Andriamanitra hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra
Rehefa mampihatra ny finoantsika Azy isika, dia hampahery antsika sy hanohana antsika izy ao anatin’ny fitsapana antsika rehetra ary amin’ny farany dia hamonjy antsika ao amin’ny fanjakana selestialy.
Tafiditra ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ny famelany ny alahelo mba ho voarary ao amin’ny fiainantsika eto an-tany.1 Na dia tsy mitovy aza ny fisedrana azontsika, dia afaka mahazo antoka isika fa na lehibe izany na kely dia mijaly sy sahirana avokoa isika rehetra. Mivavaka aho ny mba hitarihan’ny Fanahy Masina antsika hahatakatra bebe kokoa hoe nahoana izany no tsy maintsy mitranga.
Rehefa mijery ireo zava-tsarotra iainantsika amin’ny alalan’ny masom-pinoana an’i Kristy isika dia afaka mahita fa mety misy tanjon’ Andriamanitra ao anatin’ny fijaliantsika. Ny mahatoky dia afaka maka traikefa amin’ilay fahamarinana ao amin’ny torohevitr’i Petera izay toa mifanipaka. Hoy ny nosoratany: “Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra.”2 Rehefa ampiharintsika amin’ny “fahalalana ny [fontsika],”3 dia afaka mitombo isika amin’ny fahafahantsika miaritra tsara ireo fisedrana antsika sy mianatra avy aminy ary hodiovin’izany. Ny fahatakarana toy izany dia manome valiny an’ilay fanontaniana hatry ny ela manao hoe “Nahoana no mitranga amin’ny olona tsara ny zavatra ratsy?”
Ny tsirairay izay mihaino androany dia samy efa mahalala ny fahatsapana ho manirery, na ny fahakiviana, na ny fanaintainana, na ny fahoriana, na ny alahelo. Raha tsy manana “masom-pinoana”4 sy fahatakarana ny fahamarinana mandrakizay, dia matetika isika mahita fa ny fahoriana sy ny fijaliana iainantsika amin’ny fiainana an-tany dia mety hanamaizina na hanakona ilay fifaliana mandrakizay avy amin’ny fahafantarana fa ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra dia tena ilay drafitra mandrakizan’ny fahasambarana tokoa. Tsy misy fomba hafa ankoatra izany ahafahantsika mahazo ny fahafenoan’ny fifaliana.5
Andriamanitra dia manasa antsika mba hiatrika amim-pinoana ireo fahoriana natokana manokana ho antsika mba hahafahantsika mijinja fitahiana sy mahazo fahalalana izay tsy azontsika ianarana amin’ny fomba hafa. Ampianarina isika mba hitandrina ireo didy isaky ny toe-java-misy sy ny zava-mitranga satria “izay mahatoky amin’ny fahoriana, dia lehibe kokoa ny valisoany ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”6 Ary araka ny hitantsika ao amin’ny soratra masina, “Raha feno alahelo ianao dia miantsoa ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fitalahoana, mba ho feno hafaliana ny fanahinao.”7
I Paoly Apôstôly, izay efa niaritra fahoriana tokoa, dia naka zavatra avy tamin’ny zavatra niainany manokana mba hampianatra amin’ny halaliny sy amin’ny hatsarany ilay fomba fijery mandrakizay rehefa maharitra tsara sy amim-paharetana. Hoy izy hoe: “Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.”8 Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe, afaka mahafantatra isika eo anivon’ireo fahoriantsika fa Andriamanitra dia efa nanome valisoam-panonerana mandrakizay.
