho voatahy. Dean M. DaviesIreo fitahiana entin’ny fitsaohanaMampianatra antsika ny Eveka Davies hoe inona izany tena fitsaohana marina ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany ary ahoana no fomba ahafahantsika mahazo ireo fitahiana izay mifamatotra amin’izany. Lynn G. RobbinsIlay mpitsara marinaNizara ny maha-zava-dehibe ny fitsarana araka ny rariny ny Loholona Robbins sy ny fampianarana ary ny fanitsiana ny hafa amim-pitiavana, tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy. Henry B. EyringNy fankasitrahana amin’ny andro SabataMampianatra ny Filoha Eyring fa ny andro Sabata dia fotoana hanehoana fankasitrahana amin’ireo fitahiana sy fotoana hahatsiarovana ary hanatanterahana ireo fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Fivoriana Alahady Tolakandro David A. Bednar“Raha nahafantatra Ahy hianareo”Ny Loholona Bednar dia mamariparitra ireo dingana hahafantarana ny Mpamonjy, izay ahitana ny fampiharana finoana Azy, ny fanarahana Azy, ny fanompoana Azy ary ny finoana Azy. Brian K. AshtonNy Fotopampianaran’i KristyMampianatra ny Rahalahy Ashton fa ny fotopampianaran’i Kristy dia ahitana ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Carl B. CookManompoMampianatra ny Loholona Cook fa na dia sarotra aza ny antso ato am-piangonana, dia voatahy isika rehefa manompo amim-pinoana sy amim-panolorantena. Ronald A. RasbandFandrao hadinoinaoNiresaka tamin’ireo izay mikatsaka ny hanamafy orina ny finoany ny Loholona Rasband ka nampahatsiahy azy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra sy namporisika azy ireo mba hahatsiaro sy hirakitra an-tsoratra ireo zavatra niainany ara-panahy. Evan A. SchmutzAndriamanitra hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetraMijoro ho vavolombelona ny Loholona Schmutz fa rehefa mampihatra finoana ny Mpamonjy isika dia hampahery antsika sy hanohana antsika Izy ao anatin’ny fitsapana antsika. K. Brett NattressTsy misy fifaliana lehibe noho ny mahalala fa mahafantatra izy ireoMamporisika ny rehetra ny Loholona Nattress mba hanampy ny ankizy hahalala sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Dale G. RenlundNy fibebahana: Safidy mahafalyMampianatra ny Loholona Renlund fa ny fibebahana dia safidy azontsika raisina noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary ny fibebahana dia afaka mitondra fifaliana. Manampahefana Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe Liahona Manao asa fanompoana ireo mpaminany sy apôstôly Tempoly am-perinasa miisa 152 Fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana Fifehezana fotopampianarana