Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa
Tsy azontsika avela hanjary hisafotofoto sy hasarotin’ny vato manafintohina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka.
Ny fiainana mandrakizay no fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ary omena ireo izay “mitandrina ny didi[n’ Andriamanitra] ary maharitra hatramin’ny farany izany.”1 Mifanohitra amin’izany, ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra dia tsy homena an’ireo “izay tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.”2 Maro ireo vato manafintohina ny lanjantsika ka manakana antsika tsy hahatratra ny tanjona hahazo ny fiainana mandrakizay.3 Mety ho sarotra raisina ny vato misakana; hanome ohatra iray aho.
Taona maro lasa izay dia nanorina trano kely teo amin’ny ampahan’ny tany fiompiana izay nahalehibe anay ny raiko. Tena tsara ny zavatra tazana nanerana ny saha. Nitsidika izany aho rehefa nitsangana ny rindrin’ilay trano kely. Talanjona aho fa tonga dia andrin-jiro iray tsy lavitra ny tranonay no tazana mivantana avy eo amin’ny varavarankely. Fanelingelenana goavana ny hakanton’ny zavatra tazana izany tamiko.
Niteny aho hoe: “Dada, nahoana no navelanao napetrak’izy ireo mivantana teo anoloan’ny zavatra tazantsika avy eto amin’ny varavarankely io andrin-jiro io?”
Ny raiko, izay lehilahy niavaka tamin’ny fampiharan-javatra sady tony, dia nihiaka niaraka tamin’ny fihetseham-po be nanao hoe: “Quentin a! Io andrin-jiro io amiko no zavatra tsara indrindra eto amin’ny tany fiompiana iray manontolo!” Dia nilaza ny antony izy avy eo. “Rehefa mijery io andrin-jiro io aho dia fantatro fa tsy ilaiko intsony ny mitondra rano avy any an-doharano miakatra any an-trano tahaka ny fony aho nihalehibe teto mba handrahoana sakafo, na hanasana tanana, na handroana. Tsy mila mandrehitra labozia na fanala mandeha amin’ny solika intsony aho raha hamaky teny amin’ny alina. Tiako ho hita tena eo afovoan’ny zavatra tazana avy eto am-baravarankely io andrin-jiro io.”
Nanana fomba fijery tsy nitovy tamin’ny ahy momba ilay andrin-jiro ny raiko. Taminy dia naneho ny fiainana nivoatra ilay andrin-jiro, kanefa vato nanafintohina ilay hakanton’ny zavatra tazana izany tamiko. Nanome lanja ny herinaratra, sy ny hazavana ary ny fahadiovana mihoatra noho ny zavatra mahafinaritra tazana ny raiko. Fantatro avy hatrany fa raha toa ka vato manafintohina ilay andrin-jiro ho ahy dia nanana heviny tena azo ampiharina sy naneho zava-manan-danja izany ho an’ny raiko.
Ny vato manafintohina dia “sakana iray eo amin’ny finoana na ny fahatakarana” na “sakana iray ho an’ny fandrosoana.”4 Ny hoe tafintohina ara-panahy dia “lavo ao amin’ny fahotana na amin’ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’ny tsara.”5 Ny vato manafintohina dia mety ho izay zavatra rehetra mandrebireby antsika tsy hanatratra tanjona tsara.
Tsy azontsika avela hanjary hisafotofoto sy hasarotin’ny vato manafintohina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka. Tsy afaka mianjera ao anatin’izany fandrika izany isika. Mila mijanona ho madio sy tsotra tahaka ny fiarovana tsotra nataon’ny raiko momba ilay andrin-jiro teo amin’ny tany fiompiana nahalehibe azy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy Ireo.
Inona avy ireo sasany amin’ireo vato manafintohina izay mampisafotofoto sy manasarotra ny tenivavolombelona madio sy tsotra ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka ka mahatonga antsika tsy ho maherifo amin’izany tenivavolombelona izany?
Vato manafintohina iray ny filôzôfian’ny olombelona
Manolo-tena hahazo karazana fahalalana maro isika ary mino fa “ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina.”6 Saingy fantatsika ihany koa fa ny paik’ady tian’ilay fahavalo indrindra dia ny hitarika ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra ary hahatonga azy ireo ho tafintohina amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny filôzôfian’ny olombelona mihoatra noho ny Mpamonjy sy ireo fampianarany.
