Ilay mpitsara marina
Iray ihany no fomba ahafahana mitsara araka ny rariny, tahaka ny ataon’i Jesoa Kristy, dia ny miova ho tahaka Azy.
Nandritra ny fiainany tety an-tany i Jesoa Kristy dia mpitsara be fitiavana, hendry mihoatra noho ny mahazatra ary maharitra. Ao amin’ny soratra masina Izy dia antsoina hoe ilay “mpitsara marina” (2 Timoty 4:8; Mosesy 6:57), ary ny toroheviny ho antsika dia ny “hitsara ihany koa araka ny fitsarana marina” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1–2) ary ny “[hametraka] amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao … [ary ny] hitsara araka ny rariny” (F&F 11:12).
Ity torohevitra ho an’ireo Roambinifololahy Nefita ity dia hanampy antsika hitsara araka ny fanaon’ny Tompo: “Ianareo no ho mpitsaran’ ity vahoaka ity, araka ny fitsarana izay homeko anareo, izay ho marina. Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27; nampiana fanamafisana). Indraindray isika dia manadino fa tamin’Izy nanome ilay torohevitra hoe ho toa Azy, dia teo am-piresahana mikasika ny fomba hitsarana araka ny rariny.
Fitsarana tsy marina
Ny ohatra iray mahamenatra mikasika ny fitsarana tsy marina dia hita ao amin’ilay fanoharana momba ilay ondry very tamin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna nanao fitsarana diso an’i Jesoa sy ireo niara-nisakafo taminy, ka nilaza hoe: “Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy” (Lioka 15:2)—tsy nihevitra akory izy ireo fa hoe ny tenan’izy ireo dia mpanota koa. Noho ny fananan’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo fo tia manameloka dia tsy fantatr’izy ireo mihitsy izany hoe fifaliana azo amin’izany manavotra ondry very izany.
Mbola “ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo” ihany koa no nitondra “vehivavy anankiray azo nijangajanga” (Jaona 8:3) teo amin’ny Mpamonjy mba hahitana raha toa ka hitsara azy araka ny lalàn’i Mosesy Izy (jereo ny andininy 5). Fantatrareo ny tohin’ny tantara, ny fomba nampietreny azy ireo noho ny fitsarany tsy marina, ary ny fomba naha-resy tohika azy ireo noho ny feon’ny fieritreretan’ny tenan’izy ireo ihany ka dia nivoaka “tsirairay” (fandikana ara-bakiteny ny dikantenin’ny Mpanjaka Jakoba andininy 9; nampiana fanamafisana). Avy teo Izy dia nilaza tamin’ilay vehivavy fa hoe “Izy koa dia tsy manameloka azy ka dia tokony handeha izy ka tsy hanota intsony. Ary dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy nanomboka tamin’io ora io ka nino ny Anarany” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 8:11).
Ilay lehilahy sy vehivavy araka ny nofo ao anatintsika tsirairay dia manana fironana hanameloka ny hafa ary hanao fitsarana tsy marina, na araka izay maha-afa-po ny tena. Nitranga tamin’i Jakoba sy i Jaona koa aza izany, roa tamin’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy. Tezitra mafy izy ireo rehefa naneho fihetsika tsy nisy fanajana tamin’ny Mpamonjy ny mponina tao amin’ny tanàna Samaritana iray (jereo ny Lioka 9:51–54):
“Ary raha hitan’[izy ireo] izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao ve raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy [toy ny nataon’i Elia?]
“Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy, [ka nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo].
“[Fa ny Zanak’olona tsy tonga hahavery ny ain’ny olona, fa hamonjy azy]” (andininy 54–55).
Ireo “mpitsara tsotra” (F&F 107:74) ankehitriny, izay ireo eveka sy filohan’ny sampana misy antsika, dia tokony hiala amin’ny faniriana hanameloka mitovitovy amin’izany, tahaka ny nataon’i Jakoba sy i Jaona tamin’io indray mitoraka io. Fangorahana sy fahaizana mipetraka amin’ny toeran’ny hafa no asetrin’ny mpitsara marina amin’ny fiaikekeloka. Ny zatovo iray izay nanao fahadisoana ohatra, dia tokony handao ny biraon’ny eveka feno fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny eveka sy heniky ny fifaliana sy ny hery manasitrana entin’ny Sorompanavotana—fa tsy hahatsiaro velively ho rakotra henatra na ho meloka namoa fady. Fa raha tsy izany ilay eveka dia mety hitarika tsy nahy an’ilay ondry very ho vao mainka hanalavitra any an-efitra (jereo ny Lioka 15:4).