Ny fahaizan’i Paoly miresaka ny fitsapana sy ny fanenjehana, ary ny fahoriana ho toy ny fahoriana “maivana” dia mandiso ny fiheverana ny hamafin’ny fijaliany, izay ho azy dia takon’ilay fomba fijery mandrakizan’ny filazantsara. Nahatonga ny zavatra rehetra ho azony zakaina ny finoan’i Paoly an’i Jesoa Kristy. Indimy izy no nokapohina niaraka tamin’ny dian-kapoka; intelo tamin’ny hazo; indray mandeha izy notoraham-bato; intelo izy vaky sambo; matetika izy saika matin’ny rano sy jiolahy, ary namana sandoka mihitsy aza; niaritra harerahana sy fanaintainana, hanoanana sy hetaheta, ary nogadraina tao amin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana izy.9
Maro amintsika no efa nitalaho tamin’ Andriamanitra mba hanala ny antony nampahory antsika, ary rehefa tsy tonga ilay fanampiana nokatsahintsika dia alaim-panahy isika hieritreritra fa tsy mihaino Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa na dia amin’ireny fotoana ireny aza dia mihaino ny vavaka ataontsika Izy, sady manana ny antony hamelany ireo fahoriantsika hitohy,10 ary hanampy antsika hizaka izany.11
Ao anatina andalana iray lalina sy mampisaina i Paoly dia milaza amintsika momba ny “tsilo” iray tamin’ny nofony izay tsy fantatra anarana, izay niteraka fanaintainana lehibe taminy ka nitarika azy handohalika intelo, nangataka tamin’ny Tompo mba hanala izany teo aminy. Ho valin’ny vavaka nataon’i Paoly, ny Tompo dia tsy nanala ilay tsilo fa nilaza fiadanana sy nanome fahatakarana tamin’ny fony nanao hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” Rehefa nanana fahatakarana vaovao i Paoly dia afaka nanaiky ilay tsilo nomena azy sy afaka nisaotra noho izany. Hoy izy: “Koa … sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.”12
Rehefa manana io fomba fijery mandrakizay io isika amin’ny fiainantsika, dia mitombo ny fahafahantsika hiaritra, mianatra ny fomba hanampiana izay mila fanampiana isika,13 ary lasa mankasitraka sy maneho fisaorana mihitsy aza isika noho ireo traikefa nomen’ Andriamanitra antsika ho mpampianatra antsika ao anatin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Rehefa hitantsika fa mandalo fahoriana isika, dia mety ho sarotra ny mijery ny fizahan-toetrantsika ho toy ny takelaby amin’ny lalantsika manokana amin’ny maha-mpianatra. Kanefa, na eo amin’ny lohasaha maloky ny fahakiviana isika indraindray na eo amin’ny havoan’ny fahasambarana, dia afaka ny ho fitahiana ny mianatra avy amin’izany sy ny mahatsapa fangorahana noho ny fahorian’ny hafa.
Nandritra ny iraka iray hanatrika fihaonamben’ny tsatòka tany Philippines vao tsy ela, dia nalahelo mafy rehefa nahare ny loza niainan’ny Rahalahy Daniel Apilado aho. Ny rahalahy Apilado sy ny vadiny dia vita batisa tamin’ny 1974. Nanaiky tamin-kafanampo ny filazantsara izy ireo ary nofehezina tany amin’ny tempoly. Taorian’izay izy ireo dia nahazo zanaka dimy tsara tarehy. Tamin’ny 7 jolay 1997, raha filohan’ny tsatòka ny rahalahy Apilado dia nirehitra ny trano kelin’izy ireo. Nanavotra ny rainy i Michael, lahimatoan’ny rahalahy Apilado, nisintona azy niala avy tao amin’ilay trano nirehitra, ary avy eo dia nihazakazaka niverina tao amin’ilay trano mba hanavotra ny hafa. Izay no fotoana farany nahitan-drahalahy Apilado ilay zanany lahy. Maty tao amin’ilay afo i Dominga vadin-drahalahy Apilado niaraka tamin’ny zanak’izy ireo dimy.
Ny fananan-drahalahy Apilado fiainana izay nahafaly an’ Andriamanitra tamin’ny fotoana namelezan’ny loza dia tsy nisakana ilay loza na nahatonga azy ho vita fanefitr’ireo alahelo taorian’izany. Saingy ny fahatokiany tamin’ny fanajany ireo fanekempihavanany sy ny fampiharany finoana an’i Kristy dia nanome toky azy fa mbola ho tafaray indray amin’ny vadiny sy ny fianakaviany izy. Lasa vatofantsiky ny fanahiny izany fanantenana izany.14
Patriariky ny tsatòka ny rahalahy Apilado tamin’ny fotoana nitsidihako sy nampahafantarany ahy an’i Simonette vadiny vaovao sy ireo zanany lahy anankiroa, i Raphael sy i Daniel. Tena marina tokoa fa i Jesoa Kristy dia afaka “hahasitrana ny torotoro fo”15 ary hataony izany.