Vavolombelona matanjak’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Paoly noho ny zavatra niainany mahagaga sy nanova fiainana niaraka tamin’ny Mpamonjy.7 Ny zavatra miavaka niainan’iPaoly dia nanomana azy hifandray amin’olona manana kolontsaina samihafa. Tiany ny “fahatsorana mivantana sy marina” nananan’ny Tesaloniana sy ny “fitserana feno hatsaram-panahy” nananan’ny Filipiana.8 Hitany tamin’ny voalohany fa sarotra kokoa ny nifandray tamin’ireo Grika manam-pahaizana sy manan-kaja. Niezaka nampiasa fomba fomba fanomorana ara-pilôzôfika izy tao Athènes teo amin’ny havoana Mars, ary dia nolavina. Tapa-kevitra ny hampianatra tsotra ny “fotopampianaran’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana” tamin’ny Korintiana izy.”9 Raha hampiasa ny tenin’ny Apôstôly Paoly hoe:
“Ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery:
“Mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’ Andriamanitra.”10
Hita ao amin’ny 1 Korintiana ny sasany amin’ireo tantara mahatalanjona indrindra momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy ao amin’ny soratra masina. Ny toko iray—15—dia nisarika ny sain’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ireo hira ho an’ny amboarampeo nosoratan’i George Frideric Handel mitondra ny lohateny hoe Le Messie.11 Ahitana fotopampianarana lalina momba ny Mpamonjy izany. Ao amin’ny ampahany fahatelo ao amin’ny Le Messie, manaraka avy hatrany ilay hira “Aleloia,” dia avy ao amin’ny 1 Korintiana 15 ny ankamaroan’ireo soratra masina nampiasaina. Ao amin’ny vitsivitsy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no namariparitan’i Paoly tamin’ny fomba kanto ny sasany amin’ireo zavatra notontosain’ny Mpamonjy:
“[Fa] efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, … ho santatr’izay efa nodimandry.
“… Satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganana amin’ny maty.
“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. …
“Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? …
“Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”12
Fantatsika fa nitranga ny Apôstazia satria nakarina ho eo ambonin’ny fotopampianarana fotopampianarana fototra sy manan-danjan’i Kristy ny filôzôfian’ny olombelona. Raha tokony ho ny fahatsoran’ny hafatry ny Mpamonjy no nampianarina dia fahamarinana tsotra sy sarobidy maro no novaina sy very. Raha ny marina dia nanomboka nampiasa ny sasantsasany tamin’ireo fombafomba ara-pilôzôfikan’ny Grika ny Kristianina mba hampifanarahana ny finoan’ny olona tamin’ny kolontsaina nisy. Nanoratra ilay mpahay tantara Will Durant hoe: “Tsy noravan’ny Kristianina ilay finoana tsy Kristianina fa nanomboka nampiasainy izany. Ny kolontsaina Grika izay efa niala aina dia nanjary nahazo aina vaovao tamin’ny alalan’ireo izay nanaiky ny ampahan’izany.”13 Ara-tantara, sy amin’izao androntsika izao mihitsy, dia mandà ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona sasany satria tsy dia saro-takarina ara-tsaina izany.
Tamin’ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia olona maro raha tsy ny rehetra no nilaza fa manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Firenena maro no nihevitra ny tenany ho firenena Kristianina. Kanefa na tamin’izany aza dia nisy faminaniana iray momba ny fotoan-tsarotra kokoa amin’izao andro izao.
Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity sy Mpanolotsaina Voalohan’ny Filoha Brigham Young i Heber C. Kimball. Nampitandrina izy hoe: “Ho avy ny fotoana izay … ho sarotra ny hilaza hoe iza no Olomasina ary iza no fahavalon’ny vahoakan’ Andriamanitra. Dia … mitandrema amin’ ilay sivana lehibe, satria hisy fotoana lehibe hanivanana, ary maro no hianjera.” Nofaranany hoe “ho avy ny FITSAPANA iray.”14
Mihena tokoa ny hery mitarika amin’ny maha-Kristiana any amin’ny firenena maro amin’izao androntsika izao, ary anisan’izany i Etazonia. Raha tsy misy ireo zavatra inoana ara-pivavahana dia tsy misy fahatsapana ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Noho izany dia sarotra ny manangana soatoavina iraisam-pirenena momba ny fomba entina miaina. Ny filôzôfia izay tànana lalina dia matetika no mifanohitra.
Mampahaleho fa mitranga ihany koa izany eo amin’ny samy mpikamban’ny Fiangonana izay miala amin’ny zavatra fantany fa marina ka manjary taomin’ny hevitra malaza amin’iny fotoana iny—izay mazava fa tsy marina ny ankamaroan’izy ireny.