Fitsipi-pifehezana
Na izany aza anefa, ny fangorahana dia tsy manafoana ny filana fitsipi-pifehezana. Ny teny hoe fitsipi-pifehezana na discipline dia avy amin’ny teny latina hoe discere izany hoe “mianatra,” na hoe discipulus izany hoe “mpianatra,” ka lasa hoe mpianatra sy mpanara-dia ny hoe “disciple.”1 Ny hoe mampihatra fitsipi-pifehezana amin’ny fomban’ny Tompo dia mampianatra amim-pitiavana sy amim-paharetana. Ao amin’ny soratra masina ny Tompo dia mampiasa matetika ilay teny hoe faizina, rehefa miresaka momba ny fitsipi-pifehezana (jereo ohatra ny Môsià 23:21; F&F 95:1). Ny teny hoe “chasten” na manafay dia avy amin’ny teny latina hoe castus, midika hoe “madio fitondrantena”, ary ny hoe chasten izany dia midika hoe “mahatonga ho madio.”2
Eo amin’izao tontolo izao, dia ny mpitsara ara-nofo no manameloka olona iray ary managadra azy any am-ponja. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa rehefa minia manota isika dia lasa mpitsaran’ny tenantsika (Almà 41:7) ary manameloka ny tenantsika ho any amin’ny tranomaizina ara-panahy. Mahavariana fa ny mpitsara tsotra eto dia mihazona ny fanalahidy izay manokatra ny varavaran’ny fonja; “fa amin’ny fananarana no hanomanako ny lalana hanafahana azy amin’ny karazana fakam-panahy rehetra” (F&F 95:1; nampiana fanamafisana). Ireo zavatra ataon’ny mpitsara marina iray dia feno famindram-po, sy fitiavana ary manavotra fa tsy manameloka.
I Joseph Smith tao amin’ny fahatanorany dia nanarina nandritra ny fizahan-toetra efa-taona talohan’ny nahazoany ireo takela-bolamena, “satria ianao tsy nitandrina ireo didin’ny Tompo.”3 Taty aoriana, rehefa nanary ireo pejy vita soratanana 116 i Joseph dia nanarina indray. Na dia tena feno nenina marina aza i Joseph, dia mbola nesorin’ny Tompo taminy ihany ireo tombontsoa nananany nandritra ny fotoana fohy, satria “izay tiako koa no faiziko hahazoana mamela ny fahotany” (F&F 95:1).
Hoy i Joseph: “Feno fifaliana ilay anjely raha namerina tamiko indray ny Orima sy ny Tomima ka nilaza fa faly Andriamanitra noho ny fahatokiako sy ny fanetretenako, ary tia ahy noho ny fibebahako sy ny fahazotoako amin’ny vavaka.”4 Noho ny Tompo naniry hampianatra lesona manova fo tamin’i Joseph, dia nitaky sorona maharary taminy Izy; fa ny sorona dia ampahany tena manan-danja amin’ny fananarana.
Sorona
“Tamin’ny andro fahiny, ny sorona dia midika ho fanamasinana ny zavatra iray na olona iray,”5 ka mampifandray izany amin’ny fomba mifampiankina, amin’ny famaritana ny teny hoe manafay—na “mahatonga ho madio.” Torak’izany koa, tamin’ny Isiraely fahiny, ny famelan-keloka dia raisina tamin’ny alalan’ny fanaovana fanatitra noho ny fahotana na fandikan-dalàna, na koa hoe sorona.6 Ilay sorona dia tsy hoe “[n]anondro [fotsiny] izany sorona lehibe sady farany izany” (Almà 34:14) fa nanampy ihany koa hiteraka fahatsapana fankasitrahana lalina kokoa ho an’ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy. Ny tsy fetezana hanao sorona ho isan’ny fibebahana dia mandrabiraby sy manao tsinontsinona ilay sorona lehibe kokoa nataon’i Kristy noho iny fahotana iny ihany ary mampihena ny lanjan’ny fijaliany—dia marika tsy misy antra ny tsy fahaizana mankasitraka.
Etsy ankilany kosa, noho ilay asa mahavarian’ny fanaovana sorona, dia raha ny marina mahazo zavatra manana lanja mandrakizay isika, dia ny famindram-pony sy ny famelan-keloka avy Aminy, ary amin’ny farany dia “izay rehetra ananan’[ny] Ray” (F&F 84:38). Tafiditra ao amin’ny dingan’ny fibebahana, ny sorona dia miasa toy ny balsama manasitrana, manampy hanolo ny “fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18) ho lasa “fiadanan-tsaina” (Môsià 4:3). Raha tsy misy sorona dia ho hitan’ny olona anankiray fa sarotra ny mamela ny tenany ihany, noho ny fahatsapana tsy tapaka fa nisy zavatra nohazonina.7
Ny ray aman-dreny eo amin’ny anjara toeran’ny mpitsara marina
Raha vitsy amintsika ihany no ho antsoina ho mpitsara tsotra, dia mihatra amintsika rehetra kosa ireo fitsipiky ny fitsarana araka ny rariny, indrindra indrindra amin’ireo ray aman-dreny izay manana fahafahana isan’andro hampiasa ireo fitsipika ireo miaraka amin’ny zanak’izy ireo. Ny mampianatra zanaka iray amim-pahombiazana no tena fototry ny hoe fitaizana tsara, ary ny mananatra amim-pitiavana no tena fototr’izany hoe lasa mpitsara marina izany.
Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Raha mikomy ireo zanaka ka lasa sarotra fehezina, dia aoka ianao haharitra amin’izy ireo mandra-pahafahanao mambabo azy amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana, … ary avy eo dia azonao atao ny [mamolavola] ny toetran’izy ireo araka izay tianao.”8
Mahatonga saina fa rehefa mampianatra fomba enti-mananatra ireo mpaminany, dia toa miresaka hatrany momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manome antsika ity torohevitra efa diso fantatra ity mikasika ny fananarana:
“Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;
“Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka—
“Manitsy eo no ho eo amin’ ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena” (F&F 121:41–43).
Io soratra masina io dia mampianatra antsika hanitsy “rehefa entanin’ny Fanahy Masina,” fa tsy hoe rehefa entanin’ny hatezerana. Tsy afaka miaraka ny Fanahy Masina sy ny hatezerana, satria “izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy” (3 Nefia 11:29). Nampianatra ny Filoha George Albert Smith hoe “ny zavatra mifono haratsiam-panahy mazana dia tsy ambara eo ambany fitaoman’ny Tompo. Ny Fanahin’ny Tompo dia fanahin’ny hatsaram-panahy; fanahin’ny faharetana; fanahin’ny fiantrana sy fitiavana ary fandeferana sy fahari-po.
“… Fa raha manana toe-panahy tia mitady hadisoana amin’ny hafa isika … amin’ny fomba manimba, dia tsy vokatry ny fiarahan’ny Fanahin’ny Raintsika any An-danitra na oviana na oviana izany ary manimba foana.
“… Ny hatsaram-panahy no hery izay nomen’ Andriamanitra antsika hanalefahana ny fo mafy sy hambaboana ireo fanahy miziriziry.”9
Iza marina moa ireo zanatsika
Raha nitsidika an’ireo Nefita ny Mpamonjy dia nanao zavatra tena miavaka tamin’ireo ankizy:
“Ary ny zava-nitranga dia nampianariny sy notompoiny ny zanaky ny valalabemandry … , ary novahany ny lelany, ary izy ireo dia niteny tamin-drainy zavatra lehibe sy mahatalanjona. …
“… Ary sady nahita izy no nandre ireo ankizy ireo; eny, na dia ny zaza aza dia nanokatra ny vavany sy nanambara zavatra mahatalanjona” (3 Nefia 26:14, 16).
Angamba nanao mihoatra noho ny nanokatra ny vavan’ ireo zaza ny Tompo, fa nanokatra koa ny maso sy ny sofin’ ireo ray aman-drenin’izy ireo izay talanjona. Ireo ray aman-dreny ireo dia notolorana ilay fanomezam-pahasoavana miavaka ny hahatakatra ny sombin’ny mandrakizay sy ny hahatazana hoe iza marina moa ireo zanak’izy ireo sy ny toetran’izy ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Moa ve izany tsy hanova mandrakizay ny fomba fijerin’ ireo ray aman-dreny sy ny fomba fandraisany an’ireo zanany? Tiako ity fanovana natao ity tamin’ny zavatra iray izay voalaza fa avy amin’i Goethe: “Ny fomba fijerinao ny [zaza] iray no fomba fandraisanao azy, ary ny fomba fandraisanao azy no hahatongavany rahatrizay.”10 Ny fahatsiarovana hoe iza marina moa ny zaza iray dia fanomezam-pahasoavana ahafahana mahita mialoha izay manentana amin’ny fomba araka an’ Andriamanitra ny fahatakaran’ny mpitsara marina iray.
Famaranana
Nampianatra antsika ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Aza avela na oviana na oviana hisy olana iray tokony ho vahana ho lasa manan-danja kokoa noho ny olona iray tokony ho tiavina.”11 Tena iankinan’ny aina io fitsipika io eo amin’ny fahatongavana ho mpitsara marina, indrindra amin’ireo zanatsika ihany.
Iray ihany no fomba ahafahana mitsara araka ny rariny, tahaka ny ataon’i Jesoa Kristy, dia ny miova ho tahaka Azy. Ka noho izany, “tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.