Ny drafitra lehiben’ny fanavotana
Fantatro fa rehefa mibebaka amin-kitsimpo amin’ny fahotantsika isika dia voafafa tanteraka izy ireny—tsy hita soritra intsony!
Volana vitsy talohan’ny nahafatesan’ny Filoha Boyd K. Packer dia nanana fahafahana sarobidy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny maneran-tany mba hihainoana azy niteny taminay. Tsy mbola nety afaka tato an-tsaiko mihitsy ny zavatra nolazainy. Nolazainy anay fa nanao jery todika ireo zavatra nitranga teo amin’ny fiainany izy, nitady ny porofon’ny fahotana nataony sy nibebahany tamin-kitsimpo, ka dia tsy nahita soritra ny amin’izany intsony izy. Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy malalantsika, sy tamin’ny alalan’ny fibebahana tamin-kitsimpo, dia voafafa tanteraka ny fahotany, toy ny hoe tsy mbola nitranga mihitsy. Dia nanome torohevitra anay mpitarika ny Filoha Packer tamin’izay andro izay mba hijoro ho vavolombelona fa marina izany ho antsika tsirairay avy izay mibebaka amin-kitsimpo.
Mahafantatra lehilahy iray aho izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena taona maro lasa izay. Nandritra ny fotoana maharitra dia nahatsapa ho menatra loatra ity lehilahy ity ny hiresaka tamin’ny vadiny sy ireo mpitarika azy tao amin’ny fisoronana. Naniry ny hibebaka tanteraka izy saingy raha ny marina dia naneho izy fa vonona ny hamoy ny famonjena azy mandrakizay toy izay hahatonga ny vady aman-janany halahelo, na ho menatra, na hizaka ireo voka-dratsy hafa izay mety hateraky ny fibabohany.
Rehefa nanota isika dia matetika i Satana no miezaka mandresy lahatra antsika fa ny zavatra feno fandavan-tena tokony hatao dia ny miaro ny hafa amin’ny alahelo lehibe avy amin’ny fahafantarana ny fahotantsika, anisan’izany ny fialana amin’ny fibabohana amin’ny eveka, izay afaka mitahy ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronany noho izy mpitsara ny rehetra ao Isiraely. Ny marina anefa dia hoe ny zavatra feno fandavan-tena sy araka an’i Kristy tokony hatao dia ny mibaboka sy mibebaka. Izany no drafitra lehiben’ny fanavotan’ny Ray any An-danitra.
Nony farany dia nibaboka tamin’ny vadiny sy ireo mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana ity lehilahy malala ity, izay nahatsapa nenina lehibe. Na dia izay aza no zavatra sarotra indrindra nataony teo amin’ny fiainany dia niteraka fifaliana tsy hay lazaina teo aminy ny fahatsapana ho maivamaivana, fiadanana, fankasitrahana, fitiavana ny Mpamonjy antsika, ary ny fahalalana fa nanaisotra ny enta-mavesany sy nitondra azy ny Tompo, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny mety ho vokatr’izany sy izay hoaviny.
Azony antoka fa halahelo mafy ny vady aman-janany—ary tena nalahelo izy ireo. Ary hisy fampiharana fitsipi-pifehezana sy fisaorana azy amin’ny antsony—dia nisy izany. Azony antoka fa halahelo sy ho toro fo ary ho tezitra ny vadiny—dia tena izay tokoa no tsapany. Ary resy lahatra izy fa handao azy ny vadiny ary hitondra ireo ankizy miaraka aminy—saingy tsy nanao izany izy.
Indraindray ny fandikan-dalàna goavana dia mitarika ho amin’ny fisaraham-panambadiana, ary miankina amin’ny toe-javatra misy dia mety ilaina izany. Saingy talanjona ity lehilahy ity fa nanaiky azy ny vadiny ary nahafoy tena mba hanampy azy tamin’ny fomba rehetra azony natao. Taty aoriana dia afaka namela azy tanteraka ilay vadiny. Nahatsapa ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho azy izy. Taona maro taty aoriana dia mafy orina sy mahatoky ireo mpivady ireo sy ny zanany telo. Manompo any amin’ny tempoly izy mivady ary miaina fanambadiana mahafinaritra ary feno fitiavana. Tena hita soritra eo amin’ny fiainany ny halalin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ity lehilahy ity sy ny fitiavany ary ny fankasitrahany ny Mpamonjy.
