2016
Fandrao hadinoinao
November 2016


Fandrao hadinoinao

Tsarovy indrindra amin’ny fotoana isian’ny olana, ny fotoana nahatsapanareo ny Fanahy sy nananareo fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Tsarovy ireo fototra ara-panahy naorinareo.

Miarahaba anareo ry rahalahy sy rahavavy amin’izao tolakandro izao. Tena nahazo fitahiana isika nandritra ity fihaonambe ity. Tena nampanetry tena tokoa ity taonako voalohany naha-mpikambana ahy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Taonan’ny fanaovana ezaka mafy, sy taonan’ny fivoarana ary taonan’ny fangatahana tamim-pahamatorana sy tsy tapaka tamin’ny Raiko any An-danitra izany. Nahatsapa ireo vavaka feno fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy namana ary mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao aho. Misaotra tamin’ny fieritreretanareo ahy sy ny vavaka nataonareo.

Nanana tombontsoa nihaonana tamin’ireo namana tiana koa aho. Ny sasany namana efa aman-taonany ary ny maro dia namana vao haingana. Taorian’ny fihaonako tamin’ny namana malala iray izay fantatro sy tiako nandritra ny taona maro no nahazoako fahatsapana hanomana ny lahateniko androany.

Rehefa nihaona izahay dia nambaran’ilay namako manokana tamiko fa mandalo fahasahiranana izy. Tsapany ho niaina “fikororosin’ny finoana” izy raha ampiasaina ny teniny ary nitady torohevitra avy amiko. Naneho fankasitrahana aho noho ilay fizarany amiko ny zavatra tsapany sy ny olany.

Naneho faniriana lehibe hanana indray ilay fahatsapana ara-panahy izay tsapany taloha izy sy hanana indray ireo zavatra izay eritreretiny fa mihavotsotra eo am-pelatanany amin’izao fotoana izao. Rehefa niresaka izy dia nihaino tsara aho ary nivavaka mafy mba hahafantatra izay tian’ny Tompo holazaiko.

Napetrak’ilay namako, tahaka ny sasany amintsika angamba, ilay fanontaniana nambara tamin’ny fomba mahavaky fo ao amin’ny hiran’ny Ankizy anankiray izay manao hoe: “Ry Ray any An-danitra! Ao tokoa ve ianao?”1 Ho anareo izay mety mametraka io fanontaniana io dia te hizara aminareo ny torohevitra natolotro an’ilay namako aho ary manantena fa lasa hatanjaka ny finoanareo ary ho vonona indray ianareo ho mpianatr’i Jesoa Kristy mahafoy tena.

Atomboko izany amin’ny fampahatsiahivana anao fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ianao ary tsy miova ny fitiavany. Fantatro fa sarotra ny mahatsiaro fahatsapana fitiavana mampitony toy izany rehefa ao anatin’ny olana na fitsapana manokana na tratran’ny fahadisoam-panantenana na faniriana tsy tanteraka ianao.

Fantatr’i Jesoa Kristy izany hoe olana sy fitsapana mahery vaika izany. Nanolotra ny ainy ho antsika Izy. Tena nangirifiry ireo ora farany niainany, mihoatra lavitra noho izay azontsika takarina aza, saingy fanehoana faratampony ny fitiavany madio ny sorona nataony ho antsika tsirairay.

Tsy hisy fahadisoana na fahotana na safidy ka hanova ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Tsy midika akory izany fa azo ekena ny fitondrantena tsy mendrika na hanaisotra ny andraikitsika mba hibebaka izany rehefa manota. Saingy aza hadinoina fa mahafantatra sy tia antsika tsirairay ny Ray any An-danitra ary vonona ny hanampy antsika foana Izy.

Rehefa nisaintsaina ny toe-javatra niainan’ilay namako aho dia nieritreritra ilay fahendrena lehibe hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Ary ankehitriny, ry zanako tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, eny, ny zanatsìpikany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”2

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy te ho ao amin’ny “hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany.” Ary tsapan’ilay namako fa teo amoron’izany izy.

Rehefa nanoro hevitra olona toa an’io namako io aho dia namantatra ireo fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo tao anatin’ny taona maro izay nitarika azy ireo hanadino ireo zavatra masina niainana sy hihamalemy ary hiahiahy. Namporisika azy ireo aho toy ny amporisihako anareo amin’izao fotoana izao mba hahatsiaro, indrindra amin’ny fotoana isian’ny olana, ny fotoana nahatsapanareo ny Fanahy sy nananareo fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Tsarovy ireo fototra ara-panahy naorinareo. Mampanantena aho fa raha manao izany ianareo, izany hoe misoroka ireo zavatra izay tsy mampivoatra sy tsy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo na manao tsinontsinona ny finoanareo, dia hiverina ho tsaroanareo indray ireo fotoana sarobidy naha-mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nanananareo amin’ny alalan’ny vavaka sy fifadian-kanina atao amim-panetrentena. Manome toky anareo aho fa hahatsapa indray ny fiarovana sy ireo zavatra mahafinaritra avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo.