Niteny ny Loholona Neal A. Mawell tamin’ny 1982 izay nifandray tamin’ilay faminanian’i Heber C. Kimball hoe: “Fanivanana maro no hitranga noho ny tsy fahampian’ny fitondrantena tsara izay tsy nibebahan’ny olona. Misy ireo vitsivitsy izay hilavo lefona fa tsy hifikitra hatramin’ny farany. Misy ireo vitsivitsy izay ho voafitaky ny mpikomy. Torak’izany koa, ny hafa dia ho tafintohina, satria hisy vato manafintohina mifanaraka amin’ny fotoampitantanana tsirairay!”15
Vato manafintohina iray hafa ny fandavana ny hihevitra ny fahotana araka ny tena maha-izy izany
Anisan’ireo endri-javatra miavaka sy mampiahiahy amin’izao androntsika izao ny hoe olona maro no manana fitondrantena feno fahotana kanefa mandà ny hihevitra izany ho fahotana. Tsy misy fanenenana na fahavononana hiaiky ny fitondrantenan’izy ireo ho diso ara-môraly izy ireo. Na ireo sasany izay milaza ho mino ny Ray sy ny Zanaka aza dia mino ao amin’ny fahadisoana fa ny Ray any An-danitra be fitiavana dia tsy tokony hoe hametraka voka-dratsy ho an’ny fitondrantena mifanohitra amin’ny didiny.
Izany raha zohina ny zavatra ninoan’i Kôriantôna, zanakalahin’i Almà zandriny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanao fitondrantena tsy mendrika goavana izy ka nahazo torohevitra tamin’i Almà. Sambatra isika fa ny mpaminany lehibe Almà, izay niaina manokana ny “hantsana maizin-kitroka [sy] ny fahazavana mahagaga,”16 dia nirakitra an-tsoratra ny torolalana nomeny. Ao amin’ny Almà toko faha-39, dia hitantsika ny fomba nanoroany hevitra ny zanany lahy tamin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana ary nanazavany ny fomba hahatongavan’i Kristy mba hanaisotra ny fahotana avy eo. Nazavainy tsara tamin’i Kôriantôna ny ilàna ny fibebahana satria “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra.”17
Ny Almà 42 dia ahitana ny sasany amin’ireo fotopampianarana tsara indrindra momba ny Sorompanavotana ao anatin’ny soratra masina rehetra. Nampian’i Almà i Koriantona mba hahatakatra fa “rariny ny tokony hametrahana ny mpanota ao amin’ny toetry ny fahoriana.”18 Saingy nomarihiny fa nanomboka tamin’i Adama, Andriamanitra be famindram-po dia nanolotra “fotoana mba hibebahana” satria raha tsy misy fibebahana, “ny drafitra lehiben’ny famonjena dia ho efa voasampona.”19 Nambaran’i Almà ihany koa fa ny drafitr’ Andriamanitra dia “drafitry ny fahasambarana.”20
Tena mampitombo fahalalana ireo fampianaran’i Almà hoe: “Satria indro, ny fahamarinana dia mampihatra ny fitakiana rehetra, ary ny famindram-po koa dia mitaky izay rehetra azy; ary noho izany, tsy misy afa-tsy ny mivalo marina tokoa no vonjena.”21 Raha jerena amin’ny tena endriny, ireo fitahiana lehibe avy amin’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo fampianaran’ny Mpamonjy dia tena manan-danja tokoa. Tsy hoe tsy rariny ny mahitsy, tahaka ny nataon’i Almà tamin’i Kôriantôna, mikasika ireo voka-dratsin’ny safidy hanota sy ny tsy fisian’ny fibebahana. Nambara matetika fa: “Na ho ela na ho haingana, ny olona rehetra dia tsy maintsy [hiatrika] ny vokatr’ireo fanapahan-keviny.”22
Ny fitahiana mahatalanjona sy mandrakizain’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny hoe amin’ny alalan’ny fibebahana, ny fitondrantena feno fahotana dia ho voafafa. Taorian’ny fibebahan’i Kôriantôna dia namarana i Almà nanao hoe: “Maniry aho ny tsy hamelanao intsony ireo zavatra ireo hanahirana ny sainao, ary aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao, amin’ity fahasahiranana ity izay hitondra anao hidina any amin’ny fibebahana.”23
Vato manafintohina iray ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona
Nantsoin’ny mpaminany Jakôba hoe “olona mafy hatoka” ny Jiosy fahiny [izay] nanamavo … ny fahatsorana ary “… novonoiny ny mpaminany, ary zavatra tsy mety ho azony no nokatsahiny. Koa, noho ny fahajambany izay fahajambana avy amin’ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona, dia tsy maintsy ilaina ny hahalavo azy.”24