Raha mizara ny tantaran-drahalahy Apilado aho dia manahy sao mahatonga ny maro hieritreritra hoe ny alahelo sy ny fijalian’izy ireo manokana dia tsy maninona loatra raha oharina amin’ny haben’ny zavatra nafoin’ny rahalahy Apilado. Aza mampitaha, fa mikatsaha ny hianatra sy hampihatra ireo fitsipika mandrakizay rehefa mamakivaky ny memin’ny fahorianao ianao.
Raha hiresaka aminareo manokana aho—“hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana,”16—dia te hilaza aminareo aho fa ny olanareo manokana, ny alahelonareo, ny fanaintainanareo, ny fahorianareo ary ny rofinareo tsirairay dia fantatry ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany daholo. Manàna herimpo! Manàna finoana! Ary inoy ireo fampanantenan’ Andriamanitra!
Anisan’ny tanjona sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy ny hoe Izy dia “hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony,” “haka ny rofiny ho eo Aminy” ary “[hanampy] ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”17
Mba hahazoana ireo fanomezana izay nomen’ny Mpamonjy antsika maimaimpoana tokoa ireo, dia tsy maintsy mianatra isika fa raha ny fahoriana—ilay fahoriana mihitsy—dia tsy mampianatra na manome na inona na inona antsika zavatra maharitra raha tsy hoe minia mandalo amin’ilay dingan’ny fianarana avy amin’ny fahoriantsika isika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana.
Nizara ny zavatra nianarany momba ny fahoriana misy tanjona indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell manao hoe:
“Ny karazana fahoriana sasany, raha iaretana tsara, dia mety hampisondrotra tokoa. …
“… Anisan’ny maharitra tsara ny hoe malemy fanahy tsara, ao anatin’ny fahoriantsika, mba hianatra avy amin’ireo zavatra manan-danja iainantsika. Tsy maintsy mandalo amintsika ireo zavatra ireo … amin’ny fomba izay manamasina [antsika] fa tsy hoe handalovantsika fotsiny.”18
Nahatsikaritra aho tamin’ny fiainana sy ny ohatra nasehon’ny hafa, fa ny fampiharana finoana mafy sy maharitra an’i Jesoa Kristy sy ny fampanantenany dia manome fanantenana azo antoka zavatra tsara izay ho avy. Izany fanantenana azo antoka izany dia manamafy orina antsika, amin’ny fitondrana ny tanjaka sy ny hery ilaintsika mba hahafahantsika miaritra.19 Raha haintsika ny ifandraisan’ny fahoriantsika amin’ny toky avy amin’ny fanana tanjona amin’ny fiainana an-tany ary indrindra indrindra amin’ny valisoa miandry antsika ao amin’ireo fitoerana any an-danitra, dia hitombo ny finoantsika an’i Kristy ary hahazo fampiononana ho an’ny fanahintsika isika.
Dia ho hitantsika avy eo ilay hazavana ao aorian’ny haizina. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Tena misy hazavana tokoa ao aorian’ny haizina. Io ilay Fahazavan’izao tontolo izao, ilay Kintana mamirapiratra fitarika andro, ilay ‘fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina’ [Môsià 16:19]. Io ilay Zanak’ Andriamanitra izy tenany.”20
Afaka mahazo hery isika rehefa mahafantatra fa ny zavatra sarotra rehetra amin’ity fiainana ity dia mandalo avokoa; na ny alina maizina indrindra aza dia hivadika ho mangiran-dratsy ho an’ny mahatoky.
Rehefa vita ny zavatra rehetra sy rehefa niaretantsika tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy avokoa ny zavatra rehetra, dia ananantsika ilay fanantenana fa “[Andriamanitra] hamafa ny ranomaso amin’ny [tavantsika] rehetra.”21
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ilay Raintsika sy i Jesoa Kristy Zanany, ary tsy mivadika amin’ny fampanantenany izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia manasa antsika rehetra mba hanatona sy handray ny Sorompanavotany. Rehefa mampihatra ny finoantsika Azy isika, dia hampahery antsika sy hanohana antsika izy ao anatin’ny fitsapana antsika rehetra ary, amin’ny farany dia hamonjy antsika ao amin’ny fanjakana selestialy. Manasa anareo aho hanatona an’i Kristy, sy haharitra tsara amim-pinoana, ho lasa tanteraka amin’ny alalany, ary hanana fifaliana tonga lafatra ao Aminy. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.