Tsy maintsy mampatanjaka ny tenantsika ara-panahy aloha isika tsirairay dia avy eo mampatanjaka ireo manodidina antsika. Halalino tsy tapaka ny soratra masina, ary tsarovy ireo zavatra tao an-tsainareo sy tsapanareo rehefa namaky izany ianareo. Mitadiava koa loharano hafa ahitana ny fahamarinana saingy araho ity fampitandremana avy amin’ny soratra masina ity: “Nefa tsara ny mahay raha henoiny ny torohevitr’ Andriamanitra.”3 Atreho ireo fivoriam-piangonana, indrindra fa ny fivoriana Fanasan’ny Tompo, dia mandraisa fanasan’ny Tompo ary havaozy ny fanekempihavanana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampanantenana ny hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy mba hananana mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminareo.

Na inona na inona fahadisoana nataontsika na mahatsapa ho tsy mendrika toy ny inona aza isika, dia afaka mitahy sy mampitraka ny hafa foana isika. Afaka manampy antsika hahatsapa lalina ao am-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra ny fanoloran-tanana azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy.

Zava-dehibe ny mahatsiaro ilay torohevitra mafonja hita ao amin’ny Deoteronomia: “Tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, ary andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.”4

Misy fiantraikany amin’ireo taranaka ny safidy ataontsika. Zarao amin’ny fianakavianao ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Amporisiho izy ireo hahatsiaro ny zavatra tsapany rehefa nahatsapa ny Fanahy teo amin’ny fiainan’izy ireo ary hirakitra an-tsoratra ireo zavatra tsapa ireo ao anatin’ny diary sy ny tantaran’ny tena manokana mba hahafahan’ny tenin’izy ireo manokana mampahatsiaro azy ireo ny hatsaram-panahin’ny Tompo tamin’izy ireo amin’ny fotoana ilana izany.

Tsarovy fa amin’ny ampahany dia niverina tany Jerosalema i Nefia sy ireo rahalahiny haka ny takela-barahina ahitana ny raki-tantaran’ny vahoakany mba tsy hanadinoan’izy ireo ny lasany.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna koa dia nomen’i Helamàna ny anaran’ny “ray aman-dreni[ny] voalohany” ireo zanakalahiny mba tsy hanadinoan’izy ireo ny hatsaram-panahin’ny Tompo:

“Indro, ry zanako, maniry aho ny hahatsiarovanareo ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra. … Indro, efa nomeko anareo ny anaran’ny ray aman-drenintsika voalohany izay nivoaka tao an-tanin’i Jerosalema; ary izany no efa nataoko dia ny hahazoanareo mahatsiaro azy rehefa mahatsiaro ny anaranareo ianareo; ary rehefa mahatsiaro azy ianareo, dia ny hahazoanareo mahatsiaro ny asany; ary rehefa mahatsiaro ny asany ianareo dia ny hahazoanareo mahafantatra fa voalaza ary koa voasoratra fa tsara ireny.”

“Noho izany ry zanako dia mba tiako ny hanaovanareo izay tsara mba hahazoana milaza ary koa manoratra ny momba anareo, tahaka izay efa nolazaina sy nosoratana momba azy ireo.”5

Maro ny olona amin’izao fotoana izao no manao io fomba io ka manome an-janany anarana olona be herimpo ao amin’ny soratra masina na anarana razambe mahatoky ho toy ny fomba iray hamporisihana azy ireo tsy hanadino ny lovany.

Rehefa teraka aho dia nomena ny anarana hoe Ronald A. Rasband. Manome voninahitra ny rohim-pirazanan’ny raiko ny anarako. Ny voalohan-tarehintsoratra A izay fanampin’anarana faharoa dia nomena ahy mba hampahatsiahy ahy ny tokony hanomezako voninahitra ny razamben’ny reniko Danois izay nantsoina hoe Anderson.

Avy any Danemark i Jens Anderson dadaben’ny dadabeko. Ary notarihin’ny Tompo ho any an-tokantranon’i Jens sy Ane Cathrine Anderson mivady ny misiônera Môrmôna anankiroa tamin’ny 1861 ka tao no nampahafantarin’ireo misiônera azy ireo sy an’i Andrew zanany lahy 16 taona ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Nanomboka teo ilay lovam-pinoana ka nahazo tombontsoa tamin’izany ny fianakaviako sy ny tenako. Namaky ny Bokin’i Môrmôna ry Anderson mianakavy ary natao batisa fotoana fohy taorian’izany. Herintaona taorian’izay dia nanaraka ilay antso nataon’ny mpaminany ny fianakaviana Anderson mba hamakivaky ny faritra Atilantika ary hamonjy ireo Olomasina any Amerika Avaratra.

Indrisy fa maty nandritra ilay dia teny amin’ny ranomasimbe i Jens, saingy nanohy hatrany Salt Lake Valley ny vadiny sy ny zanany lahy ary tonga ny 3 Septambra 1862. Na dia teo aza ireo fitsapana sy fahoriana nianjady tamin’izy ireo dia tsy nihozongozona velively ny finoan’izy ireo ary toy izany koa ny an’ireo taranany maro.