Nijoro ho vavolombelona i Amioleka hoe: “Eny, mba tiako ny handrosoanareo sy ny tsy hanamafisanareo ny fonareo intsony; … raha mibebaka ianareo … , dia eo no ho eo no hahatanteraka aminareo ny drafitra lehiben’ ny famonjena.”1
Rehefa niara-nanompo tamin’ny vadiko aho tamin’izy filohan’ny misiôna dia nandeha tany amin’ny seranam-piaramanidina izahay indray maraina mba hitsena andiana misiônera maro. Nisy zatovolahy iray manokana nahasarika ny sainay. Toa nalahelo izy, navesabesatra, ary efa saika tezitra mihitsy. Nijery tsara azy izahay tamin’io tolakandro io. Nony hariva dia nibaboka ihany ity zatovolahy ity na dia tara aza, ka nanapa-kevitra ireo mpitarika azy fa mila miverina mody izy. Na dia nalahelo mafy aza izahay fa tsy marin-toetra izy ary tsy nibebaka talohan’ny nandehanany nanao asa fitoriana dia nidera azy tamin-kitsimpo sy tamim-pitiavana izahay teny an-dalana ho any amin’ny seranam-piaramanidina noho izy nanana herimpo hiaiky ny helony, ary nampanantena azy izahay fa hifandray akaiky aminy.
Voatahy ity zatovolahy miavaka ity noho ny fananany ray aman-dreny mahafinaritra sy mpitarika tsara ao amin’ny fisoronana ary paroasy tia manohana sy feno fitiavana. Rehefa avy niezaka mafy nibebaka tanteraka sy nandray ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy tao anatin’ny taona iray dia afaka niverina tao amin’ny misiônanay. Sarotra ho ahy ny hamariparitra ny fifaliana tsapanay rehefa nitsena io zatovolahy io teny amin’ny seranam-piaramanidina izahay. Heniky ny Fanahy izy, faly, ary natoky tena teo anatrehan’ny Tompo, ary dodona ery ny hanatontosa asa fitoriana feno fahatokiana. Lasa misiônera tena niavaka izy, ary taty aoriana dia nanana tombontsoa lehibe izahay mivady nanatrika ny famehezana azy tany amin’ny tempoly.
Mifanohitra amin’izay, mahafantatra misiônera iray hafa aho izay nihevitra fa ny fahafantarana momba ny fahotana tsy nibebahany mialoha ny asa fitoriany dia azo antoka fa handefasana azy hody, dia namolavola drafitra manokana izy mba hiasa mafy tokoa nandritra ny asa fitoriany ary hibaboka ny fahotany tamin’ny filohan’ny misiôna andro vitsy monja mialoha ny hahavitany ny asa fitoriany. Tsy nanana alahelo araka an’ Andriamanitra izy ary niezaka ny tsy handalo ireo dingan’ny fibebahana izay natolotry ny Mpamonjintsika be fitiavana ny tsirairay amintsika.
Nandritra ny asa fanompoanay dia nandeha niaraka tamin’ny vadiko aho indray mandeha rehefa nandeha nanao dinidinika tamin’ny lehilahy iray hatao batisa izy. Rehefa nitarika ilay dinidinika ny vadiko dia niandry tao ivelany niaraka tamin’ireo rahavavy misiônera nampianatra io lehilahy io aho. Rehefa vita ilay dinidinika dia nampahafantatra an’ireo misiônera ny vadiko fa afaka atao batisa ilay lehilahy. Nigogogogo nitomany io lehilahy malala io rehefa nanazava fa tena nino izy fa hanakana azy tsy ho azo atao batisa ny fahotana goavana nataony teo amin’ny fiainany. Ankavitsiana no nahitako ny fifaliana sy ny fahasambaran’ny olona iray nivoaka tao amin’ny haizina ka nankao amin’ny hazavana, ka hoe mitovy amin’izay hitako tamin’io andro io.