Na dia maro aza ireo ohatra ny amin’ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona,25 dia ohatra lehibe iray amin’izao androntsika izao ny fironana mihoa-pampana amin’ny zavatra iray. Ny fironana mihoa-pampana amin’ny filazantsara dia rehefa manandratra fitsipiky ny filazantsara iray mihoatra noho ireo fitsipika mitovy lanja hafa ny olona iray ka mino zavatra mihoatra na mifanohitra amin’ireo fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ohatra iray ny hoe rehefa misy olona iray mamporisika ny hanaovana fanampiana na fanovana na fanamafisana voalohany ny ampahany iray ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Iray hafa koa ny fiomanana lafo vidy ho an’ny “fiafaran’izao tontolo izao.” Amin’ireo ohatra roa ireo dia amporisihina ny hafa mba hanaiky ny fihevitry ny tena manokana. “Raha toa ka ovaintsika ho karazana hafanam-po ara-pivavahana tafahoatra ny lalàn’ny fahasalamana na izay mety ho fitsipika hafa, dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika.”26
Raha niresaka momba ny fotopampianarana manan-danja ny Tompo dia nanambara Izy hoe: “Na zovy na zovy no manambara mihoatra na latsaka noho izao, dia tsy avy Amiko izy.”27 Rehefa manandratra fitsipika iray amin’ny fomba izay mampihena ny fanolorantenantsika amin’ireo fitsipika mitovy lanja amin’izany isika na mino ny zavatra mifanohitra na mihoatra amin’ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika.
Ankoatra izay dia misy ireo mpikambana sasany izay manandratra foto-kevitra, izay tsara ny ankamaroan’izy ireny, mba hanana toerana ambony kokoa noho ny fotopampianaran’ny filazantsara fototra. Soloin’izy ireo amin’ilay foto-kevitra ny fanolorantenan’izy ireo ka lasa izany no fanolorantenany voalohany ary hahenany ny fanolorantenany ho an’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany mba ho lasa amin’ny toerana faharoa. Raha toa ka manandratra na inona na inona ambonin’ny fanolorantenantsika ho an’ny Mpamonjy isika, raha toa ny fitondrantenantsika ka maneho Azy ho mpampianatra iray hafa fotsiny fa tsy ilay Zanakalahy masin’ Andriamanitra, dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika. I Jesoa Kristy no ilay tanjona!
Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava tsara fa ny “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”28 dia fitsapana tsotra sy manan-danja eo amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestrialy ambanimbany kokoa. Mba ho maherifo, isika dia mila mifantoka amin’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mba handresy ny fahafatesana sy hanadio antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fibebahantsika ary ilaintsika ny manaraka ny fotopampianaran’i Kristy.29 Ilaintsika ihany koa ny fahazavana sy ny fahalalana momba ny fiainana sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy mba hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly. Tsy maintsy mibosesika ao amin’i Kristy isika, mivoky amin’ny teniny, ary maharitra hatramin’ny farany.30
Famaranana
Raha toa ka te ho maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa isika dia tsy maintsy misoroka ireo vato manafintohina izay mamandrika sy manakana ny fivoaran’ireo lehilahy sy vehivavy mendri-kaja maro raha tsy voafandrik’izany. Aoka isika ho vonona ny hanompo Azy hatrany. Rehefa mikatsaka fahalalana isika dia mila misoroka ireo filôzofian’ny olombelona izay mampihena ny fanolorantenantsika ho an’ny Mpamonjy. Tsy maintsy mahatakatra marina ny momba ny fahotana isika ary manaiky ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana. Mila misoroka ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona isika ary mifantoka amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ka manaraka ny fotopampianarany.
Noraisin’ny raiko ho fomba iray hitondrana herinaratra sy fahazavana ary rano betsaka handrahoana sy hanadiovana ilay andrin-jiro. Fanampiana goavana hanatsarana ny fiainany izany.
Ny mpanoratra iray dia nandroso hevitra fa ireo vato manafintohina dia azo ovaina ho “fanampiana goavana ho an’ny olona heni-kaja iray sy ho an’ny Lanitra.”31
Ho antsika, ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa dia fanampiana goavana iray mankany amin’ny fahamendrehana handray ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny fanjakana selestialy. I Jesoa Kristy irery no hany anarana ambanin’ny lanitra izay ahafahana manavotra antsika.32 Ijoroako ho vavolombelona marina ny amin’ny maha-Andriamanitra azy sy ny anjara asany masina ao anatin’ny drafitry ny Ray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.