Sary hosodoko ao amin’ny biraon’ny Loholona Rasband

Misy sary hosodoko iray mihantona ao amin’ny biraoko6 izay nahavita namoaka tamin’ny fomba tena kanto ilay fampahatsiahivana manan-danja ny fihaonana voalohany teo amin’ireo razambeko sy ireo misiônera tany am-piandohana ireo izay feno fanoloran-tena. Vonona ny tsy hanadino ny lovako aho ary noho ny anarako dia hotsaroako mandrakizay ny lovan’ny fahatokiana sy fahafoizan-tena napetrak’izy ireo.

Aza hadinoina na ahiahiana na odiana tsy fantatra velively ireo zavatra masina ara-panahy niainana. Ny drafitry ny fahavalo dia ny handrebireby antsika tsy hahita ireo vavolombelona ara-panahy ary ny fanirian’ny Tompo kosa dia ny hanazava antsika sy ny hampirotsaka antsika ao amin’ny asany.

Mamelà ahy hizara ohatra manokana iray momba io fahamarinana io. Tsaroako mazava tsara ilay fotoana nandraisako bitsika ho valin’ny vavaka nahery vaika iray. Nazava sy nafonja ilay valiny. Kanefa tsy tonga dia nandray andraikitra aho teo anatrehan’ilay bitsika ary taty aoriana dia nanomboka nanontany tena aho raha toa ka tena marina ny zavatra tsapako. Mety efa tafalatsaka tao anatin’izany fitaky ny fahavalo izany koa ny sasany aminareo.

Andro maro taty aoriana dia nifoha niaraka tamin’ireto andinin-tsoratra masina ireto tao an-tsaiko aho:

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao. …

“Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona bebe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?”7

Toy ireny niteny tamiko ireny ny Tompo hoe: “Izao ry Ronald! Efa nolazaiko taminao ny zavatra tokony hataonao. Dia ataovy izany!” Tena feno fankasitrahana aho noho izany fanitsiana sy torolalana feno fitiavana izany! Tonga dia nahazo fampaherezana avy tamin’ilay bitsika aho ary afaka nandroso niaraka tamin’ny fahafantarana tao anatiko fa voavaly ny vavaka nataoko.

Zaraiko izany zavatra niainana izany ry rahalalahy sy rahavavy malala mba hampisehoana fa mora manadino ny saintsika ary mba hampisehoana ny fomba itarihan’ireo zavatra niainana ara-panahy antsika. Nianatra nanome lanja fotoana tahaka ireny aho “fandrao hadinoiko.”

Ho an’ilay namako sy ho an’ireo rehetra izay maniry ny hampitombo ny finoany dia omeko anareo ity fampanantenana ity: “Rehefa miaina amim-pahatokiana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy manaraka ny fampianarany ianareo dia ho voaro ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ary hitombo.” Hajao ny fanekempihavanana nataonareo na inona na inona zavatra ataon’ireo olona manodidina anareo. Aoka ianareo ho ray aman-dreny, rahalahy sy anabavy, raibe sy renibe, dadatoa sy nenitoa ary namana mavitrika izay mampatanjaka ny havan-tiany amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tena manokana sy mizara zavatra niainana ara-panahy. Mijanòna ho mahatoky sy tsy ho voahozongozona na dia tafihan’ny ahiahy mahery vaika aza ny fiainanareo amin’ny alalan’ireo zavatra ataon’ny hafa. Tadiavo izay zavatra hanazava ny saina amam-panahinareo sy hampatanjaka anareo ara-panahy. Sorohy ireo fanolorana mifono fitaka ny mody hoe “fahamarinana” izay mora miely tokoa ary aza hadino ny mirakitra an-tsoratra ny fahatsapanareo “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahelemem-panahy, [ary] fahononam-po.”8

Ao anatin’ny oram-baratra lehiben’ny fiainana, aza hadinoina ilay lova masinareo amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra anareo, na ny anjara mandrakizainareo dia ny hiverina hiaraka hiaina Aminy, izay mihoatra noho ny zavatra azon’izao tontolo izao atolotra. Tsarovy ny teny feno fitiavana sy mamy nolazain’i Almà: “Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo ry rahalahiko, fa raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”9

Ho an’ny rehetra izay mahatsapa fa tokony hampatanjahana ny finoany dia mitalaho aminareo aho hoe aza hadinoina! Aoka tsy hohadinoinareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro fa niseho sy niresaka tamin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy, araka ny teny izay noraketiny mihitsy. Feno fankasitrahana aho fa tsy hadinony ny nanoratra izany zavatra niainana izany mba hahafahantsika rehetra mahafantatra ny fijoroany ho vavolombelona.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy Tompo aho. Velona Izy. Fantatro fa velona Izy ary mijoro eo amin’ny lohan’ity Fiangonana ity. Fantatro manokana ireo zavatra ireo ary tsy miankina amina feo na vavolombelona hafa. Ary mivavaka aho mba tsy hanadino velively ireo fahamarinana masina mandrakizay izaho sy ianao—ny voalohany ary tena manan-danja indrindra dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray aman-dreny velona sy be fitiavana isika izay tsy maniry afa-tsy ny fahasambarantsika mandrakizay. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.