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:
“Rehefa miaraka amin’ny finoana an’ilay Mpanavotra [antsika] be famindram-po, sy amin’ny alalan’ny fahefany, dia hivadika ho fanantenana ilay fahakiviana. Miova ny ao anatin’ny fo sy ny fanirian’ny olona iray ary lasa mankahala an’ilay toetra mora voasariky ny ota teo aloha. …
“… Na manao ahoana na manao ahoana fijaliana ateraky ny fibebahana dia ho atelin’ny fifaliana entin’ny famelan-keloka izany.”2
Ireo zavatra niainana ireo dia mampahatsiahy ahy an’i Enôsa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay “nitalaho tami[n’ny Tompo] sady nahery nivavaka,” ary avy eo dia nahare feo nilaza hoe: “Ry Enôsa, voavela ny fahotanao. …
“Ary izaho Enôsa dia nahafantatra fa tsy afaka mandainga Andriamanitra; noho izany, dia nofafana ny hadisoako.
“Ary hoy aho: Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?
“Ary hoy Izy tamiko: Noho ny finoanao an’ i Kristy. … Koa mandehana, ny finoanao no efa namonjy anao.”3
Rehefa nanomana ity lahateny ity aho dia naniry ny hahatakatra ny fomba hahatakaran’ireo zafikelinay ny fibebahana sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy, koa dia nangataka an’ireo zanakay aho mba hametraka amin’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto. Nahakasika ny foko ny valintenin’ireo zafikelinay.
Inona no atao hoe fibebahana? “Rehefa nikapoka olona iray ianao dia afaka miteny hoe ‘azafady’ ary manampy azy.”
Inona no tsapanao rehefa mibebaka ianao? “Afaka mahatsapa Azy ianao, afaka mahatsapa ny fitiavany, ary mandao ny tena ireo fahatsapana ratsy.”
Inona no tsapanao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka ianao? “Tsapako fa i Jesoa dia mahatsapa fa nilaina tokoa ny nanao ny Sorompanavotana, ary faly Izy fa afaka miara-miaina Aminy indray isika.”
Nahoana i Jesoa sy ny Ray any An-danitra no maniry ny hibebahako? Toy izao no voalazan’ilay zafikeliko zatovo: “Satria tian’ Izy ireo aho! Mba hahafahana mandroso sy ho lasa tahaka Azy ireo dia mila mibebaka aho. Tiako hiaraka amiko ihany koa ny Fanahy, koa mila mibebaka isan’andro aho mba hahazoana izany fiarahany amiko mahafinaritra izany. Tsy ho ampy na oviana na oviana ny fankasitrahako Azy ireo.”
Rehefa nandre ireo fanontaniana ireo i Brynlee izay efa-taona dia hoy izy: “Tsy haiko ry Dada à! Tokony ampianarinao aho.”
Tao anatin’ny fihaonambe maneran-tany iray teo aloha dia nanambara ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Na dia tara tahaka ny ahoana aza ny fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka toy ny inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao … , na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano, na ny fianakaviana, na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”4
Tena iriko tokoa ho an’ny tsirairay amin’ny zanako, ny zafikeliko, ary ny tsirairay aminareo ry anadahiko sy rahavaviko, ny hahatsapa ny fifaliana sy ny maha-akaiky an’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika rehefa mibebaka isan’andro amin’ny fahotantsika sy ny fahalementsika isika. Mila fibebahana ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay izay tompon’andraikitra. Diniho ireo fahotana ilaintsika hibebahana. Inona no manakana antsika? Amin’ny fomba ahoana no tokony hivoarantsika?
Fantatro, araka izay niainan’ny Filoha Packer sy nijoroany ho vavolombelona, fa rehefa mibebaka amin-kitsimpo isika dia voafafa tanteraka ny fahotantsika—tsy hita soritra intsony! Izaho manokana dia nahatsapa ny fitiavana, ny fifaliana, nahatsapa ho maivamaivana, ary fahatokian-tena teo anatrehan’ny Tompo rehefa nibebaka tamin-kitsimpo.
Ho ahy, ny fahagagana lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity dia tsy ny fampisarahana ny Ranomasina Mena, na ny famindrana tendrombohitra, na ny fanasitranana ny vatana aza. Mitranga ny fahagagana lehibe indrindra rehefa mivavaka amim-panetren-tena amin’ny Ray any An-danitra isika ary mitalaho amim-panetrentena mba hamelana ny fahotantsika, ary nahatsapa avy eo dia voadio amin’ireo fahotana ireo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.